2010–2019
Jereo ilay boky, jereo ny Tompo
Ôktôbra 2016


Jereo ilay boky, jereo ny Tompo

Afaka manao ny Bokin’i Môrmôna ho vato ifaharana, ho ivon’ny tanjakareo ara-panahy ve ianareo?

Mary Elizabeth Rollins

Alaiko sary an-tsaina ianareo taranaka vao misondrotra mijery na mihaino ity fivoriana amin’ny fihaonambe ity any ho any eto amin’izao tontolo izao. Tiako ny hizara tantara tena nitranga iray aminareo, tantara izay sady afaka ny ho ohatra no afaka ny ho lesona. Afaka mampiseho anareo ny fomba hanakaikezana ny Tompo bebe kokoa sy hahazoana hery hanoherana fakam-panahy izany.

Izany dia tantaran’ny zatovovavy anankiray nonina tany New York, izay maty ray talohan’ny naha-telo taona azy raha nilentika tany amin’ny farihy lehibe iray ny sambo nitondra ny rainy. Izy, ny reniny, ny zokiny lahy, ary ny zandriny vavy dia nifindra monina tany amin’ny tanàna hafa mba hipetraka miaraka amin’ny nenitoany sy ny dadatoany. Fotoana vitsivitsy taorian’ny nahatongavan’ilay fianakaviana dia tonga tao amin’ny tanàna kely nisy azy ireo ny misiônera sy mpikamban’ny fivavahana iray vao natsangana nitondra vaovao feno voninahitra momba ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny. Nilaza ny tantara mahavariana momba ny anjely nitondra rakitsoratra fahiny tamin’ny zatovolahy antsoina hoe Joseph Smith izy ireo, rakitsoratra izay nadikany tamin’ny herin’ Andriamanitra. Ny anankiroa tamin’ireo vahiny, i Oliver Cowdery sy i John Whitmer, dia tena nahita maso ireo pejy metaly voasokitra an’ilay rakitsoratra fahiny, ary i Whitmer dia vavolombelona nihazona ireo takelaka volamena tamin’ny tanany. Navoaka vao tsy ela io rakitsoratra io, ary i Rahalahy Whitmer dia nitondra ilay boky niaraka taminy. Ny anaran’ilay boky mazava ho azy dia ny Bokin’i Môrmôna.

Rehefa nahare ireo misiônera niresaka momba ilay boky i Mary izay 12 taona, dia nahatsapa zavatra manokana tao am-pony izy. Na dia natevina sy nahitana pejy maro aza ny Bokin’i Môrmôna dia naniry mafy ny hamaky izany i Mary. Rehefa nandeha i Rahalahy Whitmer dia nomeny tahadika sarobidin’ny Bokin’i Môrmôna anankiray i Isaac Morley, naman’ny dadatoan’i Mary sy mpitarika tao amin’ilay fiangonana vaovao tao an-toerana.

Taty aoriana dia nanoratra toy izao i Mary: “Nankany an-tranon’i [Rahalahy Morley] aho … ary nangataka mba hijery ilay boky; natao[ny] tao amin’ny tanako izany, [ary] rehefa nijery izany aho dia tena nahatsapa faniriana hamaky izany, hany ka tsy afaka ny hanindry fo ny hitondrako izany mody sy hamakiako izany aho. … Nilaza izy … fa zara raha nanana fotoana hamakiana toko anankiray tao amin’ilay izy, ary vitsy tamin’ireo rahalahy ihany no mba nahita ilay izy, saingy niangavy tamim-kitsimpo aho, ka nilaza izy tamin’ny farany hoe, ‘ry zazavavy, raha haverinao alohan’ny sakafo maraina rahampitso ity boky ity dia azonao hoentina.’”

Sary
I Mary Elizabeth Rollins eo am-pamakiana

Nihazakazaka nody i Mary ary tena variana tamin’ilay boky izy hany ka niari-tory ny alina manontolo mba hamaky izany. Ny ampitso marainan’iny, rehefa namerina ilay boky izy, dia nilaza i Rahalahy Morley hoe, “Mino aho fa tsy dia namaky firy tamin’ilay izy ianao” ary “Tsy mino aho fa afaka milaza amiko teny iray avy amin’izany ianao.” Nitsangana tsara i Mary ary namerina tsianjery ny andininy voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Avy eo izy dia nilaza taminy ny tantaran’i Nefia. Taty aoriana dia nanoratra i Mary hoe: “Gaga izy nandinika ahy, ary niteny hoe, ‘ry zazavavy, hoento mody ity boky ity ary vitao ny famakiana izany, afaka miandry aho.’”

Fotoana fohy taty aoriana dia nahavita vaky ny boky i Mary ary izy no olona voalohany tao amin’ilay tanàna kely nisy azy nahavaky ilay boky manontolo. Fantany fa marina sy avy amin’ny Ray any An-danitra ilay izy. Rehefa nijery ilay boky izy dia nijery ny Tompo.

Iray volana taty aoriana dia tonga tao an-tranony ny vahiny manokana iray. Izao no voasorany momba ny fihaonana tsy hainy nohadinoina tamin’io andro io: “Rehefa nahita ahy i [Joseph Smith] dia nijery ahy tamim-pahamatorana tokoa. … Fotoana fohifohy avy eo dia … nomeny tsodrano lehibe aho … dia nataony fanomezana ho ahy ilay boky, ary nilaza izy fa hanome [tahadika] iray hafa an’i Rahalahy Morley. … Nahatsapa avokoa izahay fa lehilahin’ Andriamanitra izy, satria niteny tamin-kery izy, toy izay manana fahefana.”

Io zatovovavy io, i Mary Elizabeth Rollins, dia nahita fahagagana maro hafa tamin’ny fiainany ary nitahiry hatrany ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna.1 Misy lanjany amiko manokana izany tantara izany satria nenitoan’ny dadan’ny raibeko izy. Tamin’ny alalan’ny ohatra nasehon’i Mary, sy tamin’ny alalan’ny zavatra hafa niainako teo amin’ny fiainana dia nianatra aho fa ny olona iray dia tsy tanora loatra izany amin’ny fikatsahana sy fandraisana fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana momba ny Bokin’i Môrmôna.

Vato ifaharan’ny fijoroanareo ho vavolombelona

Misy lesona natao ho anareo manokana avy amin’ny tantaran’i Mary. Ianareo tsirairay avy ry zatovolahy, ry zatovovavy, ary rankizy dia afaka mahatsapa ny zavatra tsapany. Rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna ianareo ary mivavaka omban’ny faniriana hahafantatra raha marina izany dia afaka mandray ilay fahatsapana ao am-po ihany koa tahaka an’i Mary. Mety hahita ihany koa ianareo fa rehefa mijoro ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy mizara izany ianareo dia hahatsapa ny fanahy manamafy fahamarinana mitovy amin’izany. Ny Fanahy Masina dia hiresaka amin’ny fonareo. Afaka hahatsapa izany fanahy manamafy fahamarinana izany ihany koa ianareo rehefa maheno ny hafa mizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Ireo tenivavolombelona tsirairay avy ireo dia afaka mitarika amin’ny maha-lasa vato ifaharan’ny fijoroanareo ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna.

Aoka hazavaiko izany. Ny Mpaminany Joseph Smith, izay nandika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra dia namaritra ny Bokin’i Môrmôna ho ny “boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany sy vato ifaharan’ny fivavahantsika.”2

Nanomboka tamin’ny namoahana printy voalohany ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny 1830 dia tahadika mihoatra ny 174 tapitrisa no efa natonta amin’ny fiteny miisa 110 samy hafa, maneho fa ny Bokin’i Môrmôna dia mbola ilay vato ifaharan’ny fivavahantsika. Midika inona aminareo tsirairay avy anefa izany?

Sary
Ny vato ifaharana no eo ampovoany indrindra

Amin’ny lafiny tao-trano, ny vato ifaharana dia singa manan-danja amin’ny vavahady andohalambo iray. Vato miendrika anja eo ampovoany indrindra ary eo an-tampony indrindra an’ny andohalambo izany. Manan-danja indrindra amin’ireo vato rehetra izany satria mampijoro ireo lafin’ny andohalambo, ka manakana ny faharavany. Ary izany no singa eo amin’ny rafitra izay hahazoana antoka fa ilay vavahady, na ilay fidirana eo ambaniny dia azo aleha.

Sary
Vato ifaharana ao amin’ny andohalambo iray

Eo amin’ny lafiny ara-pilazantsara dia fanomezana sy fitahiana avy amin’ny Tompo ny hoe zavatra azo tsapain-tanana sy azo raisina toy ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary izany dia azonareo hazonina sy vakiana. Afaka manao ny Bokin’i Môrmôna ho vato ifaharana, ho ivon’ny tanjakareo ara-panahy ve ianareo?

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia namelabelatra ny fampianaran’i Joseph Smith. Hoy Izy hoe: “Misy antony telo mahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho vato ifaharan’ny fivavahantsika. Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Kristy izany. Vato ifaharan’ny fotopampianarantsika izany. Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona izany.”

Mbola nampianatra ihany koa ny Filoha Benson hoe: “Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra antsika ny fahamarinana sy mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy. … Saingy mbola misy zavatra hafa ankoatra izany. Misy hery ao anatin’ilay boky izay hanomboka hirotsaka ao amin’ny fiainanao raha vao manomboka mandalina tsara ny boky ianao. Hahita hery lehibe kokoa ianao hanoherana ny fakam-panahy. … Hahita hery hijanonana eo amin’ilay lalana ety sy tery ianao.”3

Ny tenivavolombeloko manokana

Raha ny momba ny tenako manokana dia lasa vato ifaharan’ny fijoroako ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna nandritra ny taona maromaro ary tamin’ny alalan’ny zavatra niainako maromaro. Ny zavatra mahery vaika iray nandrafitra ny fijoroana ho vavolombelona ananako dia nitranga fony aho misiônera tanora nanompo tany amin’ny faritra voalohany nisy ahy: i Kumamoto, Japana. Izaho sy ny namako dia nandeha isan-tokantrano mba hitory. Nihaona tamin’ny renibe iray izay nanasa anay tamim-katsaram-panahy tao amin’ny fidiran’ny tranony, izay antsoina hoe genkan amin’ny fiteny Japôney aho. Nanolotra zava-pisotro manala hetaheta ho anay tamin’ny andro mafana izy. Mbola tsy ela nipetrahana tany Japana aho, ary vao tsy ela no namitako ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna, ary nivavaka mba hahafantatra amin’ny fahazoana antoka tanteraka ny fahamarinan’izany aho.

Koa satria vaovao tany Japana aho dia tsy dia nahay niteny Japôney tsara. Raha ny marina, mety tsy dia azon’ilay vehivavy loatra ny ankamaroan’ny zavatra nolazaiko. Nanomboka nampianatra azy momba ny Bokin’i Môrmôna aho, namariparitra ny nandraisan’i Joseph Smith ny rakitsoratra fahiny voasikotra tamin’ny takelaka avy tamin’ny anjely ary ny nandikany izany tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra.

Raha natolotro azy ny fijoroana ho vavolombelona nananako fa tenin’ Andriamanitra sy testamenta hafa momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna dia nandray fahatsapana mahery vaika indrindra aho, izay niaraka tamin’ny hafanana sy filaminana ary fiadanana tao anatin’ny tratrako, izay fariparitan’ny soratra masina hoe “[hahamay] ny ao anatin’ny tratranao.”4 Izany fahatsapana izany dia nanamafy tamiko tamin’ny fomba mahery vaika fa tenin’ Andriamanitra marina ny Bokin’i Môrmôna. Tamin’izay fotoana izay dia tena nahery vaika ny zavatra tsapako hany ka nitomany aho rehefa niresaka tamin’io renibe Japôney io. Tsy mbola hadinoko mihitsy ny fahatsapana miavaka niainako tamin’io andro io.

Ny tenivavolombelonareo manokana

Ianareo tsirairay avy ihany koa dia afaka mahazo tenivavolombelona manokana momba io boky io! Mba takatrareo ve fa ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana ho anareo—ary ho an’ny vaninandronareo? Io boky io no iray amin’ireo fitahiana amin’ny fiainana mandritra ny antsointsika hoe fitantanana ny fotoam-pahafenoana. Na dia nosoratan’ny mpanoratra nentanim-panahy fahiny aza ny Bokin’i Môrmôna—izay mpaminany ny ankamaroany—dia tsy nanana ny tombotsoa amin’ny fananana ilay boky manontolo izy ireo sy ireo olona tamin’ny vanim-potoan’izy ireo. Ankehitriny dia mora aminareo ny manana ilay rakitsoratra masina izay nankamamiana sy notazonina ary notahirizin’ireo mpaminany sy mpisorona ary mpanjaka! Manana ny tombotsoa hihazona ao an-tananareo ny Bokin’i Môrmôna feno ianareo. Mahaliana tokoa fa ny mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna iray, i Môrônia, dia nahita ny androntsika—ny andronareo. Nahita anareo tao anaty fahitana mihitsy izy, taon-jato maro lasa izay! Nanoratra i Môrônia hoe:

“Indro, ny Tompo dia efa naneho tamiko zavatra lehibe sy mahatalanjona momba … izany andro izany rehefa hitranga eo anivonareo ireo zavatra ireo,” izany hoe ny Bokin’i Môrmôna.

“Indro, miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo, ary tsy eto anefa ianareo. Nefa indro, efa nasehon’i Jesoa Kristy ahy ianareo, ary fantatro ny ataonareo.”5

Mba hahatonga ny Bokin’i Môrmona ho lasa vato ifaharan’ny fijoroanareo ho vavolombelona dia manolotra fanamby ho anareo aho. Vao tsy ela aho no nahafantatra fa maro ny tanora no mila handany eo amin’ny 7 ora eo isan’andro amin’ny fijerevana fahitalavitra, solosaina ary finday avo lenta.6 Eo am-pieritreretana izany dia afaka manao fanovana kely ve ianareo? Mba soloy famakiana Bokin’i Môrmôna ny sasany amin’izany fotoana fijerevana efijery izany—indrindra indrindra ny fotoana atokana amin’ny tambazotra ifaneraserana, ny Internet, ny filalaovana jeux vidéos na ny fahitalavitra. Raha azo antoka ny fikarohana noresahiko dia ho mora aminareo ny hahita fotoana handalinana ny Bokin’i Môrmôna isan’andro na dia 10 minitra monja isan’andro aza. Ary afaka mandalina amin’ny fomba izay mamela anareo hankafy izany sy hahatakatra izany ianareo—na amin’ny fitaovana elektrônika anananareo izany na amin’ny boky. Vao tsy ela ny Filoha Russell M. Nelson no nampitandrina hoe: “Tsy tokony hataontsika ho tahaka ny andraikitra makadiry ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna, na toy ny fitelemana haingana fanafody mangidy iray ary avy eo faranana haingana.”7

Sary
Tanora mamaky ny Bokin’i Môrmôna
Sary
Ankizy mamaky ny Bokin’i Môrmôna

Ho an’ny sasany aminareo ry ankizy madinika dia mety hamaky izany miaraka amin’ny ray na reny, ny raibe na ny renibe, na ny olona akaiky anareo ianareo. Raha toa ny toko iray, ny andininy iray na ny ampahany iray lasa sarotra takarina loatra ka manakivy anareo amin’ny famakiana dia dingano izany, dingano hatrany. Alaiko sary an-tsaina ianareo manaraka ny ohatr’i Mary. Alaiko sary an-tsaina ianareo mientanentana ery mitady fotoana sy toerana mangina hamakiana ny Bokin’i Môrmôna. Hitako ianareo mahazo valim-panontaniana, mahatsapa fitarihana, ary mandray ny fijoroanareo ho vavolombelona manokana momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Rehefa mijery ilay boky ianareo dia mijery ny Tompo.

Sary
Mijery ilay boky

Ho voadinikareo tsara ireo andalan-tsoratra masina ao amin’io boky io ka hahafantatra ny Mpamonjy malalantsika, dia i Jesoa Kristy Tompo, saika isaky ny pejy rehetra ianareo. Notombatombanana fa ny endriky ny anarany sasantsasany dia ampiasaina eo amin’ny indray mandeha isaky ny andininy 1,7 eo.8 Hatramin’ i Kristy mihitsy aza dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ilay boky amin’izao andro farany izao, raha nilaza izy hoe “Raha velona koa ny Tomponareo sy ny Andriamanitrareo dia marina izany.”9

Feno fankasitrahana aho noho ny fanasana sy ny fampanantenana nomen’ny Tompo anareo tsirairay avy—ary ho an’ireo rehetra izay mamaky ny Bokin’i Môrmôna—tamin’ny alalan’ny mpaminany Môrônia. Faranako ny teniko amin’ny famakiana izany fanasana sy fampanantenana izany ary amin’ny fanampiana ny fijoroako ho vavolombelona: “Ary rehefa handray ireto zavatra ireto [ny Bokin’i Môrmôna] ianareo, dia ta hamporisika anareo aho ny mba hanontanianareo an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ny anaran’i [Jesoa] Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’izany aminareo Izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina.”10

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny amin’izao andro farany izao ary ny Bokin’i Môrmona dia porofo azo tsapain-tanana an’izany Famerenana amin’ny laoniny izany. Toy ny nandrisihan’ny teny ao amin’io boky io ny zazavavy 12 taona mba ho lasa mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny saika ho roanjato taona lasa izay, ireo fahamarinana ho hitanareo ao aminy dia hankahery sy hanentana ny fanahinareo toy izany koa. Hanamafy ny finoanareo izany, handrakotra ny tenanareo amin’ny fahazavana, ary hanomana anareo amin’ny hoavy izay zara raha afaka takarinareo.

Ao anatin’ny pejin’io boky io ianareo dia hianatra ny fitiavan’ Andriamanitra tsy manan-tsahala sy ny famindram-pony tsy hay takarina. Rehefa miezaka manaraka ireo fampianarana hitanareo ao ianareo dia hitatra ny fifalianareo, hitombo ny fahatakaranareo, ary ireo valinteny katsahinareo momba ireo olana maro eto amin’ny fiainana an-tany dia hisokatra aminareo. Rehefa mijery ilay boky ianareo dia mijery ny Tompo. Ny Bokin’i Môrmôna dia teny nambaran’ Andriamanitra. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny foko sy ny fanahiko manontolo, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny “Mary Elizabeth Rollins Lightner,” Utah Genealogical and Historical Magazine, jolay 1926, 193–95.

  2. Sasintenin’ny Bokin’i Môrmôna

  3. Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 5, 7.

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8.

  5. Môrmôna 8:34–35.

  6. Jereo ny American Academy of Pediatrics, “Media and Children,” aap.org.

  7. Russell M. Nelson, “Strengthen the Shepherds” (lahateny nandritra ny fivorian’ny mpitarika ho an’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, sept. 28, 2016).

  8. Jereo ny Susan Easton Black, Finding Christ through the Book of Mormon (1987), 16–18.

  9. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:6.

  10. Môrônia 10:4; jereo ihany koa ireo andininy 3, 5.