2010–2019
Mijoro miaraka amin’ny mpitarika ny Fiangonana
Aprily 2016


Mijoro miaraka amin’ny mpitarika ny Fiangonana

Moa ve ianao mijoro miaraka amin’ny mpitarika ny Fiangonana, ao anatin’ny tontolo izay mihamaizina, mba hahafahanao manaparitaka ny Fahazavan’i Kristy?

Manolotra ny fiarahabana mitafotafo ho an’ireo Manampahefana Ambony sy Fitopololahin’ny Vondrom-paritra vaovao ary ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany vaovao, izay mahafinaritra tokoa izahay. Ary mankasitraka lalina ireo izay nisaorana izahay. Tianay ianareo tsirairay avy.

Ry rahalahy sy anabavy malala, vao avy nandray anjara tamin’ny fotoana manan-danja feno fitahiana isika, tamin’ny nananganantsika ny tanantsika ho fanohanana ireo mpaminany, mpahita ary mpanambara, ary ireo mpitarika hafa sy mpiandraikitra ao amin’ny fisoronana, izay nantsoin’ Andriamanitra amin’izao vanim-potoana izao. Tsy mbola nohamaivaniko mihitsy ny fahafahana manohana sy hotarihin’ny mpanompon’ny Tompo. Ary raha mbola volana vitsy izao no niantsoana ahy ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia mampanetry tena ahy ny fanohananareo sy ny fahatokianareo. Sarobidy amiko ny fahavononanareo hijoro miaraka amiko sy miaraka amin’ireo mpitarika lehibe rehetra ireo.

Fotoana fohy taorian’ny nanohanana ahy tamin’ny volana ôktôbra lasa teo dia nandeha namita iraka tany Pakistan aho, ary dia nihaona tamin’ireo Olomasina mahafinaritra sy feno fanoloran-tena tao amin’io firenena io. Vitsy an’isa izy ireo saingy lehibe ara-panahy. Fotoana fohy taorian’ny nodiako dia naharay izao hafatra izao avy tamin’ny rahalahy Shakeel Arshad aho, izay mpikambana malala nihaona tamiko nandritra ny fitsidihako. [Hoy izy]: “Misaotra ry Loholona Rasband tamin’ny fahatongavanao taty Pakistan. Te hilaza aminao aho fa izahay … mpikamban’ny Fiangonana … dia manohana anao sy tia anao. Mahatsiaro ho voatahy [izahay] noho ny fahatongavanao taty sy ny nahenoanay anao. Tena “andro volamena” teo amin’ny fiainan’ny fianakaviako ny nihaonanay tamin’ny Apôstôly iray.”1

Ny fihaonana amin’ny Olomasina toy ny Rahalahy Arshad dia tena traifeka mameno ny fo sy mampanetry tena tokoa, ary araka ny teniny dia “andro volamena” ho ahy ihany koa izany.

Tamin’ny volana janoary teo dia nandray anjara tamina fandaharana tafatafa mivantana tamin’ny tanora maneran-tany sy ny mpitarika azy ireo, ary ny ray aman-dreniny ny mpitarika ny Fiangonana. Nandeha mivantana tamin’ny alalan’ny Internet ny fandaharana tany amin’ny toerana maro tany amin’ny firenena miisa 146. Ny faritra sasany dia nahitana mpandray anjara maro nameno ny Fiangonana, ary ny sasany kosa dia tanora anankiray avy tamin’ny tokantrano iray. Raha natambatra dia anetsiny maro no nandray anjara.

Sary
Tafatafa mivantana niaraka tamin’ny Loholona Rasband sy Rahavavy Oscarson ary Rahalahy Owen

Teo am-pifandraisana tamin’ny mpihaino be dia be dia namaly fanontaniana avy tamin’ireo tanorantsika ny Rahavavy Bonnie Oscarson, Filohan’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany, sy ny Rahalahy Stephen W. Owen, Filohan’ny Zatovolahy maneran-tany ary ny tenako—niaraka tamin’ny fanohanan’ireo mpanolotra tanora sy ireo mpitendry zava-maneno ary olona hafa.

Sary
Lohahevitra iraisana ho an’ny taona 2016

Ny tanjonay dia ny hanolotra ny lohahevitra iraisana ho an’ny taona 2016 hoe “Tsy maintsy mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy ianareo,” izay avy amin’ny 2 Nefia izay mivaky toy izao: “Noho izany dia tsy maintsy mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy ianareo, amin’ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ny tenin’ i Kristy ary maharitra hatramin’ny farany, dia indro, izao no lazain’ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo.”2

Inona no nianaranay rehefa namaky ireo fanontaniana an-jatony napetraky ny tanorantsika izahay? Nianatra izahay fa tia ny Tompo ny tanorantsika, manohana ny mpitarika azy ary mba maniry hahazo ny valin’ny fanontaniany izy ireo! Ny fanontaniana dia fanehoana ny faniriana lalina kokoa mba hianatra sy hampitombo ireo fahamarinana izay efa mitoetra ao amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika ary mba ho voaomana tsara kokoa mba “[hibosesika] handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy.”

Ny Famerenana tamin’ny laoniny ny filazantsara dia nanomboka tamin’ny zatovo iray, Joseph Smith, izay nametraka fanontaniana. Maro tamin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy nandritra ny fotoam-panompoany no nanomboka tamin’ny fanontaniana. Tsarovy ny fanontaniana napetrany tamin’i Petera: “Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza?”3 Ary namaly i Petera nanao hoe: “Hianao no Kristy Zanak’ Andriamanitra velona.”4 Mila mifanampy isika mba hahazo ny valintenin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy.

Nandritra ilay fandaharana dia hoy aho tamin’ny zatovo:

“Ny mpitarika ny Fiangonana dia tsy vahiny amin’ireo olana sy ahiahy ary fanamby atrehanareo.

“Manan-janaka izahay. Manan-jafikely izahay. Mihaona matetika amin’ny tanora maneran-tany izahay. Ary dia mivavaka ho anareo izahay, miresaka mikasika anareo ao amin’ny toerana masina indrindra izahay ary tia anareo.”5

Te hizara ny iray amin’ireo valinteny maro voarainay nandritra io fotoana io aho.

I Lisa,avy ao Grande Prairie, Alberta, Kanadà, dia nanoratra hoe: “Nahafinaritra ity tafatafa mivantana ity. Nitondra hery ho an’ny fijoroana ho vavolombelona ananako sy ny finoako ny filazantsara izany. Tena voatahy izahay manana mpitarika tarihin’ny Fanahy izay nantsoina hanompo amin’ny toerana samihafa.”6

I Liz, avy ao Pleasant Grove, Utah, dia nanoratra hoe: “Feno fankasitrahana aho noho ny finoako manokana sy ny fahafahana manohana ny mpaminan’ Andriamanitra iray sy ireo lehilahy sy vehivavy miaraka manompo aminy.”7

Nanohana mpitarika isika androany, izay nantsoina tamin’ny alalan’ny fitarihan’ Andriamanitra mba hampianatra sy hitarika antsika, ary miantso antsika mba hitandrina manoloana ireo loza izay hatrehintsika ankehitriny—manomboka amin’ny fanamasinana ny andro Sabata, ka hatramin’ny loza mananontanona ny fianakaviana sy ny fanafihana ny fahalalahana ara-pivavahana, eny, na dia ny fiadian-kevitra mikasika ireo fanambarana amin’ny andro farany aza. Ry rahalahy sy anabavy, moa ve mihaino ny torohevitr’izy ireo isika?

Mihira imbetsaka ireo teny mahafinaritra manao hoe “Tariho, ampio, miaraha eo anilanay”8 isika, mandritra ireo fihaonambe, fivoriana fanasan’ny Tompo ary fotoam-pianaran’ny Kilonga. Inona no dikan’ireo teny ireo aminao? Iza no tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra momba izany ianao? Nahatsapa ny fitaoman’ireo mpitarika marina ve ianao, dia ireo mpianatr’i Jesoa Kristy izay nitaona anao taloha sy mbola manao izany hatrany ankehitriny, izay miara-mandeha aminao eo amin’ny lalan’ny Tompo? Mety akaiky anao izy ireo ao an-tokantrano, eo anivon’ny mpiara-mivavaka, na koa miresaka avy eny amin’ny polipitra mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ireo mpianatra ireo dia mizara amintsika ny fitahiana dia ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, Ilay mpitarika an’ity Fiangonana ity, Ilay mpitarika ny fanahintsika, izay nampanantena hoe: “Koa mahereza, ary aza matahotra, fa Izaho Tompo dia momba anareo, ka hijoro eo anilanareo.”9

Tsaroako ny nizaran’ny Filoha Thomas S. Monson ilay tantara mikasika ny nanasana azy tany an-tranon’i Paul C. Child, filohan’ny tsatòkany mba hiomana amin’ny fandrosoana ho ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Tena fitahiana miavaka tokoa izany ho an’ny Filoha Child, izay tsy nahafantatra tamin’izany fotoana izany fa nampianatra zatovolahy mpihazona ny Fisoronana Aharôna izay ho lasa mpaminanin’ Andriamanitra indray andro any izy.10

Nahazo ny anjaram-potoanako manokana nianarana avy tamin’ny Filoha Monson mpaminany malalalantsika aho. Tsy hisalasalako ato am-poko na ato an-tsaiko mihitsy fa izy no mpaminanin’ny Tompo ety an-tany. Mpihaino sy mpandray feno fanetrentena aho rehefa nandray fanambarana sy nanaraka izany izy. Nampianatra antsika izy mba hifanome tanana, hifampiaro ary hifamonjy. Tahaka izany no nampianarina teny amin’ny reniranon’i Môrmôna. Ireo izay “naniry … hantsoina hoe vahoakany” dia vonona ny “hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivanana izany,” sy “te hiara-malahelo amin’izay malahelo”ary “hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra.”11

Anio aho dia mijoro amin’ny maha-vavolombelon’ Andriamanitra Ilay Ray Mandrakizay sy i Jesoa Kristy Zanany ahy. Fantatro fa velona ny Mpamonjy antsika ary tia antsika sy mitarika ireo mpanompony Izy, dia izaho sy ianao, mba hanatanterahana ireo tanjony lehibe eto amin’ity tany ity.12

Rehefa mandroso isika, ka misafidy ny hanaraka ireo torohevitra sy fampitandremana avy amin’ny mpitarika antsika, dia misafidy ny hanaraka ny Tompo isika eo am-pizoran’izao tontolo izao amin’ny lalana hafa. Misafidy ny hihazona ny anja-by isika, ny ho Olomasin’ny Andro Farany, ny ho iraky ny Tompo ary ho feno “fifaliana mitafotafo.”13

Ny fanontaniana tena mipetraka ankehitriny dia mazava: moa ve ianao mijoro miaraka amin’ny mpitarika ny Fiangonana, ao anatin’ny tontolo izay mihamaizina, mba hahafahanao manaparitaka ny Fahazavan’i Kristy?

Ny fifandraisana amin’ireo mpitarika dia tena manan-danja sy lehibe. Na firy taona ireo mpitarika na firy taona, na lavitra izy ireo na akaiky, ary na tamin’ny fotoana inona na tamin’ny fotoana inona no mety nikasihan’izy ireo ny fiainantsika dia hita taratra amin’ny alalan’ny tenin’ilay poeta amerikanina Edwin Markham ny fitaoman’izy ireo, izay nilaza hoe:

Misy anjara iray mahatonga antsika ho mpirahalahy:

[Tsy misy olona] mizotra irery amin’ny lalany:

Izay rehetra omentsika ho an’ny hafa

Dia miverina ho antsika ihany.14

I Shakeel Arshad, ilay namako any Pakistan, dia nanolotra fanohanana ho ahy, izay rahalahiny sy namany. Torak’izany koa no efa nataon’ny maro aminareo. Rehefa manolo-tanana mba hifampahery isika dia manaporofo ireo teny tena mahakasika ny fo manao hoe: “Tsy misy olona mizotra irery amin’ny lalany.”

Ambonin’izany rehetra izany dia mila an’i Jesoa Kristy, izay Mpamonjy sy Tompontsika isika. Anisan’ireo tantara ao amin’ny soratra masina izay nahakasika ny fanahiko hatrany ilay tantaran’i Jesoa Kristy nandeha teo ambony rano mba hihaona tamin’ireo mpianany izay nandeha tao anaty sambo tany amin’ny Ranomasin’i Galilia. Izy ireo dia mpitarika, izay vao nantsoina, tahaka ny maro amintsika izay mitoetra ety ambony ety ankehitriny. Voarakitra ao amin’ny Matio io tantara io:

“Ary efa mby teo ampovoan’ny ranomasina ny sambokely tamin’izay, dia natopatopan’ny alon-drano izy, fa notohain’ny rivotra.

“Ary tamin’ny fiambenana fahefatra amin’ny alina dia nankeny amin’ny mpianany i Jesosy, nitsangatsangana teny ambonin’ny ranomasina.

“Ary nony nahita Azy nitsangantsangana teny ambonin’ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.

“Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin’izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.”15

Naheno izany antso fankaherezana mahafinaritra avy tamin’ny Tompo izany i Petera.

“Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin’ny rano aho.

“Ary hoy [Jesosy], Manatòna.”16

Tena feno fahasahiana izany. Mpanjono i Petera ary nahafantatra mikasika ny loza mety hateraky ny ranomasina izy. Na dia izany aza dia vonona izy ny hanaraka an’i Jesoa—na andro na alina, na eo an-tsambo na an-tanety.

Azoko an’eritreritra i Petera niala avy tao anaty sambo, tsy niandry fanasana fanindroany, ka nanomboka nandeha teny ambony rano. Ary marina tokoa fa nilaza ny soratra masina hoe “Nandeha tambonin’ny rano hanatona an’i Jesosy [izy].”17 Rehefa nihamafy ny tanjaky ny rivotra ary nihanasiaka nanodidina ny tongony ny onja dia nanjary “natahotra [i Petera]; ary vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo o, vonjeo aho!

“Ary naninjitra ny tanany niaraka tamin’izay Jesosy, dia nandray azy.”18

Tena lesona mahery vaika izany. Teo ny Tompo ho azy, tahaka ny maha eo Azy ho ahy sy ho anao. Nanolotra ny tanany Izy ary dia nisintona an’i Petera ho any Aminy sy ho amin’ny toerana azo antoka.

Nila ny Mpamonjy sy ny fanavotan’ny tanany aho ombieny ombieny. Mila Azy aho ankehitriny mihoatra ny teo aloha, tahaka ny tsirairay aminareo. Misy fotoana aho mahatsiaro ho feno fahatokian-tena ka miala avy ao anaty sambo, tsy ara-bakiteny akory, ary mandeha amin’ny toerana tsy mahazatra, ary dia tonga saina fa tsy afaka manao izany irery aho.

Araka izay noresahanay nandritra ny tafatafa mivantana dia matetika ny Tompo no manolo-tanana antsika amin’ny alalan’ny fianakaviantsika sy ny mpitarika antsika, ary manasa antsika hanatona Azy—tahaka ny nanolorany tanana an’i Petera.

Ianao koa dia hanana fotoana maro hamaliana ilay fanasana matetika mba“[ha]natona an’i Kristy.”19 Moa ve tsy izany no anton’ity fiainana ety an-tany ity? Mety ho famonjena olona iray ao amin’ny fianakaviana ilay antso; na mba hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno; na mba hiverina hiangona; na mba handeha any amin’ny tempoly masina; ary tahaka ny henontsika vao haingana avy tamin’ireo tanorantsika mahafinaritra nandritra ny tafatafa mivantana, ilay antso dia mety hoe “Mba valio ny fanontaniako azafady.” Amin’ny fotoana mampety azy dia handre ilay antso hoe “Avia, modia” isika tsirairay avy.

Mivavaka aho ny mba hanolorantsika tanana—ny mba hanolorantsika tanana sy ny mba handraisantsika ny tanan’ny Mpamonjy izay atolony antsika, izay matetika no amin’ny alalan’ireo mpitarika nantsoiny sy ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika izany—ary ny mba hihainoantsika ny antsony mba hanatona.

Fantatro fa velona i Jesoa Kristy; tiako Izy ary fantatro amin’ny foko manontolo fa tia antsika tsirairay avy Izy. Izy no Ohatra lehibe ho antsika ary mpitarika masina ho antsika zanaky ny Ray rehetra. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.