2010–2019
Vavolombelon’ Andriamanitra
Ôktôbra 2016


Vavolombelon’ Andriamanitra

Manosokevitra aho ny mba tsy hahatsapanareo ho diso intsony momba izay zavatra vitanareo na tsy vitanareo amin’ny fizarana ny filazantsara. Fa mivavaha kosa mba “hijoro ho [vavolombelon’] Andriamanitra.” Hery mandrisika matanjaka kokoa noho ny fahatsapana ho diso izany.

Ny ankabeazan’ireo asan’ Andriamanitra manan-danja dia tsy tsikaritry ny ankamaroan’ny olona eto amin’izao tontolo izao. Nitondra mpahaifotokevitra najain’ny olona fatratra toa an’i Confucius tany Chine sy Bouddha tany Inde atsinanana ny taonjato fahenina talohan’i Kristy, saingy teo amin’i Daniela, ilay mpaminany niaina tao anatin’ny fanandevozana nandritra ny fanjakan’i Nebokadnezara ilay mpanjaka Babyloniana, ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra.

Nanahy mafy noho ny nofy iray tamin’ny alina ny mpanjaka Nebokadnezara ka dia notakiny ny mba hilazan’ireo ombiasy sy mpanao sikidy taminy ny zavatra nonofisiny sy ny dikan’ilay nofy. Mazava ho azy fa tsy afaka nilaza tamin’ny mpanjaka ny zavatra nonofisiny izy ireo ka dia niozonozona. “Tsy misy olona eto ambonin’ny tany mahay [manao izany, na mpanjaka hangataka] zavatra toy izany.”1 Tezitra noho ny tsy nahombiazan’izy ireo ny mpanjaka Nebokadnezara ka nanambara tamim-pahatezerana fa hovonoina avokoa ireo mpanolotsaina azy.

I Daniela, izay iray tamin’ireo olo-kendrin’ny Mpanjaka dia nivavaka mba hahazoana ny “famindram-po[n’]… Andriamani[tra] … ny amin’izany zava-miafina izany.”2

Nisy fahagagana nitranga. Nampahafantarina an’i Daniela ny tsiambaratelon’ny zavatra nonofisin’ny mpanjaka.

Nentina teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniela. “Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin’ny heviny va ianao?”

Dia namaly i Daniela hoe:

“Ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro [dia tsy afaka milaza aminao ny zavatra nonofisinao]. …

“Kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay [afaka mampiseho ireo zavatra ireo ary Izy dia] mampahafantatra an’i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. …

“[Ny] Andriamanitry ny lanitra” hoy i Daniela, “[dia] hanorina fanjakana, [vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, izay ho tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra] izay tsy ho rava mandrakizay … [fa] hitoetra mandrakizay.

“… Marina ny nofy,” hoy i Daniela, “ary … ho tò ny heviny.”3

Rehefa nohazavaina sy nampahafantarina azy ny hevitry ny nofiny dia niteny tamim-pahasahiana ilay mpanjaka hoe: “Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny mpanjaka.”4

Tonga avy amin’ilay fidiran’ Andriamanitra an-tsehatra tamin’ny fomba mahagaga nanampy an’i Daniela ilay hoavin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay nolazaina tamin’ny faminaniana fa haverina amin’ny laoniny eto an-tany, “fanjakana [izay hameno] ny tany rehetra … tsy ho rava mandrakizay … fa … hitoetra mandrakizay.”

Ho vitsy ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ny andro farany, araka ny faninaniana nambaran’i Nefia, kanefa hieli-patrana ambonin’ny tany izy ireo, ary ny hery sy ny ôrdônansin’ny fisoronana dia ho afaka ny ho azon’ireo izay maniry izany, ka hameno ny tany araka izay nambaran’i Daniela mialoha.5

Nahazo ity fanambarana ity ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 1831: “Ankinina amin’ny olona eto an-tany ny fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra [sy an’ny fanangonana an’i Isiraely avy amin’ny vazan-tany efatra], ary hatreo dia hikodiadia hatrany am-paran’ny tany ny filazantsara, toy ny vato izay nendahina hiala tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana ka hikodiadia ambara-pamenoany ny tany manontolo.”6

Andraikitra ifampizarantsika

Fahagagana ny fanangonana an’i Isiraely. Mitovy amin’ny piozila goavana izany ka ny singa ao anatin’izany dia hapetraka amin’ny toerana misy azy mialoha ilay fotoan-dehibe feno voninahitry ny Fiaviana Fanindroany. Mitovy amin’ny mety hampikoron-tantsaina antsika amin’ny singa maro be amin’ny piozila iray no mety ho niheveran’ireo Olomasina teo aloha ilay andraikitra mba hitondra ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny manerana izao tontolo izao ho toy ny asa izay sarotra tokoa ny manatanteraka azy. Saingy nanomboka izy ireo, nandeha tsirairay, singa iray amin’ny piozila isak’izay mandeha, nitady ireo singa mandrafitra ny sisiny iray manontolo, niasa mba hampiorina araka ny tokony ho izy ity asa masina ity. Nanomboka nikodiadia tsikelikely ilay vato voaendaka nefa tsy nendaha-tanana. Olomasin’ny Andro Farany nanao fanekempihavanana nanomboka tamin’ny an-jatony nankamin’ny an’arivony, tonga hatramin’ny an’aliny, ary ankehitriny dia an-tapitrisany manerana ny firenena rehetra no mampifandray ireo singa amin’ny piozila amin’ity asa mahagaga sy mahatalanjona ity.

Sary
Piozila goavana

Singa iray ao amin’ilay piozila isika tsirairay avy, ary ny tsirairay amintsika dia manampy amin’ny fametrahana amin’ny toerany ireo singa hafa manan-danja. Manan-danja ato anatin’ity asa lehibe ity ianareo. Mazava izao ny lalana eo anoloantsika. Afaka mahita isika fa mitohy ny fahagagana ary mitarika antsika ny tanan’ny Tompo eo am-pamenoantsika ireo banga tavela. Ary aorian’izay, “ilay Jehovah lehibe dia hilaza fa vita ny asa,”7 ary hiverina amin’ny fahamboniana sy amim-boninahitra Izy.

Sary
Singa iray ao amin’ilay piozila isika tsirairay avy

Ny FilohaThomas S. Monson dia niteny hoe: “Izao no fotoana tokony hiarahan’ireo mpikambana sy ireo mpitory ny filazantsara mifanome tanana, miara-miasa … mba hitondrana fanahy ho eo Aminy. … Hanohana antsika Izy eo amin’ny asantsika raha toa ka miasa am-pinoana isika hanatanterahana ny asany.”8

Ilay andraikitra notendren’ Andriamanitra izay nampiantsorohana ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno aloha voalohany indrindra tany aloha tany dia omena antsika rehetra ankehitriny. Samy te hizara ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny isika rehetra, ary feno fankasitrahana aho fa misy olona an’arivony vita batisa isan-kerinandro. Kanefa na dia eo aza izany fitahiana mahafinaritra izany dia mitondra hamehana mandresy lahatra hizara ny filazantsara sy hanamafy orina ny fanjakan’ Andriamanitra manerana izao tontolo izao ny firaharahiantsika ireo rahalahy sy anabavintsika sy ny faniriantsika hamalifaly ny Andriamanitsika.

Ny fetran’ny zavatra vitan’ny fahatsapana ho diso

Na dia eo aza ny faniriana mahery vaika hizara ny filazantsara dia mety tsy dia faly loatra amin’ny fahombiazana tamin’ny ezaka nataonareo teo aloha ianareo. Mety hahatsapa tena ho toy ny namana iray ianareo, izay milaza hoe: “Niresaka tamin’ny fianakavianay sy ireo namana mikasika ny Fiangonana aho, saingy vitsy no naneho fa liana tamin’izany, ary miha-lasa misalasala bebe kokoa aho isaky ny misy fandavana. Fantatro fa tokony hanao zavatra bebe kokoa aho, saingy tsy afaka mandroso, ary fahadisoana goavana no hany tsapako.”

Mety afaka manampy aho angamba.

Ny fahatsapana ho diso dia mitana anjara asa manan-danja satria mahatonga antsika hahafantatra ny fanovana ilaintsika atao, saingy misy fetra ny hahafahan’ny fahatsapana ho diso manampy antsika.

Ny fahatsapana ho diso dia toy ny vatoaratra ao anatin’ny fiara mandeha amin’ny solika. Afaka mamelona ilay fiara izany, mampandeha ny maotera, ary mampirehitra ny jiro eo anoloana, saingy tsy hanome ny solika hanaovana ny dia lavitra izay miandry. Tsy ampy raha ilay vatoaratra irery no miasa. Ary tsy ampy toy izany koa ny fahatsapana ho diso.

Manosokevitra aho ny mba tsy hahatsapanareo ho diso intsony momba izay zavatra vitanareo na tsy vitanareo amin’ny fizarana ny filazantsara. Fa mivavaha kosa, tahaka ny nampianarin’i Almà, mba hanana fahafahana “hijoro ho [vavolombelon’] Andriamanitra amin’ ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra … mba hahatonga [ny hafa] ho voavotr’ Andriamanitra ary ho voaisa miaraka amin’ireo ao amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany, [ka] hahazoanareo ny fiainana mandrakizay.”9 Hery mandrisika matanjaka kokoa noho ny fahatsapana ho diso izany.

Ny hoe vavolombelon’ Andriamanitra amin’ ny fotoana rehetra sy amin’ ny toerana rehetra dia fanehoana ny fomba fiainantsika sy ny fomba fitenintsika.

Aoka ianareo mba hiresaka amin-kitsim-po ny finoanareo an’i Kristy. Rehefa misy ny fahafahana hanao izany dia resaho ny fiainany, ny fampianarany, ary ny fanomezana tsy manan-tsahala nomeny ny olona rehetra. Zarao ireo fahamarinana feno hery avy Aminy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nanome antsika izao fampanantenana izao Izy: “Na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hekeko … izy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra.”10 Mampanantena anareo aho fa rehefa mivavaka matetika sy amin-kitsim-po ianareo mba hanana fahafahana “hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra,” dia ho avy ireo fahafahana ireo, ary hapetraka eo anoloanareo ireo izay mikatsaka fahazavana sy fahalalana bebe kokoa. Ary rehefa manaraka ireo bitsika ara-panahy ianareo dia hitondra ny teninareo ao am-pon’ny olona iray hafa ny Fanahy Masina, ary indray andro any dia hanaiky anareo eo anoloan’ny Rainy ny Mpamonjy.

Ezaka ataon’ny vondron’olona

Ny asa ara-panahy hanampiana olona iray ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia ezaka ataon’ny vondron’olona. Ampiasao ny fanampian’ny misiônera raha vantany vao afaka manao izany ianareo, ary mangataha fanampiana avy amin’ Andriamanitra. Kanefa tadidio fa ny fotoana hiovan’ny fon’ny olona iray hafa dia tsy miankina tanteraka aminareo.11

Avy any amin’ny nosy Maurice i Kamla Persand, ary nianatra tao amin’ny sekoly fianarana ho mpitsabo tao Bordeaux France izy rehefa nihaona taminy izahay tamin’ny febroary 1991. Nanao vavaky ny mpianakavy izahay mba hahafahana mizara ny filazantsara tamin’ny olona iray nikatsaka ny fahamarinana, ary nampianatra azy tao an-trano izahay. Nahazo tombony lehibe aho ny hanatanteraka ny batisany, saingy tsy izahay anefa no nanao ny asa lehibe indrindra nitaomana an’i Kamla hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Nisy namana, misiônera ary olona tao amin’ny fianakaviany mihitsy aza nijoro ho “vavolombelon’ Andriamanitra” tany amin’ny firenena niaviany, ary indray andro tao Frantsa, rehefa tonga ilay fotoana nety ho an’i Kamla, dia nandray fanapahan-kevitra ny ho atao batisa izy. Ankehitriny, 25 taona aty aoriana, dia manemitra azy manodidina ireo fitahiana avy amin’izany fanapahan-kevitra izany, ary ny zanany dia misiônera any Madagasikara.

Sary
I Kamla Persand sy ny fianakaviany

Aza raisina ho toy ny fitsapam-pahaizana, izay na afaka na tsia ny valiny, ny ezaka ataonareo mba hizara ny fitiavan’ny Mpamonjy amin’ny olona iray hafa, ka ny salan’isanareo dia voafaritry ny fomba fihetsika hasetrin’ireo namanareo ny fihetseham-ponareo na ny fanasana ataonareo mba hihaona amin’ny misiônera.12 Tsy afaka mitsara ny vokatry ny ezaka ataontsika amin’ny fomba fijerintsika amin’ny maha-olombelona antsika isika, ary tsy afaka mametraka ny fandaharam-potoana ny amin’izany. Rehefa mizara ny fitiavan’ny Mpamonjy amin’ny olona iray hafa ianao dia raisin’ny Tompo ho mahomby hatrany.

Ny fanjakana sasany dia nametra ny asan’ireo misiônera, ka nahatonga ireo mpikambana mendri-piderana ao amintsika haneho herim-po bebe kokoa aza mba ho “vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra.”

Matetika i Nadezhda avy any Moscou no manome ho an’ny hafa ny Bokin’i Môrmôna ao anaty boatim-panomezana miaraka amin’ny vatomamy marobe nasesika manodidina izany. “Lazaiko azy ireo” hoy izy “fa izany no fanomezana mamy indrindra azoko omena azy ireo.”

Fotoana fohy taorian’ny nanaovana batisa azy tao Ukraine dia nanana fahatsapana i Svetlana mba hizara ny filazantsara tamin’ny lehilahy iray izay hitany matetika tao anaty fiara fitateram-bahoaka. Rehefa nidina teo amin’ny toerana nijanonany ilay lehilahy dia nanontany i Svetlana hoe: “Te hahalala bebe kokoa momba an’ Andriamanitra ve ianao?” “Eny,” hoy ilay lehilahy. Nampianatra an’i Viktor ireo Misiônera, dia natao batisa izy. Nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Freiberg Alemana izy sy i Svetlana taty aoriana.

Tandremo fa mety ho tonga amin’ny fomba tsy ampoizina ireo fitahiana ho anareo.

Fito taona lasa izay dia nihaona tamin’i Diego Gomez sy ny fianakaviany tena kanto tao Salt Lake City izaho sy i Kathy. Nanatrika varavarana misokatra tao amin’ny tempoly niaraka taminay izy ireo, saingy nandà tamim-pahalalam-pomba ny fanasanay mba hianatra bebe kokoa mikasika ny Fiangonana. Tamin’ny mey lasa teo dia nahazo antso an-telefaonina tsy nampoizina avy amin’i Diego aho. Nahatonga azy nandohalika nivavaka ireo trangan-javatra niseho teo amin’ny fiainany. Nitady samirery ny misiônera izy, nanaraka ireo lesona, dia vonona ny hatao batisa. Tamin’ny 11 jona lasa teo dia nandeha tao amin’ny ranon’ny batisa niaraka tamin’i Diego Gomez izay namako sy mpianatra tahaka ahy aho. Nitranga tamin’ny fotoany manokana ny fiovam-pony ary tonga niaraka tamin’ny fanampiana sy ny fanohanan’ny olona maro izay nanome tanana azy tamin’ny naha-“vavolombelon’ Andriamanitra” azy ireo izany.

Sary
I Diego Gomez miaraka amin’ny andian’olona

Fanasana ho an’ny zatovo

Manolotra fanasana manokana sy mampanao fanamby an’ireo zatovo sy tanorantsika mahatalanjona manerana izao tontolo izao aho mba ho “vavolombelon’ Andriamanitra.” Manaiky ny hanao fikarohana ara-panahy ireo olona manodidina anareo. Tadidinareo ilay piozila? Tsy hoe manao ity asa ity amin’ny tanam-polo fotsiny ihany akory ianareo fa miaraka amin’ny teknôlojia sy ny tambazotra ifaneraserana izay azonareo ampiasaina. Mila anareo izahay. Mila anareo ny Tompo handray anjara bebe kokoa aza ao anatin’ity asa lehibe ity.

Sary
Piozila amin’ny finday

Hoy ny Mpamonjy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.”13

Tsy kisendrasendra fotsiny ny hipetrahanao any Afrika, Azia, Eorôpa, Amerika Avaratra, Afovoany, na Atsimo, any Pasifika, na any amin’ny toerana iray hafa eto amin’ity tontolo namboarin’ Andriamanitra ity, satria ny filazantsara dia tsy maintsy ho tonga any amin’“ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina tsirairay avy.”14

“[Ny] Andriamanitry ny lanitra [dia] hanorina fanjakana, [vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, izay ho tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra] izay tsy ho rava mandrakizay … [fa] hitoetra mandrakizay.”

“… Marina ny nofy ary … ho tò ny heviny.”15

Faranako amin’ny teny avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izany: “Antsoy ny Tompo mba handrosoan’ ny fanjakany eto an-tany, mba hahazoan’ ny mponina eo aminy mandray izany ary ho vonona ho amin’ ny andro ho avy izay hidinan’ ny Zanak’ Olona [avy any an-da]nitra, mitafy ny famirapiratan’ ny voninahiny ka hitsena ny fanjakana Andriamanitra, … eto an-tany.”16 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Daniela 2:10.

  2. Daniela 2:18.

  3. Daniela 2:26–28, 44–45; jereo koa ireo andininy 34–35.

  4. Daniela 2:47.

  5. Jereo ny 1 Nefia 14:12–14.

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:2; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11.

  7. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 444; jereo koa ny Boyd K. Packer, “The Standard of Truth Has Been Erected,” Liahona, nôv. 2003, 27.

  8. Thomas S. Monson, “Tonga soa eto amin’ny Fihaonambe, Liahona, nôv. 2013, 4.

  9. Môsià 18:9.

  10. Matio 10:32.

  11. Iray volana lasa izay dia tany Santa Maria, Brésil aho. Nilaza tamiko rahalahy João Grahl fa, fony izy zatovolahy, dia nandeha niangona nandritra ny roa taona izy, naniry ny hatao batisa, saingy tsy namela azy ny rainy. Indray andro izy dia nilaza tamin’ireo anabaviny, izay nam-paniriana toy ny azy, fa mila mandohalika izy ireo dia mivavaka mba hanalefahan’ Andriamanitra ny fon’ny rain’izy ireo. Nandohalika nivavaka izy ireo dia nandeha nianatra.

    Rehefa nody izy ireo tamin’io andro io dia tsy nanampo fa tonga avy any amin’ny tanàna lavitra iray ny dadatoan’izy ireo, izay rahalahin’ny dadany. Tao an-tranon’izy ireo izy niresaka tamin’ny rain’izy ireo. Raha mbola tao amin’ilay efitra ny dadatoan’izy ireo dia nanontany ny rainy indray ireo ankizy raha afaka ny hatao batisa izy ireo. Nandroso ny dadatoan’izy ireo dia nametraka ny tanany teo an-tsoroky ny zandrilahiny ary niteny hoe: “Rainaldo a! marina izany. Avelao izy ireo hatao batisa.” Tsy nisy nahafantatra izy ireo fa efa natao batisa volana vitsivitsy teo aloha ilay dadatoany.

    Notaomim-panahy handeha ho any amin’ny tranon’ny rahalahiny ilay dadatoa, ary noho izy “nijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra” tamin’io andro io dia nomena lalana hatao batisa ireo zanaky ny rahalahiny. Herinandro vitsy taty aoriana dia natao batisa i Reinaldo sy ny vadiny. Namaly ny vavak’ireo ankizy ireo tamin’ny fomba mahagaga Andriamanitra tamin’ny alalan’ny olona iray izay vonona ny ho “vavolombelon’ Andriamanitra.”

  12. “You succeed when you invite, regardless of how it turns out” (Clayton M. Christensen, The Power of Everyday Missionaries [2012], 23; see also everydaymissionaries.org).

  13. Matio 28:19.

  14. Môsià 15:28.

  15. Daniela 2:44–45; jereo koa ireo andininy 34–35.

  16. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:5.