2010–2019
Manana fahatsarana ampy ve aho? Ho tonga any ve aho?
Ôktôbra 2016


Manana fahatsarana ampy ve aho? Ho tonga any ve aho?

Raha miezaka marina ianareo sy tsy manamarin-tena na mikomy—mibebaka matetika sy mangataka ny famindram-pon’i Kristy na ny fanampiany—dia tena hanana “fahatsarana ampy” ianareo.

Ry rahavavy sy rahalahy malala, fitahiana lehibe ho antsika ny fiarahana mivory etoana mba ho ampianarin’ireo mpanompon’ny Tompo. Tsy mahafinaritra ve ireo fomba maro hitarihan’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana antsika sy hitahiany antsika? Tena tiany hody isika.

Noho ny fifanesen’ireo famindrampo lehibe fony aho dokotera vao herotrerony nivoaka tamin’ny sekoly fianarana ho mpitsabo, dia voaray hanaraka fiofanana ho matihanina amin’ny fitsaboana aretin-jaza tao anatin’ny fandaharan’asa avo lenta sy misy fifananinana be iray aho. Rehefa nihaona tamin’ireo mpiofana hafa aho dia nahatsapa ho toy ny faran’izay tsy mahiran-tsaina sy tsy niomana mihitsy. Nieritreritra aho hoe tsy nisy fomba hahatratrarako ny fahaizan’ireo olona ambiny tao amin’ilay vondrona mihitsy.

Tany am-piandohan’ny volana fahatelo niofananay, dia nipetraka tao amin’ny efitra itoeran’ny mpitsabo mpanampy tao amin’ny hopitaly aho efa alim-be, sady nitomany ny tenako no resin-tory raha niezaka nameno ny taratasin’ny zazalahy kely iray tratran’ny pneumonie izay takina ho an’ny fidirany hôpitaly. Mbola tsy nahatsapa ho kivy toy izany aho teo amin’ny fiainako. Tsy nahafantatra velively ny fomba hitsaboana ny pneumonie teo amin’ny zaza 10 taona aho. Nanomboka nanontany ny antony nahatonga ahy tao aho.

Tamin’izay fotoana izay mihitsy no napetraky ny iray tamin’ireo mpiofana efa manan-traikefa teo amin’ny soroko ny tanany. Nanontaniany hoe manao ahoana aho, dia naborako taminy ny fahakiviako sy ny tahotro. Nanova ny fiainako ny valinteniny. Nolazainy tamiko fa reherehan’izy sy ireo mpiofana efa manan-traikefa hafa aho ary tsapan’izy ireo fa ho lasa dokotera tena mahay aho. Raha fehezina dia nahatoky izy fa hahavita zavatra aho tao anatin’ny fotoana iray izay tsy nahatokisako ny tenako.

Tahaka io toe-javatra niainako io dia matetika ireo mpikambana ao amintsika no manontany hoe: “Moa ve manana fahatsarana ampy aho amin’ny maha-olona ahy?” na “Moa ve tena ho tonga any amin’ny fanjakana selestialy aho?” Mazava ho azy fa tsy misy an’izany hoe “efa ampy fahatsarana” izany. Tsy misy velively na iza na iza amintsika hanao hoe efa “mendrika” ilay famonjena omena antsika, saingy tsy tokony hahagaga ny manontany tena hoe azo ekena ve isika eo anoloan’ny Tompo. Izay no fahazoako ireo fanontaniana ireo.

Indraindray rehefa miangona isika dia lasa mahakivy antsika na dia fanasana atolotra amin-kitsimpo mba hampivoatra ny tenantsika aza. Mieritreritra amim-pahanginana isika hoe: “Tsy vitako izany rehetra izany” na “Tsy ho tsara tahaka ireto olona rehetra ireto velively aho.” Mety tena mitovy tamin’ny zavatra tsapako tany amin’ny hopitaly tamin’iny alina iny ny zavatra tsapantsika.

Ry rahalahy sy rahavavy malalako, ajanonỳ ny fampitahana ny tenantsika amin’ny hafa. Mampijaly ny tenantsika amin’ny tsy misy antony fotsiny isika amin’ny alalan’ny fifaninanana sy ny fampitahana. Mitsara amim-pahadisoana ny maha-izy azy antsika amin’ny alalan’ireo zavatra izay ananantsika sy tsy ananantsika isika ary amin’ny alalan’ny hevitry ny hafa. Raha tsy maintsy manao fampitahana isika dia ndeha isika taloha sy isika amin’izao fotoana izao no ampitahaintsika—ary izay tiantsika hahatongavana amin’ny ho avy mihitsy aza. Ny hany hevitra mikasika antsika izay manan-danja dia ny hevitry ny Raintsika any An-danitra mikasika antsika. Anontanio Azy amin-kitsimpo izay eritreretiny momba anareo. Hitia sy hanitsy antsika Izy fa tsy hanakivy antsika velively. Fitak’i Satana izany.

Aleo ataoko mivantana sy mazava. Ny valin’ny fanontaniana hoe “Manana fahatsarana ampy ve aho?” sy ny hoe “Ho tonga any ve aho?” dia “Eny! Hanana fahatsarana ampy ianao” ary “Eny, ho tonga any ianao rehefa manohy mibebaka sy tsy manamarin-tena ary tsy mikomy.” Ilay Andriamanitry ny lanitra dia tsy hoe mpitsara tsy miantra ka mitady izay mety ho fialan-tsiny handroahana antsika hiala ao anatin’ny lalao. Izy ilay Raintsika tia antsika tanteraka, izay maniry mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra ny hiverenan’ny zanany rehetra hody sy hiaraka hipetraka Aminy ho toy ny fianakaviana mandrakizay. Tena nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay!1 Aoka ianareo mba hino sy handray fanantenana sy fampaherezana avy amin’izany fahamarinana mandrakizay izany. Maniry ny hahatongavantsika any ny Raintsika any An-danitra! Izay no Asany sy Voninahiny.2

Tiako ny fomba nampianaran’ny Filoha Gordon B. Hinckley io fitsipika io. Henoko izy imbetsaka nilaza hoe: “Ry rahalahy sy rahavavy, ny hany andrasan’ny Tompo amintsika dia ny miezaka, saingy miezaka marina!”3

Ny “miezaka marina” dia midika hoe manao izay tsara indrindra vitantsika sy mamantatra izay tokony hilaintsika hatsaraina ary dia miezaka indray. Rehefa miverimberina manao izany isika dia manakaiky kokoa hatrany ny Tompo sy mahatsapa bebe kokoa ny Fanahiny;4 ary handray bebe kokoa ny fahasoavany na ny fanampiany.5

Mieritreritra aho indraindray hoe tsy fantatsika fa tena te hanampy antsika mafy ny Tompo. Tiako ny tenin’ny Loholona David A. Bednar, manao hoe:

“Ny ankamaroantsika dia mahatakatra fa ny Sorompanavotana dia natao ho an’ny mpanota. Tsy tena matoky aho anefa fa isika dia mahafantatra sy mahatakatra fa ny Sorompanavotana dia natao koa ho an’ireo olomasina. …

“… Ny Sorompanavotana dia manome fanampiana antsika mba handresena sy hisorohana ny ratsy ary hanaovana ny tsara sy hahatongavana ho tsara. …

“‘… Amin’ny alalan’ny … fahasoavan’ny Tompo … no handraisan’ny olona tsirairay hery sy fanampiana mba hanao asa tsara fa raha tsy izany dia tsy afaka ny hanohy hanao izany izy ireo. … Io fahasoavana io dia hery manampy …’ [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahasoavana”; nampiana fanamafisana] … na fanampiana avy any an-danitra izay ilaintsika tsirairay mafy mba ho mendrika ny hiditra any amin’ny fanjakana selestialy.”6

Ny hany ataontsika mba hahazoana io fanampiana avy any an-danitra io dia ny mangataka izany ary mandray andraikitra eo anatrehan’ireo bitsika marina voaraintsika avy eo.

Ny vaovao mahafaly dia hoe, raha efa nibebaka tamin-kitsimpo isika dia tsy hanakana antsika tsy hahazo ny fisandratana ireo fahotantsika teo aloha. Milaza amintsika mikasika ireo mpandika lalàna tamin’ny androny i Môrônia: “Nefa arakaraka ny nibebahany sy ny nitadiavany famelana tamin’ny finiavana marina no namelana azy.”7

Ary ny Tompo koa dia niresaka mikasika ny mpanota hoe:

“Raha miaiky ny fahotany eo anatrehanao sy eo anatrehako izy, ary mibebaka amin’ny fahitsin’ny fony, dia hamela azy ianao, ary Izaho koa hamela azy.

“Eny, ary isaky ny mibebaka ny oloko dia Izaho hamela ny fahadisoany Tamiko.”8

Raha mibebaka amin-kitsimpo isika dia hamela antsika tokoa Andriamanitra, na dia namerimberina nanao ilay fahotana aza isika. Hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Na dia betsaka tahaka ny inona aza ireo tombontsoa izay heverinao fa navotsotrao, na betsaka toy inona aza ny fahadisoana izay tsapanao fa efa vitanao … , dia mijoro ho vavolombelona aminao aho fa tsy nanalavitra loatra ianao ka hoe tsy ho takatry ny fitiavan’Andriamanitra. Tsy misy izany hoe milentika lalina loatra ianao ka tsy ho traran’ny hazavana tsy manam-pahataperan’ny Sorompanavotan’i Kristy.”9

Tsy midika mihitsy anefa izany fa AZO EKENA ny fahotana. Misy vokany foana ny fahotana. Manimba sy mandratra foana ilay mpanota sy ireo izay ianjadian’ny vokatr’ireo fahotany ny fahotana. Ary tsy mora velively ny fibebahana marina.10 Ankoatra izany dia aoka ho takatrareo fa na dia esorin’ Andriamanitra aza ny fahatsapana ho meloka noho ny fahotantsika sy ny pentimpentina avy amin’izany rehefa mibebaka amin-kitsimpo isika, dia mety tsy hoesorina eo no ho eo ireo vokatry ny fahotantsika. Mijanona miaraka amintsika mandritra ny androm-piainantsika izany indraindray. Ary ny karazana fahotana faran’izay ratsy dia ny fahotana volavolaina mialoha ka ilazan’ny olona iray hoe: “Afaka manota aho izao dia mibebaka rehefa avy eo.” Mihevitra aho fa famazivaziana lehibe ny sorona nataon’i Jesoa Kristy sy ny fijaliany izany.

Nanambara ny Tompo hoe: “Fa Izaho Tompo dia tsy afaka hijery ny fahotana amin’ny hamoram-po faran’izay bitika indrindra.”11

Ary i Almà dia nanambara hoe: “Indro, lazaiko aminao, ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”12

Ny iray amin’ireo antony maha-marina manokana ny teny nambaran’i Almà dia hoe mampanalavitra ny tenantsika amin’ny Fanahy isika sy lasa kivy ary mitsahatra mibebaka rehefa mamerimberina manota. Saingy averiko ihany, afaka mibebaka sy mahazo famelana tanteraka isika, noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, raha vao atao amin-kitsimpo ny fibebahantsika.

Ny tsy azontsika atao dia ny manamarin-tena toy izay hoe mibebaka. Tsy handaitra ny fanamarinan-tena ataontsika eo anatrehan’ny otantsika amin’ny filazana hoe: “Fantatr’ Andriamanitra fa sarotra loatra izany ho ahy ka ekeny araka izay maha-izy ahy fotsiny aho.” Ny “miezaka marina” dia midika hoe manohy miezaka isika mandra-pahatratrantsika ilay fenitry ny Tompo, izay voafaritra mazava ao anatin’ireo fanontaniana apetraka amintsika mba hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

Ny zavatra iray hafa izay azo antoka fa hanakana antsika tsy ho tafiditra any an-danitra sy hanasaraka antsika amin’ny fanampiana izay ilaintsika amin’izao fotoana izao dia ny fikomiana. Fantatsika avy ao amin’ny bokin’i Mosesy fa noroahina tany an-danitra i Satana noho ny fikomiana.13 Mikomy isika isaky ny milaza ao anatintsika hoe: “Tsy mila an’ Andriamanitra aho ary tsy mila mibebaka.”

Fantatro amin’ny maha-mpitsabo aretin-jaza misahana ny olona marary mafy ahy fa raha mandà tsy araka ny tokony ho izy ny fitsaboana mba hamonjena ny ainy ny olona iray dia hitarika any amin’ny fahafatesana izay tsy nirina izany. Torak’izany koa, rehefa mikomy amin’ Andriamanitra isika dia mandà ilay hany manome fanampiana sy fanantenana ho antsika dia i Jesoa Kristy, ka hitondra any amin’ny fahafatesana ara-panahy izany. Tsy misy amintsika mahavita izany amin’ny herintsika manokana. Tsy misy velively amintsika hanana “fahatsarana ampy,” raha tsy amin’ny alalan’ny fahamendrehana sy ny famindram-pon’i Jesoa Kristy,14 saingy noho Andriamanitra manaja ny fahafahantsika misafidy dia tsy afaka ny ho voavonjy isika raha tsy miezaka. Izay no fiasan’ny fampifandanjana ny fahasoavana sy ny asa. Afaka manana fanantenana ao amin’i Kristy isika satria te hanampy sy hanova antsika Izy. Efa manampy anareo Izy raha ny marina. Miatoa kely dia eritrereto izany ary ekeo ny fanampiany eo amin’ny fiainanareo.

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa raha miezaka marina ianareo sy tsy manamarin-tena na mikomy—mibebaka sy mangataka ny fahasoavan’i Kristy na ny fanampiany—dia tena hanana “fahatsarana ampy” ianareo, izany hoe, azo ekena eo anatrehan’ny Tompo. Ho tonga any amin’ny fanjakana selestialy ianareo satria lavorary ao amin’i Kristy. Ary hahazo ireo fitahiana sy voninahitra ary fifaliana izay irin’ Andriamanitra ho an’ny zanany sarobidy tsirairay ianareo—tafiditra manokana ao anatin’izany izaho sy ianao. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra ary tiany hody isika. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona i Jesoa. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.