2010–2019
Ny saran’ny fananana herin’ny fisoronana
Aprily 2016


Ny saran’ny fananana herin’ny fisoronana

Moa ve isika vonona hivavaka, hifady hanina, handalina, hikatsaka, hitsaoka, ary hanompo amin’ny maha-lehilahin’ Andriamanitra antsika mba hahafahantsika manana ny herin’ny fisoronana?

Enim-bolana lasa izay, nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2015, dia niresaka tamin’ireo rahavavy ato amin’ny Fiangonana aho momba ny anjara asa masin’izy ireo amin’ny maha-vehivavin’ Andriamanitra azy ireo. Anio aho dia maniry ny hiresaka aminareo rahalahy momba ny anjara asa masinareo amin’ny maha-lehilahin’ Andriamanitra anareo. Rehefa mitety izao tontolo izao aho dia variana noho ny hery sy ny fahatsarana tanteraka asehon’ireo lehilahy sy tovolahy ato amin’ity Fiangonana ity. Tsy hay hotanisana tsotra izao ny fo izay nositraninareo sy ny fiainana izay nankaherezinareo. Misaotra indrindra!

Nandritra ny hafatra nozaraiko tamin’ny fihaonambe farany teo, dia nilazalaza mikasika ny zavatra nampalahelo niainako taona maro tany aloha tany aho, izay tsy nahafahako namonjy ny ain’ny mpirahavavy kely roa, tamin’ny maha-dokotera mpandidy fo ahy. Rehefa nahazo lalana tamin’ny rain’izy ireo aho dia te hilazalaza misimisy kokoa momba io fianakaviana io.

Ny zanaka telo naterak’i Ruth sy i Jimmy Hatfield dia voan’ny aretin’ny fo hatrany am-bohoka. I Jimmy Zanany, zanakalahin’izy ireo voalohany dia maty nefa tsy voafaritra mazava ny fototr’aretina nahazo azy. Niditra an-tsehatra aho rehefa nikatsaka fanampiana ho an’i Laural Ann sy i Gay Lynn zanany vavy ny ray aman-dreniny. Ontsa ny foko rehefa nodimandry ireo ankizy vavy anankiroa taorian’ny nandidiana azy ireo.1 Tsy nahagaga loatra raha trotraka ara-panahy i Ruth sy i Jimmy.

Rehefa nandeha ny fotoana dia nihazona lolompo tamiko sy tamin’ny Fiangonana izy ireo. Saika nandritra ny enimpolo taona no nanahirana ny saiko io toe-javatra io ary niara-ory tamin-dry Hatfield aho. Nanandrana nifandray tamin’izy ireo imbetsaka aho, fa tsy nahomby.

Kanjo indray alina, tamin’ny volana mey lasa teo, dia nofohazin’ireo ankizy vavy kely ireo avy tany ambadiky ny voaly aho. Na dia tsy nahita na nahare azy ireo tamin’ny alalan’ireo retsim-pandrenesako ara-batana aza aho, dia nahatsapa fa teo izy ireo. Tamin’ny ara-panahy no nandrenesako ny fiangavian’izy ireo. Fohy sy mazava ny hafatr’izy ireo: “Ry Rahalahy Nelson, tsy voafehy amin’iza na amin’iza izahay! Azonao ampiana ve izahay?” Fotoana fohy taorian’izay dia nahare aho fa nodimandry ny renin’izy ireo, saingy mbola velona ny rain’izy ireo sy ny zandrin’izy ireo lahy.

Rehefa nentanin’ny fiangavian’i Laural Ann sy i Gay Lynn aho dia nanandrana nifandray tamin’ny rain’izy ireo indray, izay henoko fa nonina niaraka tamin’i Shawn zanany lahy. Tamin’io indray mitoraka io dia nanaiky nihaona tamiko izy ireo.

Ny volana jona aho dia nandohalika ara-bakiteny teo anoloan’i Jimmy, izay 88 taona ankehitriny, ary nifampiresaka taminy tamim-kitsimpo. Niresaka mikasika ny fiangavian’ireo zanany vavy aho ary nilaza taminy fa ho voninahitra ho ahy ny hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny famehezana ho an’ny fianakaviany. Nanazava ihany koa aho fa hitaky fotoana sy ezaka betsaka avy aminy sy avy amin’i Shawn ny ho vonona sy ho mendrika hiditra ao amin’ny tempoly, satria mbola samy tsy nandray ny fanafiana masina izy mianaka hatramin’izay.

Tena tsapa tokoa ny Fanahin’ny Tompo nandritra io fihaonana io. Ary rehefa nanaiky ny fangatahako i Jimmy sy i Shawn dia heniky ny hafaliana sesehena aho! Niasa tamim-pahazotoana izy ireo niaraka tamin’ny filohan’ny tsatòkany, ny evekany, ny mpampianatra isan-tokantranony sy ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasiny ary koa ny misiônera tanora sy ny misiônera mpivady zokiolona. Ary avy eo, fotoana vao tsy ela akory izay, dia nahazo tombontsoa lehibe aho hanatanteraka ny famehezana an’i Ruth amin’i Jimmy ary ny zanak’izy ireo efatra amin’ireo ray aman-dreniny tao amin’ny Tempolin’i Payson, Utah. Nitomany izaho sy i Wendy rehefa nandray anjara tamin’io traikefa masina indrindra io. Fo maro no sitrana tamin’io andro io!

Sary
Ny Loholona sy ny Rahavavy Nelson tao amin’ny tempoly niaraka tamin’ny fianakaviana Hatfield

Rehefa mandinika izany rehetra izany aho dia nahavariana ahy i Jimmy sy i Shawn sy ny fahavononan’izy ireo. Lasa noraisiko ho maherifo izy ireo. Raha azo notanterahina izay rehetra irian’ny foko dia iriako ny hanehoan’ny lehilahy sy zatovolahy tsirairay ato amin’ity Fiangonana ity ny herimpo sy ny tanjaka ary ny fanetrentenan’izy mianaka ireo. Vonona izy ireo hamela sy hanadino ny ratra sy ny fahazaran’ny lasa. Vonona izy ireo hanoa ny fitarihan’ny mpitarikany ao amin’ny fisoronana mba hahafahan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy manadio sy mampitombo azy ireo. Samy vonona izy ireo ho lasa lehilahy mendrika hitondra ny fisoronana “araka ny lamina masin’ Andriamanitra.”2

Ny hoe mitondra dia midika hoe mizaka ny vesatr’izay hazonina. Andraikitra masina ny mitondra ny fisoronana, izay hery sy fahefana lehibe an’ Andriamanitra. Diniho izao: ny fisoronana izay omena antsika dia ilay hery sy fahefana mihitsy izay nampiasan’ Andriamanitra tamin’ny nahariana ity tontolo ity sy tontolo tsy hita isa, sy hitantanany ny lanitra sy ny tany, ary hanandratany ireo zanany mpankatò.3

Vao tsy ela akory izay dia nanatrika fivoriana iray izaho sy i Wendy ka ny mpitendry orga tamin’izay dia efa tafapetraka tsara sy vonona hitendry ny hira fanombohana. Nibanjina ny boky fihirana ny masony ary ny tanany dia efa vonona hitendry. Nanomboka nitendry izy, kanefa tsy nisy feo nivoaka. Nibitsika tamin’i Wendy aho hoe: “Tsy misy hery izy.” Nihevitra aho fa nisy zavatra nanakana ny fahatongavan’ny herin’aratra tamin’ilay orga.

Eny ry rahalahy, tahaka izany koa, manahy aho fa mbola betsaka loatra ny lehilahy izay nomena ny fahefan’ny fisoronana kanefa tsy manana ny herin’ ny fisoronana satria ny fahatongavan’ny hery dia voasakan’ny fahotana toy ny hakamoana, ny tsy fahamarinan-toetra, ny hambom-po, ny tsy fahadiovam-pitondrantena, na ny firaharahiana be loatra ny zavatr’izao tontolo izao.

Manahy aho fa mbola betsaka ireo mpihazona ny fisoronana no zara fa nanao na tsy nanao na inona na inona mihitsy mba hikolokoloana ny fahafahana mandray ny herin’ny lanitra. Manahy aho momba ireo rehetra izay tsy madio raha ny eritreriny, na ny fahatsapana, na ny zavatra ataony na izay manambany vady na zanaka, ka manakana amin’izany ny fananany herin’ny fisoronana.

Manahy aho fa betsaka loatra ireo indrisy namela ny fahafahany misafidy ho an’ilay fahavalo ary milaza amin’ny alalan’ny fitondran-tenany hoe:“Miraharaha kokoa ny fanomezana fahafahampo an’ireo faniriako manokana aho toy izay ny fitondrana ny herin’ny Mpamonjy hitahiana ny hafa.”

Manahy aho ry rahalahy fa ny sasany amintsika dia mety hifoha indray andro ka ho tonga saina hoe inona marina tokoa izany hery ao amin’ny fisoronana izany ary hiatrika ny fanenenana goavana satria nandany fotoana be lavitra izy ireo nikatsahana hery hanjakana amin’ny hafa na hery any am-piasana toy izay tamin’ny fianarana ny fampiharana tanteraka ny herin’ Andriamanitra.4 Ny Filoha George Albert Smith dia nampianatra fa “tsy eto akory isika mba handany fotoana fotsiny ary avy eo ho tafaroso ho amin’ny toetry ny fisandratana; fa eto kosa isika mba hanao izay hahamendrika antsika isan’andro an’ireo anjara toerana izay andrandrain’ny Raintsika ho antsika any an-koatra.”5

Iza no lehilahy handanindany fahatany ny androm-piainany ka hionona amin’ny voanemba masak’i Esao6 kanefa efa nomena ny fahafahana handray ireo fitahian’i Abrahama rehetra?7

Miangavy maika antsika tsirairay aho mba ho mendrika an’ireo tombontsoantsika amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana antsika. Indray andro any dia tsy misy afa-tsy ireo lehilahy izay nanao ny fisoronana ho zava-dehibe ihany tamin’ny alalan’ny fikatsahany tamim-pahazotoana ny mba hampianarin’ny Tompo no afaka hitahy, hitarika, hiaro, hankahery ary hanasitrana ny hafa. Ny lehilahy izay efa nanefa ny saran’ny herin’ny fisoronana ihany no afaka hahatonga fahagagana ho an’ireo olon-tiany ary hiaro ny fanambadiany sy ny fianakaviany amin’izao fiainana izao ka hatrany amin’ny mandrakizay.

Inona no sarany takiana mba hananana izany hery izany? I Petera izay Apôstôlin’ny Mpamonjy ela niasana indrindra—io Petera io ihany izay nanome ny Fisoronana Melkizedeka tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery niaraka tamin’i Jakoba sy i Jaona8—no nilaza ireo toetra tokony ho katsahintsika mba “ho tonga mpiray amin’ny fomban’ Andriamanitra.”9

Sary
Manolotra ny Fisoronana Melkizedeka i Petera sy i Jakoba ary i Jaona.

Notanisainy ny finoana, ny fahatanjahan-tsaina, ny fahalalana, ny fahononam-po, ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, ny fitiavana ny rahalahy, ny fitiavana ny olona rehetra, ary ny zotom-po.10 Ary aza adinoana ny fanetrentena!11 Koa manontany aho, inona no holazain’ireo ao amin’ny fianakaviantsika, ireo namantsika, ary ireo mpiara-miasa amintsika ny amin’izay ataontsika mba hananana ireo toetra ireo sy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy hafa?12 Arakaraka ny hananantsika ireo toetra ireo no hahalehibe ny herintsika ao amin’ny fisoronana.

Inona koa no fomba hafa ahafahantsika mampitombo ny herintsika ao amin’ny fisoronana? Mila mivavaka amin-kitsimpo isika. Ny fitanisana amim-pahalalam-pomba ny zavatra lasa sy ny zavatra ho avy, ka faranana amin’ny fangatahana fitahiana sasantsasany dia tsy afaka hanorina ilay fifandraisana amin’ Andriamanitra izay mitondra hery maharitra. Moa ve ianao vonona hivavaka mba hahafantatra ny fomba tokony hivavahana mba hahazoana hery bebe kokoa? Hampianatra anao ny Tompo.

Moa ve ianao vonona handinika ny soratra masina sy hivoky amin’ny tenin’i Kristy13—handalina amin-kitsimpo mba hananana hery bebe kokoa? Raha tianao ho faly aminao ny vadinao dia aoka izy hahita anao mandalina ny fotopampianaran’i Kristy ao amin’ny Internet14 na mamaky soratra masina!

Moa ve ianao vonona hitsaoka tsy tapaka any amin’ny tempoly? Ny Tompo dia tia mampianatra ao amin’ny tranony masina. Alaivo sary an-tsaina anie ny fahafinaretany raha mangataka Aminy ianao ny mba hampianarany anao momba ny fanalahidy, sy ny fahefana, ary ny herin’ny fisoronana rehefa miaina ireo ôrdônansin’ny Fisoronana Melkizedeka ao amin’ny tempoly masina ianao.15 Alaivo sary an-tsaina anie ny fitomboan’ny herin’ny fisoronana izay mety ho anao.

Moa ve ianao vonona hanaraka ny ohatry ny Filoha Thomas S. Monson amin’ny fanompoana ny hafa? Am-polo taonany maro no nanaovany zavatra tsy nomanina, ka nanarahany ny fitarihan’ny Fanahy hamangy olona iray ary avy eo naheno teny manao hoe, “Ahoana no nahalalanao fa anio no andro fahatsiarovana ny nahafatesan’ny zanakay vavy?” na “Ahoana no nahalalanao fa tsingerintaona nahaterahako anio?” Ary raha maniry marina ny hanana hery bebe kokoa ao amin’ny fisoronana ianao dia hitia sy hikarakara ny vadinao, ka sady hamihina azy ianao no handray ny toroheviny.

Raha toa mahatsapa ianareo fa tafahoatra loatra izany rehetra izany, dia mba diniho anie ny fahasamihafana hisy eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny vadintsika sy ny zanatsika ary ny mpiara-miasa amintsika raha raharahiantsika tahaka ny firaharahiantsika ny firoboroboantsika ao am-piasana sy ny fitomboan’ny volantsika any amin’ny banky ny fananantsika hery ao amin’ny fisoronana. Raha manatona ny Tompo amim-panetrentena isika, ka mangataka ny mba hampianarany antsika, dia hasehony amintsika ny fomba fampitomboana ny fahahafantsika mahazo ny heriny.

Amin’izao andro farany izao dia fantatsika fa hisy horohoron-tany betsaka any amin’ny toerana maro.16 Angamba ho anisan’izany toerana maro izany ny tokantrano misy antsika, izay mety hitrangan’ny “horohoron-tany” ara-pihetsehampo, ara-bola, na ara-panahy. Ny herin’ny fisoronana dia afaka mampitony ny ranomasina ary mamerina ny tany nihotsaka amin’ny laoniny. Ny herin’ny fisoronana ihany koa dia afaka mampitony ny saina ary manasitrana ny fon’ireo olon-tiantsika.

Moa ve isika vonona hivavaka, hifady hanina, handalina, hikatsaka, hitsaoka, ary hanompo amin’ny maha-lehilahin’ Andriamanitra antsika mba hahafahantsika manana izany karazana herin’ny fisoronana izany? Satria naniry fatratra ny ho voafehy amin’ny fianakaviany ny zazavavy kely anankiroa dia vonona ny hanefa ny saran’ny fitondrana ny Fisoronana Melkizedeka masina ny rain’izy ireo sy ny anadahin’izy ireo.

Ry rahalahiko malala isany, nomena fitokisana masina isika—dia ny fahefan’ Andriamanitra hitahiana ny hafa. Enga anie isika tsirairay avy hijoro amin’ny maha ilay lehilahy nanendren’Andriamanitra mialoha antsika—izay vonona hitondra ny fisoronan’ Andriamanitra amin-kerimpo, ary maniry ny hanefa izay mety ho sarany takiana mba hampitomboana ny heriny ao amin’ny fisoronana. Raha manana izany hery izany isika dia afaka manampy amin’ny fanomanana izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Mpamonjy fanindroany. Ity no Fiangonany, izay tarihin’ny Filoha Thomas S. Monson mpaminaniny ankehitriny, izay tiako sy tohanako. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.