2010–2019
Ilay diloilo manasitran’ny famelan-keloka
Aprily 2016


Ilay diloilo manasitran’ny famelan-keloka

Fitsipika feno voninahitra sy manasitrana ny famelan-keloka. Tsy voatery ho voa indroa isika. Afaka mamela heloka isika.

Izay rehetra avy amin’ Andriamanitra dia ahitana fitiavana sy fahazavana ary fahamarinana. Isika anefa amin’ny maha-olombelona antsika dia miaina ao amin’ny tontolo izay lavo, indraindray feno haizina sy fisafotofotoana. Tsy mahagaga hoe hisy ny fahadisoana sy hitranga ny tsy fahamarinana ary hisy ny fahotana. Vokatr’izany, tsy misy olona miaina ka tsy ho tratran’ny vokadratsin’ny tsy firaharahiana na fitondrantena manafintohina na fihetsika feno fahotana mihitsy aza, izay ataon’ny hafa, amin’ny fotoana izay tsy fantatra. Izany dia zavatra samy ananantsika rehetra.

Mahavelom-pankasitrahana fa Andriamanitra, noho ny fitiavany sy ny famindrampony an’ireo zanany, dia nanomana fomba hanampiana antsika hamakivaky ireo traikefan’ny fiainana ireo, izay matetika sarotra. Nanome fomba ahatafavoahana Izy ho an’ireo izay iharan’ny faharatsiana ataon’ny hafa. Nampianatra antsika Izy hoe afaka mamela heloka isika! Na dia mety hoe ho voa indray mandeha aza isika, dia tsy voatery ho voa fanindroany isika amin’ny fizakana ny ziogan’ny fankahalana, na ny ngidin’ny fiainana, na ny alahelo, ny otripo, eny fa na dia ny valifaty aza. Afaka mamela heloka isika, ary afaka ny ho olon’afaka isika!

Taona maro lasa izay, raha nanamboatra fefy aho, dia nisy silaka hazokely tafiditra tao amin’ny rantsan-tanako. Zara raha niezaka ny nanaisotra ilay hazokely aho ary nihevitra aho fa afaka ilay izy, saingy toa tsy izay no izy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia voarakotry ny hoditra naniry ilay silaka hazokely, ka lasa nisy nibontsina teo amin’ny rantsan-tanako. Nanelingelina ilay izy ary indraindray narary.

Taona maro taty aoriana dia nanapa-kevitra ny hanao zavatra aho nony farany. Ny hany nataoko dia nanisy diloilo tamin’ilay mibontsina fotsiny ary nofonosiko bandy manodidina azy. Nataoko matetika izay zavatra izay. Tsy azonareo an-tsaina ny hatairako rehefa nivoaka avy tao amin’ny rantsan-tanako ilay silaka hazokely indray andro teo am-panaisorako ilay bandy.

Nampanalefaka ilay hoditra ilay diloilo ka nampivoaka ilay zavatra kely izay niteraka fanaintainana nandritra ny taona maro. Rehefa afaka ilay silaka hazokely, dia sitrana haingana ilay rantsan-tanana, ary ankehitriny dia tsy misy diana ratra tavela.

Amin’ny fomba mitovy amin’izany, ny fo izay tsy mamela heloka dia mitondra fanaintainana tsy ilaina akory. Rehefa manosotra ilay diloilo manasitran’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy isika, dia hanalefaka ny fontsika Izy ary hanampy antsika mba hiova. Afaka manasitrana ny fanahy maratra Izy (jereo ny Jakôba 2:8).

Resy lahatra aho fa ny ankamaroantsika dia te hamela heloka, kanefa hitantsika fa sarotra ny manao izany. Rehefa niharan’ny tsy rariny isika, dia mety halaky hiteny hoe: “Nanao ny tsy mety io olona io. Mendrika fanasaziana izy. Aiza ny fahamarinana?” Mieritreritra am-pahadisoana isika hoe raha mamela heloka isika, dia tsy ho tontosa ny rariny amin’ny lafiny iray ary tsy hihatra ny sazy.

Tsy izay tsotra izao no izy. Hanome sazy ara-drariny ho an’ny rehetra Andriamanitra, satria ny famindram-po dia tsy afaka mandroba ny fahamarinana (jereo ny Almà 42:25). Manome toky ho ahy sy ho anao Andriamanitra hoe: “Aoka ho Ahy irery ny fitsarana, fa Ahy izany ary Izaho no hamaly. Ho aminareo [kosa] anie ny fiadanana” (F&F 82:23). Ny mpaminany Jakôba ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nampanantena ihany koa fa Andriamanitra dia “hampionona [anareo] amin’ny fahorianareo, ary harovany ny tombontsoanareo, ary hampidininy amin’ireo izay mitady handrava anareo ny famaliana” (Jakôba 3:1).

Rehefa voa isika, ka mahatoky, dia afaka mahazo fampiononana lehibe amin’ny fahafantarana fa hanonitra amintsika izay tsy rariny rehetra iainantsika Andriamanitra. Nilaza ny Loholona Joseph B. Wirthlin hoe: “Manonitra ny olona mahatoky ny Tompo amin’izay famoizana rehetra. … Ny ranomaso rehetra ankehitriny dia hovaliana amin’ny ranomasom-piravoravoana sy fankasitrahana an’arivony avo heny.”1

Rehefa milofo hamela ny heloky ny hafa isika, dia aoka isika hiezaka ny hahatsiaro fa isika rehetra dia mitombo ara-panahy avokoa, kanefa amin’ny ambaratonga samy hafa avy. Raha toa ka mora ny mijery ireo fiovana sy fitomboana eo amin’ny vatana, dia sarotra kosa ny mijery ny fitomboana eo amin’ny fanahintsika.

Ny fanalahidy iray amin’ny famelana ny heloky ny hafa dia ny miezaka mijery azy ireo tahaka ny fijerin’ Andriamanitra azy ireo. Indraindray Andriamanitra dia mamela antsika hahatakatra izay ao am-po sy ao anaty ary ao amin’ny fanahin’ny olona iray hafa izay nanafintohina antsika. Izany fijery vaovao izany dia mety hitondra antsika hankany amin’ny fitiavana mitafotafo an’ilay olona mihitsy aza.

Mampianatra antsika ny soratra masina fa tonga lafatra ny fitiavan’ Andriamanitra ireo zanany. Fantany fa afaka ny hanao ny tsara izy ireo na manao ahoana na manao ahoana ny lasany. Rehefa natao ny fandinihana, dia tsy afaka ho nisy fahavalo masiaka sy lozabe ho an’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy mihoatra noho i Saoly avy any Tarsosy. Kanefa rehefa nasehon’ Andriamanitra an’i Saoly ny fahazavana sy ny fahamarinana, dia tsy mbola nisy mpianatry ny Mpamonjy feno fanoloran-tena sy mazoto ary tsisy tahotra noho izy. Lasa Paoly Apôstôly i Saoly. Ny fiainany dia ohatra mahagaga maneho ny fomba fijerin’ Andriamanitra ny olona tsy amin’izay maha-izy azy ankehitriny fa amin’izay mety hahatongavany. Isika rehetra eo amin’ny fiainantsika manokana dia manana olona mitovy amin’i Saoly izay mety ho lasa Paoly. Azonareo atao sary an-tsaina ve ny mety hiovan’ny fianakaviantsika sy ny fiaraha-monina misy antsika ary izao tontolo izao amin’ny ankapobeny raha toa isika rehetra ka miezaka ny hifampijery tahaka ny fijerin’ Andriamanitra antsika?

Matetika loatra isika no mijery ny mpanafintohina amin’ny fomba hijerentsika ny vongan-dranomandry lehibe iray eny an-dranomasina—ny tendrony ihany no hitantsika fa tsy izay ao ambany ranomasina. Tsy fantatsika izay rehetra mitranga eo amin’ny fiainan’ny olona iray. Tsy fantatsika ny lasan’izy ireo; tsy fantatsika ny olan’izy ireo; tsy fantatsika ny fanaintainana zakain’izy ireo. Ry rahalahy sy anabavy, aoka mba tsy ho diso ny fahatakaranareo. Ny mamela heloka dia tsy hoe manaiky. Tsy manamarina ny fitondrantena ratsy isika na mamela ny hafa hanao ratsy amintsika noho ny olany na ny fanaintainany na ny fahalemeny. Kanefa afaka mahazo fahatakarana sy fiadanana bebe kokoa isika rehefa mijery amin’ny fomba fijery midadasika kokoa.

Azo antoka fa ireo izay latsadatsaka ny fahamatorany ara-panahy dia mety hanao fahadisoana lehibe—kanefa tsy misy amintsika tokony ho faritana avy amin’ny zavatra ratsy indrindra nataontsika fotsiny. Andriamanitra no mpitsara tonga lafatra. Mahita izay ao ambanin’ny hita maso Izy. Mahafantatra sy mahita ny zavatra rehetra Izy (jereo ny 2 Nefia 2:24). Nilaza Izy hoe: “Izaho Tompo dia hamela izay tiako havela heloka, fa takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-drehetra” (F&F 64:10).

I Kristy aza, rehefa nendrikendrehina tsy ara-drariny, sy notafihina tamin’ny habibiana avy eo, ary nokapohina sy navela hijaly teo amin’ny hazofijaliana, tamin’izay fotoana izay dia niteny hoe: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34).

Ao anatin’ny tsy fieritreretana lavitra, dia indraindray mora amintsika ny mamboly lolompo amin’ny hafa izay tsy mitovy fihetsika na eritreritra amintsika. Mety hanana fihetsika tsy misy fandeferana isika avy amin’ny zavatra toy ny fanohanana ekipam-panatanjahantena mifanandrina, fananana fijery ara-pôlitika samy hafa, na ny fananana finoana ara-pivavahana samy hafa.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanome torohevitra hendry rehefa nilaza izy hoe: “Ny fahafahana mihaino ireo izay avy amin’ny antokom-pivavahana na firehana ara-pôlitika samihafa dia afaka mitondra fandeferana sy fianarana.”2

Ny Bokin’i Môrmôna dia miresaka momba ny fotoana iray nahitana fa “ny olon’ny Fiangonana dia nanomboka nanandran-tena tao amin’ny avonavon’ny masony, ary … nanomboka nifanebaka izy samy izy sy nanomboka nanenjika ireo izay tsy nino araka ny sitrapony sy ny safidiny” (Almà 4:8). Aoka isika rehetra hahatsiaro fa Andriamanitra dia tsy mijery ny lokon’ny fanamian’ny mpanao fanatanjahantena. Fa hoy kosa ny nolazain’i Amôna: “[Andriamanitra dia] mitsinjo ny zanak’olombelona; ary fantany ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo rehetra” (Almà 18:32). Ry rahalahy sy anabavy, amin’ireo fifaninana misy eo amin’ny fiainana, raha mandresy isika, dia aoka isika handresy amin’ny fahatsaram-panahy. Raha resy isika, aoka isika ho resy amin’ny fahatsaram-panahy. Satria isika raha miaina amin’ny fahatsaram-panahy ho an’ny tsirairay, dia fahatsaram-panahy no ho valisoantsika amin’ny andro farany.

Tahaka ny iharan’ny faharatsiana ataon’ny hafa amintsika rehetra amin’ny fotoana izay tsy fantatra, dia indraindray koa isika no manao ratsy. Samy manao hadisoana avokoa isika ary mila ny fahasoavana sy famindrampo ary famelana heloka. Mila mahatsiaro isika fa ny famelana ny helotsika sy ny hadisoantsika dia miankina amin’ny famelantsika ny hafa. Hoy ny Mpamonjy hoe:

“Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra:

“Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo” (Matio 6:14–15).

Amin’ireo zavatra rehetra mety nolazain’ny Mpamonjy tao amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo, izay miavaka ny hafohiny, dia mahaliana fa nisafidy ny hampiditra Izy hoe: “Ary mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay” (Matio 6:12; 3 Nefia 13:11).

Ny famelan-keloka no tena antony nandefasan’ Andriamanitra ny Zananilahy, koa aoka isika hifaly amin’ny fanatitra nataony mba hanasitranana antsika. Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia tsy natao fotsiny ho an’ireo izay mila mibebaka; fa natao ihany koa ho an’ireo izay mila mamela heloka. Raha manana fahasahiranana ianao amin’ny famelàna ny heloky ny hafa na ny an’ny tenanao aza dia angataho Andriamanitra mba hanampy anao. Fitsipika feno voninahitra sy manasitrana ny famelan-keloka. Tsy voatery ho voa indroa isika. Afaka mamela heloka isika.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fitiavana sy ny fandeferan’ Andriamanitra maharitra ho an’ireo zanany rehetra aho sy ny amin’ny faniriany antsika mba hifankatia tahaka ny hitiavany antsika (jereo ny Jaona 15:9, 12). Rehefa manao izany isika, dia hivoaka avy amin’ny haizin’izao tontolo izao ho amin’ny voninahitra sy ny halehiben’ny fanjakany any an-danitra. Ho afaka isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Joseph B. Wirthlin, “Come What May, and Love It,” Liahona, nôv. 2008, 28.

  2. Russell M. Nelson, “Listen to Learn,” Ensign, mey 1991, 23.