2010–2019
“Avia, manaraha Ahy” amin’ny fanehoana fitiavana sy asa fanompoana amin’ny maha Kristianina
Ôktôbra 2016


“Avia, manaraha Ahy” amin’ny fanehoana fitiavana sy asa fanompoana amin’ny maha Kristianina

Amin’ny maha mpanara-dia an’ny Mpamonjy antsika amin’izao andro farany izao dia manatona Azy isika amin’ny alalan’ny fitiavana sy ny fanompoana ireo zanak’ Andriamanitra.

Teo am-pakana aina tao amin’ny hôpitaly avy nodidiana fo i Elie Wiesel izay efa nahazo ny loka Nobel momba ny fandriampahalemana, no tonga namangy azy ny zafikeliny lahy izay dimy taona. Raha nijery ny mason’ny dadabeny ity ankizilahy kely dia nahita ny fanaintainany. “Dadabe a!” hoy izy nanontany, “raha mitia anao bebe kokoa ve aho dia hihena ny fanaintainanao?”1 Anio aho dia mametraka fanontaniana mitovy amin’izany amintsika tsirairay: “Raha mitia bebe kokoa ny Mpamonjy ve isika dia hihena ny fijaliantsika?”

Rehefa niantso ny mpianany i Jesoa mba hanaraka Azy dia mbola niaina ny lalàn’i Mosesy izy ireo. Tao anatin’izany ny fikatsahana ny “maso solon’ny maso, ary nify solon’ny nify,”2 saingy ny Mpamonjy dia tonga nanatanteraka io lalana io tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany. Nampianatra Fotopampianarana vaovao Izy: “Tiava ny fahavalonareo, tsofirano ireo izay manozona anareo, manaova soa amin’ireo izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’ireo izay ratsy fitondra anareo sy manenjika anareo.”3

Ireo mpanara-dia dia nampianarina ny hiala amin’ny fomban’ny olona araka ny nofo ka hanaraka ny fomba feno fitiavana sy fiahin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanovana ny fifandirana ho famelana heloka sy hatsaram-panahy, ary fangorahana. Ilay didy vaovao hoe “ny mba hifankatiavanareo”4 dia tsy mora tandremana foana. Rehefa niahiahy ireo mpianatra ny amin’ny fifaneraserana amin’ny mpanota sy ny sokajin’olona sasantsasany, dia nampianatra tamim-paharetana ny Mpamonjy hoe: “Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.” 5 Na koa, araky ny nazavain’ny mpaminany iray ao amin’ny Bokin’i Mormona hoe, “rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”6

Amin’ny maha mpanara-dian’ny Mpamonjy antsika amin’izao andro farany izao dia manatona Azy isika amin’ny alalan’ny fitiavana sy ny fanompoana ireo zanak’ Andriamanitra. Rehefa manao izany isika dia tsy hoe hiala ny fotoan-tsarotra, sy ny fahoriana ary ny fijaliana ara-nofo, saingy hihena kosa ny fijaliantsika ara-panahy. Na dia ao anatin’ny fisedrana aza isika dia afaka miaina fifaliana sy fiadanana.

Ny fitiavantsika sy fanompoantsika amin’ny maha Kristianina dia manomboka ao an-tokantrano. Ry ray aman-dreny, nantsoina ianareo mba ho mpampianatra sy misionera feno fitiavana ho an’ireo zanakareo sy zatovonareo. Izy ireo no naman’ny fiangonananareo. Ianareo no tompon’andraikitra amin’ny fanampiana azy ireo hiova fo—izay midika hoe heniky ny fitiavan’ny Mpamonjy.

Rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy isika dia ny fitiavany no manosika antsika hifanohana mandritra ny diantsika eto an-tany. Tsy afaka manao izany irery isika.7 Efa henonareo aho taloha nizara ilay ohabolan’ny Quaker hoe: “Ianao mampitraka ahy ary izaho mampitraka anao, ary dia hiaraka hiakatra isika mandrakizay.”8 Amin’ny maha mpanara-dia dia manomboka manao izany isika rehefa vita batsisa, mampiseho ny fahavononantsika ny “hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany.”9

Ny “[M]ifampiana[tra] ny fotopampianaran’ny fanjakana”10 no fomba iray ifankatiavana sy ifanompoana. Ry ray aman-dreny sy ry raibe sy renibe, toa mitaraina isika amin’ny toe-javatra misy an’izao tontolo izao—hoe tsy mampianatra soatoavina intsony ny any am-pianarana. Saingy betsaka ny azontsika atao. Isika dia afaka manararaotra ireo fotoana ahafahana mampianatra eo anivon’ny fianakaviantsika—izany hoe izao. Aza avela handalo fotsiny ireny. Rehefa misy tranga ahafahana mizara ny eritreritrareo mikasika ny filazantsara sy ireo leson’ny fiainana dia hatsaharo ny zava-drehetra, ary miresaha amin’ireo zanakareo sy ireo zafikelinareo.

Tsy tokony hiahiahy isika hoe tsy mpampianatra filazantsara matihanina. Tsy misy kilasy fiofanana na boky torolalana izay tena manampy mihoatra noho ny fandalinan’ny tena manokana soratra masina, ny fivavahana, ny fisaintsainana ary ny fikatsahana ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Hitarika antsika ny Fanahy. Mampanantena anareo aho: tafiditra ao anatin’ny antso maha ray aman-dreny ny fanomezam-pahasoavana hampianatra amin’ny fomba mety aminareo sy amin’ireo zanakareo. Tsarovy, ny herin’ Andriamanitra izay misarika antsika ho amin’ny toetra tsara dia ny fitiavany “Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.”11

Ry zatovo, ianareo no isan’ireo mpampianatra filazantsara mahomby indrindra ananantsika. Tonga any am-piangonana ianareo hianatra, mba hahafahanareo mandeha mody hampianatra sy hanompo ny fianakavianareo, sy ny mpifanolobodirindrina aminareo, ary ny namanareo. Aza matahotra. Manàna finoana ny hijoro ho vavolombelona mikasika izay fantatrareo fa marina. Eritrereto ny fomba fivoaran’ireo misionera amin’ny fotoana feno satria dia miaina fiainana voatokana izy ireo—amin’ny fampiasana ny fotoanany sy ny talentany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany mba hanompoana sy hitahiana ny hafa. Rehefa mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananareo mikasika ny filazantsara ianareo dia hitombo ny finoanareo sy ny fahatokianareo tena!

Ny sasany amin’ireo asa fanompoana amin’ny maha Kristianina izay tena misy fiantraikany indrindra dia tanterahana amin’ny fanaovana ny fiarahan’ny fianakaviana mandalina soratra masina, sy ny vavakin’ny mpianakavy, ary ny fivorian’ny filankevitry ny fianakaviana. Efa ho zato taona mahery izao no niantsoan’ireo mpitariky ny Fiangonana antsika mba hanokana fotoana—tsy tapaka isan-kerinandro. Saingy maro amintsika no mbola tsy mahazo izany fitahiana izany. Ny takarivam-pianakaviana dia tsy sermôna ataon’’i Dada sy i Neny. Fa fotoana ahafahan’ny fianakaviantsika mifampizara fitsipika sy traikefa ara-panahy tsotra, mba hanampiana ireo zanantsika hianatra hikarakara sy hizara, hiaraka hahita fifaliana iraisana, hiara hizara fijoroana ho vavolombelona ary hiara-hitombo sy hivoatra. Rehefa manao takarivan’ny mpianakavy isika isan-kerinandro, dia hihahatanjaka ny fifankatiavantsika ary hihena ny fijaliantsika.

Aoka ho tsaroantsika fa ny asa manan-danja indrindra ataontsika ao an-tokantranontsika dia atao amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Isaky ny mampiaka-peo amin-katezerana isika dia mandao antsika sy ny fianakaviantsika ny Fanahy. Rehefa miteny amim-pitiavana isika dia afaka miaraka amintsika ny Fanahy. Aoka ho tsaroantsika ihany koa fa ireo zanantsika sy ireo zafikelintsika dia mandrefy ny fitiavantsika amin’ny habetsahan’ny fotoana atokantsika ho azy ireo. Ambonin’ny zava-drehetra, manana faharetana ary aza milavo lefona!

Ny soratra masina dia milaza fa rehefa nisafidy ny tsy hanaraka ny drafitry ny Ray any An-danitra ny sasany tamin’ireo zanany ara-panahy dia nitomany ny lanitra.12 Ny ray aman-dreny sasany izay nitia sy nampianatra ireo zanak’izy ireo dia mitomany ihany koa rehefa misafidy ny tsy hanaraka ny drafitry ny Tompo ireo zanak’izy ireo efa lehibe. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao? Tsy afaka mivavaka isika ny mba hanesorana amin’ny hafa ny fahafahany misafidy. Tsarovy ny rain’ilay zanaka adala, izay niandry tamim-paharetana an’ilay zanany lahy mba “[h]ody ny sainy,” ka nandritra izany izy dia sady nitazana azy … Ary “raha mbola lavitra izy” dia nihazakazaka nanatona azy.13 Afaka mivavaka isika mba hahazoana fitarihana mikasika izay fotoana iresahana, izay zavatra hotenenina, ary eny, indraindray hoe rahoviana no tokony hangina. Tsarovy fa ireo zanantsika sy ireo fianakaviantsika dia efa nisafidy ny hanaraka ny Mpamonjy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Indrindray dia amin’ny alalan’ireo traikefampiainan’izy ireo ihany no ahafahan’ireo fahatsapana masina ireo hifoha indray. Amin’ny farany dia an’ny tenan’ireo ihany ny safidy ny hitia sy hanaraka ny Tompo.

Misy fomba iray hafa miavaka hanehoan’ireo mpanara-dia ny fitiavan’izy ireo ny Mpamonjy. Androany aho dia manome voninahitra ireo rehetra izay manompo ny Tompo amin’ny alalan’ny fikarakarana marary. Tena tian’ny Tompo ianareo! Amin’ny alalan’ny fanompoanareo mangina, tsy hankalazaina no hanarahanareo an’Ilay nampanantena hoe: “Ny Rainao Izy tenany izay mahita anao ao amin’ny mangingina no hamaly anao ampahibemaso.”14

Tsaroako ilay mpifanolobodirindrina amiko izay voan’ny aretina Alzheimer ny vadiny. Isaky ny Alahady izy dia manampy azy hiakanjo, mibango ny volony, manaingo ny tarehiny ary dia mametaka ny kaviny ihany koa mba hahafahany manatrika ny fivoriam-piangonana. Tamin’ny alalan’ny fanaovana izany asa fanompoana izany noho nahatonga azy ho lasa ohatra ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra tao amin’ny paroasinay, ary raha ny marina dia ho an’izao tontolo izao mihitsy aza. Indray andro dia hoy ny vadiny taminy: “Mbola te ahita ny vadiko indray aho ary hiaraka aminy.”

Namaly Rangahy hoe “Izaho no vadinao.”

Ary dia namaly tamim-pitiavana Ramatoa hoe: “Hay, tsara izany!”

Tsy afaka miresaka mikasika ireo izay mikarakara marary aho raha tsy maneho fankasitrahana ho an’ilay mpikarakara marary miavaka eo amin’ny fiainako, dia ilay mpanara-dia ny Mpamonjy tena miavaka natolony ho ahy—dia i Mary ilay vadiko mandrakizay. Nanome ny zava-drehetra izy tamin’ny famelomana feno fitserana sy ny fitiavana. Ireo tanany dia ahatsiarovako ny kasika malefaka sy manohana ataon’ny Mpamonjy. Tsy ho eto aho raha tsy izy. Ary miaraka aminy aho dia afaka ny haharitra hatramin’ny farany ary ho tafaraka aminy any amin’ny fiainana mandrakizay.

Raha mijaly fatratra ianareo, na hiarahanareo amin’ny hafa izany na samirery, dia mitalaho aminareo aho ny mba hamelanareo ny Mpamonjy ho mpikarakara anareo. Miantehera amin’ny sandriny be fitiavana.15 Ekeo ny fanomezan-toky nataony. “Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho,” hoy Izy nampanantena.16

Ry rahalahy sy anabavy, raha mbola tsy nanao izany isika dia handeha hitodika ho amin’ny famelana heloka, sy ny hatsaram-panahy ary ny fitiavana. Handeha isika handa ny ady izay matetika tokoa misamboaravoara ao anatin’ny fon’ny olona araky ny nofo ka haneho kosa ny fikarakakaran’i Kristy sy ny fitiavany ary ny fiadanana avy Aminy.17

Raha “efa [tonga] amin’ny fahalalana ny voninahitr[a] [sy ny fahatsaran’]Andriamanitra”18 ianareo ary koa “ny sorompanavotana izay efa nomanina hatry ny fanorenana izao tontolo izao,”19 dia “tsy ho ao an-tsainareo ny hifandratra fa ny hiaina kosa amim-pilaminana … ary tsy hamela ny zanakareo … handika ny lalàn’ Andriamanitra, na hiady, na hifanjihitra, … fa hampianatra azy kosa … hifankatia sy hifanompo.”20

Taloha kelin’ny nanomboana ny Mpamonjy dia nampianatra ny Apôstôliny Izy hoe: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.”21 ary “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.”22

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fijoron’ny Mpamonjy manoloana antsika dia ilay fijoron’ilay sary vongana nataon’i Thorvaldsen antsoina hoe Christus izay maninjitra ny tanany. Manohy maninjitra ny tanany Izy.23 mibitsika hoe:”Avia, manaraha Ahy.” Manaraka Azy isika amin’ny alalan’ny fifankatiavana sy ny fifanompoana ary ny fitandremana ny didiny.

Mijoro ho vavolombelona manokana aho fa velona Izy ary tia antsika amin’ny fitiavana tanteraka. Fiangonany ity. Thomas S. Monson no mpaminaniny eto an-tany ankehitriny. Ny vavaka ataoko dia ny mba hitiavantsika bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy ny Zanany lahy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena..