2010–2019
Ilay toerana masin’ny famerenana amin’ny laoniny
Aprily 2016


Ilay toerana masin’ny famerenana amin’ny laoniny

Tao Palmyra no nitrangan’ny Famerenana amin’ny laoniny, izay naharenesana ny feon’ny Ray efa ho roa arivo taona aty aoriana.

Nisy namako iray mpikamban’ny Fiangonana niezaka nampianatra ahy ny filazantsaran’ny fianakaviana mandrakizay nandritra ny taona maro. Rehefa nanatrika ny varavarana misokatra ho an’ny Tempolin’i São Paulo tamin’ny ôktôbra 1978 aho vao tafiditra tao am-poko izany fotopampianarana momba ny fianakaviana mandrakizay izany rehefa niditra ny efitrano famehezana aho, ary nivavaka aho nandritra ny andro maromaro mba hahafantatra raha toa ka ity no Fiangonana marina.

Tsy mpivavaka aho tamin’izay fa nobeazin’ny ray aman-dreny mpivavaka ary efa nahita ny tsara tao amin’ireo fivavahana hafa. Tamin’izay fotoana teo amin’ny fiainako izay dia nieritreritra aho hoe neken’ Andriamanitra avokoa ny fivavahana rehetra.

Taorian’ny fitsidihako ilay varavarana misokatra ho an’ny tempoly dia nikatsaka ny valin’ny fanontaniako tamin’ny alalan’ny vavaka aho, sady nanana finoana sy fahatokiana tanteraka fa hovalian’ Andriamanitra aho hoe iza no Fiangonany eto an-tany.

Taorian’ny tolona lehibe ara-panahy dia nahazo valiny mazava ihany aho tamin’ny farany. Nasaina mba hatao batisa aho. Ny batisako izay nitranga ihany nony farany ny 31 ôktôbra 1978, ny alina talohan’ny fivoriana iray fanokanana ny Tempolin’i São Paulo.

Tsapako fa nahafantatra sy niahy ahy ny Tompo rehefa namaly ny vavaka izay nataoko.

Ny ampitso marainan’io dia nandeha tany São Paulo izaho sy ny vadiko hanatrika ny fivoriana fanokanana ilay tempoly.

Tao izahay saingy mbola tsy tena haiko ny fomba hankasitrahana izany tombontsoa mahatalanjona izany. Ny ampitson’izay dia nanatrika fihaonamben’ny vondrom-paritra izahay.

Nanomboka ny fiainanay amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anay izahay ary nahita namana tsara izay nandray anay nandritra izany fiovam-piainana izany.

Tena nahafinaritra ireo kilasin’ny mpikambana vaovao izay natrehanay isan-kerinandro tamin’ny fivorianay rehefa alahady. Nofenoin’izany fahalalana tao anatinay ary nahatonga anay haniry ny hahatapitra haingana ny herinandro izany mba hahafahanay mahazo fanampin’izany sakafo ara-panahy izany ny alahady.

Tsy andrinay mivady ny hidirana ny tempoly mba hamehezana mandrakizay ny fianakavianay. Nitranga izany iray taona sy fito andro taorian’ny batisako, izay fotoana tena nahafinaritra. Tsapako ho toa teo anelanelan’ny zavatra nitranga teo aloha sy ny zavatra niseho taorian’ilay famehezana no nizaràn’ny mandrakizay rehefa teo amin’ny alitara.

Noho izaho nipetraka ara-dalàna nandritra ny taona vitsivitsy tany amin’ny moron-tsiraka atsinanan’i Etazonia dia somary nahafantatra ireo tanàna aho, izay kely ny ankamaroany.

Rehefa namaky na naheno momba ireo trangan-javatra nitondra ho amin’ny Fahitana Voalohany aho dia olona maro no voatonona, ary tsy nisy dikany tamiko izany.

Nanomboka nisy fanontaniana nitsiry tao an-tsaiko. Nahoana no tsy maintsy tany Etazonia no namerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonana fa tsy tany Brésil na Italie, izay tanin’ireo razambeko?

Taiza ireo andian’olona voatonona ireo, ireo izay nandray anjara tamin’ny fifohazam-panahy sy ny fisavorovoroana ara-pivavahana ireo—ka izany rehetra izany dia nitranga tamin’ny toerana milamina sy tony toy izany?

Nanontany olona maro aho momba izany saingy tsy nahazo valiny. Novakiako daholo izay zavatra rehetra tamin’ny teny Portogey ary avy eo dia tamin’ny teny Anglisy fa tsy nahita na inona na inona izay nampitony ny foko aho. Notohizako ny fikarohana nataoko.

Tamin’ny ôktôbra 1984 dia nanatrika fihaonamben’ny Fiangonana aho ary mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka aho tamin’izay. Taorian’izany dia nandeha tany Palmyra New York aho, may erỳ ny hahita valiny.

Rehefa tonga tany aho dia niezaka nahatakatra ny hoe: Nahoana no tsy maintsy teto no nitrangan’ny Famerenana amin’ny laoniny, ary nahoana no nisy fikorontanana toy izany? Avy aiza avy ireo olona izay voatonona tao amin’ny fitantaran’i Joseph ireo? Nahoana no teo?

Tamin’izay fotoana izay, ny valiny azo iononana azoko dia ny hoe satria ny Lalàm-panorenan’i Etazonia no nanome antoka ny fahalalahana.

Nitsidika ny Grandin Building aho tamin’izay maraina izay, izay toerana nanontàna ny edisiôna voalohany amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nandeha tao amin’ilay Alakely Masina aho ka nivavaka mafy.

Zara raha nisy olona teny amin’ny arabe tamin’izany tanàna kelin’i Palmyra izany. Taiza ireo andian’olona nolazain’i Joseph?

Tamin’io tolakandro io dia nanapa-kevitra ny handeha tany amin’ilay toeram-piompian’i Peter Whitmer aho ka rehefa tonga tao dia nahita lehilahy iray teo amin’ny varavarankelin’ny tranokely iray. Nisy hazavana lehibe tamin’ny masony. Niarahaba azy aho ary nanomboka nametraka ireo fanontaniana ireo.

Dia hoy izy avy eo tamiko: “Manana fotoana ve ianao?” Eny hoy aho.

Nanazava izy fa hita tao amin’io toerana io ny Farihin’i Erié sy Ontario, ary tany atsinanana lavidavitra teo no nisy ny Renirano Hudson.

Tany ho any amin’ny taona 1800 tany dia nanapa-kevitra hanamboatra lakandrano handehanana an-tsambo ireo olona ireo, izay mirefy mihoatra ny 480 km ka hamakivaky izany faritra izany mankany amin’ny Renirano Hudson. Tetikasa lehibe izany tamin’izany andro izany ary ny sandrin’olona sy ny herin’ny biby ihany no azon’izy ireo nianteherana.

I Palmyra dia ivontoerana ho an’ny sasany tamin’izany asa fanamboarana izany. Nila olona mahay, teknisianina, fianakaviana ary ny namany ireo mpanorina. Olona maro no nanomboka niditra tao avy amin’ireo tanàna rehetra manodidina sy ireo toerana lavitra kokoa toa an’i Irlande mba hiasa amin’ilay lakandrano.

Fotoana masina sy feno ny Fanahy Masina izany satria hitako ihany nony farany hoe iza ilay andian’olona. Nitondra ny fomba amam-panaony sy ny finoany izy ireo. Rehefa nilaza mikasika ny finoan’izy ireo izy dia voazava ny saiko ary nosokafin’ Andriamanitra ny masoko ara-panahy.

Tamin’izay fotoana izay dia takatro ny fomba nanomanan’ny tanan’ Andriamanitra, ilay Raintsika, tao amin’ny drafiny sy tamin’ny halehiben’ny fahendreny, toerana iray hitondrany an’ilay Joseph Smith zazalahy, ka nametraka azy teo anivon’izany fifanjevona ara-pivavahana izany, satria tao, tao an-tendrombohitr’i Kômôrà, no nanafenana ireo takelaka sarobidin’ny Bokin’i Môrmôna.

Teo no toerana nitrangan’ny Famerenana amin’ny laoniny, izay naharenesana ny feon’ny Ray efa ho roa arivo taona aty aoriana, tao anatin’ny fahitana mahatalanjona, niresaka tamin’i Joseph Smith zazalahy, rehefa nandeha tao amin’ilay Alakely Masina izy mba hivavaka ka naheno hoe: “Itỳ no Zanako Malalako. Henoy Izy!”1

Teo izy dia nahita olona roa, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny. Eny, naneho ny tenany tamin’ny olona indray Andriamanitra. Nanomboka nisava ny haizina izay nandrakotra ny tany.

Nanomboka tanteraka ireo faminaniana momba ny Fameranana amin’ny Laoniny hoe: “Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny, ary ny olona rehetra.”2

Tao anatin’ny taona vitsivitsy dia nentina teo amin’ireo rakitsoratra misy faminaniana sy fanekempihavanana ary ôrdônansy izay navelan’ireo mpaminany fahiny, dia ny Bokin’i Môrmôna mamalantsika i Joseph.

Tsy afaka naverina tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany raha tsy nisy ilay filazantsara mandrakizay, izay ambara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ho testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra, ilay Zanak’ondrin’ Andriamanitra, izay hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.

Hoy i Kristy tamin’ireo vahoakany tany Jerosalema:

“Manana ondry hafa izay tsy amin’ ity vala ity Aho.”3

“Izaho no Mpiandry Tsara, ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho.”4

Rehefa niala ilay toeram-piompian’i Whitmer aho dia tsy tsaroako ho nanao veloma. Tsaroako fotsiny fa nisy ranomaso nipotrapotraka tamin’ny tavako. Nilentika teo amin’ny lanitra manga ny masoandro.

Nampitony ny fanahiko ny fifaliana sy fiadanana lehibe tao am-poko. Heniky fankasitrahana aho.

Azoko mazava tsara izao hoe nahoana. Nanome ahy fahalalana sy fahazavana indray ny Tompo.

Teny an-dalako hody dia mbola nisy soratra masina tonga tao an-tsaiko: dia ireo fampanantenana nomena an’i Abrahama fa ao amin’ny taranany no hitahiana ireo fianakaviana rehetra eto an-tany.5

Ary noho izany no hananganana ireo tempoly mba hanomezana indray amin’ny olona eto an-tany ny herin’ Andriamanitra mba hahafahan’ny fianakaviana ho tafaray, tsy mandrahafaty ihany fa miaraka mandrakizay.

“Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ ny tendrombohitra, ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.”6

Raha misy aminareo izay mandre ahy ka manana fanontaniana ao am-ponareo, dia aza kivy!

Manasa anareo aho hanaraka ny ohatry ny Mpaminany Joseph Smith rehefa namaky tao amin’ny Jakoba 1:5 izy: “Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra.”

Ny zava-nitranga tao Kômôrà dia ampahany manan-danja amin’ny Famerenana amin’ny laoniny, rehefa nandray ireo takelaka nirakitra ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith. Manampy antsika hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra io boky io noho ny boky hafa eto an-tany.7

Mijoro ho vavolombelona aho fa niantso mpaminany sy mpahita ary mpanambara ny Tompo mba hitarika ny fanjakany amin’izao andro farany izao ary ao amin’ny drafiny mandrakizay ny fianakaviana dia natao hiaraka mandrakizay. Miahy ireo zanany Izy ary mamaly ny vavaka ataontsika.

Noho ny fitiavany lehibe dia nanao sorona noho ny fahotantsika i Jesoa Kristy, ary Izy no Mpamonjy izao tontolo izao. Izany dia ijoroako ho vavolombelona amin’ ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.