2010–2019
Aiza ny fanalahidy sy fahefan’ny Fisoronana?
Aprily 2016


Aiza ny fanalahidy sy fahefan’ny Fisoronana?

Ny fahefana sy fanalahidin’ny fisoronana no manome ny hery, manokatra ny varavaran’ny lanitra, ahafahana mampiasa ny herin’ny lanitra ary manokatra ny lalan’ireo fanekempihavanana ilaintsika hiverenana any amin’ny Raintsika any An-danitra.

Indray tolakandron’ny ririnina, rehefa iny hilentika tao ambadik’ilay tendrombohitra midadasika fanaovana ski rakotry ny oram-panala iny ny masoandro dia namely mafy ny takolakay sy ny oronay ny rivotra mamirifirin’ilay tendrombohitra ka toa nanosika anay hamonjy ny fiaranay tao amin’ny fitobiam-piarakodian’ilay toerana fanaovana ski. Ao anatin’izany fiaranay izany dia vetivety foana, noho ireo fampafana, dia hahazo hafanana ny rantsan-tananay sy ny rantsan-tongotray. Ny feon’ny oram-panala mivaingana mikaratsaka ao ambany tongotray dia manambara ny hamafin’ny hatsiaka.

Avy nankafy tontolo andro feno fahafinaretana teo amin’ilay toerana fanaovana ski ny fianakaviako, izay niafara tamin’ny hatsiaka tena mamirifiry. Rehefa tonga teo amin’ilay fiara izahay dia nisava ny paosiko aho hitadiavana ny fanalahidy, avy eo dia nisava paosy iray hafa ary paosy iray hafa koa. “Fa aiza ny fanalahidy?” Samy niandry tamim-panahiana ny hahitako ny fanalahidy ny tsirairay! Efa feno ny baterian’ilay fiara, ary efa vonona avokoa ny rafitra rehetra (anisan’izany ny fampafana), kanefa raha tsy misy fanalahidy dia tsy ho tafiditra ao amin’ilay fiara izahay. Raha tsy misy fanalahidy dia tsy hamokatra angovo ho an’ilay fiara ny maotera.

Tamin’izay fotoana izay dia ny fomba hidiranay tao anatin’ny fiara no laharampahamehana taminay, kanefa dia tafaeritreritra aho (na dia tamin’ny fotoana toy izany aza) fa azo hisintonana lesona izao toe-java-nitranga izao. Raha tsisy fanalahidy dia ho toy ny plastika sy vỳ fotsiny io milina mahatalanjona io. Na dia azo hanaovana zavatra betsaka aza ilay fiara dia tsy mahavita ny zavatra tokony ho vitany raha tsy misy fanalahidy.

Arakaraka ny nisaintsainako io zavatra niainako io no nampahalalina tamiko an’io fanoharana io. Talanjona aho amin’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra an’ireo zanany. Nampiaiky ahy ny nisehoan’ireo olon’ny lanitra tamin’i Joseph Smith sy ireo fahitana ny zavatra mandrakizay izay nasehon’ Andriamanitra azy. Ary indrindra indrindra, heniky ny fankasitrahana ny foko noho ny namerenana ny fahefan’ny fisoronana sy ireo fanalahidin’ny fisoronana tamin’ny laoniny. Raha tsy nisy izany famerenana amin’ny laoniny izany dia tsy ho tafiditra ao amin’ilay fiara tokony hitondra antsika amin’ny diantsika hody any amin’ireo ray aman-drenintsika any an-danitra be fitiavana isika. Ny fanatanterahana ny ôrdônansin’ny famonjena rehetra momba ireo fanekempihavanana izay mitondra antsika miverina eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra dia mitaky fitarihana araka ny tokony ho izy amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana.

Tamin’ny mey 1829 dia niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Jaona Mpanao Batisa, ka nanome azy ireo ny Fisoronana Aharôna ary nanolotra azy ireo ny fanalahidy mifandraika amin’izany fisoronana izany. Tsy ela taorian’izay dia nomen’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona azy ireo ny fanalahidin’ny Fisoronana Melkizedeka.1

Tokony ho fito taona taty aoriana, indray alahady tao amin’ny Tempolin’i Kirtland, dia “niseho tamin’ny voninahitra [tamin’i Joseph sy i Oliver] i Jehovah Tompo,” tranga iray izay narahan’ny fisehoan’i Mosesy sy i Elià ary i Elia izay nanolotra “ny fanalahidiny sy ny fotoampitantanany.”2 Efa very nandritra ny taon-jato maro ilay fahefan’ny fisoronana izay naverina tamin’ny laoniny, miaraka amin’ireo fanalahidy ireo. Tahaka ny tsy nahafahan’ny fianakaviako niditra tao amin’ilay fiara noho ny fahaverezan’ny fanalahidy ihany koa no tsy nahafahan’ireo zanaky ny Ray any An-danitra mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy—raha tsy efa nisy famerenana amin’ny laoniny masina notanterahan’ireo iraka avy any an-danitra ireo. Tsy voatery hanontany intsony isika hoe: “Fa aiza ny fanalahidy?”

Sary
Toerana namerenana ny Fisoronana tamin’ny laoniny
Sary
Renirano Susquehanna

Indray andro fararano mahafinaritra tamin’ny taon-dasa aho dia nitsidika ilay ala milamina ao avaratra atsinanan’i Pennsylvania, antsoina ao amin’ny soratra masina hoe Harmony, izay toerana nisehoan’i Jaona Mpanao Batisa tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ka namerenany tamin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna. Nijoro teo amoron’ny renirano Susquehanna ihany koa aho, izay toerana nifanaovan’i Joseph sy i Oliver batisa rehefa avy nomena ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana izy ireo. Teo akaikin’io renirano io ihany no nisehoan’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona ka namerenany tamin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka sy ny fanalahidy miaraka amin’izany.3

Sary
Tranon’i Joseph sy Emma Smith
Sary
Ao anatin’ny ivontoerana ho an’ny mpitsidika ao amin’ilay toerana namerenana ny Fisoronana tamin’ny laoniny
Sary
Ivelan’ny ivontoerana ho an’ny mpitsidika ao amin’ilay toerana namerenana ny Fisoronana tamin’ny laoniny

Ireo toerana ireo, ary koa ilay trano voalohany an’i Joseph sy i Emma naverina naorina, izay toerana nandikana ny ankamaroan’ny Bokin’i Môrmôna, sy ny tranon’ny ray aman-drenin’ny Emma izay eo akaiky eo ary toerana iray fandraisana mpitsidika, izay ao anatin’ny trano fiangonana iray vaovao no mandrafitra ilay Ivontoerana vaovao namerenana ny fisoronana tamin’ny laoniny, izay notokanan’ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny volana septambra tamin’ny taon-dasa. Tany aho dia nahatsapa ny hery sy ny tena nahanisy marina ireo fisehoan’ny zavatra avy any an-danitra ireo izay nitranga teo amin’izany tany masina izany. Io zavatra niainako io dia nitarika ahy handinika sy handalina ary hivavaka momba ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana, ka nanome faniriana ahy hiresaka amin’ireo zatovolahy sy zatovovavin’ny Fiangonana mikasika ny fomba ahafahan’ny fahefan’ny fisoronana sy ny fanalihidin’ny fisoronana naverina amin’ny laoniny mitahy ny fiainan’izy ireo.

Voalohany dia mety hanampy ny fahatakarana an’ireo teny ireo. Ny fisoronana na ny fahefan’ny fisoronana dia nofaritana hoe “ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra”4 ary “ny hery faratapony eto an-tany.”5 Ny fanalahidin’ny fisoronana dia nofaritana mba ho takatsika ihany koa: “Ny fanalahidin’ny fisoronana dia ilay fahefana izay nomen’ Andriamanitra an’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana hitarihana sy hifehezana ary hitantanana ny fampiasana ny Fisoronany eto ambony tany.” 6 Ny fanalahidin’ny fisoronana no mifehy ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana. Ireo ôrdônansy izay raketina ao amin’ny firaketan’ny Fiangonana dia mila fanalahidy ary tsy azo atao raha tsy nahazoana lalana. Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks hoe: “amin’ny farany, dia Jesoa Kristy Tompo no mihazona ny fanalahidy rehetra an’ny fisoronana, fisoronana izay Azy. Izy no mamaritra hoe fanalahidy inona no zaraina amin’ny olombelona ary ahoana no fomba ampiasana azy.”7

Ankehitriny, ho anareo zatovolahy sy zatovovavy, dia nandinika fomba telo aho ahafahanareo “mahita ireo fanalahidy” na mampiasa ny fanalahidy sy ny fahefan’ny fisoronana hitahiana ny fiainanareo sy ny fiainan’ny hafa.

Ny voalohany dia ny miomana hanao asa fitoriana ny filazantsara

Ry zandriko lahy sy zandriko vavy isany, mety tsy tsapanareo izany, fa ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely izay naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Mosesy dia ahafahana manatanteraka ny asa fitoriana amin’izao fotoampitantanana izao. Diniho anie fa misiônera amin’ny fotoana feno miisa 75,000 eo ho eo no miasa eny an-tsaha eo ambany fitarihan’izany fanalahidy izany. Eo am-pieritreretana izany dia tadidio fa tsy misy izany hoe aloha loatra izany amin’ny fiomananareo hanao asa fitoriana ny filazantsara. Ao amin’ny Jeunes, soyez forts, dia mamaky isika hoe: “Ry zatovolahy ao amin’ny Fisoronana Aharôna, … miasà amim-pahavitrihana mba hiomananareo hisolo tena ny Tompo rehefa lasa misiônera.”8 Afaka miomana ihany koa ireo zatovovavy, “saingy izy ireo dia tsy iharan’izany adidy eo an-tsorok’ireo zatovolahy izany.”9 Ny fiomanana rehetra izay ataonareo koa anefa, na manompo amin’ny fotoana feno ianareo na tsia, dia hahasoa anareo mandritra ny androm-piainanareo rehefa mitory ny filazantsara amin’ny maha-mpikambana anareo ianareo.

Ny fomba faharoa hahafahana “mahita ny fanalahidy” dia ny mandeha any amin’ny Tempoly

Ny fanalahidin’ny famehezana izay naverin’i Elia mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha tamin’ny laoniny no ahafahana manatanteraka ireo ôrdônansy any amin’ireo tempoly masina. Ireo ôrdônansy izay tanterahina any amin’ireo tempoly ireo no manome fahafahana ny olona sy ny fianakaviana hiverina eo anatrehan’ny ray aman-drenintsika any an-danitra.

Mamporisika anareo izahay ry zatovolahy sy zatovovavy mba hikaroka sy hitady ny anaran’ireo razambenareo ka hanatanteraka ny batisa amin’ny alalan’ny fisoloan-tena ho azy ireo any amin’ny tempoly. Hitanay fa efa tena mihoatra lavitra noho ny taloha ny fanatanterahana izany manerana an’izao tontolo izao! Feno zatovolahy sy zatovovavy ny toerana fanaovana batisa ao amin’ny tempoly maro vao maraina ary mandra-paharivan’ny andro. Ampiasaina mba hamehezana ireo fianakaviana ny fanalahidy rehefa tanterahina any amin’ireo tempoly ireo ny ôrdônansy masina.

Takatrareo ve ny ifandraisan’ny fanalahidin’ny fisoronana sy ireo fitahiana? Rehefa mandray anjara amin’ity asa ity ianareo dia mieritreritra aho fa ho hitanareo fa ny Tompo dia miditra an-tsehatra hatrany amin’ny antsipiriany. Ny zavatra anankiray niainako dia maneho izany. Vao tsy ela aho no nianatra avy tamin’ny reny iray izay manatitra tsy tapaka ireo zanany any amin’ny tempoly mba hanatanteraka batisa amin’ny alalan’ny fisoloan-tena. Tamin’io andro manokana io, rehefa nahavita ny batisany ka iny hiala ny tempoly iny io fianakaviana io dia nisy lehilahy iray niditra tao amin’ny toerana fanaovana batisa niaraka tamin’ny anaran’olona marobe tao amin’ny fianakaviany. Rehefa nahita ny mpiasa iray tao amin’ny tempoly fa tsy nisy olona tavela intsony tao amin’ilay fanaovana batisa ka afaka hanampy amin’ireo anarana ireo dia notratrariny ity fianakaviana izay efa handeha ity ka nanontany ireo ankizy izy raha toa ka afaka miverina miditra izy ireo sy misolo akanjo indray mba hanampy amin’ireo batisa ireo. Nanaiky an-tsitrapo izy ireo ka niverina tao indray. Teo am-panaovana batisa an’ireo ankizy, raha nihaino tsara iny ny renin’izy ireo, dia nanomboka nahafantatra ireo anarana izy ary talanjona ny rehetra fa tsy ela dia hita fa razamben’ny fianakaviany efa maty ihany koa ireo anarana nentin’ilay lehilahy ireo. Fitahiana feno fitiavana sy famindram-po ho azy ireny izany.

Roa herinandro lasa izay dia notokanana ny Tempolin’i Provo City Center ary io no tempoly faha 150 am-perinasa an’ny Fiangonana maneran-tany. Marihina fa tamin’ny nanohanana ny Filoha Thomas S. Monson ho Apôstôly tamin’ny taona 1963 dia 12 no isan’ny tempoly am-perinasa tato amin’ny Fiangonana. Mihamanakaiky anareo hatrany ny tempoly. Na izany aza, ho an’ireo izay mipetraka amin’ny toerana tsy ahafahana mandeha matetika any amin’ny tempoly noho ny halavirana sy ny toe-java-misy, dia tokony hihazona ny tenanareo ho mendrika ny hiditra tempoly foana ianareo. Afaka manatanteraka asa manan-danja ivelan’ny tempoly ianareo rehefa mikaroka sy mampiditra ny anaran’ny fianakavianareo.

Fahatelo farany: Mandrosoa hatrany amim-pinoana

I Abrahama, mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha, dia nahazo fitahiana lehibe tamin’ny Tompo nandritra ny fotoampitantanany, izay matetika antsoina hoe ny Fanekempihavanan’i Abrahama. An’arivony taona taty aoriana dia naverina tamin’ny laoniny ireo fitahian’ny fotoampitantanan’ny filazantsara nomena an’i Abrahama. Nitranga izany rehefa niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ny mpaminany Elià.

Amin’ny alalan’io famerenana amin’ny laoniny io no ahafahanareo tsirairay mahazo ireo fitahiana mahafinaritra nampanantenaina an’i Abrahama. Ho anareo ireo fitahiana ireo raha toa ka mijanona ho mahatoky sy miaina amim-pahamendrehana ianareo. Ao anatin’ilay kiboky hoe Jeunes, soyez forts, dia omena izao torolalana tena azo ampiharina izao ianareo mikasika ny fomba ahafahana “mandroso amim-pinoana.” Fintiniko ny sasany amin’izany torohevitra izany: “Mba hanampiana anareo ho tonga amin’izay rehetra tian’ny Tompo hahatongavanareo dia mandohaliha isa-maraina sy hariva mivavaka amin’ny Rainareo any An-danitra. … Halalino isan’andro ny soratra masina ka ampiharo amin’ny fiainanareo ny zavatra izay novakinareo. … Miezaha ho mpakantò isan’andro. … Araho ny fampianaran’ireo mpaminany amin’ny toe-javatra rehetra. … Manetre tena ary mivonòna hihaino ny Fanahy Masina.”

Io torohevitra io dia arahina fampanantenana izay mitondra mankany amin’ireo fampanantenana azo avy amin’ireo fitahian’i Abrahama: “Raha manao ireo zavatra ireo ianareo dia hampamokatra bebe kokoa ny fiainanareo ny Tompo, mihoatra lavitra noho izay vitanareo manokana. Hampitombo ny fahafahanareo manao zavatra sy hampivelatra ny fijerinareo ary hankahery anareo Izy. Hanome ny fanampiana izay ilainareo Izy hiatrehana ireo fitsapana sy fanamby iainanareo. Hahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa ianareo ka hahita ny tena fifaliana rehefa mahafantatra ny Rainareo any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ka hahatsapa ny fitiavan’ Izy Ireo anareo.”10

Hamintinana azy dia: miomàna hanao asa fitoriana, mandehana any amin’ny tempoly ary mandrosoa hatrany amim-pinoana.

Famaranana

Andeha hiverenantsika ilay tantara tany am-boalohany hamaranana azy, raha tafahitsoka teo amin’ilay fitobiam-piarakodia mamanala nanontany hoe: “Fa aiza ny fanalahidy?” izahay. Ho fampahafantarana dia hitako ny harivan’io tamin’ny fomba mahagaga ihany ny fanalahidy izay latsaka avy tao am-paosiko teny amin’ilay tendrombohitra. Nasehon’ny Tompo anay fa tsy hamela anay Izy hijanona eo amin’ny hatsiaka tsy misy fanalahidy na fahefana hitondra anay hody soa aman-tsara any an-trano.

Raha toa ahy ianareo dia mety efa matetika nahita ny tenanareo manontany hoe “Fa aiza ny fanalahidin’” ny fiara, na ny an’ny birao, na ny an’ny trano? Rehefa mitranga amiko izany dia tsy maintsy mitsiky anaka-po aho, satria rehefa mitady fanalahidy aho dia lasa mieritreritra ireo fanalahidin’ny fisoronana aho izay naverina tamin’ny laoniny sy mieritreritra an’ny Filoha Thomas S. Monson, izay tohanantsika “ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara”11 ary ho hany ilay olona eto an-tany manana sy nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra. Eny, hazonin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara amin’ny fomba azo antoka tsara ireo fanalahidy. Izany dia omena sy ampandraiketina ary tendrena ho an’ny hafa araka ny sitrapon’ny Tompo, eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana no manome ny hery, manokatra ny varavaran’ny lanitra, ahafahana mampiasa ny herin’ny lanitra ary manokatra ny lalan’ireo fanekempihavanana ilaintsika hiverenana any amin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana.

Mivavaka aho mba hahatonga anareo zatovolahy sy zatovovavy taranaka vao misondrotra “[hibosesika] handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy,”12 sy mba hahatakaranareo fa tombontsoa masina ho anareo ny manao zavatra eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana izay hanokatra ireo fitahiana sy fanomezam-pahasoavana ary herin’ny lanitra ho anareo.

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ Andriamanitra Ray, ny amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, ny amin’ny Fanahy Masina, ary ny amin’ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny amin’izao andro farany izao, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:68–72.

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110, sasin-tenin’ny fizarana.

  3. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:20.

  4. Manuel 2:Administration de l’ Église (2010), pejy 8.

  5. Boyd K. Packer, “Ny fahefan’ny fisoronana ao an-tokantrano” (worldwide leadership training meeting, feb. 2012), lds.org/broadcasts; jereo ihany koa ny James E. Faust, “Power of the Priesthood,” Ensign, mey 1997, 41–43.

  6. Manuel 2, 2.1.1.

  7. Dallin H. Oaks, “Ny fanalahidy sy ny fahefan’ny fisoronana,”Liahona, mey 2014, 50.

  8. Jeunes, soyez forts (kiboky, 2011), 43.

  9. Thomas S. Monson, “Tongasoa eto amin’ny Fihaonambe,” Liahona, nôv. 2012, 5.

  10. Jeunes, soyez forts 42–43.

  11. Teny avy ao amin’ny taratasy ahitana ireo Mpiandraikitra Notohanana izay vakiana any amin’ireo fihaonamben’ny paroasy sy any amin’ireo fihaonamben’ny tsatòka fanao isan-taona.

  12. 2 Nefia 31:20.