2010–2019
“Mba hahazoako misintona ny olon-drehetra atỳ Amiko”
Aprily 2016


“Mba hahazoako misintona ny olon-drehetra atỳ Amiko”

Rehefa manakaiky an’ Andriamanitra isika dia ho tonga amin’ny fiainantsika ilay hery manome fahafahana hanao zavatra avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala isany, fony aho nonina tany Afrika dia nangataka torohevitra tamin’ny Loholona Wilford W. Andersen ao amin’ny Fitopololahy mikasika ny fanampiana ireo Olomasina izay miaina ao anatin’ny fahantrana. Anisan’ireo hevitra miavaka nozarainy tamiko izao manaraka izao: “Arakaraka ny elanelana ara-pifandraisana misy eo amin’ny mpanome sy ny mpandray no hitomboan’ny fiheveran’ilay mpandray fa tokony homena zavatra izy.”

Mihatra amin’ny rafitry ny fifanampiana ao amin’ny Fiangonana io fitsipika io. Rehefa tojo fahasahiranana ireo mpikambana dia mitodika any amin’ny fianakaviany aloha izy ireo. Avy eo, raha ilaina, dia afaka mankany amin’ny mpitarik’izy ireo ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana ihany koa izy ireo mba hanampy azy ireo amin’ny olana ara-pivelomany.1 Ny olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ao an-toerana no akaiky indrindra an’ireo sahirana sy efa niatrika matetika toe-javatra mitovy amin’izay iainan’izy ireo ary mahatakatra tsara indrindra ny fomba hanampiana azy ireo. Noho ny fifandraisana akaiky misy amin’ireo mpandray sy ireo mpanome, ny mpandray izay mandray fanampiana araka ity lamina ity dia ho feno fankasitrahana ary tsy tokony hahatsapa ho tokony homena zavatra.

Ilay foto-kevitra hoe—“arakaraka ny elanelana ara-pifandraisana misy eo amin’ny mpanome sy ny mpandray no hitomboan’ny fiheveran’ilay mpandray ho tokony homena zavatra”—dia ahitana fampiharana lalina amin’ny lafiny ara-panahy ihany koa. Ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany no Mpanome amin’ny zava-drehetra. Arakaraka ny hanalavirantsika Azy Ireo no hahatsapantsika fa tokony homena zavatra isika. Manomboka mieritreritra isika fa mendrika handray fahasoavana ary tokony homena fitahiana. Lasa mora mijery ny hafa isika ka mahita zavatra tsy araka ny rariny ary mahatsiaro malahelo—tafintohina mihitsy aza—noho ny tsy rariny hitantsika. Mety tsy hanan-danja loatra ny tsy rariny, na koa tena mety hiteraka fanaintainana ara-tsaina sy ara-pihetsehampo be, saingy rehefa lavitra an’ Andriamanitra isika dia toa lehibe foana na dia ny tsy rariny kely indrindra aza. Mahatsapa isika fa manan’andraikitra hanova zavatra Andriamanitra—ary hanova izany izao dia izao!

Ny fahasamihafana ateraky ny fifandraisantsika akaiky amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia hita taratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fahasamihafana miharihary teo amin’i Nefia sy i Lamana ary i Lemoela zokiny lahy.

  • “Nanam-paniriana lehibe [i Nefia] ny hahafantatra ny mistery momba an’ Andriamanitra, noho izany dia nitalaho tamin’ny Tompo [izy]” ary nihanalefaka ny fony.2 I Lamana sy Lemoela kosa tetsy andaniny dia lavitra an’ Andriamanitra—tsy nahafantatra Azy.

  • Tsy nimonomonona i Nefia fa nanaiky ireo andraikitra sarotra nomena azy, fa i Lamana sy Lemoela kosa dia “nimonomonona tamin-javatra maro.” Ny mimonomonona no ohatra ao amin’ny soratra masina maneho ny fitaraindrainana lava. Voarakitra ao amin’ny soratra masina fa “izy ireo dia nimonomonona, satria tsy fantany ny fitondran’ilay Andriamanitra izay efa nahary azy ireo.”3

  • Ny naha-akaiky an’ Andriamanitra an’i Nefia no nahatonga azy hahafantatra sy hankasitraka ny “halehiben’ny famindram-pon’” Andriamanitra.4 Rehefa nahita kosa i Lamana sy Lemoela fa nandray fitahiana i Nefia dia “nisafoaka taminy [izy ireo] noho izy ireo tsy nahatakatra ny fitondran’ny Tompo.”5 Noraisin’i Lamana sy Lemoela ho zavatra tokony nomena azy ireo fitahiana azony ary nihevitra tamim-pahatezerana izy ireo fa tokony hahazo bebe kokoa. Toa noheverin’izy ireo ho “tsy rariny” natao tamin’izy ireo ny fitahiana nomena an’i Nefia. Izany dia ohatra ao amin’ny soratra masina maneho ny fahasorenana noho ny tsy nahazoana izay fitahiana tokony ho an’ny tena.

  • Nampihatra finoana an’ Andriamanitra i Nefia mba hanatanterahana izay nangatahana ho nataony.6 I Lamana sy Lemoela kosa anefa, “noho ny hamafin’ny fony, … dia tsy niandrandra ny Tompo araka ny tokony ho nataony.”7 Toa nihevitra izy ireo fa ny Tompo dia voatery tsy maintsy mamaly ireo fanontaniana izay tsy napetrak’izy ireo akory. “Tsy mampahafantatra anay ny zavatra toy izany ny Tompo,” hoy izy ireo, kanefa tsy nanao ezaka ny mba hangataka akory izy ireo.8 Izany no ohatra ao amin’ny soratra masina maneho ny fisalasalana maneso.

Koa satria lavitry ny Mpamonjy i Lamana sy Lemoela dia nimonomonona, ka lasa be fifandirana ary tsy nanam-pinoana. Nahatsapa izy ireo fa tsy rariny ny fiainana ka tokony hahazo ny fahasoavan’ Andriamanitra izy ireo. I Nefia kosa, noho izy nanakaiky an’ Andriamanitra hatrany, dia tsy maintsy nahafantatra fa ny fiainan’i Jesoa Kristy no nahitana tsy rariny indrindra. Na dia tsy nanan-tsiny mihitsy aza ny Mpamonjy dia Izy no nijaly indrindra.

Arakaraka ny maha-akaiky antsika amin’i Jesoa Kristy eo amin’ny eritreritra sy ny fikasan’ny fo no hankasitrahantsika kokoa ny fijaliana tsy rariny nianjady taminy, sy ny hankasitrahantsika kokoa noho ny fahasoavana sy ny famelan-keloka, ary haniriantsika bebe kokoa ny hibebaka ka ho lasa tahaka Azy. Lehibe ny elanelantsika tanteraka amin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, kanefa ny fitodihantsika dia mainka manan-danja kokoa. Finaritra kokoa Andrimanitra amin’ireo mpanota mibebaka izay miezaka manakaiky Azy noho ny amin’ireo mpanamari-tena sy mpanome tsiny izay tsy mahatsapa fa tena mila mibebaka tokoa, toy ireo Fariseo sy mpanora-dalana fahiny.9

Fony aho zazalahy dia niventso hira soedoa iray fanao amin’ny Krisimasy izay mampianatra lesona tsotra nefa mahery vaika—dia ny hoe ny fanakaikezana ny Mpamonjy dia mahatonga antsika hiova. Toy izao ny tonon-kiran’ilay izy:

Rehefa mangirana ny marainan’ny Krisimasy

Dia te hankany amin’ilay tranon’omby aho

Izay nandritra ny alina mangina

No efa nandrian’ Ilay Andrimanitra teo amin’ny mololo.

Akory ny hatsaranao izay naniry

Hidina tety ambonin’ny tany!

Fa izaho kosa anio tsy mba maniry

Ny handaniako ny fahazazako amin’ny fahotana intsony!

Jesoa ô, mila anao izahay

Ianao Ilay namana malalan’ireo ankizy.

Tsy te hampalahelo anao intsony aho

Noho ny fahotako indray.10

Rehefa toy ny hoe mandeha any amin’ilay tranon’omby any Betlehelema isika, “izay nandritra ny alina mangina no efa nandrian’ Ilay Andrimanitra teo amin’ny mololo,” dia ho afaka handray bebe kokoa ny Mpamonjy ho toy ny fanomezana avy amin’ny Ray any An-danitra tsara fanahy sy feno fitiavana. Tsy mba hahatsapa ho tokony hahazo ireo fitahiana avy Aminy sy ny fahasoavany isika fa hanana kosa faniriana lehibe ny tsy hampalahelo an’ Andriamanitra intsony.

Na manao ahoana na manao ahoana fitodihantsika na elanelantsika amin’ Andriamanitra sy Jesoa Kristy ankehitriny, dia afaka misafidy ny hitodika any amin’ Izy Ireo isika sy ny hanakaiky Azy Ireo kokoa. Hanampy antsika Izy Ireo. Araka ny voalazan’ny Mpamonjy tamin’ny Nefita taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty:

“Ary naniraka Ahy ny Raiko mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ny hazofijaliana; ary taorian’ny efa nanandratana Ahy teo amin’ny hazofijaliana, dia ny mba hahazoako misintona ny olon-drehetra atỳ Amiko, …

“Ary noho izany antony izany no efa nanandratana Ahy; koa, araka ny fahefan’ny Ray, dia hosintoniko ny olon-drehetra hankatỳ Amiko.”11

Mba hahafahantsika manakaiky kokoa ny Mpamonjy dia tsy maintsy mampitombo ny finoantsika Azy isika, manao fanekempihavanana sy mitandrina izany, ary manana ny Fanahy Masina miaraka amintsika. Tsy maintsy manao zavatra amim-pinoana ihany koa isika sady manaraka ny fitarihan’ny Fanahy izay voaraintsika. Ireo zavatra rehetra ireo dia tanteraka avokoa mandritra ny fanasan’ny Tompo. Eny tokoa, ny fomba tsara indrindra fantatro hanakaikezana kokoa an’ Andriamanitra dia ny miomana tsara sy mandray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro.

Nisy namanay iray tany Afrika Atsimo nizara ny fomba nahatakarany izany. Fony i Diane mpikambana vaovao dia nanatrika tany amin’ny sampana iray ivelan’i Johannesbourg. Indray alahady, raha nipetraka niaraka tamin’ny daholobe izy, noho ny endrik’ilay trano fiangonana dia tsy tazan’ilay diakona izy nandritra ny fizarana ny fanasan’ny Tompo. Diso fanantenana i Diane saingy tsy nilaza na inona na inona. Nisy mpikambana iray hafa nahatsikaritra ny fanadinoana an’i Diane ka nilaza izany tamin’ny filohan’ny sampana taorian’ny fivoriana. Rehefa nanomboka ny Sekoly Alahady dia nasaina ho ao amina efitrano fianarana tsy nisy olona i Diane.

Nisy mpihazona fisoronana iray niditra tao. Nandohalika izy, dia nitso-drano mofo ka nanolotra ny ampahan’izany taminy. Dia nohanin’i Diane izany. Nandohalika indray ilay mpihazona fisoronana dia nitso-drano rano ka nanolotra kaopy kely azy. Dia nosotroin’i Diane izany. Taorian’izay dia zavatra roa no tonga nifanesy haingana tao an-tsain’i Diane: Voalohany, “Ndry! [ilay mpihazona fisoronana] dia nanao izany ho ahy fotsiny.” Ary avy teo, “Ndry! [ny Mpamonjy] dia nanao izany ho ahy fotsiny.” Nahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra i Diane.

Ny fahatakarany fa ny sorona nataon’ny Mpamonjy dia ho azy mihitsy dia nanampy azy hahatsapa ho akaiky Azy ka nahatonga faniriana tsy hainy notoherina hitandrina izany fahatsapana izany ao am-pony, tsy ny alahady ihany fa isan’andro. Tonga saina izy fa na dia nipetraka niaraka tamin’ny daholobe mba handray ny fanasan’ny Tompo aza izy, dia ho azy manokana ireo fanekempihavanana nohavaoziny isak’alahady. Ny fanasan’ny Tompo dia nanampy—ary mbola manampy an’i Diane hatrany—hahatsapa ny herin’ny fitiavan’ Andriamanitra, sy hamantatra ny tanan’ny Tompo eo amin’ny fiainany ary hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

Ny Mpamonjy dia nandray ny fanasan’ny Tompo ho zavatra tsy maintsy ilaina amin’ny fiorenana ara-panahy. Hoy Izy:

“Ary omeko anareo ny didy mba hanaovanareo ireo zavatra ireo [dia ny mandray ny fanasan’ny Tompo]. Ary raha manao mandrakariva ireo zavatra ireo ianareo, dia hotahiana ianareo, fa miorim-paka eo ambonin’ny vatolampiko ianareo.

“Saingy na zovy na zovy no manao mihoatra na latsaka ireo dia tsy miorina eo ambonin’ny vatolampiko izy, fa miorina kosa eo amin’ny fanorenana fasika; ary rehefa mirotsaka ny orana sy tonga ny riaka, ary mifofofofo ny rivotra, ary mamely azy, dia hianjera izy, ary misokatra sahady ny vavahadin’ny helo handray azy.”12

Tsy nilaza i Jesoa hoe “raha mirotsaka ny orana, na raha tonga ny riaka, na raha mifofofofo ny rivotra” fa nilaza kosa izy hoe “rehefa.” Samy iharan’ny olana eo amin’ny fiainana avokoa ny rehetra; mila ny fiarovana azo avy amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo avokoa isika rehetra.

Ny andro nitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia nandeha tany amin’ny tanàna kely natao hoe Emaosy ny mpianatry ny Tompo anankiroa. Ny Tompo, izay efa nitsangana tamin’ny maty ka tsy fantatr’izy ireo dia niara-dia tamin’izy ireo. Teny an-dalana dia nampianatra azy ireo avy tamin’ny soratra masina Izy. Rehefa tonga tany amin’ilay toerana nokasainy haleha izy ireo dia nanasa Azy hiara-hisakafo.

“Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy.

“Dia nahiratra ny mason’ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.

“Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalàna Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika?

“Dia niainga tamin’izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita [an’ireo Apôstôly] mbamin’izay nomba azy tafangona teo.”

Ary nijoro ho vavolombelona tamin’ireo Apôstôly izy ireo avy eo fa “efa nitsangana marina tokoa ny Tompo. …

“Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dalàna sy ny nahafantarany Azy tamin’ny namakiana ny mofo.”13

Ny fanasan’ny Tompo dia manampy antsika marina tokoa hahafantatra ny Mpamonjy antsika. Mampahatsiahy antsika ihany koa izany fa tsy nanan-tsiny Izy nefa nijaly. Raha tena rariny ny fiainana dia tsy hitsangana amin’ny maty velively izaho sy ianao; tsy ho afaka ny hijoro ho madio eo anatrehan’ Andriamanitra mihitsy izaho sy ianao. Rehefa mandinika izany aho dia feno fankasitrahana fa tsy rariny ny fiainana.

Afaka manantitrantitra ihany koa anefa aho fa noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, any amin’ny farany, eo amin’ny firafitry ny zava-drehetra ao anatin’ny mandrakizay dia tsy hisy ny tsy rariny. “Ireo zavatra rehetra tsy rariny eo amin’ny fiainana dia azo hahitsy.”14 Mety tsy hiova ny toe-javatra misy antsika ankehitriny, kanefa noho ny famindrampon’ Andriamanitra sy ny hatsaram-panahiny ary ny fitiavany, dia handray mihoatra noho izay tokony ho mendrika ho antsika isika rehetra, sy mihoatra noho izay mety ho azontsika, ary mihoatra noho izay rehetra mety azontsika antenaina. Nampanantenaina isika fa “hofafan’ [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason[tsika]; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.”15

Na manao ahoana na manao ahoana ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra dia manasa anao aho hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, izay Mpitahy sy Mpanome ny zavatra tsara rehetra. Manasa anao aho hanatrika ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro ary handray amin’ireo tandindona masin’ny vatan’ny Mpamonjy sy ny rany. Manasa anao aho hahatsapa ny maha-akaiky an’ Andriamanitra rehefa mampahafantatra ny Tenany aminao Izy, tahaka ny tamin’ireo mpianatra fahiny, nandritra ny “namakiana ny mofo.”

Rehefa manao izany ianao dia mampanantena aho fa hahatsapa ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra ianao. Ireo fironana voa-janahary hitaraindraina lava, sy ho sorena noho ny tsy nahazoana izay fitahiana tokony ho an’ny tena ary ny fisalasalana maneso dia hanjavona. Ireo fihetsehampo ireo dia hosoloina fahatsapana fitiavana sy fankasitrahana lehibe kokoa noho ny fanomezan’ny Ray any An-danitra ny Zananilahy. Rehefa manakaiky an’ Andriamanitra isika dia ho tonga amin’ny fiainantsika ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ary, toy ireo mpianatra teny an-dalana nankany Emaosy dia hahita isika fa teo akaikintsika teo foana ny Mpamonjy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Manuel 2: Administration de l’ Église (2010), 6.2. Mamaky isika ao amin’ny pejy 1 an’ny Providing in the Lord’s Way: Summary of a Leader‘s Guide to Welfare (kiboky, 2009) hoe, “Rehefa manao izay rehetra azony atao mba hamelomana ny tenany ny mpikamban’ny Fiangonana nefa mbola tsy afaka mahazo ireo zavatra fototra iankinan’ny fivelomany, dia tokony hangataka fanampiana any amin’ny fianakaviany aloha izy ireo. Rehefa tsy ampy izany dia vonona hanampy ny Fiangonana.”

  2. 1 Nefia 2:16.

  3. 1 Nefia 2:11, 12.

  4. 1 Nefia 1:20.

  5. Môsià 10:14.

  6. Jereo ny 1 Nefia 17:23–50.

  7. 1 Nefia 15:3.

  8. 1 Nefia 15:9; jereo koa ny andininy 8.

  9. Jereo ny Lioka 15:2; jereo koa ny Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 5:260–62.

  10. Ilay hira fanao amin’ny Krismasy dia nosoratan’i Abel Burckhardt (1805–82) tamin’ny teny alemana, izay archidiacre tany Bâle, Soisa. Ny dikan-teny soedoa dia nataon’i Betty Ehrenborg-Posse tamin’ny taona 1851. Ny lohateny amin’ny teny soedoa dia manao hoe “När juldags morgen glimmar.” Betsaka ireo dikan-teny anglisy natao izay ahafahana mihira ilay hira amin’ny alalan’ny feon-kira alemana hain’ny maro fampiasa mahazatra. Ny dikan-teny anglisy nomena teto dia nataon’ny rahavaviko (Anita M. Renlund) sy ny tenako.

    When Christmas morning gleams

    I want to go to the stable,

    |: Where God in the nighttime hours

    Already rests upon the straw. :|

    How good Thou wast to desire

    To come down to the earth!

    |: Now, I do not wish to waste

    My childhood days in sin anymore! :|

    Jesus, we need Thee, Thou dear children’s friend.

    |: I no longer wish to grieve Thee

    With my sins again. :|

    När juldagsmorgon glimmar,

    jag vill till stallet gå,

    |: där Gud i nattens timmar

    re’n vilar uppå strå. :|

    Hur god du var som ville

    till jorden komma ner!

    |: Nu ej i synd jag spille

    min barndoms dagar mer! :|

    Dig, Jesu, vi behöva,

    du käre barnavän.

    |: Jag vill ej mer bedröva

    med synder dig igen. :|

  11. 3 Nefia 27:14–15.

  12. 3 Nefia 18:12–13.

  13. Lioka 24:30–35; jereo koa ny andininy 13–29.

  14. Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny misiônera (2004), 52.

  15. Apokalypsy 21:4.