2010–2019
Inona no hatao[ntsika]?
Aprily 2016


Inona no hatao[ntsika]?

Manorina ny fanjakana isika rehefa mikarakara ny hafa. Manorina ny fanjakana koa isika rehefa miteny ny marina sy mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana.

Fotoana fohy taorian’ny Fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty sy ny Fiakarany tany an-danitra dia nampianatra ny Apôstôly Petera hoe: “Koa aoka ho fantatry ny … rehetra marimarina fa iny Jesoa nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’ Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.” Nanindrona ny tao am-pon’ireo olona nihaino izany ka nanontanian’izy ireo i Petera sy ny hafa hoe: “Ry rahalahy, inona no hataonay?”1 Ary dia nankatò ireo fampianaran’i Petera tamim-pifaliana izy ireo taorian’izany.

Alahadin’ny Paska rahampitso ary manantena aho fa ho voatsindrona koa ny ao am-pontsika noho ny fanekena ny Mpamonjy ka hibebaka sy hankatò amim-pifaliana isika.

Haheno torolalana tena tsara izay homen’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, lahy sy vavy, isika ao anatin’ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity. Noho ny fahafantarako fa hanohina ny fontsika ny tenin’izy ireo, dia anontaniako ianareo hoe: “Ry vehivavy sy rahavavy, inona no hataontsika?”

Nambaran’i Eliza R. Snow tamin’ny naha-Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany azy 150 taona latsaka kely izay hoe: “Nametraka andraikitra lehibe eo amintsika ny Tompo”2 dia ijoroako ho vavolombelona fa mbola marina ny fanambarany amin’izao fotoana izao.

Ny Fiangonan’ny Tompo dia mila vehivavy tarihin’ny Fanahy izay mampiasa ireo fanomezam-pahasoavany miavaka mba hikarakarana ny hafa sy hitenenana ny marina koa ary hijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny filazantsara. Ireo aingampanahy entintsika sy ny tsindrimandrintsika dia ampahany tena ilaina ao amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra izay ny tena dikany dia hoe manao ny anjarantsika amin’ny fitondrana famonjena ho an’ny zanak’ Andriamanitra.

Manorina ny fanjakana amin’ny alalan’ny fikarakarana ny hafa

Manorina ny fanjakana isika rehefa mikarakara ny hafa. Kanefa ny zanak’ Andriamanitra voalohany tsy maintsy aorintsika tsara ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia ny tenantsika. Nilaza i Emma Smith hoe: “Iriako ny hanana ny Fanahin’ Andriamanitra mba hahafantarako sy hahatakarako ny tenako, ka mba hahafahako mandresy na inona na inona fomban-drazana na toetra voa-janahary izay tsy mitondra ahy amin’ny fisandratana.”3 Tsy maintsy mametraka fototra iorenan’ny finoana ny filazantsaran’ny Mpamonjy isika sy mandroso mankany amin’ny fisandratana, rehefa nahazo hery avy amin’ireo fanekempihavanan’ny tempoly.

Ahoana moa raha tsy misy toerana ho an’ny fomban-drazantsika sasany ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny? Mety hitaky fanohanana ara-pihetsehampo sy fifanohanana tahaka izay niseho tamiko ny famoizana azy ireo.

Tamin’ny fahaterahako dia namboly hazo maniolia tao an-tokotany ny ray aman-dreniko mba hisy voninkazo maniola any amin’ny fanamasinana ny fanambadiako izay hatao any amin’ny fiangonan’ireo razambeko. Saingy tsy nisy ray aman-dreny teo anilako tamin’ny andro nanambadiako ary tsy nisy maniolia. Mpikambana vaovao vao herintaona aho tamin’izany ary nandeha tany Salt Lake City, Utah mba handray ny fanafiana masina sy hofehezina amin’i David fofombadiko.

Nisy fahatsapana ho irery nanenika ahy rehefa nandao an’i Louisianne aho ary nanakaiky an’i Utah. Hipetraka any amin’ny renibe kelin’i David izay nantsoina tamim-pitiavana hoe Nenitoa Carol aho alohan’ny fanambadiana.

Dia iny ary aho vahiny tao Utah, handeha hipetraka any amin’ny tranon’olon-tsy fantatra iray alohan’ny hamehezana ahy mandrakizay amin’ny fianakaviana iray izay zara raha fantatro. (Soa ihany fa tiako sy natokisako ilay ho vadiko sy ny Tompo!)

Naniry ny hisitri-belona aho rehefa nanakaiky ny varavarana hidirana tao amin’ny tranon’i Nenitoa Carol izaho sy i David. Nivoha ny varavarana—Nijoro teo tahaka ny bitro raiki-tahotra aho—dia tsy niteny i Nenitoa Carol fa nanatona sy namihina ahy. Izy, ilay tsy nanan-janaka, dia nahafantatra—nahafantatra ilay fony tia mikarakara—fa mitady toerana hialofana aho. Tena nampahery sy mamy tokoa izany fotoana izany! Nanjavona ny tahotro ary nisy fahatsapana ho nahazo fialofana tao anatin’ny toerana azo antoka ara-panahy iray tonga tao amiko.

Ny fitiavana dia mampisy toerana ho an’ny olona hafa eo amin’ny fiainanao tahaka ny nataon’i Nenitoa Carol tamiko.

Manokana toerana ara-bakiteny ao anatin’ny vatany ny reny mba hikarakarana ny zanany tsy mbola teraka—ary manantena hahazo toerana ao am-pony koa eo am-pitaizan’izy ireo azy ireo—kanefa tsy mijanona eo amin’ny fiterahana sy fitaizana zanaka fotsiny ny fikarakarana. Nantsoina mba ho “reny” i Eva talohan’ny nananany zanaka.4 Ary mino aho fa ny “miteraka” dia midika hoe “manome aina.” Eritrereto ireo fomba maro hanomezanareo aina. Mety fanomezana aina ara-pihetsehampo an’ireo izay very fanantenana izany na fanomezana aina ara-panahy an’izay miahiahy. Afaka mamorona toerana manasitrana ny fihetsehampo ho an’ny ianjadian’ny fanavakavahana sy ho an’ny nolavina ary ho an’ny olon-tsy fantatra isika omban’ny fanampian’ny Fanahy Masina. Amin’ny alalan’ireo fomba feno hatsaram-panahy nefa mahery vaika ireo no anorenantsika ny fanjakan’ Andriamanitra. Ry rahavavy isany, isika rehetra dia tonga tetý an-tany miaraka amin’ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanomezana aina sy fikarakarana ary toetran’ny reny satria izay no drafitr’ Andriamanitra.

Mitaky fahafoizantena mifono fitiavana ny fanarahana ny drafiny sy ny fahatongavana ho mpanorina ny fanjakana. Nanoratra ny Loholona Orson F. Whitney hoe: “Ny zavatra rehetra mampijaly antsika sy zakaintsika, indrindra rehefa zakaintsika amim-paharetana izany, … dia manadio ny fontsika… ary mahatonga antsika ho lasa tsara fanahy sy hanana fiantrana bebe kokoa. … Amin’ny alalan’ny … asa mafy sy ny fahoriana no hahazoantsika fahalalana … izay hahatonga antsika hitovy kokoa amin’ny Raintsika sy Renintsika any An-danitra.”5 Ireo fisedrana manadio ireo dia mitondra antsika mankany amin’i Kristy, izay afaka manasitrana antsika sy manao izay hahatonga antsika ho ilaina ao anatin’ilay asa famonjena.

Manorina ny fanjakana amin’ny alalan’ny firesahana sy ny fijoroana ho vavolombelona

Manorina ny fanjakana koa isika rehefa miteny ny marina sy mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana. Ny Tompo no lamina arahintsika amin’ny fanorenana ny fanjakana. Miteny sy mampianatra amin’ny alalan’ny hery sy fahefan’ Andriamanitra Izy. Afaka manao izany koa isika ry rahavavy. Amin’ny ankapobeny ny vehivavy dia tia miresaka sy mifampitaona! Rehefa miasa amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana izay nampitaina mba hananantsika isika, dia mitombo ho fampianarana ny filazantsara sy fitarihana ny firesahana sy ny fifampitaomana.

Nampianatra ny Rahavavy Julie B. Beck, filoha teo aloha an’ny Fikambanana Ifanampiana hoe: “Ny fahafahana hanana fahamendrehana ny hahazo fanambarana ho an’ny tena manokana sy handray izany ary handray andraikitra eo anatrehan’izany no fahaiza-manao faran’izay manan-danja azo tovozina eto amin’ity tany ity. … Mitaky ezaka voalanjalanja tsara izany.”6

Ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay avy amin’ny Fanahy Masina dia hanosika antsika lalandava hianatra sy hiteny momba ny fahamarinana mandrakizay—dia ny fahamarinan’ny Mpamonjy. Rehefa manaraka bebe kokoa an’i Kristy isika dia hahatsapa bebe kokoa ny fitiavany sy ny fitarihany. Rehefa mahatsapa bebe kokoa ny fitiavany sy ny fitarihany isika dia haniry bebe kokoa hiteny sy hampianatra tahaka ny nataony na dia amin’ny fotoana misy fanoherana aza.

Taona maro lasa izay, dia nivavaka tamim-pitebitebena mafy aho mba hahazo fanambarana hoentina hiarovana ny maha-reny rehefa naharay antso an-tariby avy amin’olon-tsy fantatra iray.

Nanontany ilay olona niantso hoe: “Ianao ve no Neill Marriott, ilay reny manan-janaka be dia be?”

Namaly tamim-pifaliana aho hoe: “Eny!” sady nanantena ny haheno azy hilaza zavatra toy ny hoe: “Hay! Tsara izany!”

Saingy tsy nilaza izany izy! Tsy hohadinoiko velively ny valinteniny rehefa niteny tamin’ny telefaonina ilay feony hoe: “Tena faran’izay tafintohina aho noho ny fitondranao zanaka eto amin’ity planeta efa hipoka ity!”

“Aaaa!” hoy aho tamim-piakanakanana, “Azoko ny zavatra tsapanao.”

Nivazavaza izy hoe: “Tsia—tsy azonao izany e!”

Dia nisento aho nanao hoe: “Eny e! Mety tsy azoko ary izany ilay izy.”

Nanomboka niresaka tamim-pahatezerana mikasika ny safidy adaladala nataoko mba ho reny izy. Rehefa nanohy niresaka izy dia nanomboka nivavaka aho mba hahazo fanampiana ary nisy eritreritra malefaka tonga tao an-tsaiko: “Inona no havalin’ny Tompo azy?” Nahazo fahatsapana ho nijoro teo amin’ny fototra mafy orina aho ary nahazo herimpo rehefa nieritreritra an’i Jesoa Kristy.

Henoko ny tenako nilaza hoe: “Faly aho fa renin’ny fianakaviana lehibe anankiray ary mampanantena anao aho fa hanao izay rehetra tratran’ny heriko mba hitaizana ny zanako amin’ny fomba izay hahafahan’izy ireo manao an’ity izao tontolo izao ity ho toerana tsara kokoa.”

Novaliany hoe: “Eny ary! Manantena aho fa hanao izany ianao!” dia napetrany ny telefaonina.

Tsy nampivarahontsana ahy loatra izany—raha ny marina, indro aho ao an-dakoziako tsy maninona tsy maninona! Kanefa afaka niteny mba hiarovana ny fianakaviana aho noho ny zavatra anankiroa: (1) Nahatakatra sy nino ny fotopampianaran’ Andriamanitra momba ny fianakaviana aho ary (2) nivavaka mba hahazo teny hijoroana ho vavolombelona momba io fahamarinana io.

Hiteraka fanakianana ny fiavahana sy ny fahasamihafana amin’ireo vehivavin’izao tontolo izao, saingy tsy maintsy mampifikitra ny tenantsika amin’ireo fitsipika mandrakizay isika sy hiteny ny marina na inona na inona valintenin’izao tontolo izao.

Rehefa manontany ny tenantsika isika hoe: “Inona no hatao[ntsika]?” Ndeha hosaintsainintsika ity fanontaniana ity: “Inona no ataon’ny Mpamonjy tsy tapaka?” Mikarakara Izy. Mamorona Izy. Mamporisika ny hisian’ny fivoarana sy ny hatsarana Izy. Ry vehivavy sy rahavavy, afaka manao izany isika! Ry ankizivavy Kilonga, misy olona mila ny fitiavanareo sy ny hatsaram-panahinareo ve ao amin’ny fianakavianareo? Manorina ny fanjakana koa ianareo amin’ny fikarakarana ny hafa.

Ny faharian’ny Mpamonjy ny tany teo ambany fitarihan’ny Ray dia asa lehibe iray maneho fikarakarana. Nanome toerana iray ho antsika Izy mba hivoarana sy hananana finoana an’ilay heriny manavotra. Ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany no toerana faran’izay tsara hahazoana fanasitranana sy fanantenana ary fivoarana sy hananana tanjona. Mila manana fahatsapana ara-panahy sy ara-batana hoe manana fialofana isika rehetra. Afaka manolotra io toerana io isika rehetra ry rahavavy ary toerana masina mihitsy aza izany.

Ny andraikitsika ambony indrindra dia ny ho tonga vehivavy mpankatò izay mikarakara amim-pitandremana sy miteny tsy amin-tahotra ary mandrindra amim-pandinihana. Rehefa mangataka amin’ny Ray any An-danitra isika mba hanao izay hahatonga antsika ho mpanorina ny fanjakany, dia hiboiboika ao anatintsika ny heriny ary ho fantatsika ny fomba hikarakarana, ary amin’ny farany dia ho lasa tahaka ireo ray aman-drenintsika any an-danitra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy amena.

Fanamarihana

  1. Asan’ny Apostoly 2:36–37.

  2. Eliza R. Snow, ao amin’ny Filles dans mon royaumes: L’Histoire et L’Œuvre de la société de secours (2011), 42.

  3. Emma Smith, ao amin’ny Filles dans mon royaumes, 12.

  4. Jereo ny Genesisy 3:20.

  5. Orson F. Whitney, in Spencer W. Kimball, Faith Precedes the Miracle (1972), 98.

  6. Julie B. Beck, “And upon the Handmaids in Those Days Will I Pour Out My Spirit,” Liahona, mey 2010, 11.