2010–2019
Fialofana amin’ny tafio-drivotra
Aprily 2016


Fialofana amin’ny tafio-drivotra

Tsy entina hamaritana hoe iza ireo mpitsoa-ponenana izao vanimpotoana izao, saingy hanampy antsika hamaritra hoe iza isika izay asetrintsika izao.

“Fa noana Aho dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho dia nampiantranoinareo:

“Tsy nanan-kitafy Aho dia notafianareo. …

“… Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.”1

Misy mpitsoa-ponenana miisa 60 tapitrisa eo ho eo eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, izay midika fa “olona iray isaky ny 122 … no voatery nitsoaka ny fonenany”2 ary ankizy ny antsasak’ireo.3 Mahazendana ny mieritreritra ny isan’olona voakasik’izany sy ny misaintsaina ny dikan’izany eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay. Any Eorôpa ny asa nampiandraiketana ahy amin’izao fotoana izao, toerana izay nahatongavan’ny mpitsoa-ponenana miisa dimy aliny sy roa hetsy sy iray tapitrisa tamin’ny taona lasa, ary avy any amin’ireo toerana ravan’ny ady any Moyen Orient sy Afrika izy ireo.4 Hitantsika fa ny maro amin’izy ireo dia tsy mitondra afa-tsy izay eny an-kodiny miaraka amin’izay azony entiny ao anatin’ny kitapo kely iray. Nandia fianarana tsara ny ankamaroan’izy ireo, kanefa izy rehetra dia tsy maintsy nandao ny tokantranony sy ny fianarany ary ny asany.

Eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany, ny Fiangonana dia miara-miasa amin’ny fikambanana miisa 75 (dimy amby fitopololo) any amin’ireo firenena eorôpeana 17. Ireo fikambanana ireo dia manomboka any amin’ny fikambanana lehibe iraisam-pirenena ka hatrany amin’ireo fikambanana kely any amin’ny fiaraha-monina, manomboka any amin’ireo sampan’ny governemanta ka hatrany amin’ireo mpanao asa soa avy amina antokom-pinoana na tsy miankina amina antokom-pinoana. Sambatra isika miara-miasa sy mianatra avy amin’ny hafa izay efa niasa teo anivon’ireo mpitsoa-ponenana manerana izao tontolo izao nandritra ny taona maro.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika, amin’ny maha-vahoaka iray antsika, dia tsy mila mitodika lavitra ao amin’ny tantarantsika isika raha hisaintsaina ireo fotoana naha-mpitsoa-ponenana antsika, noroahina tamin-kerisetra avy tao amin’ny tranontsika sy ny tanintsika hatrany hatrany. Tamin’ny herinandro lasa teo raha niresaka momba ireo mpitsoa-ponenana ny Rahavavy Linda Burton, dia nangatahiny ireo vehivavy ato amin’ny Fiangonana mba hieritreritra hoe: “Ahoana moa raha tantarako ny tantaran’izy ireo?”5 Tantarantsika ny tantaran’izy ireo, tsy taona maro lasa akory izay.

Misy adihevitra mahery vaika any amin’ireo governemanta sy manerana ny fiaraha-monina mikasika ny famaritana ny hoe mpitsoa-ponenana sy ny tokony hatao mba hanampiana azy ireo. Ireo hevitra zaraiko etoana dia tsy natao velively hamelombelona izany adihevitra mafana izany, na hanisy fanamarihana mikasika ny lalàn’ny fifindra-monina fa hifantoka kosa amin’ny olona izay noroahina tamin’ny tranony sy ny fireneny noho ny ady izay tsy natombok’izy ireo.

Fantatry ny Mpamonjy izany atao hoe mpitsoa-ponenana izany—iray tamin’izany Izy. Fony mbola zaza dia nitsoaka nankany Egypta mba tsy ho voavono araka ny baikon’i Heroda i Jesoa sy ny fianakaviany. Ary tamin’ny fotoana maro nandritra ny asa fanompoany dia norahonana i Jesoa ary notandindomin-doza ny ainy, ary tamin’ny farany dia nanoa teo anatrehan’ny tetik’ireo olon-dratsy izay nikononkonona ny fahafatesany. Angamba tena tsikaritsika tokoa aza tamin’izany fa nampianatra matetika antsika hifankatia sy hitia araka ny nitiavany, ary ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika Izy. Tena marina tokoa fa “izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’ny Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany”6 sy “hikarakara ny mahantra sy ny sahirana ka hisahana ny fanampiana azy ireny mba tsy hijaliany.”7

Tena nanentana ny fanahy ny nahita ny zavatra nomen’ny mpikamban’ny Fiangonana maneran-tany tamin-kalalahan-tanana mba hanampiana ireo olona tsirairay sy fianakaviana izay namoy zavatra maro tokoa ireo. Manerana an’i Eorôpa manokana dia nahita mpikamban’ny Fiangonana maro aho izay niaina fahavelombelomana nifono fifaliana sy fitomboan’ny aim-panahy rehefa namaly izany faniriana lalina voajanahary mba hanampy sy hanompo ireo izay sahirana mafy manodidina azy ireo izany. Ny Fiangonana dia nanolotra fialofana sy fitsaboana. Nanangona fitaovam-pidiovana an’arivony ny tsatòka sy misiôna maro. Ny tsatòka hafa dia nanolotra sakafo sy rano, akanjo, akanjo aro orana, bisikileta, boky, kitapo babena, solomaso enti-mamaky, sy ny maro hafa.

Olona maro avy any Écosse ka hatrany Sicile no nandray anjara tamin’izay mety ho asa rehetra azo natao. Dokotera sy mpitsabo mpanampy maro no niasa maimaim-poana tany amin’ny toerana nahatongavan’ireo mpitsoa-ponenana izay kotsa sy nangatsiaka ary matetika heniky ny tahotra noho ny fiampitan’izy ireo rano. Rehefa manomboka ny dingan’ny fipetrahana ao amin’ny toerana iray ireo mpitsoa-ponenana dia manampy azy ireo hianatra ny fitenin’ireo firenena mandray azy ireo ny mpikambana eo an-toerana, ary ny hafa kosa dia mankahery ny ankizy sy ny ray aman-dreny amin’ny alalan’ny fanolorana kilalao sy fitaovana fanaovana zava-kanto, hira sy tantara an-tsehatra. Misy koa ireo izay nanome kofehy fanaovam-ba sy vim-bà ary vy fanaovana kirôse ka nampianatra izany fahaiza-manao izany tamin’ireo mpitsoa-ponenana teo an-toerana na lehibe na kely.

Ireo mpikambana efa ela tato amin’ny Fiangonana, izay nanompo sy nitarika nandritra ny taona maro, dia nanamarina fa ny fanompoana ireo olona ireo izay nila fanampiana tsy an-kiandry dia nanome traikefa faran’izay tsara sy mahafa-po teo amin’ny asa fanompoana rehetra nataony hatrizay.

Tsy maintsy hita vao inoana ny maha-tena misy ireo toe-javatra miseho ireo. Tamin’ny ririnina dia nihaona tamin’ny vehivavy bevohoka iray avy any Syrie, teo anivon’ireo maro hafa aho, tao anatin’ny toby fiampitan’ireo mpitsoa-ponenana, ka nitady toky fatratra izy fa tsy hiteraka eo amin’ilay gorodona mangatsiakan’ilay trano lehibe izay nampiantranoana azy. Mpampianatra tany amin’ny oniversite izy tany Syrie. Tany Grèce dia niresaka tamin’ny fianakaviana iray aho izay mbola kotsa sy nangovitra ary heniky ny tahotra noho ny fiampitany tamin’ny sambo kely iray azo abontsina avy any Turquie. Rehefa avy nijery ny mason’izy ireo sy nandre ny tantarany aho, na ny zavatra nampihorohoro nitsoahan’izy ireo izany na ny dia nampidi-doza nataony mba hahita fialofana, dia tsy ho izaho taloha velively intsony aho.

Ao anatin’ilay fanolorana fikarakarana sy fanampiana dia ahitana mpiasa mavitrika tia manampy maro dia maro, ka manao asa an-tsitrapo ny ankamaroan’izy ireo. Hitako teo am-perinasa ny mpikamban’ny Fiangonana iray izay niasa nandritra ny alina, nandritra ny volana maro, nanolotra ireo zavatra ilaina tena maika indrindra ho an’ireo izay tonga avy Turquie sy Grèce. Teo anivon’ireo asa maro tsy voatanisa hafa dia nanome fitsaboana voalohany an’ireo izay tena nila fitsaboana maika indrindra izy, nataony izay hikarakarana ny vehivavy nandeha irery niaraka tamin’ny zanany, nankahereziny ireo izay namoy olon-tiana teny an-dalana, ary nanao ny tsara indrindra vitany izy mba hampiasa ny kely nananany hanampiana olona betsaka indrindra araka izay tratrany. Izy, tahaka ireo maro toa azy, dia anjely manompo ara-bakiteny izay tsy hohadinoin’ireo izay nokarakarainy na oviana na oviana ny asany, ary tsy hohadinoin’ny Tompo, satria nanao iraka ho Azy izy.

Ireo rehetra izay nanolo-tena hanamaivana ny fahoriana manodidina azy ireo dia tena mitovy amin’ny vahoakan’i Almà: “Ary dia toy izany, tamin’izany fotoam-panambinana izany, no tsy mba nandroahany izay nitanjaka, na izay marary, na izay tsy nihinana; … nalala-tanana tamin’ny rehetra [izy ireo], na antitra na tanora, na mpifatotra na olona hafa, na lahy na vavy, na olona ivelan’ny fiangonana na ao anatin’ny fiangonana, tsy nanavakavaka olona tamin’ireo izay fadiranovana.”8

Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy ho lasa toy ny zavatra mahazatra fotsiny ny vaovao momba ireo toe-javatra mitranga amin’ireo mpitsoa-ponenana, rehefa nihena ny fihotakotahana tamin’ny voalohany, kanefa mbola mitohy ny ady ary mitohy hatrany ny fahatongavan’ny fianakaviana maro. Mpitsoa-ponenana an-tapitrisany manerana izao tontolo izao, izay tsy miseho amin’ny vaovao intsony ny tantarany, no mbola mila fanampiana mafy.

Raha toa ka manontany ianao hoe: “Inona no azoko atao?” dia aoka hotsaroantsika aloha fa tsy tokony hanompo isika raha ataontsika ambanin-javatra ny fianakaviantsika sy ireo andraikitsika hafa,9 ary tsy tokony hanantena ireo mpitarika antsika mba hanangana tetikasa ho antsika isika. Kanefa afaka mandray anjara amin’ity asa fanasoavana goavana ity isika tsirairay amin’ny maha tanora, lehilahy, vehivavy sy amin’ny maha-fianakaviana.

Ho valin’ny fanasana nataon’ny Fiadidiana Voalohany mba handray anjara amin’ny asa fanompoana araka an’i Kristy atao amin’ireo mpitsoa-ponenana maneran-tany,10 ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy Zatovovavy ary Kilonga maneran-tany dia nanangana asa fanampiana antsoina hoe: “Mpivahiny aho.” Nampahafantarin’ny Rahavavy Burton tamin’ireo vehivavy ato amin’ny Fiangonana izany tamin’ny faran’ny herinandro teo nandritra ny fivoriamben’ny vehivavy maneran-tany. Misy hevitra sy loharano ary sosokevitra marobe tena manampy hanaovana asa fanompoana ao amin’ny IWasAStranger.lds.org.

Atomboy amin’ny vavaka atao am-pandohalihana. Avy eo dia mieritrereta zavatra atao eo akaikin’ny tranonareo, eo amin’ny fiaraha-monina misy anareo, izay hahitanao olona mila fanampiana amin’ny toe-java-baovao iainany. Ny tanjona ambony indrindra dia ny fanarenana azy ireo hanana fiainana ahitana fahazotoana miasa sy fizakan-tena.

Tsy misy fiafarana ireo fahafahantsika hanolo-tanana sy ho namana. Azonao atao ny manampy ireo mpitsoa-ponenana napetraka tamin’ny toerana iray mba hianatra ny fitenin’ilay firenena mampiantrano azy ireo, na hampitombo ny fahaiza-manaony arak’asa, na hanao fampiharana ny dinidinika fitadiavana asa. Afaka manolo-tena ho mpanorohevitra ny fianakaviana na renim-pianakaviana iray ianao ao anatin’ny fizaran’izy ireo miaina kolontsaina tsy mahazatra iray, na dia manao zavatra tsotra toy ny hoe miaraka amin’izy ireo mandeha any amin’ny toeram-pivarotana na any an-tsekoly aza. Manana fikambanana azo itokisana iarahany miasa ny paroasy sy tsatòka sasany. Ary afaka manome anjara biriky ho an’ny asa fanasoavana miavaka ataon’ny Fiangonana ianao araka izay toe-javatra iainanao.

Ankoatra izany isika tsirairay dia afaka mampitombo ny fahalalantsika mikasika ireo zava-mitranga manerana izao tontolo izao izay mandroaka ireo fianakaviana ireo hiala ny fonenany. Tsy maintsy mijoro manohitra ny tsy fandeferana isika ary manohana ny fanajana sy ny fiantrana olona eo anivon’ireo kolontsaina sy fomban-drazana samihafa. Hanova anareo ny fihaonana amin’ireo fianakaviana mpitsoa-ponenana sy ny fandrenesana ny tantaran’izy ireo amin’ny sofinareo fa tsy avy amin’ny efijery iray na gazety iray. Hivelatra ny finamanana marina ary hampitombo ny fananana fangorahana sy ny fahombiazana eo amin’ny fiainana ao anatina tontolo vaovao iray.

Ny Tompo dia nampianatra antsika fa ireo tsatòkan’i Ziona dia tokony ho “fiarovana” sy ho “fialofana amin’ny tafio-drivotra.”11 Nahita fialofana isika. Andeha isika hivoaka avy ao amin’ireo toerana voaro misy antsika ka hizara amin’izy ireo ny zavatra betsaka ananantsika, ny fanantenana hoavy mamiratra kokoa, ny finoana an’ Andriamanitra sy amin’ny mpiara-belona amintsika, ary fitiavana izay mahita mihoatra noho ny fahasamihafana ara-kolontsaina sy ara-potokevitra ijoroana hatrany amin’ilay fahamarinana be voninahitra hoe isika rehetra dia zanaky ny Raintsika any An-danitra avokoa.

“Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana.”12

Mety ho fotoana mitondra fiovana lalina eo amin’ny fiainan’ireo mpitsoa-ponenana ny maha-pitsoa-ponenana azy ireo, saingy tsy mamaritra ny hoe iza izy ireo izany. Tahaka ny an’ireo olona an’arivony tsy voatanisa teo alohan’izy ireo dia ho vanimpotoana—izay iriantsika ho vanimpotoana fohy—eo amin’ny fiainan’izy ireo izany. Ny sasany amin’izy ireo dia hitohy hahazo ny Prix Nobel, ho mpiasam-panjakana, mpitsabo, mpahay siansa, mpahy mozika, mpahay zava-kanto, mpitondra fivavahana, ary mpandray anjara amin’ny sehatra hafa. Maro amin’izy ireo tokoa no ireo karazan’olona ireo mialoha ny ny namoizany ny zava-drehetra. Tsy entina hamaritana hoe iza izy ireo izao vanimpotoana izao, saingy hanampy antsika hamaritra hoe iza isika izay asetrintsika izao.

“Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.”13 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Ho fampahalalana fanampiny dia jereo ny IWasAStranger.lds.org sy ny mormonchannel.org/blog/post/40-ways-to-help-refugees-in-your-community.