2010–2019
Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy
Ôktôbra 2016


Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy

Rehefa amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany no fifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika.

Ry rahalahy sy anabavy malala, anio dia te hiresaka fitsipika iray izay fanalahidin’ny fahavelomantsika ara-panahy aho. Izany dia fitsipika iray hanjary ho manan-danja kokoa ihany rehefa mitombo ireo antambo sy loza manodidina antsika.

Ireto no andro farany, koa tsy misy tokony ho gaga isika rehefa mahita faminaniana tanteraka. Ny andiana mpaminany maromaro, ka anisan’izany i Isaia, i Paoly, i Nefia ary i Môrmôna, dia nahita mialoha fa ho avy ny andro mahory,1 fa amin’ny androntsika dia ho ao anatin’ny korontana izao tontolo izao,2 ka ny olombelona dia “ho tia tena, … tsy manam-pitiavana, … tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’ Andriamanitra,”3 ary maro ireo ho lasa mpanompon’i Satana izay manohana ny asan’ny fahavalo.4 Izany tokoa, izaho sy ianao dia “mitolona … amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.”5

Rehefa mitombo ny disadisa eo amin’ny samy firenena, rehefa mamono ny tsy manan-tsiny ireo mpampihorohoro tsy manana antra, ary rehefa manjary mitombo ho zava-mahazatra ny kolikoly amin’ny zavatra rehetra hatrany amin’ny orinasa ka hatrany amin’ny governemanta, dia inona no afaka manampy antsika? Inona no afaka manampy antsika tsirairay amin’ireo olana manokana ananantsika sy ireo fanamby mahery vaika eo amin’ny fiainana amin’izao andro farany izao?

Ny mpaminany Lehia dia nampianatra fitsipika iray ho fahavelomana ara-panahy. Voalohany, saintsaino ny toe-zavatra niainany: Nenjehina izy noho ny fitoriana ny fahamarinana tao Jerosalema ary nodidian’ny Tompo mba handao ireo fananany izy ka nitsoaka niaraka tamin’ny fianakaviany tany an-tany foana. Nipetraka tao anaty lay izy ary nivelona tamin’ny sakafo izay hita teny an-dalana nankany amin’ny toerana tsy fantatra, ary nijery ireo zanany roa lahy, Lamana sy Lemoela, nikomy tamin’ireo fampianaran’ny Tompo sy niady tamin’i Nefia sy i Samy rahalahiny.

Mazava fa nahafantatra fifanoherana, tebiteby, ratram-po, fanaintainana, fahadisoam-panantenana ary alahelo i Lehia. Mbola nanambara fitsipika iray tamin’ny fomba hentitra sy tsy nitsitsy anefa izy araka ny nambaran’ny Tompo hoe: “Misy ny olona mba hahazo fifaliana.”6 Alaivo sary an-tsaina ange e! Tamin’ireo teny rehetra azony nampiasaina mba hamariparitana ny toetra sy ny tanjon’ny fiainantsika eto an-tany, dia nosafidiany ny teny hoe fifaliana!

Indraindray dia tsy araka izay noeritreretintsika ny fiainana, feno karazana fisedrana sy olana. Ny tsirairay amintsika dia efa samy nandalo fotoana izay nahatonga ny fahoriana, ny tebiteby ary ny fahakiviana saika nanempotra antsika. Kanefa eto ve isika mba hahazo fifaliana?

Eny! Eny manakoako ny valiny! Fa amin’ny fomba ahona ho maha-marina izany? Ary inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ilay fifaliana izay nomanin’ny Ray any An-danitra ho antsika?

I Eliza R. Snow, Filoha faharoan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nanolotra valinteny tena mahaliana tokoa. Noho ny didy fandringanana ratsy laza tao Missouri, izay navoaka tamin’ny fiatombohan’ny ririnina nampijaly tamin’ny 1838,7 dia votery nitsoaka ny faritra tamin’io ririnina io mihitsy izy sy ireo Olomasina hafa. Indray takariva dia nitoetra nandritra ny alina tao anatin’ny trano bongo kely nampiasain’ireo Olomasina mpitsoa-ponenana ny fianakavian’i Eliza. Nesorina sy nodoran’ireo olona nialoha azy ireo ny ankamaroan’ny feta teo anelanelan’ny rindrina, koa nisy lavaka teo anelanelan’ny rindrina ka ampy ahatafidiran’ny saka izany. Tena nangatsiaka be tamin’izay ary nivaingana tokoa ny sakafon’izy ireo.

Teo amin’ny olona 80 teo ho eo no nisisika tao anatin’ilay trano bongo izay 6 menatra tora-droa fotsiny, tamin’io alina io. Ny ankamaroany dia nipetraka na nitsangana nandritra ny alina manontolo, niezaka nanafana tena. Tao ivelany dia nisy andian-dehilahy nandany ny alina nanodidina ny afo miredareda, ny sasany nihira hiram-pivavahana ary ny hafa nanatono ovy mivaingana. Noraketin’i Eliza an-tsoratra hoe: “Tsy naheno fitarainana aho—falifaly daholo ny rehetra, ary raha ny fijery azy dia mety ho noraisin’ireo vahiny ho olona nandehandeha mitady fifaliana sy fahafinaretana izahay fa tsy andian’olona noroahin’ny governemanta.”

Ny tatitra nataon’i Eliza momba izany takariva nandreraka sy nampihorin-koditra izany dia mahagaga fa tena mahavelombolo. Nanambara izy hoe: “Alina tena feno fifaliana izany. Tsy misy afa-tsy ny olomasina no ho faly ao anatin’ny toe-javatra mitranga rehetra.”8

Izay no izy! Afaka ny ho faly ao anatin’ny toe-javatra mitranga rehetra ny olomasina. Afaka mahatsapa fifaliana isika na dia miaina andro sarotra, herinandro sarotra, na taona sarotra mihitsy aza!

Ry rahalahy sy anabaviko malala, misy ifandraisany amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapantsika ary tena mifandray amin’ny fifantohan’ny fiainantsika izany.

Rehefa ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra, izay vao nampianarin’ny Filoha Thomas S. Monson antsika teo, sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany no fifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika. Tonga avy Aminy sy noho ny Aminy ny fifaliana. Izy no loharanon’ny fifaliana rehetra. Tsapantsika izany amin’ny andron’ny Noely rehefa hiraintsika ny: “Oh! Quel bonheur.”9 Ary tsapantsika mandritra ny taona izany. Ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia i Jesoa Kristy no fifaliana!

Izany no antony handaozan’ireo misiônerantsika ny tokantranony mba hitory ny filazantsarany. Ny tanjon’izy ireo dia tsy ny hampitombo ny isan’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Fa ireo misiônerantsika kosa dia mampianatra sy manao batisa10 mba hitondra fifaliana amin’ny olon’izao tontolo izao!11

Tahaka ny anoloran’ny Mpamonjy fiadanana izay “mihoatra ny fahatakarana rehetra,”12 dia manolotra fifaliana lehibe sy lalina ary mivelatra izay tsy takatry ny fahaizana sy ny fahatakaran’ny olombelona ihany koa Izy. Ohatra, toa tsy ho vita velively izany hahatsapa fifaliana izany rehefa mijaly noho ny aretina tsy misy fanafany ny zanakao, na rehefa very asa ianao, na rehefa mamitaka anao ny vadinao. Kanefa izany indrindra ilay fifaliana atolotry ny Mpamonjy. Mitohy hatrany ny fifaliany, manao izay ahatonga ny “fijalianao tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy”13 ary hanokana ny fahorianao ho tombontsoanao.14

Amin’ny fomba ahoana, noho izany, no ahafahantsika mitaky izany fifaliana izany? Azontsika atomboka amin’ny “mijery an’i [Jesoa], Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy”15 “amin’ny eritreritra rehetra”16 izany. Afaka misaotra Azy isika amin’ny vavaka ataontsika sy amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataontsika Taminy sy ny Raintsika any An-danitra. Rehefa manjary ho tena misy ho antsika ny Mpamonjintsika sy rehefa mitalaho ny fifaliany mba homena antsika isika, dia hitombo ny fifaliantsika.

Mahery vaika ny fifaliana, ary mitondra ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika ny fifantohana amin’ny fifaliana. I Jesoa Kristy no ohatra lafatra indrindra ho antsika amin’ny zavatra rehetra, “izay naharitra ny hazo fijaliana mba hahazoana ny fifaliana napetraka teo anoloany.”17 Eritrereto izany! Mba haharetana ny zavatra sarotra indrindra niainana teto ambonin’ny tany, ny Mpamonjintsika dia nifantoka tamin’ny fifaliana!

Ary inona ilay fifaliana izay napetraka teo anoloany? Azo antoka fa izany dia nahitana ny fifaliana avy amin’ny fanadiovana, fanasitranana, ary fampatanjahana antsika; ny fifaliana avy amin’ny fanefana ny fahotan’ny olona rehetra izay mibebaka; ny fifaliana avy amin’ny fanaovana izay ahafahanao sy izaho mandeha mody—madio sy mendrika—mba hiaina miaraka amin’ireo Ray aman-drenintsika any an-danitra sy ireo fianakaviantsika.

Raha toa ka mifantoka amin’ilay fifaliana izay ho avy amintsika isika, na amin’ireo izay tiantsika, dia inona no azontsika iaretana ka toa manempotra, manaintaina, mampatahotra, tsy rariny, na tsy ho tanteraka tsotra izao ankehitriny?

Ny ray iray izay tao anatin’ny toe-javatra iainana ara-panahy notandindomin-doza dia nifantoka tamin’ny fifaliana avy amin’ny hoe madio sy marina eo amin’ny Tompo ihany nony farany—ny fifaliana avy amin’ny hoe afaka amin’ny fahamelohana sy ny fahamenarana—ary ny fifaliana avy amin’ny fananana fiadanan-tsaina. Izany fifantohana izany dia nanome herim-po ho azy mba hibaboka tamin’ny vadiny sy ny evekany momba ny olana nananany tamin’ny pôrnôgrafia sy ny fanitsakitsaham-bady nanaraka izany. Manao ireo zavatra rehetra notoroan’ny evekany hevitra taminy mba hataony ary miezaka amin’ny fony iray manontolo izy mba hahazo indray ny fahatokisan’ny vady malalany.

Ny zatovovavy iray dia nifantoka tamin’ny fifaliana avy amin’ny fijanonana ho madio ara-pitondran-tena mba hanampy azy hiaritra ny fanarabian’ny namany rehefa nisitaka ny toe-javatra iray izay fanta-daza sy manentana tsy hadio fitondran-tena ary mampidi-doza ara-panahy izy.

Ny lehilahy iray izay nanambany matetika ny vadiny sy nikitakita tamim-pahatezerana ny zanany dia nifantoka tamin’ny fifaliana avy amin’ny hoe mendrika ny hanana ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva. Izany fifantohana izany dia nandrisika azy hanaisotra ny olona araka ny nofo,18 izay nahalavo azy matetika tokoa, ary nanao ireo fanovana nilaina.

Vao haingana ny mpiara-miasa sarobidy iray no nilaza tamiko momba ny fitsapana makadiry niainany nandritra ny roapolo taona. Nilaza izy hoe: “Nianatra ny hiatrika fanaintainana—amim-pifaliana—aho. Voatelina ao amin’ny fifalian’i Kristy ny fanaintainako.”19

Inona no azoko sy azonao hiaretana rehefa mifantoka amin’ilay fifaliana izay “napetraka teo [anoloantsika]? ”20 Fibebahana inona no azo tanterahina amin’izany? Fahalemena inona no hanjary ho tanjaka?21 Famaizana inona no hanjary ho fitahiana?22 Fahadisoam-panantenana, eny na ny antambo toy ny ahoana no hanjary ho soa ho antsika?23 Ary asa fanompoana ho an’ny Tompo sarotra toy ny ahoana no ho vitantsika?24

Rehefa mifantoka amim-pahazotoana amin’ny Mpamonjy isika ary manaraka ny ohatra nomeny amin’ny fifantohana amin’ny fifaliana avy eo, dia mila miala amin’ireo zavatra izay mety hampitsahatra ny fifaliantsika. Tadidio i Kôrihôra, ilay anti-Kristy? Nitety toerana i Kôrihôra, nilaza zavatra diso maro momba ny Mpamonjy, mandra-pitondrana azy teo anoloan’ny mpisorona avo iray izay nanontany azy hoe: “Nahoana ianao no mandeha mamilivily ny lalan’ny Tompo? Nahoana ianao no mampianatra ity vahoaka ity fa tsy hisy i Kristy mba hampitsahatra ny firavoravoany?”25

Ny zavatra rehetra izay manohitra an’i Kristy na ny fotopampianarany dia hampitsahatra ny fifaliantsika. Izany dia ahitana ireo filôzôfian’ny olombelona, izay mitobaka tokoa any amin’ny Internet sy any amin’ny tontolon’ny blaogy, izay manao izay nataon’i Kôrihôra tanteraka.26

Raha toa ka mijery izao tontolo izao isika ary manaraka ny vahaolana hahazoana fahasambarana,27 dia tsy hahafantatra fifaliana na oviana na oviana isika. Ny olona tsy marina dia mety hiaina karazana fihetseham-po sy fahatsapana maro, kanefa tsy hiaina fifaliana na oviana na oviana!28 Fanomezana noho ny fahatokiana ny fifaliana.29 Izany no fanomezana izay tonga avy amin’ny fiezahana amin’ny nahim-po mba hiaina fiainana araka ny fahamarinana, araka ny nampianaran’i Jesoa Kristy.30

Nampianatra antsika ny fomba hahazoana fifaliana Izy. Rehefa safidiantsika ho Andriamanitsika ny Ray any An-danitra31 ary rehefa afaka mahatsapa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy miasa eo amin’ny fiainantsika isika, dia ho vokim-pifaliana isika.32 Isaky ny mikolokolo ny vadintsika sy mitarika ny zanatsika isika, isaky ny mamela olona iray isika na mangataka famelan-keloka amin’izy ireo, dia afaka mahatsapa fifaliana.

Isaky ny andro iray izay isafidianantsika ny hiaina ireo lalàna selestialy, isaky ny andro izay hitandremantsika ireo fanekempihavanantsika sy hanampiantsika ny hafa mba hanao torak’izany, dia ho antsika ny fifaliana.

Henoy ny tenin’ny mpanao Salamo: “Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho. … Fa havokisam-pifaliana no eo anatreha[ny].”33 Rehefa mipàka ao am-pontsika io fitsipika io dia afaka ny ho andro fifaliana sy firavoravoana ny andro tsirairay rehetra.34 Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny 2 Timoty 3:1–5.

  2. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:26; 88:91.

  3. 2 Timoty 3:2–4.

  4. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5.

  5. Efesiana 6:12.

  6. 2 Nefia 2:25.

  7. Ny Governora Lilburn W. Boggs tao Missouri dia namoaka ny didy famonoana ny Môrmôna tamin’ny  27 ôktôbra 1838 (jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 349).

  8. Jereo ny Eliza R. Snow, ao amin’ny Edward W. Tullidge, The Women of Mormondom (1877), 145–46.

  9. “Oh, quel bonheur” Cantiques, no. 123.

  10. Ny misiônera dia manao araka ny nandidian’ny Tompo: mitory sy mampianatra ary manao batisa amin’ny anarany izy ireo (jereo ny Matio 28:19; Marka 16:15; Môrmôna 9:22; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:8; 84:62; 112:28). Tao amin’ny Vavaka Fanalalanana nataony, i Jesoa dia nanambara ny fifandraisany tamin’ny fifalian’ireo mpianany. Hoy izy: “Izany teny izany no lazaiko eto amin’izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy” (Jaona 17:13; nampiana sora-mandry).

  11. Jereo ny Almà 13:22.

  12. Filipiana 4:7.

  13. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7.

  14. Jereo ny 2 Nefia 2:2.

  15. Hebreo 12:2.

  16. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36.

  17. Hebreo 12:2.

  18. Jereo ny Môsià 3:19. Fanamarihana: ny “olona araka ny nofo” dia tsy fahavalon’ Andriamanitra fotsiny fa fahavalon’ny vadiny sy ny zanany koa.

  19. Jereo ny Almà 31:38.

  20. Hebreo 12:2.

  21. Jereo ny Etera 12:27.

  22. Jereo ny Hebreo 12:6.

  23. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7.

  24. Jereo ny Matio 19:26; Marka 10:27.

  25. Almà 30:22. Ny Bokin’i Môrmôna dia feno ohatra amin’ireo lehilahy sy vehivavy izay niaina fifaliana sy firavoravoana satria nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy izy ireo. Ny safidy hafa rehetra, toy ny an’i Kôrihôra, dia mitarika amin’ny fandringanana tsy ho ela.

  26. Fanosoram-potaka izay midika ho fanovan-javatra, dia voafaritra ho filazana diso sy natao handratra mba hanaratsiana ny lazan’ny olona iray na ny zavatra iray. Nitranga tamin’ny andron’i Kôrihôra ny fanosoram-potaka, ary mitranga izany ankehitriny. Ny Mpaminany Joseph Smith dia niresaka momba ny tanjaky ny Fiangonana na dia manoloana ny fanosoram-potaka aza. Hoy izy: “Natsangana ny Fitsipiky ny Fahamarinana; tsy misy tanana tsy masina afaka hampitsahatra ny asa tsy handroso; afaka mitrena ny fanenjehana, afaka mikaon-doha ny mpanakorontana, afaka mivondrona ny tafika, afaka manaratsy ny fanosoram-potaka, fa ny fahamarinan’ Andriamanitra dia handroso amin’ny fomba hentitra sy be voninahitra ary mahaleo tena mandra-pitsofok’izany any amin’ny kaontinanta rehetra, nitsidika ny faritra rehetra, nandalo ny firenena rehetra, ary ren’ny sofina rehetra, mandra-pahatontosan’ny tanjon’ Andriamanitra, ary ilay Jehovah Lehibe hilaza hoe vita ny asa” (Teachings: Joseph Smith, 444).

  27. Izao tontolo izao dia mampianatra fa ny fividianana zavatra dia hitondra fifaliana. Ary raha tsy mandaitra izany dia mividiana bebe kokoa! Mampianatra koa izany fa afaka mahita fifaliana ianao rehefa manota hatrany hatrany. Ary raha tsy mandaitra izany dia manotà bebe kokoa! Ny fampanantenana dia hoe afaka mahazo fifaliana lehibe ianao rehefa manao izay tianao atao. Tsy marina izany!

  28. Tsy eto amin’ity izao tontolo izao ity na amin’ny tontolo ho avy.

  29. Ireo Olomasina marina “izay efa niaritra ny fanenjehan’izao tontolo izao … no handova ny fanjakan’ Andriamanitra, … ary ho feno mandrakizay ny fifaliany” (2 Nefia 9:18).

  30. Ohatra, jereo ny 2 Nefia 27:30; Almà 27:16–18.

  31. Jereo ny 1 Nefia 17:40.

  32. Jereo ny {Môsià 4:2–3.

  33. Salamo 16:8, 11.

  34. Jereo ny Isaia 35:10; 2 Nefia 8:3.