2010–2019
“Na zovy na zovy no mandray azy ireo, dia mandray Ahy”
Aprily 2016


“Na zovy na zovy no mandray azy ireo, dia mandray Ahy”

Miaina ao anatin’ny toe-piainam-pianakaviana maro samihafa sy sarotra ny ankizy amin’izao fotoana. Mila manolo-tanana ireo izay mahatsapa ho irery sy tsy misy miraharaha ary any ivelan’ny fefy isika.

Tia ankizy Andriamanitra. Tiany ny ankizy rehetra. Hoy ny Mpamonjy hoe: “Avelao ny zaza … hanatona Ahy; fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra.”1

Miaina ao anatin’ny toe-piainam-pianakaviana maro samihafa sy sarotra ny ankizy amin’izao fotoana.

Ohatra, ankehitriny ao Etazonia dia avo roa heny ny isan’ny ankizy raha oharina ny tamin’ny 50 taona lasa no miaina miaraka amin’ny rainy na ny reniny fotsiny.2 Ary maro ireo fianakaviana no tsy dia miray hina eo amin’ny fitiavany an’ Andriamanitra sy eo amin’ny finiavany hitandrina ireo didiny.

Ao anatin’izany fikorontanana ara-panahy tsy mitsaha-mitombo izany, dia hanohy hitondra ilay faneva sy tarigetra ary lamin’ny Tompo ny filazantsara tafaverina amin’ny laoniny.

“Natao ho teraka ao anatin’ny fanambadiana ny ankizy, ary hotezain’ny ray sy reny izay manaja ny voady nataony tamin’ny fanambadiana amim-pahatokiana tanteraka. …

“Ny mpivady dia manana andraikitra feno voninahitra mba hifankatia sy hifampikarakara ary hanao toy izany koa amin’ny zanany. … Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny ny hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana, ny hanome izay filàna ara-batana sy ara-panahin’izy ireo, ary ny hampianatra azy mba hifankatia sy hifanompo, [ary] hitandrina ny didin’ Andriamanitra.”3

Mahafantatra ray aman-dreny tsara marobe avy amin’ny finoana hafa rehetra manerana izao tontolo izao isika izay mikarakara amim-pitiavana ireo zanany. Ary mahafantatra amim-pankasitrahana ireo fianakaviana ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany isika izay manana ny fiahian’ny ray sy reny niova fo ho an’ny Mpamonjy, izay nofehezina tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana, ary izay mianatra ao amin’ny fianakaviany ny hitia sy hatoky ny Rainy any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany.

Fiangaviana ny tanora

Fa ny fiangaviana hataoko anio kosa dia ho an’ireo ankizy sy zatovo ary tanora amana hetsiny maro izay tsy avy amin’ireo izay lazaiko hoe, tsy mahita teny tsaratsara ilazana azy aho afa-tsy ny hoe, fianakaviana “tonga lafatra.” Tsy ireo tanora izay niaina fahafatesana na fisarahan’ny ray aman-dreny na fihenan’ny finoan’ny ray aman-dreniny fotsiny no resahiko, fa ireo zatovolahy sy zatovovavy an’aliny manerana izao tontolo izao koa izay manaiky tanteraka ny filazantsara saingy tsy manana reny na ray tonga miaraka aminy any am-piangonana.4

Miditra ao amin’ny Fiangonana miaraka amin’ny finoana lehibe ireo zatovo Olomasin’ny Andro Farany ireo. Manantena izy ireo fa hanorina fianakaviana tonga lafatra ao anatin’ny fiainan’izy ireo manokana amin’ny ho avy.5 Ho avy ny fotoana hahatongavan’izy ireo ho ampahany manan-danja ao anatin’ny tafiky ny misiônerantsika sy ao anatin’ny tanorantsika marin-toetra ary ao anatin’ireo izay mandohalika eo amin’ny alitara mba hanangana ny fianakaviany manokana.

Fangorahana

Hanohy ny fampianarana ny lamin’ny Tompo ho an’ny fianakaviana isika, saingy eo anatrehan’ireo mpikambana an-tapitrisany maro amin’izao fotoana izao sy ny fahasamihafana misy amin’ireo ankizin’ny Fiangonana dia mila maneho hatsaram-panahy sy fangorahana bebe kokoa hatrany isika. Tena miavaka mihitsy indraindray ny kolotsaintsika sy ny fomba fitenintsika ato amin’ny Fiangonantsika. Tsy hijanona tsy hihira ny “Ensemble à tout jamais”6 intsony akory ny Kilonga saingy rehefa mihira hoe: “Quand papa rentre à la maison, je suis très heureux”7 na hoe “car mes parents me montrent la voie,”8 izy ireo dia tsy ny ankizy rehetra no hihira ny zavatra iainany ao amin’ny fianakaviany.

I Bette namantsika dia nizara ny zavatra niainany tany am-piangonana fony izy 10 taona. Hoy izy hoe: “Nizara lesona momba ny fanambadiana any amin’ny tempoly ny mpampianatra anay. Nanontany ahy manokana izy hoe: ‘Bette a! Tsy nivady tany amin’ny tempoly ny ray aman-dreninao, tsy izany ve?’ Fantatr’ilay [mpampianatra sy ny iray kilasy] ny valiny.” Nitohy ny lesona nataon’ilay mpampianatra ary nieritreritra i Bette fa zava-doza no hitranga. Hoy i Bette hoe: “Nitomany tao anatin’ny alina maromaro aho. Rehefa tratran’ny aretim-po aho roa taona taty aoriana ka nieritreritra hoe ho faty dia natahotra aho, nihevitra fa ho irery mandrakizay.”

Mandeha irery ny namako Leif rehefa miangona. Indray mandeha dia nangatahina hanao lahateny fohy tao amin’ny Kilonga izy. Tsy nanana neny na dada izy tao am-piangonana mba hijoro eo akaikiny ka hanampy azy raha toa ka tsy tadidiny izay holazaina. Raiki-tahotra i Lief. Mba tsy hahatonga azy ho afa-baraka dia nijanona tsy niangona nandritra ny volana maromaro izy.

“Niantso ankizy kely iray hankeo Aminy [i Jesoa] dia nametraka azy teo afovoany …

“Ary [nilaza hoe] na zovy na zovy no handray zazakely anankiray aza tahaka itony noho ny anarako, dia mandray Ahy.”9

Fo feno finoana sy fanomezam-pahasoavana ara-panahy

Nomena fo feno finoana sy fanomezam-pahasoavana ara-panahy ireo ankizy sy zatovo ireo. Hoy i Lief tamiko hoe: “Fantatro lalina tao an-tsaiko fa Andriamanitra dia Raiko ary fantany sy tiany aho.”

Hoy i Veronique namantsika hoe: “Rehefa nianatra ireo fitsipiky ny filazantsara sy nandalina ny Bokin’i Môrmôna aho, dia toa nahatsiaro ny zavatra efa haiko nefa hadinoko izany aho.”

I Zuleika namantsika dia avy any Alegrete, Brésil. Na dia tsy mpivavaka aza ny fianakaviany, fony izy 12 taona dia nanomboka namaky ny Baiboly i Zuleika ary nitsidika ireo fiangonana teo an-toerana, nikatsaka ny hahafantatra bebe kokoa momba an’ Andriamanitra. Rehefa naneho fankatoavana nifono fisalasalana ireo ray aman-dreniny dia nandray fampianarana tamin’ireo misiônera izy ary nahazo fijoroana ho vavolombelona ka natao batisa. Hoy i Zuleika tamiko hoe: “Nandritra ireo resaka nifanaovanay dia nampisehoana ahy ny sarin’ny Tempolin’i Salt Lake ary noresahina tamiko ny momba ireo ôrdônansin’ny famehezana. Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nanam-paniriana ny hiditra ny tranon’ny Tompo aho indray andro any ka hanana fianakaviana mandrakizay.”

Raha toa ka tsy tonga lafatra ny toe-piainan’ny ankizy iray eto an-tany, dia tonga lafatra ny mombamomba azy ara-panahy, satria zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra no tena marina ny tsirairay.

Hoy ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Ampio ireo zanak’ Andriamanitra hahatakatra ny zavatra tena misy sy manan-danja amin’ity fiainana ity. Ampio izy ireo hampitombo ny hery hifidianana ireo lalana izay hiaro azy ireo eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.”10 Andeha hosokafantsika bebe kokoa ny sandrintsika sy ny fontsika. Mila ny fotoantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika ireo zatovo ireo.

Niresaka tamiko momba ireo izay nanampy azy taloha sy taorian’ny batisany i Brandon, izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tany Colorado tamin’izy tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa. Hoy izy hoe: “Tao anaty tokantranon’olona niaina ny filazantsara aho. Naneho fenitra izay tsapako fa ho azoko ampiharina amin’ny fianakaviako manokana izany.”

Fony izahay nipetraka tany Allemagne dia niray sekoly tamin’i Kristen zanakay vavy i Veronique, izay teraka tany Pays-bas. Hoy i Veronique hoe: “Nanana fahazavana niavaka ireo mpianatra izay mpikamban’ny Fiangonana. Nahafantatra aho fa avy amin’ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny fiainany ny fampianarany izany hazavana izany.”

I Max namako dia vita batisa fony izy valo taona. Tsy mpivavaka tamina fiangonana ny rainy ary afaka nandeha na tsy nandeha niangona i Max.

Rehefa lasa zatovo i Max, taorian’ny tsy fandehanana tany am-piangonana nandritra ny volana maro dia nanana fahatsapana izy fa nila niverina ka tapa-kevitra izy indray alahady maraina fa hiverina. Saingy nihanihena ny fahavononany rehefa nanatona ny varavarana fidirana ny fiangonana izy; lasa tsy nahazo aina izy.

Nijoro teo amin’ilay varavarana ny eveka vaovao. Tsy fantatr’i Max izy ary toa azony antoka fa tsy fantatr’ilay eveka i Max. Rehefa nanatona i Max dia naninjitra ny tanany niaraka tamin’ny endrika falifaly ilay eveka no sady nilaza hoe: “Max a! Tena mahafinaritra ny mahita anao!”

“Rehefa nilaza ireo teny ireo izy,” hoy i Max, “dia nisy fahatsapana hafanana nanenika ny tenako ary fantatro fa nety ny zavatra nataoko.”11

Afaka manova zavatra ny fahafantarana ny anaran’ny olona iray.

“Ary … dia nodidian’[i Jesoa] ny hitondrana ny ankizy madininy [ho eo aminy]. …

“Ary … nalainy tsirairay [izy ireo] ary notsofiny rano izy ireo, nivavahany ny Ray ho azy ireo.

“Ary nony nanao izany Izy dia nitomany.”12

Ireo zatovo mbola tsy vita batisa

Noho ny fangatahan’ireo ray aman-dreny dia zatovo maro izay tia ny filazantsara no miandry aman-taonany vao hatao batisa.

Nisaraka ny ray aman-drenin’i Emily fony izy mbola zaza, ary tsy nahazo lalana hatao batisa izy raha tsy efa feno 15 taona. Nidera ny mpitarika ny Zatovovavy iray izay “nanolo-tanana sy nanampy azy foana mba hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona [nananany]” i Emily namantsika.13

I Colten sy i Preston dia zatovo mipetraka ao Utah. Nisaraka ny ray aman-drenin’izy ireo, ary tsy nahazo lalana hatao batisa izy ireo. Na dia tsy afaka mizara ny fanasan’ny Tompo aza izy ireo dia izy ireo no mitondra ny mofo isan-kerinandro. Ary na dia tsy afaka miditra ny tempoly aza izy ireo mba hanao batisa miaraka amin’ireo zatovo rehefa mandeha any amin’ny tempoly ny paroasy misy azy ireo dia mahita anarana fianakaviana izy mirahalahy rehefa mitsidika ny ivontoeran’ny tantaram-pianakaviana izay eo akaiky eo. Ny tena manana hery mitarika lehibe eo amin’ny fanampiana ny zatovontsika hahatsapa ho tsy voailikilika dia ny zatovo marin-toetra hafa ihany.

Elder Joseph Ssengooba

Faranako amin’ny ohatra mikasika ny namako iray vaovao ny lahateniko, olona iray izay nihaona taminay herinandro vitsivitsy lasa raha nitsidika ny Misiônan’i Lusaka Zambie izahay.

Sary
I Joseph Ssengooba fony izy zazalahy

I Elder Joseph Sengooba dia avy any Ouganda. Maty ny dadany fony izy fito taona. Tamin’ny fahasivy taonany dia tsy afaka nikarakara azy ny reniny sy ny havany ka dia nikarakara ny tenany irery izy. Rehefa feno 12 taona izy dia nifanena tamin’ireo misiônera ka natao batisa.

Notantarain’i Joseph ahy ny androny voalohany tato am-piangonana: “Rehefa vita ny fivoriana Fanasan’ny Tompo dia nihevitra aho hoe tokony hody amin’izay, saingy nampahafantarin’ireo misiônera an’i Joshua Walusimbi aho. Nilaza tamiko i Joshua fa ho namako izy, dia nomeny boky Chants pour les enfants iray aho mba tsy hidirako ao amin’ny Kilonga tsy mitondra na inona na inona. Tao amin’ny Kilonga dia nametraka seza iray fanampiny teo akaikin’ny sezany i Joshua. Nanasa ahy ho eny anoloana ny filohan’ny Kilonga ka nangataka ny Kilonga iray manontolo hihira ho ahy ny ‘Zanaky ny Ray aho.’ Nahatsapa tena ho tena niavaka aho.”

Nentin’ny filohan’ilay sampana tany amin’ny fianakaviana Pierre Mungoza i Joseph ka lasa tany izy no nonina nandritra ny efa-taona nanaraka.

Sary
ElderJoshua Walusimbi sy i Joseph Ssengooba

Valo taona taty aoriana rehefa nanomboka ny asa fitoriany i Elder Joseph Ssengooba dia akory ny fahagagany fa i Elder Joshua Walusimbi, ilay ankizilahy nahatonga azy hahatsapa ho tena noraisina tamim-pitiavana tamin’ny androny voalohany tao amin’ny Kilonga no mpanofana azy. Ary iza no filohan’ny misiônany? Ny Filoha Leif Erickson, ilay zazalahy kely nisintaka ny Kilonga noho ny tahony hanao lahateny. Tian’ Andriamanitra ny zanany.

Sary
Elder Joseph Ssengooba sy Filoha Leif Erickson

Niditra ireo ankizy nihazakazaka

Tamin’izaho sy i Kathy vadiko tany Afrika, herinandro vitsy lasa izay, dia nitsidika an’i Mbuji-Mayi, Repoblika Demôkratikan’i Congo izahay. Noho ny hakelin’ilay trano fiangonana izay tsy antonona mpikambana miisa 2.000 dia nivory tao ivelany teo ambany tafo plastika lehibe izay notohanana tamin’ny bararata izahay. Rehefa nanomboka ny fivoriana dia nahita ankizy maro izay nijery anay izahay, namikitra ireo tsora-by avy any ivelan’ilay fefy vy nanodidina ilay toerana. Nibitsibitsika i Kathy hoe: “Neil a! Mety ho azonao asaina hiditra ve ireo zaza ireo araka ny hevitrao?” Nanatona an’ny Filoha Kalonji, filohan’ny Distrika izay teny amin’ny lampihazo aho ka nangataka azy raha afaka mampandroso ireo ankizy teo ivelan’ny fefy mba hiditra ka hiaraka aminay.

Sary
Ny Loholona Andersen tany amin’ny Repoblika Demôkratikan’i Congo
Sary
Ireo ankizy ivelan’ny fefy
Sary
Ireo ankizy nasaina niditra

Akory ny fahagagako fa niaraka tamin’izay dia tsy hoe niditra fotsiny ireo ankizy ireo fa sady nihazakazaka—nihoatra ny 50 teo, angamba 100 izy ireo—ny sasany nanao akanjo rovidrovitra sady tsy nikiraro saingy samy nanana tsiky nahafinaritra sy tarehy faly izy ireo.

Tena nampihetsipo be ahy io zavatra nitranga io ary noraisiko ho toy ny mariky ny tokony hanoloran-tanana ny zatovo izay mahatsapa ho irery sy tsy misy miraharaha ary any ivelan’ny fefy izany. Andeha isika hieritreritra azy ireo, handray tsara azy ireo, hamihina azy ireo ary hanao izay rehetra azontsika atao hahamafy orina ny fitiavan’izy ireo ny Mpamonjy. Hoy i Jesoa hoe: “Na zovy na zovy no handray [zaza] anankiray aza tahaka itony noho ny anarako, dia mandray Ahy.”14 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Matio 19:14.

  2. Jereo ny “Family Structure,” Child Trends DataBank (des. 2015), tovana 1, pejy 9, childtrends.org/databank.

  3. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Liahona, nôv. 2010, 129, andalana 7 sy 6.

  4. Te hankasitraka manokana an’ireo reny marin-toetra amana hetsiny aho, ary reny tokan-tena ny ankamaroany, izay manatanteraka amin-kerimpo ilay andraikitra manan-danja lehibe dia ny fanamafisana orina ara-panahy ny zanany. Hoy i Shelley namantsika avy any Kanadà mikasika ny reniny hoe:

    “Nandondona teo amin’ny varavaran’ny ray aman-dreniko ny misiônera, dimy taona talohan’ny nahaterahako. Nandray lesona vitsivitsy ny ray aman-dreniko, fa tsy liana intsony ny raiko avy teo. Nanohy nandray ireo lesona ny reniko ary naniry ny hatao batisa. Nandeha niangona nanditra ny dimy taona ny reniko ary tsy mbola mpikambana izy tamin’izany fotoana rehetra izany, fa telo volana taorian’ny nahaterahako no nahavitana ny batisany.

    “Tsy mba niresaka loatra ny reniko ary tsy mba nihazona andraikitra lehibe amin’ny maha mpitarika izy. Nanana fijoroana ho vavolombelona tena tsotra sy tsara ary tsy niovaova izy, … ary niaina tamim-pifikirana ny zavatra fantany fa marina izy isan’andro. Nahatonga ahy mba ho akaiky ny Tompo sy ny Fiangonana hatrany izany ohatra mangina sy tsotra izany.”

  5. Hoy ilay namantsika Randall tamiko hoe: “Nampianarina sy nahafantatra aho fa zanakalahin’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary ny fahafantarako ny tena maha-izy ahy sy ny tena momba ahy dia nitondra fanantenana fa tsy nila nanaraka ny ray aman-dreniko aho, izay tiako tokoa saingy tsy nalaiko tahaka. Natoky ny zavatra nampianarina ahy tany amin’ny Kilonga sy ny Sekoly Alahady ary ny Zatovolahy sy ny zavatra nampianarin’ireo mpampianatra hafa aho. Nahita ilay karazana fianakaviana mahatoky sy faly teo anivon’ny paroasy sy teo amin’ny fianakaviambeko aho, ary natoky ny Ray any An-danitra sady nahafantatra fa raha mitoetra ho mahatoky aho dia hanampy ahy Izy hanana fianakaviana toy izany.”

  6. “Ensemble à tout jamais”, Chants pour les enfants, 98.

  7. “ Le retour de papa,” Chants pour les enfants, 110.

  8. “Ces mots d’amour”, Chants pour les enfants, 102.

  9. Matio 18:2, 5.

  10. Thomas S. Monson, “Mianara Amiko,” Liahona, mar. 2016, 6.

  11. Jereo ny Max H. Molgard, Inviting the Spirit into Our Lives (1993), 99.

  12. 3 Nefia 17:11, 21–22.

  13. Na dia tsy nanana ray aman-dreny nazoto niangona aza i Emily, dia niresaka tamim-pitiavana mikasika ireo ray aman-drenibe, ary nenitoa sy dadatoa ary ireo olona hafa izay “nijoro ho” ray aman-dreniny izy. Raha niresaka mikasika ny mpitarika iray tao amin’ny Zatovovavy tany Michigan izy dia nilaza hoe: “Efa lehibe ny zanany ary nataony izay nahatsapan’ny zatovovavy tsirairay hoe toy ny zanany vavy mihitsy izy ireo. … Afaka nanafana ny fonao ny tsikiny tao anatin’ireo andro tena sarotra. … Nametraka tanjona ny hanaraka ny torolalany aho ary ho ‘Rahavavy Molman’ ho an’ireo ankizy izay mahatsapa ho ‘tsy mitovy amin’ny hafa,’ na ‘tsy misy miraharaha,’ na ‘voailika.’”

  14. Matio 18:5.