2010–2019
Na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo
Aprily 2016


Na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo

Raha mihaino miaraka amin’ny Fanahy ianareo dia hahita fa hihamalefaka ny fonareo, hihamatanjaka ny finoanareo ary hitombo ny fahafahanareo mitia ny Tompo.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, miarahaba anareo aho tonga soa eto amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-186 an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Faly aho tafaraka aminareo eto ary miarahaba anareo amim-pitiavana be.

Feno fankasitrahana aho fa tonga teto amin’ny fihaonambe ianareo mba hahatsapa fanentanam-panahy avy any an-danitra sy hahatsapa ho akaiky kokoa ny Raintsika any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy Tompo.

Tafavory ao anatin’ity fivoriana ampitaina manerana an’izao tontolo izao ity ireo mpianatr’i Jesoa Kristy an-tapitrisany maro izay nanao fanekempihavanana fa hahatsiaro Azy mandrakariva sy hanompo Azy. Toa tsy misy ny elanelam-potoana sy ny halavirana goavana noho ny fahagagana entin’ny teknôlôjia maoderina. Mivory toy ireny hoe ao anatin’ny trano lehibe iray ireny isika rehetra.

Fa ny manan-danja bebe kokoa noho ny fivoriantsika miaraka dia ny hoe amin’ny anaran’iza no anaovantsika izany. Nampanantena ny Tompo fa na dia maro dia maro aza ny mpianany eto an-tany amin’izao fotoana izao dia hanakaiky antsika tsirairay Izy. Hoy Izy tamin’ilay andiana mpianatra keliny tamin’ny 1829 hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, … fa na aiza na aiza no iarahan’ny roa na telo miangona amin’ny anarako, … dia indro, ho eo afovoany Aho—tahaka izany koa dia eo afovoanareo Aho” (F&F 6:32).

Ankehitriny mihoatra ny iray na roa no mpianany tafavory eto amin’ity fihanaombe ity ary araka ny nampanantenaina dia eo afovoantsika ny Tompo. Noho Izy olona nitsangana tamin’ny maty sy be voninahitra, dia tsy manatrika ara-batana any amin’ny toerana rehetra ivorian’ny Olomasina izy. Fa amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy no ahafahantsika mahatsapa fa miaraka amintsika eto Izy androany.

Miankina amintsika tsirairay ny toerana sy ny fotoana ahatsapantsika ny fanakaikezan’ny Mpamonjy. Nanome izao torolalana izao Izy:

“Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa ry sakaizako, avelako aminareo ireny teny ireny mba ho saintsaininareo ao am-ponareo, miaraka amin’izao didy izay omeko anareo izao, dia ny hiantsoanareo Ahy dieny mbola akaiky aho—

“Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho; tadiavo fatratra Aho dia hahita Ahy ianareo; mangataha dia hahazo ianareo, dondòny dia hovohana ianareo” (F&F 88:62–63).

Mahafantatra olona roa aho farafahakeliny izay mihaino eto ary maniry izany fitahiana izany amin’ny fon’izy ireo manontolo. Hiezaka mafy izy ireo hanakaiky kokoa ny Tompo mandritra ity fihaonambe ity. Samy nanoratra tamiko izy ireo—herinandro iray no nahatongavan’ny taratasin’izy ireo tany amin’ny biraoko—nitalaho mba hahazo io karazana fanampiana io.

Samy olona niova fo tato amin’ny Fiangonana izy ireo ary samy efa nahazo fijoroana ho vavolombelona mazava mikasika ny fitiavan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany, ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao. Fantatr’izy ireo fa nanorina ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny fanambarana mivantana avy amin’ Andriamanitra ny Mpaminany Joseph Smith ary naverina ireo fanalahidin’ny fisoronana masina. Samy nanana fijoroana ho vavolombelona izy tsirairay fa ao amin’ny Fiangonana ireo fanalahidy amin’izao fotoana izao. An-tsoratra no nizaran’izy ireo tamiko tamin’ny fomba miezinezina ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo.

Kanefa samy nalahelo izy ireo fa nihanihena ny fahatsapana fitiavana ho an’ny Tompo sy ny fitiavany azy ireo. Samy naniry tamin’ny fony manontolo izy ireo ny hanampiako azy ireo mba hiverina hanana indray ilay fifaliana sy fahatsapana ho tiana izay nananan’izy ireo tamin’izy ireo tonga tao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Samy naneho tahotra izy ireo fa raha toa tsy afaka mahazo tanteraka indray ilay fahatsapana fitiavana ho an’ny Mpamonjy sy ny Fiangonany izy ireo dia handrendrika ny finoany amin’ny farany ireo fahoriana sy fisedrana atrehan’izy ireo.

Tsy irery izy ireo ao anatin’ny olany ary tsy vaovao akory ny fisedrana lalovany. Nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tety an-tany dia nozarainy tamintsika ilay fanoharana mikasika ny voa sy ny mpamafy. Ilay voa dia ny tenin’ Andriamanitra. Ilay mpamafy dia ny Tompo. Niankina tamin’ny toe-tany ny fahaveloman’ilay voa sy ny faniriany. Tsaroanareo ny teniny manao hoe:

“Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dàlana; dia avy ny vorona ka nandany azy.

“Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.

“Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.

“Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy.

“Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ny sasany avy enimpolo heny, ary ny sasany avy telopolo heny.

“Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino” (Matio 13:4–9).

Averiko indray, ilay voa dia ny tenin’ Andriamanitra. Ilay tany dia ny fon’ilay olona mandray ilay voa.

Isika rehetra dia manana zavatra itovizana amin’ireo olona mahafinaritra ireo izay nanoratra tamiko mba hahazoana fanampiana sy fahatokiana indray. Efa nisy ny fotoana nambolena voa, na ny tenin’Andriamanitra, tao am-pontsika rehetra. Ho an’ny sasany dia tamin’ny fahazazana no nanasan’ny ray aman-drenintsika antsika mba hataon’ireo izay manana fahefana batisa sy ho raisina ho mpikambana amin’ny alalan’ireo izay manana ny fahefana. Ny hafa kosa dia nampianarin’ireo mpanompon’ Andriamanitra. Samy nahatsapa ny tsirairay fa tsara ilay voa, eny, nahatsapa ny fandrombonany tao an-tratrantsika mihitsy aza, ary niaina fifaliana rehefa toa nivelatra ny fontsika sy ny saintsika.

Samy efa nosedraina ny finoantsika rehetra noho ny fitahiana sarobidy nahemotra, noho ny fanafihana mafy nataon’ireo izay te hamotika ny fanahintsika, noho ny fakam-panahy hanota ary noho ny fitiavan-tena izay nampihena ny ezaka ataontsika hikolokoloana sy hanalefahana ny halalin’ny fontsika ara-panahy.

Ireo izay malahelo noho ny fahaverezan’ilay fifaliana izay efa teo am-pelatanany no sambatra. Ny sasany dia tsy mahita ny fihozongozonan’ny finoana ao anatin’izy ireo. Fetsy i Satana. Lazainy an’ireo izay iriny ho fadiranovana fa ilay fifaliana izay nisy fotoana tsapan’izy ireo dia rediredin-jaza ihany.

Ny hafatro anio ho antsika rehetra dia ny hoe hisy fotoana tena tsara ao anatin’ny andro vitsivitsy manaraka hisafidianana ny hanalefaka ny fontsika ka handraisana sy hikolokoloana ilay voa. Ilay voa dia ny tenin’ Andriamanitra ary harotsaka eo amintsika rehetra izay mihaino sy mijery ary manaraka izay voalaza mandritra ity fihaonambe ity izany. Ny hira sy ny lahateny ary ny fijoroana ho vavolombelona dia efa nomanin’ireo mpanompon’ Andriamanitra izay nikatsaka mafy ny hitarihan’ny Fanahy Masina azy ireo tao anatin’ny fanomanana nataon’izy ireo. Nivavaka nandritra ny fotoana ela kokoa sy tamim-panetrentena kokoa izy ireo rehefa nanakaiky ny andron’ny fihaonambe.

Nivavaka izy ireo mba hananana hery hamporisihana anareo hanao safidy izay hampisy toerana lonaka kokoa ao amin’ny fonareo hahafahan’ny teny soan’ Andriamanitra haniry ka hahavokatra. Raha mihaino miaraka amin’ny Fanahy ianareo dia hahita fa hihamalefaka ny fonareo, hihamatanjaka ny finoanareo ary hitombo ny fahafahanareo mitia ny Tompo.

Ny safidinareo hivavaka amin’ny fonareo manontolo dia hanova ny zavatra iainanareo mandritra ireo fivorian’ny fihaonambe ary mandritra ireo andro sy volana aorian’izany.

Efa nanomboka ny maro taminareo. Tany am-piantombohan’ity fivoriana ity dia nanao zavatra nihoatra noho ny fihainoana ilay vavaka fotsiny ianareo. Nampianareo ny finoanareo ilay fangatahana mba hianoka ilay fitahiana amin’ny fananana ny firotsahan’ny Fanahy Masina eo amintsika. Rehefa natsofokareo tao ny fangatahanareo mangina tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy dia nanakaiky kokoa Azy ianareo. Fihaonambeny ity. Ny Fanahy Masina ihany no afaka mitondra ireo fitahiana izay irin’ny Tompo ho antsika. Noho ny fitiavany antsika dia nampanantena Izy fa ho tsapantsika hoe:

“Ary na inona na inona hotenenin’izy ireo noho ny fanentanan’ny Fanahy Masina dia ho soratra masina, ho sitrapon’ny Tompo, ho sain’ny Tompo, ho tenin’ny Tompo, ho feon’ny Tompo, dia ny herin’ Andriamanitra ho famonjena.

“Indro, izany no fampanantenan’ny Tompo ho anareo, ô ianareo ry mpanompoko isany.

“Koa mahereza, ary aza matahotra, fa Izaho Tompo dia momba anareo, ka hijoro eo anilanareo; ary ianareo dia ho vavolombelona hanambara Ahy, Jesoa Kristy, fa Izaho no Zanak’ilay Andriamanitra velona, fa Izaho ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy” (F&F 68:4–6).

Afaka mivavaka ianareo sy manampy ny finoanareo isaky ny misy mpanompon’ Andriamanitra eto amin’ny polipitra mba ho tanteraka ilay fampanantenana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana faha-50 hoe:

“Lazaiko aminareo marina tokoa, izay voatokako ary irahin’ny Mpampionona hitory ny tenin’ny fahamarinana araka ny Fanahin’ny fahamarinana, moa mitory izany amin’ny Fanahin’ny Fahamarinana va izy sa amin’ny fomba hafa?

“Raha amin’ny fomba hafa, dia tsy avy amin’ Andriamanitra izany.

“Ary ankoatra izany, izay mandray ny tenin’ny fahamarinana, moa va izy mandray izany amin’ny Fanahin’ny fahamarinana sa amin’ny fomba hafa?

“Raha amin’ny fomba hafa dia tsy avy amin’ Andriamanitra izany.

“Koa nahoana no tsy hainareo takarina sy fantarina fa izay mandray ny teny amin’ny alalan’ny Fanahin’ny fahamarinana dia mandray izany araka izay itorian’ny Fanahin’ny fahamarinana izany?

“Koa izay mitory sy izay mandray dia mifankahazo ka samy mahazo hery sy miara-mifaly” (F&F 50:17–22).

Afaka mivavaka ianareo rehefa iny handeha hihira iny ny amboarampeo. Ny mpitarika ny amboarampeo sy ny mpitendry ôrga ary ireo olona ao amin’ny amboarampeo dia efa nivavaka sy nanao famerenana niaraka tamin’ny vavaka tao am-pon’izy ireo ary tamim-pinoana fa ny mozika sy ny tononkira dia hanalefaka ny fo sy hampitombo ny hery ahafahan’izy ireo manorina ny finoan’ny hafa. Hanao fampisehoana ho an’ny Tompo izy ireo toy ireny hoe eo anoloan’izy ireo ireny Izy, ary ho fantatr’izy ireo fa maheno azy ireo ny Raintsika any An-danitra toy ny fahenoany ny vavaka ataon’ny tenan’izy ireo. Niara-niasa tamim-pitiavana izy ireo mba hanatanterahana ilay fampanantenana nataon’ny Mpamonjy tamin’i Emma Smith hoe: “Fa finaritra amin’ny hiran’ny fo ny fanahiko; eny, ny hiran’ny marina dia vavaka ho Ahy ary hovaliana amin’ny fitahiana eo ambony lohany izany” (F&F 25:12).

Raha toa ianareo ka tsy mihaino fotsiny fa mivavaka koa rehefa mihira izy ireo dia hovaliana ny vavaka ataonareo sy ny vavaka ataon’izy ireo miaraka amin’ny fitahiana arotsaka eo ambony lohanareo sy eo amin’ny lohan’izy ireo koa. Hahatsapa fitahiana ianareo dia ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny fankatoavany. Ireo rehetra izay mirotsaka ao anatin’izany fiderana izany dia hahatsapa ny fitombon’ny fitiavan’izy ireo Azy.

Mety hisafidy ny hivavaka ianareo rehefa iny eo an-dalam-pamaranana ny hafany iny ny mpandahateny iray. Hivavaka ao am-pony amin’ny Ray any An-danitra izy mba hanomezan’ny Fanahy Masina azy ny teny fijoroana ho vavolombelona izay hampamelombelona ny fon’ny mpihaino sy ny fanantenany ary ny fahavononany hahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy sy hitandrina ireo didy izay nomeny antsika.

Tsy ho fitanisana ilay hafatra ny fijoroana ho vavolombelona. Fa ho fanamafisana ny fahamarinana sasany izay azon’ny Fanahy entina ao am-pon’ireo izay hivavaka mba hahazo fanampiana sy torolalana avy any an-danitra ary mba hanana ny fitiavana madion’i Kristy.

Fijoroana ho vavolombelona marina no homena an’ireo mpandahateny. Mety ho fohy ny tenin’izy ireo saingy hoentina ao am-pon’ilay mpihaino manetry tena, izay tonga tato amin’ny fihaonambe noho izy te handray ny teny soan’ Andriamanitra.

Fantatro tamin’ny alalan’ny zavatra niainako ny zavatra azon’ny finoan’ny olona tsara atao mba hamoahana teny avy amin’ny Fanahy any amin’ny fiafaran’ny lahateny iray. Mihoatra ny indray mandeha no nilazan’ny olona tamiko taorian’ny fijoroako ho vavolombelona hoe: “Ahoana no nahafantaranao ny zavatra tena nilaiko ho heno?” Nianatra ny tsy ho gaga aho rehefa tsy afaka mahatadidy izay teny nolazaiko. Nanambara ireo teny vavolombelona aho saingy teo ny Tompo nanome ahy azy ireo tamin’iny fotoana iny. Ilay fampanantenana hoe ny Tompo dia hanome antsika teny amin’ny fotoana sahaza dia mihatra indrindra indrindra amin’ny fijoroana ho vavolombelona (jereo ny F&F 24:6). Henoy tsara ireo fijoroana ho vavolombelona zaraina mandritra ity fihaonambe ity—hahatsapa ho akaiky kokoa ny Tompo ianareo.

Tsapanareo fa tonga eo amin’ny fotoana hamaranako ny hafatra niezahako nampitaina aho amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana. Ny vavaka hataonareo dia hanampy ahy hahazo ireo teny ho fijoroana ho vavolombelona izay mety hanampy olona iray mitady mafy ny valin’ireo fanontaniany.

Apetrako aminareo ny fijoroako ho vavolombelona azo antoka fa ny Raintsika any An-danitra, ilay Elohima lehibe dia tia sy mahafantatra antsika, isika tsirairay avy. Teo ambany fitarihany i Jehovah Zanany no Ilay Mpahary. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa avy any Nazareta no nateraka ho Zanak’ Andriamanitra. Nanasitrana ny marary Izy, nampahiratra ny jamba ary nanangana ny maty. Nanonitra ny saran’ny fahotan’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra teraka teto an-tany Izy. Nanapaka ny famatoran’ny fahafatesana ho an’ny rehetra Izy rehefa nitsangana avy tao am-pasana ny alahadin’ny Paska voalohany. Velona izy amin’izao fotoana izao, ilay Andriamanitra—nitsangana tamin’ny maty sy be voninahitra.

Ity no hany Fiangonana marina ary Izy no Fehizoro indrindra ao amin’izany. Mpaminaniny ho an’izao tontolo izao i Thomas S. Monson. Miteny ho an’ny Tompo ireo mpaminany sy apôstôly ho renareo handray fitenenana mandritra ity fihaonambe ity. Mpanompony izy ireo, nahazo lalana hanao asa ho Azy. Mitarika ireo mpanompony manerana izao tontolo izao Izy. Fantatro izany. Ary ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarany, dia ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.