2010–2019
Ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra
Aprily 2016


Ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra

Ny tempoly tsirairay dia tranon’ Andriamanitra masina ary ao anatiny ao isika tsirairay dia afaka mianatra sy mahafantatra ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra.

Volana vitsy monja talohan’ny nahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith dia nihaona tamin’ny Apôstôly Roambinifolo izy mba hiresaka mikasika ny filàna lehibe indrindra izay natrehin’ny Fiangonana tamin’izany fotoana tena sarotra izany. Hoy izy tamin’izy ireo: “Mila ny tempoly mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra isika.”1 Azo antoka fa amin’izao fotoan-tsarotra ankehitriny izao dia mila ny tempoly mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra isika tsirairay sy ny fianakaviantsika.

Nandritra ny fanokanana tempoly vao tsy ela akory izay dia tena nahafaly ahy ilay zavatra niainana iray manontolo. Tiako ilay varavarana misokatra ary niarahaba ny maro tamin’ireo mpitsidika izay tonga nijery ny tempoly aho. Tiako ny fankalazana ara-kolontsaina nomban’ny hery sy ny fientanentanan’ireo zatovo nandray anjara, ary tiako ireo fivoriana fanokanana nahafinaritra. Nahafinaritra ny Fanahy. Olona maro no voatahy. Ary ny ampitso marainan’io dia niditra tao amin’ny toerana fanaovana batisa izahay mivady mba handray anjara amin’ny fanaovana batisa ho an’ny sasany tamin’ireo razambenay. Rehefa nanangana ny tanako aho mba hanomboka ny ôrdônansy dia efa saika nahenika ahy manontolo ny herin’ny Fanahy. Fantatro indray tamin’izay fa ny tena herin’ny tempoly dia ao amin’ireo ôrdônansy.

Araka izay nambaran’ny Tompo, ny fahafenoan’ny Fisoronana Melkizedeka dia hita ao amin’ny tempoly sy ireo ôrdônansiny, “fa ao no anokanana ireo fanalahidin’ ny fisoronana masina mba hahazoanareo mandray laza sy voninahitra.”2 “Koa miharihary ao amin’ ny ôrdônansiny ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra.”3 Io fampanantenana io dia natao ho anao sy ny fianakavianao.

Ny andraikitsika dia ny “mandray” izay atolotry ny Raintsika.4 “Fa izay mandray no homena be dia be kokoa, dia hery izany”:5 ary izany dia hery handraisana ny zavatra rehetra izay azony omena ka homeny antsika—ankehitriny sy mandrakizay. 6 Izany dia hery hahatongavana ho zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra,7 mba hahafantarana “ny herin’ny lanitra,” 8hery hitenenana amin’ny anarany9 sy handraisana “ny herin’ny Fanahi[ny].”10 Ireo hery ireo dia lasa azon’ny tsirairay amintsika amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy ireo fanekempihavanan’ny tempoly.

Nahita izao androntsika izao tao amin’ilay fahitana lehibe hitany i Nefia: “Izaho Nefia dia nahatazana ny herin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra fa izany dia nidina tamin’ ny olomasin’ny fiangonan’ny Zanakondry sy tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo, izay naely patrana tamin’ny lafiny rehetra tamin’ny tany; ary nampirongoana [azy] ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe.11

Vao haingana aho no nanana tombontsoa lehibe nanatrika varavarana misokatra tao amin’ny tempoly niaraka tamin’ny Filoha Russell M. Nelson sy ny fianakaviany rehefa namory azy ireo manodidina ny alitara famehezana izy ka nanazava tamin’izy ireo fa ny zavatra rehetra ataontsika ato amin’ny Fiangonana—ny fivoriana, ny fiaraha-mientana, ny lesona ary ny asa fanompoana rehetra—dia natao mba hanomanana antsika ho any amin’ny tempoly sy handohalika eo amin’ny alitara mba handray ireo fitahiana mandrakizay rehetra nampanantenain’ny Ray.12

Araka ny hatsapantsika ireo fitahiana avy amin’ny tempoly eo amin’ny fiainantsika manokana no hitodian’ny fontsika any amin’ny fianakaviantsika, tafiditra ao anatin’izany na ny velona na ny maty.

Vao haingana aho no nahita fianakaviana nahitana taranaka telo mifandimby niara-nandray anjara nanao batisa ho an’ireo razambeny. Na ilay renibe aza dia nandray anjara—na dia natahotra ny ho alentika tao anaty rano aza izy. Rehefa nivoaka avy tao anaty rano izy ka namihina ny vadiny dia latsa-dranomasom-pifaliana. Dia nifanao batisa avy eo ilay raibe sy ilay raim-pianakaviana ary ny maro tamin’ireo zafikely. Inona ny fifaliana lehibe kokoa noho izany izay mety ho tsapan’ny fianakaviana iray? Ny tempoly tsirairay dia manana fotoana natokana ho an’ny fianakaviana mba hamelana anao sy ny fianakavianao handamina fotoana hanaovana izany ao amin’ny toerana fanaovana batisa.

Fotoana fohy talohan’ny nahafatesan’ny Filoha Joseph F. Smith dia nahita fahitana izy momba ny fanavotana ny maty. Nampianatra izy fa ireo izay ao amin’ny tontolon’ny fanahy dia miankina tanteraka amin’ireo ôrdônansy izay voaraintsika ho azy ireo. Hoy ny soratra masina: “Ny maty izay mibebaka dia ho voavotra amin’ ny alalan’ ny fankatoavana ireo ôrdônansin’ ny tranon’ Andriamanitra.”13 Mandray ireo ôrdônansy eo amin’ny toeran’izy ireo isika, fa izy ireo no manao ny fanekempihavanana mifandray amin’ny ôrdônansy tsirairay ary tanana ho tompon’andraikitra amin’izany. Azo antoka fa mbola misy voaly manify manakona antsika rehefa ao amin’ny tempoly fa misinda tanteraka kosa izany ho azy ireo.

Inona ary no andraikitsika manokana mahakasika ny fandraisana anjara amin’io asa io, amin’ny maha-mpitsidika ny tempoly sy amin’ny maha-mpiasa antsika? Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra ny Olomasina tamin’ny 1840 fa “ezaka lehibe no tsy maintsy atao, ary hilana fitaovana sy vola—ary noho ny tsy maintsy hanafainganana amim-pahamarinana ny asa [fanorenana tempoly] dia mety amin’ny Olomasina ny mandinika ny maha-zava-dehibe ireo zavatra ireo, ao an-tsainy, … ary avy eo dia manao ireo dingana araka izay ilaina mba hanatanterahana ireo zavatra ireo, ka rehefa miomana amin-kerim-po sy faharesen-dahatra izy ireo dia tokony hanao izay rehetra vitany, ary hahatsapa ho tena liana toy ireny hoe miankina amin’izy ireo irery ireny ilay asa manontolo.”14

Hitantsika ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ny hoe:

“Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy?

“… Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.

“Noho izany dia mitoetra eo anoloan’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman-alina eo amin’ny tempoly; ary Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana dia hamelatra ny tranolainy handrakotra azy.”15

Azonao sary an-tsaina ve ireo izay manompo ao amin’ny tempoly amin’izao fotoana izao?

Misy mpiasa mpanao ôrdônansy maherin’ny 120.000 ao amin’ireo tempoly 150 miasa manerana izao tontolo izao. Kanefa mbola misy fahafahana ho an’ny olona maro noho izany aza hiaina izany zavatra mahafinaritra izany. Rehefa nanambara ilay hevitra mikasika ny hanaovana tempoly maro kelikely kokoa manerana izao tontolo izao ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nampianatra izy fa “ireo mpiasa mpanao ôrdônansy rehetra dia ho olona avy eo an-toerana izay hanompo amin’ny antso hafa ao amin’ny paroasiny sy ny tsatòkany.”16 Raha ny tokony ho izy dia antsoina hanompo mandritra ny roa ka hatramin’ny telo taona ireo mpiasa, ary azo atao ny manalava ny fotoana hanompoany. Tsy misy izany hoe rehefa voantso ianao dia hijanona eo foana raha mbola afaka. Maro ireo mpiasa nanompo maharitra no mitondra miaraka aminy ny fitiavany ny tempoly rehefa isaorana izy ireo ary mamela mpiasa vaovao hafa hanompo koa.

Teo ho eo amin’ny 100 taona lasa izay dia nampianatra ny Apôstôly John A. Widtsoe hoe: “Mila mpiasa betsaka kokoa isika mba hanatanteraka [ity] asa mahatalanjona ity. … Mila olona betsaka kokoa isika izay manana fijoroana ho vavolombelona mafy orina momba ny asa atao any amin’ny tempoly ao anatin’ny sokajin-taona rehetra. …Tonga ny fotoana, … amin’izao ezaka vaovao hanatanterahana ny asa atao any amin’ny tempoly izao, hampandraisana anjara mavitrika ny olona rehetra amin’ny sokajin-taona rehetra hanao asa fanompoana. … Ny asa atao any amin’ny tempoly dia … mitondra tombontsoa lehibe ho an’ny zatovo sy ny olona matanjaka toy ny amin’ireo zokiolona, izay efa nandao ny maro tamin’ireo enta-mavesatry ny fiainana. Mila mankany amin’ny tempoly bebe kokoa ny zatovolahy mihoatra noho ny rainy sy ny raibeny izay efa mitombina tsara noho ny traikefa maro azon’izy ireo teo amin’ny fiainana, ary ny zatovovavy vao ampy taona dia mila ny fanahy sy ny fitaomana ary ny fitarihana izay tonga avy amin’ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly.”17

Ny filohan’ny tempoly any amin’ny tempoly maro dia mandray ireo misiônera vao nantsoina sy vao nandray fanafiana masina, zatovolahy sy zatovovavy, mba ho mpanatanteraka ôrdônansy ao anatin’ny fotoana fohy monja alohan’ny handehanany any amin’ny MTC (ivontoerana fanofanana misiônera). Ireo tanora ireo dia tsy hoe voatahy amin’ny alalan’ny fanompoana fotsiny ihany fa “mampitombo ny hatsarana sy ny fahatsapana ara-panahin’ireo izay manompo ao amin’ny tempoly [koa] izy ireo.”18

Nangatahiko ireo tanora lahy sy vavy maro izay efa mpanatanteraka ôrdônansy taloha sy taorian’ny asa fitoriana nataony mba hizara ny zavatra tsapany. Nampiasa fehezanteny tahaka izao manaraka izao izy ireo hamaritana ny zavatra niainany tao amin’ny tempoly:

Rehefa manompo ao amin’ny tempoly aho dia, …

  • … mahatsapa “ho akaiky kokoa ny Raiko sy ny Mpamonjy;”

  • … mahatsapa “fiadanana sy fifaliana feno;”

  • … mahatsiaro ho toy ny “ao an-trano;”

  • … mahazo “fahamasinana sy hery, ary tanjaka;”

  • … mahatsapa “ny lanjan’ny fanekempihavanana masina nataoko;”

  • … “lasa fiainako ny tempoly;”

  • … “eo akaikintsika ireo fanahy tompointsika mandritra ireo ôrdônansy;”

  • … “manome ahy ny hery handresena ireo fakam-panahy izany;” ary

  • … “nanova ny fiainako tanteraka ny tempoly.”19

Ny fanompoana ao amin’ny tempoly dia zavatra iainana tena mahery vaika ho an’ny olona amin’ny sokajin-taona rehetra. Na ireo mpivady vao sasantsasany aza dia miara-manompo. Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Ny asa fanompoana ao amin’ny tempoly … dia fiaraha-mientana masina ho an’ny fianakaviana iray.”20 Amin’ny maha-mpanatanteraka ôrdônansy anao, ankoatra ny fandraisana ireo ôrdônansy ho an’ny razambenao, dia afaka manatanteraka ireo ôrdônansy ho azy ireo ihany koa ianao.

Hoy ny Filoha Wilford Woodruff:

“Inona moa no antso lehibe kokoa mety ananan’ny lehilahy [na ny vehivavy] eto ambonin’ny tany mihoatra ny fihazonany ny hery sy ny fahefana handeha sy hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny famonjena? …

“… Lasa fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra ianao amin’ny fanavotana io fanahy io. Tsy misy zavatra nomena ny zanak’olombelona ka hoe mitovy amin’izany.”21

Hoy koa izy:

“Homena [anao] ny bitsika malefaky ny Fanahy Masina ary ny harena any an-danitra, ny fifampiresahana amin’ny anjely dia omena anao tsikelikely eo.”22

“Mendrika ny zavatra rehetra azontsika atao sorona [mandritra] ireo taona vitsy holaniantsika mandritra ny fiainana an-tany izany.”23

Vao haingana ny Filoha Thomas S. Monson no nampahatsiahy antsika fa “tsy voavidy vola ireo fitahiana avy amin’ny tempoly.”24 “Tsy misy izany fahafoizantena be loatra izany.”25

Mankanesa any amin’ny tempoly. Mandehana any matetika. Mandehana any miaraka amin’ny fianakavianao sy ho an’ny fianakavianao. Mankanesa any dia ampio ny hafa handeha any koa.

“Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava?” Ry rahalahy sy anabaviko, ianareo ireo—ianareo izay nandray ireo ôrdônansin’ny tempoly, izay nitandrina ny fanekempihavanana nataonareo na dia nilàna fahafoizantena aza. Ianareo izay manampy ny fianakavianareo hahita ireo fitahiana avy amin’ny fanompoana ao amin’ny tempoly sy nanampy ny hafa teny an-dalana teny. Misaotra noho ny fanompoanareo. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny tempoly tsirairay dia trano masin’ Andriamanitra ary ny ao anatiny ao isika tsirairay dia afaka mianatra sy mahafantatra ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.