2010–2019
Hamonjy ny hafa: vitantsika izany
Aprily 2016


Hamonjy ny hafa: vitantsika izany

Ny Tompo dia nanome ireo fitaovana rehetra ilaintsika mba handehanana mamonjy ireo namantsika mpikambana malaindaina sy tsy mpikambana.

Takatry ny Mpamonjy tsara ny iraka nampanaovina Azy mba hamonjy ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra, satria nanambara Izy hoe:

“Fa tonga ny Zanak’olona hamonjy ny very. …

[Satria] tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin’ireny madinika ireny.”1

I Jasmine Bennion Arnold, ilay reniko be fitiavana dia nahatakatra tsara ny anjara asany amin’ny fandraisana anjara amin’ny famonjena ireo ondry maratra na very an’ny Raintsika any An-danitra, anisan’izany ireo zanany sy zafikeliny. Anjara asa mahafinaritra azon’ireo ray aman-drenibe sahanina tokoa izany eo amin’ny fiainan’ireo zafikeliny.

Mazàna i Neny no nomena andraikitra hamangy isan-tokantrano ireo rahavavy nanana olana teo amin’ny finoan’izy ireo, ireo mpikambana malaindaina sy ireo fianakaviana misy tsy mpikambana ao aminy; kanefa anisan’ireo olona notsidihany ireo maro hafa izay tsy nasain’iza na iza novangiany.Tamin’ny ankapobeny dia tsy indray mandeha monja isam-bolana ny famangiany satria nihaino am-pahanginana, nikarakara ny marary ary nanome fankaherezana amim-pitiavana tsy tapaka izy. Tao anatin’ireo volana maromaro farany teo amin’ny fiainan’i Neny dia tsy afa-nihetsika tao an-trano noho ny aretiny ka dia nandany ora maro nanoratana taratasy ho azy ireo, naneho ny fitiavany, nijoro ho vavolombelona, ary nampahery ireo izay tonga nitsidika.

Rehefa mandeha mamonjy olona isika dia manome antsika hery sy fankaherezana ary fitahiana Andriamanitra. Rehefa nandidy an’i Mosesy Izy mba hamonjy ny zanak’Isiraely dia natahotra i Mosesy, tahaka ny maro amintsika izay matahotra koa. Nitady fialan-tsiny i Mosesy, ka nilaza hoe: “Olona tsy mahay mandaha-teny aho, … fa votsa vava sy miadam-piteny aho.”2

Nanome toky an’i Mosesy ny Tompo:

“Iza moa no nanao ny vavan’ny olona? … tsy izaho Jehovah va?

“Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.”3

Raha ny marina dia nilaza tamin’i Mosesy ny Tompo hoe: “Vitanao izany!” Ary hitanareo! Vitantsika koa izany!

Mamelà ahy hizara fitsipika efatra izay hanampy antsika amin’ny ezaka ataontsika mba hamonjy.

Fitsipika 1: Tsy tokony hanemotra ny fotoana handehanantsika mamonjy isika

Ny Loholona Alejandro Patanìa, izay Fitopololahin’ny Vondrom-paritra teo aloha, dia nitantara ny tantaran’i Daniel zandriny lahy, izay nandeha sambo mba hanjono niaraka tamin’ireo mpiara-miasa namany. Fotoana kelikely taorian’izay dia nahazo fampitandremana maika i Daniel fa nisy tafio-drivotra lehibe nanatona haingana tokoa. Niverina haingana teny amin’ny seranana i Daniel sy ireo mpiara-miasa taminy.

Sary
Nandeha sambo ho any an-dranomasina

Rehefa nihamafy ilay tafio-drivotra dia maty ny maoteran’ny sambo mpanjono iray teo akaikin’izy ireo. Nampisarangotra tady teo amin’ilay sambo tsy afaka nandeha i Daniel sy ny mpiara-miasa taminy ka nanomboka nisintona izany ho amin’ny toerana azo antoka. Nangataka fanampiana tamin’ny alalan’ny radiô izy ireo satria fantany fa nila fanampiana teo no ho eo izy noho ilay tafio-drivotra efa nitombo hery.

Sary
Nihamafy ny tafio-drivotra

Raha mbola niandry tao anatin’ny tebiteby ireo havan-tiana dia nivory ireo tompon’andraikitra avy amin’ny mpiambina ny morontsiraka sy ny fikambanan’ny mpanjono ary ny tafika an-dranomasina mba hanapa-kevitra momba ny paikady tsara indrindra entina mamonjy. Naniry ny handeha teo no ho eo ny sasany saingy nasaina niandry ny drafitra novolavolaina izy ireo. Raha mbola nanohy niangavy ny hamonjena azy ireo izay tao anatin’ny tafio-drivotra dia nanohy nivory ireo tompon’andraikitra mba hiezaka hifanaraka ny amin’izay asa sy drafitra mety amin’izany.

Sary
Niandry tao anatin’ny tebiteby ireo havan-tiana

Rehefa voarafitra amin’izay ny vondrona iray mpamonjy voina dia nisy fangatahana iray farany feno hakiviana tonga. Nanapaka ilay tady teo anelanelan’ireo sambo roa ilay tafio-drivotra mahery vaika ka dia nandeha niverina mba hijery i Daniel sy ireo mpiara-miasa taminy raha toa ka afaka mamonjy ireo namana mpiara-manjono aminy izy ireo. Tamin’ny farany dia rendrika avokoa ireo sambo roa sy ireo tantsambo tao anatiny, ka anisan’ny maty tamin’izany i Daniel rahalahin’ny Loholona Patanìa.

Sary
Samy rendrika ireo sambo roa.

Io loza io dia nampitahain’ny Loholona Patanìa tamin’ny fananarana nomen’ny Tompo rehefa nilaza Izy hoe: “Tsy manatanjaka, … [na] mampody ny noroahina, … [na] mikatsaka ny very [ianareo]; … fa hovonjeko eo amin’ny vava[nareo] ny ondriko.”4

Nanazava ny Loholona Patanìa fa, raha mbola tsy maintsy mifandamina ao anatin’ireo filankevitra, kôlejy, vondrona fanampiny, eny fa na isam-batan’olona aza isika dia tsy tokony hanemotra mihitsy ny fandehanana manavotra. Indraindray dia herinandro maro no lasa eo am-piresahantsika mikasika ny fomba hanampiana ireo fianakaviana na ny isam-batan’olona izay manana filàna manokana. Mieritreritra tsara momba ny olona hamangy azy ireo sy ny fomba hanatonana azy ireo isika. Mandritra izany fotoana izany dia mitohy ny fanampiana ilain’ireo rahalahy sy anabavintsika izay very ka miantso vonjy sy mitalaho mafy mihitsy aza izy ireo. Tsy tokony hanemotra fotoana isika.

Fitsipika 2: Tsy tokony hilavo lefona mihitsy isika

Ny Filoha Thomas S. Monson, izay nampaneno ny anjomara fanairana mba handeha hamonjy ny hafa dia nilaza hoe: “Ny mpikambana ao amintsika dia tokony hampahatsiahivina fa tsy misy izany hoe tara izany mihitsy raha … ireo mpikambana malaindaina … ao amintsika izay mety ho noheverina fa tsy misy fanantenana intsony no resahina.”5

Tahaka ny maro aminareo dia nizara ny filazantsara tamin’ny olona sasany izay vetivety dia natao batisa na naverina ho mavitrika aho, ary ireo hafa—tahaka an’i Tim izay namako tsy mpikambana sy i Charlene vadiny izay mpikambana malaindaina dia nila fotoana lavalava kokoa.

Nandritra ny 25 taona mahery dia nifanakalo hevitra momba ny filazantsara tamin’i Tim aho ka nitondra an’i Tim sy i Charlene nanatrika ireo varavarana misokatra an’ny tempoly. Nanampy tamin’ny famonjena azy ny hafa, na izany aza anefa dia nolavin’i Tim ny fanasana rehetra natao mba hihaonany tamin’ireo misiônera.

Tamin’ny faran’ny herinandro iray izay dia nasaina niahy fihaonamben’ny tsatòka iray aho. Nangataka ilay filohan’ny tsatòka aho mba hifady hanina sy hivavaka mikasika ny olona tokony hovangianay. Tohina ny foko rehefa natolony ahy ny anaran’i Tim namako. Rehefa nandondona ny evekan’i Tim sy ny filohan’ny tsatòka ary ny tenako dia novohain’i Tim ny varavarana, nijery ahy izy ary nijery ny eveka, ary avy eo dia niteny hoe: “Eveka a! Nataoko fa nilaza tamiko ianao hoe hitondra olona miavaka aty amiko!”

Dia nihomehy i Tim ka nilaza hoe: “Mandroso ry Merv. a!” Nisy fahagagana nitranga tamin’io andro io. Efa vita batisa i Tim amin’izao ary efa voafehy tany amin’ny tempoly izy sy i Charlene. Tsy tokony milavo lefona isika.

Sary
I Tim sy i Charlene tany amin’ny tempoly

Fitsipika 3: Akory ny halehiben’ ny fifalianareo raha mitondra olona iray monja ho an’i Kristy

Taona maro lasa izay, nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia niresaka mikasika ny fomba nahatakaran’i José de Souza Marques ny tenin’ny Mpamonjy aho hoe “raha misy olona matanjaka ao amin’ ny Fanahy eo anivonareo, dia aoka izy haka izay malemy hiaraka aminy, … ka hahatonga azy ho matanjaka ihany koa.”6

Fantatry ny Rahalahy Marques ny anaran’ny mpikambana rehetra tao amin’ny kôlejin’ny mpisorona nisy azy ary tsikariny fa tsy tao i Fernando. Nitady an’i Fernando tany an-tranony izy, dia tany amin’ny tranon’ny namany avy eo, ary nankany amin’ny morontsiraka mihitsy aza.

Sary
Namonjy an’i Fernando

Hitany nanao surf teny amin’ny ranomasina i Fernando nony farany. Tsy niandry mandra-pilentiky ny sambo tahaka ilay tao anatin’ny tantaran’i Daniel izy. Niroboka avy hatrany tao anaty rano izy mba hanavotra ny ondriny very ka nitondra azy nody tamim-pifaliana.7

Sary
Natao izay nahazoana antoka fa tsy handao ny vala i Fernando

Nataony izay nahazoana antoka tamin’ny alalan’ny fanompoana tsy tapaka fa tsy handao ilay vala intsony i Fernando.8

Mamelà ahy hampahafantatra anareo ny fivoaran’ny zava-nitranga hatramin’ny nanavotana an’i Fernando sy hizara ny fifaliana azo avy amin’ny fanavotana ondry very iray monja. Nanambady an’i Maria malalany tany amin’ny tempoly i Fernando. Manan-janaka 5 sy zafikely 13 izy ireo amin’izao fotoana izao, ary mazoto ao am-piangonana avokoa izy ireo. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ihany koa ny havan’izy ireo maro hafa sy ny fianakaviany. Niara-nandefa anarivony tamin’ny anaran’ny razambeny izy ireo mba handray ireo ôrdônansin’ny tempoly, ary mitohy hatrany ny fahatongavan’ireo fitahiana.

Sary
Ny fianakavian’i Fernando

Eveka fanintelony i Fernando amin’izao fotoana izao ary mbola manohy mamonjy tahaka ny namonjena azy izy. Vao haingana izy no nizara an’izao: “Manana zatovolahy mavitrika miisa 32 ao amin’ny Fisoronana Aharôna izahay ao amin’ny paroasinay, ary ny 21 amin’ireo dia vao navotana tao anatin’ny 18 volana farany.” Mahavita izany isika tsirairay avy, ny fianakaviana, ny kôlejy, ny vondrona fanampiny, ny kilasy, ary ny mpampianatra sy ny mpamangy isan-tokantrano.

Sary
Ireo zatovolahin’i Fernando

Fitsipika 4: Na firy taona isika na firy taona dia antsoina avokoa handeha hamonjy ny hafa

Nanambara ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Nantsoina isika hiasa amim-piraisankina hanampy ny [Mpamonjy] ao anatin’ilay fijinjany fanahy mandra-piveriny indray, na firy taona isika na firy taona, na inona na inona fahaiza-manao ananantsika na antsom-piangonana sahanintsika, ary na aiza na aiza misy antsika.”9

Isan’andro dia mihamaro hatrany ireo zanatsika, zatovontsika, tanora tokan-tena, ary ireo olon-dehibe mpikambana no mihaino ny antso mazavan’ny Mpamonjy mba handeha hamonjy ny hafa. Misaotra amin’ny ezaka ataonareo! Mamelà ahy hizara ohatra vitsivitsy:

I Amy, fito taona 7, dia nanasa an’i Arianna namany sy ny fianakaviany hanatrika ny fandaharam-potoan’ny Kilonga amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo fanaony isan-taona.Volana vitsy taty aoriana dia natao batisa i Arianna sy ny fianakaviany.

I Allan, izay tanora tokan-tena, dia nahatsapa ho nentanim-panahy hizara ireo horonantsarin’ny Fiangonana sy ireo Hafatra Môrmôna, ary andinin-tsoratra masina tamin’ny namany rehetra tamin’ny alalan’ny tambazotra ifaneraserana.

Nanomboka nizara ny filazantsara tamin’ireo mpanao dokambarotra izay niantso Rahavavy Reeves.

Nanasa an’i Shane izay namany tsy mpikambana hanatrika ny batisan’ny zanany vavy i James.

Nandefa rohy ahitana ny lahateny nataon’ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny anabaviny izay mpikambana malaindaina i Spencer ka nanao tatitra hoe: “Namaky ilay lahateny izy dia nahazo fanantenana.”

Ny Tompo dia nanome ireo fitaovana rehetra ilaintsika mba handehanana mamonjy ireo namantsika mpikambana malaindaina sy tsy mpikambana. Vitantsika rehetra izany!

Manasa anareo tsirairay aho hihaino ny antson’ny Mpamonjy mba handeha hamonjy ny hafa. Vitantsika izany!

Mijoro ho vavolombelona amin’ny fomba manetriketrika aho fa fantatro fa i Jesoa no Mpiandry Tsara, fa tia antsika Izy ary mitahy antsika rehefa mandeha mamonjy ny hafa isika. Fantatro fa velona Izy. Fantatro izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.