2010–2019
“Mpahita nofinidy iray no hatsangako”
Ôktôbra 2016


“Mpahita nofinidy iray no hatsangako”

Satria mpaminany i Joseph dia manana varavaran’ny lanitra mihoatra ny iray misokatra isika—dia ny varavarana mankany amin’ny mandrakizay mihitsy no misokatra ho antsika.

Rehefa tonga voalohany teo amin’i Joseph Smith i Môrônia dia nampitandrina izy fa ny anaran’i Joseph dia “ho tsara sy ho ratsy laza any anivon’ny firenena.”1 Nahita ny fahatontosan’izany faminaniana izany isika. Tao anatin’ny ady teo amin’ny tsara sy ny ratsy, ny Famerenana tamin’ny Laoniny ny filazantsara tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith dia sady nitaona fanahy ireo mpino izay nanaraka azy no niteraka fahavalo izay niady mafy nanohitra ny foto-kevitr’i Ziona sy nanohitra an’i Joseph mihitsy. Tsy vaovao izany ady izany. Nanomboka izany raha vantany vao niditra tao amin’ny Ala Masina i Joseph ary mitohy izany ankehitriny sady tsy mitsahatra mibaribary eo amin’ny internet.

Nanambara manokana tamin’i Joseph Smith ny Tompo hoe:

“Hamotopototra ny momba ny anaranao ireo faran’ny tany, ary haneso anao ireo adala, ary ho romotra aminao ny helo;

“Raha ny madio am-po sy ny hendry ary ny ambony sy ny tsara toetra kosa hikatsaka torohevitra sy fahefana ary fitahiana lalandava avy eo ambanin’ny tananao.”2

Anio dia atolotro ny fijoroana ho vavolombelona ananako ho an’ireo rehetra izay mikatsaka ny hahatakatra bebe kokoa ny asa masina nanirahana an’i Joseph Smith zanany, ilay Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny Laoniny.

Tsy tokony ho menamenatra isika mikasika ny fijoroana ho vavolombelona momba ny asa nanirahana an’i Joseph amin’ny maha-mpaminany sy mpahitra ary mpanambara azy, satria ny Tompo dia niasa tamin’ny alalan’ny mpaminany mandrakariva.3 Noho ireo fahamarinana naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith dia mahafantatra bebe kokoa momba ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy Jesoa Kristy isika. Fantatsika ny toetra masina ananan’Izy ireo, ny fifandraisana misy eo amin’Izy ireo sy eo amintsika, ary ny drafitra lehiben’ny fanavotana izay mamela antsika hiverina eo anatrehan’Izy ireo.

Nanambara izao momba an’i Joseph ny Filoha Brigham Young: “Nambara tany amin’ireo filankevitry ny mandrakizay, ela be mialoha ireo fototra izay nanorenana ny tany, fa izy dia ho lehilahy iray hamoaka ny tenin’ Andriamanitra amin’ny olona sy hahazo ny fahafenoan’ireo fanalahidy sy herin’ny Fisoronan’ny Zanakalahin’ Andriamanitra amin’ny fotoampitantanana farany eto amin’ity izao tontolo izao ity. Manara-maso azy ny Tompo … [satria izy dia] notendrena mialoha tany amin’ny mandrakizay mba hiahy ity fotoampitantanana farany ity.”4

Ho fiomanana amin’ity asa lehibe ity dia teraka tao anatin’ny fianakaviana be fitiavana izay niaina ireo enta-mavesatra sy fitsapan’ny fiainana maro i Joseph Smith. Rehefa nanomboka ho niha-matotra i Joseph dia “lalina sy mazàna lehibe aza”5 ny fihetseham-pony tamin’ Andriamanitra kanefa mbola sahiran-tsaina tamin’ireo hevitra ara-pivavahana nifanditra nampianarin’ireo mpitory teny tamin’ny androny izy. Soa ihany fa tsy navelan’i Joseph hampalemy ny finoany ireo fanontaniana nananany. Nikatsaka valinteny tao anatin’ny Baiboly izy ary nahita ity torohevitra ity: “Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa, ary dia homena azy izany.”6

Nitantara i Joseph hoe: “Na oviana na oviana dia tsy misy andalan-tsoratra masina nanohiana fon’olona tamin-kery kokoa noho ny nanohinan’izany ny foko tamin’izay fotoana izay. Toy ny niditra tamin-kery tany amin’ny tsiratsiraky ny foko rehetra izany. Nieritreritra izany ombieny ombieny aho.”7

Niaraka tamin’ny finoana tsotra no nanaovan’i Joseph asa araka ireo fahatsapana ara-panahy ireo. Nahita toerana nitokana izy, nandohalika, “nanomboka nanolotra an’ Andriamanitra ny fanirian’ny fo[ny].”8 Misy hery lehibe ao amin’ny famariparitan’i Joseph ny zavatra nitranga:

“Nahita andrim-pahazavana teo ambonin’ny lohako indrindra [aho], nihoatra ny famirapiratan’ny masoandro, nidina tsikelikely teo amboniko.

“… Rehefa nijanona teo amboniko ilay hazavana, dia nahita Olona roa aho, izay mihoatra ny famaritra rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny, nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe :Ity no Zanako Malalako.Henoy Izy!9

Nahita an’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay, sy i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra izao tontolo izao i Joseph Smith. Izany no Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith. Tao anatin’ireo taona nanaraka izany dia nandika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fanomezam-pahasoavana sy herin’ Andriamanitra i Joseph. Anjely maro hafa no nitsidika azy, namerina tamin’ny laoniny ireo fahamarinana sy fahefana izay very nandritra ny taon-jato maro. Ireo fifandraisan’ny lanitra tamin’i Joseph Smith ireo dia manome fahafahana ho antsika hahazo ireo fitahiana avy any an-danitra sy ireo voninahitry ny mandrakizay. Ny fiainan’i Joseph dia mitoetra ho tenivavolombelona fa raha misy tsy manam-pahendrena amintsika, dia afaka mangataka amin’ Andriamanitra amim-pinoana isika ka hahazo valinteny—indraindray avy amin’ireo anjely fa matetika kokoa amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, izay miresaka amintsika amin’ny alalan’ny eritreritra sy fahatsapana nentanim-panahy.10 Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no ahafahantsika “mahafantatra ny fahamarinan’ny zavatra rehetra.”11

Ho an’ny ankamaroantsika dia manomboka ny tenivavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna isika. Namaky voalohany hatrany am-boalohany ny Bokin’i Môrmôna aho fony aho zazalahy mpianatra seminera isa-maraina. Niaraka tamin’ny eritreri-jazalahy nientanentana nananako dia nanapa-kevitra aho ny hamaky toy ireny hoe Joseph Smith ireny ny tenako, sambany vao nahita voalohany ireo fahamarinana ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna. Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fiainako izany ary mbola manohy ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna amin’izany fomba izany aho. Hitako matetika fa ny fanaovana izany dia mampiorim-paka ny fankasitrahako noho ny Mpaminany Joseph Smith sy noho ireo fahamarinana naverina tamin’ny laoniny ato anatin’ity boky sarobidy ity.

Ohatra, alaivo sary an-tsaina ireo fahatsapana nananan’i Joseph rehefa nandika ireo andalana momba ny batisa ho famelana ny fahotana izy. I Joseph, izay nolazaina mba tsy hiditra amin’ireo fiangonana efa nisy, dia nanana fanontaniana momba ity ôrdônansy manavotra ity mazava ho azy. Ireo fanontaniany dia nitarika azy, indray, mba hivavaka, ary izany vavaka izany dia nitarika tamin’ny fitsidihan’i Jaona Mpanao Batisa, izay namerina tamin’ny laonin’ny Fisoronana Aharôna sy ny fahefana hanao batisa.12

Na saintsaino ny mety ho tsapan’i Joseph rehefa nianatra voalohany izy fa i Jesoa Kristy dia nitsidika ny vahoaka tany amin’ny Ilabolantany Andrefana—fa nampianatra azy ireo Izy, nivavaka ho azy ireo, nanasitrana azy ireo, nitso-drano ny zanak’izy ireo, nanome ny fahefan’ny fisoronana, ary nanolotra ny fanasan’ny Tompo ho azy ireo.13 Mety tsy nahafantatra izany i Joseph tamin’izany fotoana izany, saingy ny zavatra nianarany momba ireo ôrdônansy sy ny firafitry ny Fiangonan’i Kristy fahiny dia nanomana azy mba hanampy ny Tompo tamin’ny famerenana izany Fiangonana izany eto an-tany taty aoriana.

Nandritra ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna dia nisaona ny fahafatesan’ny zazalahikelin’izy ireo i Joseph sy i Emma, vadiny. Tamin’izany andro izany dia mazàna ireo mpitory teny no nampianatra fa ny ankizy nodimandry ka tsy natao batisa dia ho very mandrakizay. Miaraka amin’izany ao an-tsaina, alaivo sary an-tsaina ny tsy maintsy ho tsapan’i Joseph rehefa nandika ireto teny avy tamin’ny mpaminany Môrmôna ireto izy: “Ary tsy mila fibebahana na batisa ny ankizy madinika. …[Fa] velona ao amin’i Kristy ny ankizy madinika, na dia hatry ny fanorenana izao tontolo izao aza.”14

Angamba mety ho andalan-tsoratra masina tao amin’ny Bokin’i Môrmôna tena nanaitra an’i Joseph fony tanora ny toko fahatelo ao amin’ny 2 Nefia. Io toko io dia ahitana faminaniana fahiny momba ny “mpahita nofinidy” iray izay hatsangan’ny Tompo amin’ny andro farany—mpahita iray antsoina hoe Joseph, araka ny anaran’ny rainy. Io mpaminany ho avy io dia “hohajaina fatratra” ary hanao asa iray “izay hanan-danja lehibe” ho an’ny vahoakany. Ho “lehibe tahaka an’i Mosesy” izy ary homena “fahefana hitondra ny teni[n’ Andriamanitra].”15 Saintsaino izay tsy maintsy ho tsapan’i Joseph Smith rehefa fantany fa io faminaniana io dia momba azy! Tsy nandika tantara fotsiny izy; fa nandika ny fahitana iray momba ny andro farany, momba ilay Famerenana amin’ny Laoniny mahagaga ny filazantsaran’i Jesoa Kristy—ary Joseph mihitsy no hanampy hahatanteraka izany!

Anio, saika ho efa 200 taona aty aoriana, dia mora ny mahita ny nanatanterahana an’io faminaniana io. Fantatsika ny momba ireo zavatra lehibe izay notontosain’i Joseph tamin’ny naha-mpaminanin’ny Tompo azy. Kanefa tadidio fa raha nandika io faminaniana io i Joseph dia mbola nanao zavatra vitsivitsy ihany tamin’ireo zavatra nolazain’ireo mpaminany mialoha. Mbola zatovolahy tany amin’ny faha-20 taonany izy. Tsy mbola natsangana ny Fiangonana. Tsy nisy paroasy na sampana, tsy nisy misiônera, ary tsy nisy tempoly. Zara raha nisy olona nandre momba an’i Joseph Smith ary ny sasany tamin’ireo izay nandre dia nanohitra mafy azy. Jereo ankehitriny ny asa lehibe notanterahin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny tanan’i Joseph mpanompony, na teo aza ny fanoherana azy. Ny fahatanterahan’io faminaniana io ve tsy mitondra porofo ny amin’ny antso maha-mpaminany an’i Joseph Smith?

Ho an’ireo rehetra izay mety misalasala momba ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Joseph Smith na sahirana amin’ny fampahalalan-diso sy mamitaka ary tsy ampy momba ny fiainany sy ny asa fanompoany, dia manasa anareo aho mba hisaintsaina ireo vokatra—ireo fitahiana marobe izay tonga tamintsika tamin’ny alalan’ny asa mahagaga nanirahana an’i Joseph Smith, ilay Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny Laoniny.

Satria mpaminany i Joseph dia tsy zava-nisy tamin’ny fotoan-dasa intsony ny fanambarana sy ny mpaminany. Ny “andron’ny fahagagana”—fahitana, fanasitranana, ary fanompoan’ny anjely—dia tsy nitsahatra.16

Satria mpaminany i Joseph dia afaka mahazo ny hery sy ireo fitahiana avy amin’ny fisoronana masina ny tsirairay amintsika, ka anisan’izany ny batisa, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny fanasan’ny Tompo.

Satria mpaminany i Joseph dia manana ireo fitahiana sy ôrdônansin’ny tempoly izay mamehy antsika amin’ Andriamanitra isika, ka mahatonga antsika ho olony, ary mampiseho amintsika “ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra,” ka ahafahantsika, indray andro any, “mahita ny tavan’ Andriamanitra, dia ny Ray, ary ho velona.”17

Satria mpaminany i Joseph dia fantatsika fa ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia ampahany manan-danja ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarantsika. Fantatsika fa amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana any amin’ny tempoly dia afaka maharitra mandrakizay ireo fifandraisana mamintsika amin’ny fianakaviantsika.

Satria mpaminany i Joseph dia manana varavaran’ny lanitra mihoatra ny iray misokatra isika—dia ny varavarana mankany amin’ny mandrakizay mihitsy no misokatra ho antsika. Isika dia afaka mahafantatra “ilay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy izay efa nirahi[ny].”18 Afaka ny ho antsika ny fiainana mandrakizay.

Indrindra, satria mpaminany i Joseph dia manana tenivavolombelona maro isika, fijoroana ho vavolombelona maro, fa i Jesoa Kristy ho Zanakalahin’ Andriamanitra sy Mpamonjin’izao tontolo izao. Manana tohivakana tsy tapaka amin’ny vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy isika, anisan’izany ny mpaminanintsika ankehitriny, ny Filoha Thomas S. Monson; ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany; ary ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ampiako amin’ny tenivavolombelon’izy ireo ny fijoroana ho vavolombelona tsotra nefa azo antoka ananako: Velona i Jesoa Kristy ary mitarika ny Fiangonany Izy. I Joseph Smith no Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny Laoniny. Eto ambonin’ny tany indray ny fisoronana sy ny fahefan’ Andriamanitra. Enga anie isika hanambara tsy amin’ny tahotra ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika sy ny fankasitrahantsika noho izany mpaminany, mpahita ary mpanambara mahagagan’ny Tompo izany. Izany no vavaka ataoko amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.