2010–2019
Manàna zotom-mpo hiasa ho an’i Kristy
Ôktôbra 2016


Manàna zotom-po hiasa ho an’i Kristy

Manana zotom-po hiasa ho an’i Kristy isika rehefa manompo amim-pahatokiana, manaiky amim-panetren-tena, maharitra amim-panajana, mivavaka mafy, ary mandray ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, androany aho dia te hiresaka amin’ireo tanoran’ny Fiangonana, anisan’izany ireo misiônerantsika mahafinaritra. Mazava ho azy fa ireo rahalahy sy anabavy manana fisainana sy mitondra tena toy ny tanora dia asaina an-tanandroa hihaino.

Ny 21 aogositra lasa teo, ny Filoha Russell M. Nelson dia nanokana ny tempoly tsara tarehin’i Sapporo—ny tempoly fahatelo ao Japana. Ny Tempolin’i Sapporo dia miorina any avaratr’i Japana eo amin’ny toerana iray antsoina hoe Hokkaido. Tahaka an’i Utah, i Hokkaido dia nanorenan’ireo mpamaky lay tia sy mazoto miasa ny fonenany.

Tamin’ny taona 1876 dia nisy mpanabe malaza iray antsoina hoe Dr. William Clark1 nasaina mba ho tonga tao Hokkaido hampianatra. Nipetraka tao Japana nandritra ny valo volana monja izy saingy ny toetra maha-Kristianina nananany dia nametraka fahatsapana naharitra tamin’ireo mpianany tanora tsy Kristianina. Mialoha ny nandehanany dia nanome hafatra fanaovam-beloma an’ireo mpianany izy izay lasa tsy mety maty fa miraikitra eo amin’ity sarivongana halimo ity.2 Hoy izy hoe : “Ry zalahy a! manàna zotom-po hiasa!”— “Manàna zotom-po hiasa ho an’i Kristy.”3 Ilay baikony hoe “manàna zotom-po hiasa ho an’i Krisy” dia afaka manampy amin’ireo fanapahan-kevitra raisina isan’andro ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’izao fotoana izao.

Sary
Dr. William Clark

Inona no dikan’ny hoe “manana zotom-po hiasa ho an’i Kristy”? Ny hoe manana zotom-po hiasa ho an’i Kristy dia midika hoe marisika, mifantoka, ary manokan-tena amin’ny asany. Ho an-kavitsiana no handikana ny hevitry ny hoe manana zotom-po hiasa ho an’i Kristy ho hoe havahana amin’ny hafa mba homem-boninahitra isika. Ny hoe manana zotom-po hiasa ho an’i Kristy dia midika fa manompo amim-pahatokiana sy amim-pahazotoana isika any amin’ny paroasy sy sampana misy antsika sady tsy mitaraina no amin’ny fo feno hafaliana.

Ireo misiônerantsika manompo manerana izao tontolo izao dia ohatra tsara amin’ireo izay tena manana zotom-po hiasa ho an’i Kristy. Taona vitsy lasa izay dia nanompo tao amin’ny Misiônan’i Nagoya Japana izaho sy Rahavavy Yamashita. Tena nanana zotom-po hiasa ho an’i Kristy ireo misiôneranay. Iray tamin’ireo misiônera ireo ny zatovolahy iray antsoina hoe Elder Cowan.

Sary
Elder Cowan miaraka amin’ny Filoha sy Rahavavy Yamashita

Tsy nanana tongotra havanana i Elder Cowan noho ny loza nahazo azy tamin’ny bisikileta fony izy mbola kely. Herinandro vitsivitsy taorian’ny nidirany tao amin’ny sahan’ny misiôna dia naharay antso avy tamin’ny namany mpiara-mitory aminy aho. Tapaka ny solon-tongotr’i Elder Cowan teo am-pitaingenany ny bisikiletany. Nentinay tany amin’ny toera-panamboarana tsara izy ary teo, tao amina efitrano manokana iray, no nahitako voalohany ny tongony. Azoko an-tsaina ny fanaintainana niaretany. Vita ilay solon-tongony, dia niverina tany amin’ny faritra niasany izy.

Na dia izany aza, rehefa nandeha ny herinandro maromaro dia mbola niverina simba hatrany hatrany ilay solon-tongotra. Nanoro hevitra ny mpiandraikitra ara-pahasalamana an’ny Vondrom-paritra ny mba hodian’i Elder Cowan fa mety hahazo fanendrena vaovao amin’ny asa fitoriana izy. Tsy narahiko io torohevitra io satria misiônera tena mahafinaritra i Elder Cowan ary nanana faniriana mafy ny hijanona tao Japana izy. Nihanihena tsikelikely anefa ny herim-batan’i Elder Cowan ka efa saika tsy nahavita niasa intsony izy. Na dia teo aza izany dia tsy nimonomonona na nitaraina izy.

Dia notoroina hevitra indray aho ny hanomezana lalana an’i Elder Cowan mba hanompo ao amina toerana izay tsy mitaky ny fitaingenana bisikileta. Nosaintsainiko io toe-javatra io. Nieritreritra an’i Elder Cowan sy ny hoaviny aho, ary nivavaka momba io olana io. Nanana fahatsapana aho fa tokony hody i Elder Cowan dia miandry fanendrena vaovao. Nantsoiko izy ary nambarako azy ny fitiavako sy ny fiahiako ary nolazaiko azy ny fanapahan-kevitro. Tsy nilaza na inona na inona izy hamaliana izany. Reko fotsiny izy nitomany tao amin’ilay telefaonina. Hoy aho hoe: “Elder Cowan a! tsy voatery hamaly ahy izao dia izao ianao. Hiantso anao aho rahampitso. Diniho amim-bavaka tsara ny tolo-kevitro azafady.”

Rehefa niantso azy aho ny ampitso marainan’io, dia nilaza tamim-panetren-tena izy fa hanaraka ny torohevitro.

Nandritra ny tafa sy dinika nifanaovako taminy farany, dia napetrako taminy izao fanontaniana izao: “Elder Cowan a! Nangataka mba halefa any amin’ny misiôna izay tsy hahavoatery anao hitaingina bisikileta ve ianao tao amin’ny taratasy fangatahana ho misiônera izay nofenoinao?”

Dia hoy izy hoe: “Eny, Filoha, nangataka aho.”

Dia namaly aho hoe: “Elder Cowan a! Nantsoina ho ao amin’ny Misiônan’i Nagoya Japana ianao izay tsy maintsy hitondranao bisikileta. Nolazainao tamin’ny filohan’ny tsatòkanao ve izany?”

Tsy nampoiziko ny valinteniny. Hoy izy: “Tsia, efa tapa-kevitra aho fa raha izany no toerana niantsoan’ny Tompo ahy, dia handeha ho any amin’ny toerana fanazaran-tena aho ary hanazatra ny tenako hitondra bisikileta.”

Tany amin’ny faran’ny dinidinika nifanaovanay dia nametraka tamiko izao fanontaniana izao izy sady nanganohano ny masony: “Filoha Yamashita a! Nahoana aho no nandeha taty Japana? Nahoana aho no eto?”

Novaliako tsy tamim-pihambahambana izy hoe: “Elder Cowan a! Mahafantatra antony iray nandehananao taty aho. Tonga taty ianao mba ho soa ho ahy. Lasa nahafantatra aho hoe, zatovolahy tena mahafinaritra no niara-nanompo tamiko. Tena voatahy aho fa nahalala anao.”

Faly aho mitatitra aminareo fa niverina tany an-tokantranony feno hamamiana i Elder Cowan ary notendrena hanompo tao amina misiôna izay nahafahany nampiasa fiara rehefa mandeha izy. Tena mirehareha aho tsy noho ny amin’i Elder Cowan ihany fa ireo misiônera rehetra manerana izao tontolo izao ihany koa izay manompo an-tsitrapo sady tsy mimonomonona na mitaraina. Misaotra anareo ry Elder sy Soeur, noho ny finoana sy ny fifantohana ary ny fanananareo zotom-po hiasa ho an’i Kristy.

Ny Bokin’i Môrmôna dia ahitana tantara maro mikasika ireo izay manana zotom-po hiasa ho an’i Kristy. I Almà zanany tamin’ny fahatanorany dia nanenjika ny Fiangonana sy ny mpikambana tao. Taty aoriana izy dia nandalo fiovam-po mahery vaika ary nanompo ho misiônera tena matanjaka. Nikatsaka ny fitarihan’ny Tompo izy, ary nitondra fitahiana ho an’ireo namany rehefa niara-nanompo tamin’izy ireo. Nankahery azy ny Tompo, ary nandresy ireo fitsapana izay natrehany izy.

Io Almà io dia nanome izao torohevitra manaraka izao an’i Helamàna zanany:

“Na zovy na zovy no hametraka ny fitokiany amin’ Andriamanitra dia hotohanana izy amin’ ny fizahan-toetra azy sy ny fahasahiranany ary ny fahoriany. …

“… [Tandremo] ny didin’ Andriamanitra. …

“Milà hevitra amin’ny Tompo amin’ny ataonao rehetra, dia ho tarihiny ho amin’ny tsara ianao.”4

Ny zanakay lahy faharoa dia niaina ny ampahany maro tamin’ny fahatanorany tany ivelan’ny Fiangonana. Rehefa feno 20 taona izy dia niaina zavatra iray izay nahatonga azy ho nanam-paniriana ny hanova ny fiainany. Avy amin’ny fitiavana sy ny vavaka ary ny fanampiana avy tamin’ny fianakaviany sy ireo mpikamban’ny Fiangonana ary tamin’ny farany tamin’ny alalan’ny fangorahana sy ny fahasoavan’ny Tompo, dia niverina tato am-piangonana izy.

Voantso hanompo tao amin’ny Misiônan’i Seattle Washington izy taty aoriana. Niaritra fahakiviana lehibe izy tamin’ny voalohany. Isak’alina nandritra ny telo volana voalohany dia nandeha tao amin’ny efitra fandroana izy ary nitomany. Tahaka an’i Elder Cowan dia nikatsaka ny hahatakatra izy hoe: “Nahoana aho no eto?”

Rehefa avy nanompo herintaona izy dia naharay email izahay izay valin’ny vavaka nataonay. Izao no nosoratany: “Tena tsapako izao ny fitiavan’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy. Hiasa mafy aho mba ho tahaka ireo mpaminany taloha. Na dia miaina fahasarotana be dia be aza aho izao, dia tena faly aho. Ny fanompoana an’i Jesoa no zavatra tena tsara indrindra. Tsy misy zavatra mahafinaritra mihoatra izany. Tena faly aho.”

Nahatsapa ny zavatra tsapan’i Almà izy: “Ary ô, endrey fifaliana, ary endrey hazavana mahagaga no hitako; eny, ny fanahiko dia feno fifaliana izay nihoa-pampana toy izay fanaintainako izay!”5

Amin’ny fiainantsika isika dia miaina fitsapana, fa rehefa manana zotom-po hiasa ho an’i Kristy isika dia afaka mifantoka Aminy sy mahatsapa fifaliana ao anatin’izany. Ilay Mpanavotra antsika no ohatra faratampony. Nahatakatra ny asa masina nanirahana Azy Izy ary nankatò ny sitrapon’ Andriamanitra Ray. Tena fitahiana lehibe ny mahatsiaro ny ohatra mahatalanjona nasehony rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika isan-kerinandro.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, manana zotom-po hiasa ho an’i Kristy isika rehefa manompo amim-pahatokiana, manaiky amim-panetren-tena, maharitra amim-panajana, mivavaka mafy, ary mandray ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana.

Enga anie isika hanana zotom-po hiasa ho an’i Kristy rehefa manaiky amim-paharetana sy amim-pinoana ireo fahasarotana sy fitsapana iainantsika ary hahita fifaliana ao anatin’ny fanajantsika ny fanekempihavanantsika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompo dia mahafantatra anareo. Fantany ny olana sy ny ahiahinareo. Fantany ny fanirianareo hanompo Azy amin’ny fanoloran-tena ary, eny, amin’ny zotom-po hiasa mihitsy aza. Izy anie hitarika sy hitahy anareo rehefa manao izany ianareo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. I William Smith Clark (1826–86) dia mpampianatra simia sy haizava-maniry ary haibiby, ary kolonely nandritra ny Ady an-trano tao Etazonia. Efa mpitantana tamin’ny fanabeazana ara-pambolena izy ary filohan’ny Massachusetts Agricultural College. (Jereo ny “William S. Clark,” wikipedia.com.)

  2. Sarivongana hita ao Sapporo Hitsujigaoka Observation Hill.

  3. William S. Clark, ao amin’ny Ann B. Irish, Hokkaido: A History of Ethnic Transition and Development on Japan’s Northern Island, (2009) 156.

  4. Almà 36:3; 37:35, 37.

  5. Almà 36:20.