2010–2019
Ho fiderana ireo izay manavotra
Aprily 2016


Ho fiderana ireo izay manavotra

Rehefa maka tahaka ny fitiavan’ny Mpamonjy isika dia tena hitahy sy hampahomby ny ezaka marina ataontsika hanavotana ny fanambadiantsika sy hanamafy orina ny fianakaviantsika Izy.

Taona maro lasa izay dia tany amin’ny Tempolin’i Francfort tany Alemana aho raha sendra nahatsikaritra mpivady zokiolona nifampitantana. Ny fifanehoam-pitiavana nasehon’izy ireo dia nampihetsi-po ahy.

Tsy tena fantatro ny antony nahavoakasika mafy ny foko tamin’izany zavatra hitako izany. Angamba ilay hamamin’ny fifankatiavana nifampizaran’ireto olona roa ireto—izay tandindon’ny faharetana sy ny fanolorantena. Nazava be fa niaraka nandritra ny fotoana ela ireto mpivady ireto, ary ny fifankatiavan’izy ireo dia mbola velona sy natanjaka.

Fiaraha-monin’ny zavatra ariana rehefa tsy ilaina intsony

Mieritreritra aho fa isan’ny antony niraiketan’ity trangan-javatra ity tao an-tsaiko nandritra ny fotoana ela dia ny fahasamihafana eo amin’ny fomba fisainan’ny olona sasany ankehitriny. Eo amin’ny fiaraha-monina maro maneran-tany dia toa saika natao ho ariana avokoa ny zava-drehetra. Raha vantany vao manomboka simba na tonta ny zavatra iray—na hoe leo azy fotsiny isika—dia ariantsika izany ary solointsika zavatra avo lenta kokoa, dia zavatra vaovao sy mangirana kokoa.

Izany no ataontsika amin’ny finday, ny akanjo, ny fiara—ary mampivarahontsana fa toy izany koa no ataontsika amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa.

Raha toa ka mety tsy maninona ny manary ireo zavatra ara-materialy eo amin’ny fiainantsika izay tsy ilaintsika intsony, dia mitondra nenina lalina kosa ny fironana amin’ny fanoloana ny tany am-piandohana amin’ny maoderina, raha mikasika ny zavatry ny mandrakizay—toy ny fanambadiantsika, ny fianakaviantsika, ary ny soatoavintsika.

Feno fankasitrahana aho fa mpikambana ao amina fiangonana izay manome lanja ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia fantatra maneran-tany amin’ny fananany ireo fanambadiana sy fianakaviana izay isan’ny tsara indrindra mety ho hita. Mino aho fa isan’ny anton’izany ny fahamarinana sarobidy naverin’i Joseph Smith tamin’ny laoniny fa ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia natao haharitra mandrakizay. Tsy natao hanamorana ny fizotran-javatra eto an-tany fotsiny ny fianakaviana, ka tsy ilaina intsony rehefa mankany an-danitra. Raha ny marina dia izy ireo no lamin’ny lanitra. Izy ireo dia tandindon’ny lamina selestialy sy fakana tahaka ny fianakaviana mandrakizain’ Andriamanitra.

Saingy ny fifandraisana matanjaka misy eo amin’ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia tsy tongatonga ho azy amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika fotsiny ihany. Mitaky ezaka tsy tapaka sy an-tsitrapo izany. Ny fotopampianaran’ny fianakaviana mandrakizay dia tokony hitarika antsika hanokana ny ezaka tsara indrindra vitantsika ho fitehirizana sy ho fanatsarantsika ny fanambadiantsika sy ny fianakaviantsika. Tena midera sy mipoa-tsatroka ireo izay nitahiry sy nikolokolo ireo fifandraisana mandrakizay ireo aho.

Androany aho dia maniry ny hidera ireo izay manavotra.

Manavotra ny fanambadiantsika

Tao anatin’ny taona nifanesy dia nanantanteraka ôrdônansin’ny famehezana ho an’ny mpivady maro izay mifankatia sy feno fanantenana aho. Tsy mbola nahita olona izay nifampijery teo amin’ny alitara aho, ka nieritreritra hoe hisaraka na ho toro fo any aoriana.

Saingy mampalahelo anefa fa misaraka ihany ny sasany.

Rehefa mihamaro anefa ny andro ary miova ny lokon’ny fitiavana, dia toa misy ireo izay manomboka tsikelikely tsy mieritreritra ny fifalian’ny iray intsony ary manomboka mahita kosa ireo hadisoana kely. Ao anatin’ny tontolo tahaka izany dia misy ireo izay entanin’ny eritreritra mampalahelo fa hoe tsy dia marani-tsaina, tsy dia tsara tarehy, tsy dia mahafinaritra na tsy tanora intsony ny vadin’izy ireo. Ary dia toa mahatonga azy ireo hihevitra fa rariny raha manomboka mijery any an-kafa izy ireo.

Ry Rahalahy, raha manakaiky an’izany na dia kely monja aza ianareo dia mampitandrina anareo aho fa eo an-dalana mankany amin’ny fahapotehan’ny fanambadiana sy ny tokantrano, ary ny faharatran’ny fo ianareo. Miangavy anareo aho ny hijanona izao dia izao, hitodika ary hiverina ho amin’ny lalan’ny fahamarinan-toetra azo antoka, sy ny fijanonana ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana. Ary mazava ho azy fa mihatra amin’ireo anabavy malalantsika ihany koa ireo fitsipika ireo.

Ankehitriny dia hilaza zavatra tokana monja aho amin’ireo rahalahintsika mbola mpitovo, izay manaraka ilay fitaka fa hoe mila mahita ilay “vehivavy tonga lafatra” izy ireo vao afaka hiditra amin’ny fifandraisana matotra sy ny fanambadiana.

Ry Rahalahiko Malala, aleo ampatsiahiviko anareo hoe raha tena nisy tokoa ve ny vehivavy tonga lafatra dia ho liana aminareo izy?

Ao amin’ny drafitry ny fahasambaran’ Andriamanitra dia tsy hoe mitady olona tonga lafatra isika fa mitady kosa olona izay afaka hiaraka ny hanao ezaka amintsika hamorona fifandraisana feno fitiavana sy maharitra ary tonga lafatra kokoa, mandritra ny fiainana. Izany no tanjona.

Ry rahalahy, ireo izay manavotra ny fanambadiany dia mahatakatra fa izany fikatsahana izany dia mitaky fotoana, faharetana ary indrindra indrindra, ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Mitaky anareo ho tsara fanahy, tsy mitsiriritra, tsy mikatsaka ny anareo, tsy mora tezitra, tsy mieritreritra ratsy, ary mifaly amin’ny fahamarinana izany. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia mitaky ny fitiavana madion’i Kristy izany.1

Izany rehetra izany dia tsy hitranga ao anatin’ny indray mipi-maso. Ireo fanambadiana tsara dia naorina tsikelikely, isan’andro mandritra ny fiainana manontolo.

Ary dia vaovao tsara izany.

Satria na dia mankaleo manao ahoana aza ny fifandraisantsika amin’izao fotoana izao, raha manohy manampy tsikelikely hatsaram-panahy, fitserana, fihainoana, fahafoizantena, fahatakarana ary tsy fitiavan-tena hanatsarana izany ianao dia hanomboka hihalehibe izany.

Raha toy ny mitaky fotoana be ilay izy dia tsarovy fa ny fanambadiana dia natao haharitra mandrakizay! Koa “aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa fa mandatsaka ny fanorenana ny [fanambadiana] lehibe ianareo. Ary amin’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe.”2

Mety ho miadana ny asa, saingy tsy voatery ho mahasosotra izany. Raha ny marina, raha mila hilaza izay efa fantatry ny rehetra aho, dia zara raha mitranga ny fisaraham-panambadiana rehefa sambatra ny mpivady.

Noho izany dia mifalia!

Ry rahalahy, ataovy mitolagaga ny vadinareo amin’ny fanaovana zavatra izay mahafaly azy.

Ireo izay manavotra ny fanambadiany dia misafidy ny fifaliana. Marina fa ny karazana harerahan-tsaina amam-panahy sasany dia mitaky fitsaboana manokana, kanefa dia tiako izao tenim-pahendrena nolazain’i Abraham Lincoln izao: “Ny fifalian’ny ankabeazan’ny olona dia mifanaraka amin’ny fanapahany hevitra ny ho faly.” Izany dia mifanentana tsara amin’ilay teny mitovy aminy ao amin’ny soratra masina, izay manao hoe: “Mitadiava dia ahita ianareo.”3

Raha mitady ny fahalemena ao amin’ny vadintsika isika na ny fahasorenana ao amin’ny fanambadiantsika, dia tena hahita izany tokoa satria dia manana izany avokoa ny rehetra. Raha toa ka mikatsaka ny tsara kosa isika dia tena ho hitantsika izany satria ny rehetra dia manana toetra tsara ihany koa.

Ireo izay manavotra ny fanambadiana dia manaisotra ny ahitra ka manondraka ireo voninkazo. Midera ireo fihetsika kely feno indrafo izay mitarika ny fahatsapana ny fiantrana izy ireo. Ireo izay manavotra fanambadiana dia manavotra ny taranaka ho avy.

Ry rahalahy, tsarovy ny antony naha-raiki-pitia anareo taminy.

Miasà isan’andro mba hahatonga ny fanambadianareo ho matanjaka sy sambatra kokoa.

Ry namako malala, handeha isika hanao izay tsara indrindra vitantsika mba ho isan’ireo olona faly manavotra ny fanambadian’izy ireo.

Manavotra ny fianakaviantsika

Androany aho dia maniry ihany koa ny hidera ireo izay manavotra ny fifandraisany amin’ny fianakaviany. Mila fanavotana ny fianakaviana rehetra.

Na dia mahafinaritra aza ny hoe fantatra noho ireo fianakaviana mafy orina ao aminy ny Fiangonana dia mety mahatsapa isika matetika fa mitombina ho an’ny fianakaviana Olomasin’ny Andro Farany rehetra izany, afa-tsy ny antsika. Saingy raha ny marina dia tsy misy ny fianakaviana tonga lafatra.

Ny fianakaviana tsirairay dia samy mandalo fotoana somary mahasadaikatra.

Toy ny rehefa mangataka anareo haka sary “selfie” azy ireo ny ray aman-dreninareo, na koa rehefa manantitrantitra ny rahavavin’ny renibenareo fa mbola mpitovo ianareo satria mifidifidy be loatra, na koa rehefa manizingizina ny zaodahinareo izay mafy loha fa ny fomba fijeriny ara-politika no fomba fijery mety indrindra, na koa rehefa asain’ny rainareo maka sary ny fianakaviana iray manontolo ka manao ny fitafian’ny olona mahafinaritra azy ao amin’ny sarimihetsika ankafiziny.

Ary ianareo no mahazo ny fitafian’i Chewbacca.

Toy izany ny fianakaviana.

Mety mitovy isika eo amin’ny lafin’ny fanaranaka saingy samy hafa isika. Manana fanahy miavaka isika. Taomin’ireo zavatra iainantsika amin’ny fomba samy hafa isika. Ary samy hafa avokoa ny vokatra azontsika tsirairay amin’ny farany.

Tokony tsy hiezaka hanery ny hafa ho tonga tahaka izay tiantsika hahatongavany isika fa hisafidy kosa ny hidera ireo fahasamihafana ireo ary hankafy azy ireny noho ny zavatra entiny sy ny zavatra tsy ampoizina misesisesy entiny eo amin’ny fiainantsika.

Indraindray anefa dia manao safidy na manao zavatra tsy voahevitra, mandratra ary tsy madio ny olona ao amin’ny fianakaviantsika. Inona no tokony hataontsika amin’ireny trangan-javatra ireny?

Tsy misy vahaolana iray izay mahavaha ny trangan-javatra rehetra. Ireo izay manavotra ny fianakaviany dia mahomby satria mifandinika amin’ny vadiny izy ireo, mikatsaka ny sitrapon’ny Tompo ary mihaino ny fitarihan’ny Fanahy Masina izy ireo. Fantatr’izy ireo fa izay mety amin’ny fianakaviana iray dia tsy voatery ho mety amin’ny fianakaviana iray hafa.

Misy zavatra iray mety amin’ny trangan-javatra rehetra anefa.

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika dia mianatra mikasika ny vahoaka iray izay nahita ny tsiambaratelon’ny fahasambarana. Tao anatin’ireo taranaka maro nifandimby dia, “tsy nisy fifandirana ary marina tokoa fa tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy teo anivon’ny vahoaka rehetra izay noharian’ny tànan’ Andriamanitra.” Ahoana no nanaovan’izy ireo izany? “noho ny fitiavan’ Andriamanitra, izay nitoetra tao am-pon’ny vahoaka.”4

Na inona na inona olana sedrain’ny fianakavianareo, na inona na inona ezaka mila ataonareo mba hamahana izany olana izany, dia ny fiantrana izay fitiavana madion’i Kristy no fiandohana sy fiafaran’ny vahaolana. Raha tsy misy izany fitiavana izany, na dia ireo fianakaviana toa lavorary aza dia sahirana. Raha miaraka amin’izany fitiavana izany kosa dia mahomby na dia ny fianakaviana misedra olana lehibe aza.

“Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay.”5

Marina izany raha ny amin’ny famonjena ny fanambadiana! Marina izany raha ny amin’ny famonjena ny fianakaviana!

Avelao any ny avonavom-po

Ny fahavalo lehiben’ny fiantrana dia ny avonavom-po. Ny avonavom-po dia isan’ny antony lehibe indrindra mampihozongozona ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Ny avonavom-po dia mora tezitra, tsy tsara fanahy ary mitsiriritra. Ny avonavom-po dia mampihoam-pampana ny heriny manokana ary tsy mahita ny hatsaran’ny hafa. Ny avonavom-po dia tia tena ary mora tezitra. Ny avonavom-po dia mahita fihetsika ratsy ataon’ny hafa na dia tsy misy aza izany ary manafina ny fahalemeny manokana amin’ny alalan’ny lainga tsara lahatra. Ny avonavom-po dia tsy manana fanantenana, tezitra ary tsy maharitra. Ny tena marina dia raha toa ka ny fiantrana no fitiavana madion’i Kristy dia ny avonavom-po kosa no manoritra ny toetran’i Satana.

Mety ho kilema iraisan’ny olona ny avonavom-po. Tsy ao anatin’ny lovantsika ara-panahy anefa izany ary tsy manana toerana eo anivon’ireo mpihazona ny fisoronan’ Andriamanitra.

Fohy ny fiainana ry rahalahy. Ny nenina dia afaka maharitra ela be—ny sasany amin’izany dia hisy vokany izay hiantraika mandrakizay amintsika.

Ny fomba hitondranareo ny vadinareo, na ny zanakareo, na ny ray aman-dreninareo, na ny mpiray tampo aminareo dia mety hisy fiantraikany eo amin’ireo taranaka ho avy. Inona no lova tianareo avela ho an’ny taranakareo? Lovan’ny fahamafisan’ny fo, famaliana faty, fahatezerana, tahotra na fanaovan-javatra irery ve? Sa lovan’ny fitiavana, fanetrentena, famelan-keloka, fangorahana, fitomboana ara-panahy, ary firaisan-kina?

Mila tsaroantsika rehetra fa ny “fitsarana tsy misy famindrampo no ho anjaran’izay tsy mamindra fo.”6

Ho an’ny fifandraisanareo amin’ny fianakavianareo, ho an’ny fanahinareo, dia mba mamindrà fo, fa “ny famindrampo dia mandresy ny fitsarana.”7

Avelao any ny avonavom-ponareo.

Ny fialana tsiny amin’ireo zanakareo, na ny vadinareo, na ny fianakavianareo, na ireo namanareo dia tsy mariky ny fahalemena akory fa mariky ny fahatanjahana. Aza ahemotra izany fa fohy ny fiainana. Moa ve zava-dehibe kokoa aminareo ny manana ny rariny noho ny hoe manorina tontolo mikolokolo, manasitrana ary feno fitiavana?

Manorena fifandraisana fa aza manapotika izany.

Na dia tsy diso aza ianareo—ary angamba amin’ny fotoana izay tsy maha-diso anareo indrindra—dia avelao ny fitiavana handresy ny avonavom-po.

Raha manao izany ianareo dia na inona na inona fahoriana lalovanareo, dia handalo izany, ary noho ny fitiavan’ Andriamanitra ao am-ponareo, dia ho foana ny fifandirana. Ireo fitsipika ho amin’ny fanavotana ny fifandraisana ireo dia mihatra amintsika rehetra, na manambady isika na nisara-panambadiana, na maty vady, na mpitovo isika. Afaka ny ho mpanavotra ny fianakaviana matanjaka avokoa isika rehetra.

Ny Fitiavana Lehibe Indrindra

Ry Rahalahy, amin’ireo ezaka ataontsika hanavotana ny fanambadiantsika sy ny fianakaviantsika, tahaka ny amin’ny zava-drehetra, dia aoka isika hanaraka ny ohatran’ Ilay nanavotra antsika. Ny Mpamonjy dia nandresy “ny fanahintsika tamin’ny fitiavana.”8 I Jesoa Kristy no Mpampianatra antsika. Ny asany no asantsika. Asa fanavotana izany ary manomboka ao an-tokantranontsika.

Ny fitiavana lehibe indrindra eo amin’ny drafitry ny famonjena dia tsy tia tena ary mikatsaka ny mahasoa ny hafa. Izany no fitiavan’ny Raintsika any An-danitra ho antsika.

Rehefa maka tahaka ny fitiavan’ny Mpamonjy isika dia tena hitahy sy hampahomby ny ezaka marina ataontsika hanavotana ny fanambadiantsika sy hanamafy orina ny fianakaviantsika Izy.

Hitahy anareo anie ny Tompo amin’ny ezaka marina sy tsy misy fitsaharana ataonareo mba ho isan’ireo izay manavotra ianareo. Izany no vavaka ataoko, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.