2010–2019
Tsy misy fifaliana lehibe noho ny mahalala fa mahafantatra izy ireo
Ôktôbra 2016


Tsy misy fifaliana lehibe noho ny mahalala fa mahafantatra izy ireo

Tsy fantatro raha misy zavatra eto amin’izao tontolo izao afaka mitondra fahasambarana sy fifaliana bebe kokoa mihoatra ny fahafantarana fa mahafantatra ny Mpamonjy ny zanatsika.

Ry rahalahy sy anabavy, vao haingana aho no nisaintsaina ity fanontaniana ity: “Raha toa ka avy aminareo avokoa ny zavatra rehetra fantatry ny zanakareo momba ny filazantsara—ka ianareo irery no loharano nahazoany izany—dia mety ho toy ny ahoana ny habetsahan’ny zavatra ho fantany?” Mipetraka amin’ireo rehetra izay tia sy mampianatra ary mitaona ny ankizy io fanontaniana io.

Moa ve misy fanomezana lehibe kokoa azontsika zaraina amin’ny zanatsika mihoatra ny fahatsiarovana lalina ao am-pon’izy ireo fa fantatsika fa velona ny Mpanavotra antsika? Fantatr’izy ireo ve fa mahafantatra isika? Ary manan-danja kokoa noho izay, moa ve izy ireo lasa nahafantatra fa velona Izy?

Fony aho zazalahy dia izaho no zanaky ny reniko izay sarotra notezaina indrindra. Diso nahery fihetsika aho. Nilaza tamiko ny reniko fa ny tena nampatahotra azy indrindra dia ny hoe ho faty dieny mbola kely aho. Diso nipelipelika loatra aho.

Tadidiko fony aho zazalahikely ny nanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo iray niaraka tamin’ny fianakaviako. Vao nahazo bokin-tsoratra masina vaovao ny reniko. Io boky vaovao io dia nanambatra ny bokin-tsoratra masina rehetra ankatoavin’ny Fiangonana ho edisiôna iray mitambatra ary nisy taratasy nisy tsipitsipika fandraisana fanamarihana tao afovoany indrindra tamin’izany.

Nandritra ilay fivoriana dia nanontany aho raha toa ka afaka mitazona ny soratra masiny. Noho izy nanantena fa hamporisika ahy hanaja amim-pahanginana izany dia natolony ahy ilay boky. Rehefa namadibadika ny soratra masiny aho dia tsikaritro fa nanoratra tanjona azy manokana tao amin’ilay fizarana fanoratana fanamarihana izy. Mba hanazavana ny sahan-kevitry ny tanjony dia tokony holazaiko anareo fa izaho no faharoa amin’ny zaza enina ary Brett no anarako. Nanoratra tanjona iray monja tamin’ny penina mena ny reniko: “Faharetana miaraka amin’i Brett!”

Ho porofo bebe kokoa hanampiana anareo hahatakatra ny fahasarotana natrehin’ireo ray aman-dreniko tamin’ny fanabeazana ny fianakavianay dia mamelà ahy hitantara aminareo momba ny famakian’ny fianakaviako ny soratra masina. Isa-maraina dia namaky ny Bokin’i Môrmôna taminay nandritra ny sakafo maraina ny reniko. Nandritra io fotoana io dia nipetraka tamim-pahanginana tsara izaho sy i Dave zokilahiko, saingy tsy tamim-panajana. Raha ny tena marina dia tsy nihaino izahay. Namaky ny soratra teo amin’ireo boaty nisy serealy izahay.

Nony farany, indray maraina, dia nanapa-kevitra ny hanohitra ny reniko aho. Nihiaka mafy aho hoe: “Neny a! Fa maninona ianao no manao an’izao aminay? Nahoana ianao no mamaky ny Bokin’i Môrmôna isa-maraina?” Dia nilaza zavatra iray aho izay tena mahasadaikatra ahy ny milaza fa nanao izany aho. Raha ny marina dia tsy mino aho hoe niteny an’izany marina. Hoy aho taminy: “Neny a, tsy mihaino aho!”

Fotoana tena nanan-danja teo amin’ny fiainako ny valinteny feno fitiavana nomeny. Hoy izy: “Zanako a! Nanatrika fivoriana iray aho izay nampianaran’ny Filoha Marion G. Romney mikasika ny fitahiana azo avy amin’ny famakiana soratra masina. Nandritra io fivoriana io dia nahazo fampanantenana aho fa raha mamaky ny Bokin’i Môrmôna amin’ny zanako isan’andro aho dia tsy ho tafasaraka amiko ara-panahy izy ireo.” Dia nibanjina ny masoko izy avy eo ka nilaza tamim-pahavononana tanteraka hoe: “Dia tsy ho tafasaraka amiko ara-panahy ianao!”

Nanindrona ny foko ny teniny. Na dia teo aza ny tsy fahalavorariako dia mendrika ny hovonjena aho! Nampianariny ahy ilay fahamarinana mandrakizay hoe zanakalahin’ny Ray any An-danitra be fitiavana aho. Nianatra aho fa na toy ny ahoana na toy ahoana ny toe-javatra niainana dia mendrika ny hovonjena aho. Fotoana tena lafatra ho an’ny zazalahy kely tsy mbola lavorary izany.

Mankasitraka mandrakizay ny reniko izay toy ny anjely sy ireo anjely rehetra izay tia tanteraka ny ankizy aho, na dia eo aza ny tsy fahalavorarian’ny ankizy. Mino mafy tokoa aho fa ny rahavavy rehetra—izay ho antsoiko hoe “anjely”—dia reny ao Ziona, na manambady izy ireo na tsia, na manan-janaka na tsia mandritra ity fiainana an-tany ity.

Taona maro lasa izay dia nanambara izao ny Fiadidiana Voalohany: “Manakaiky ny maha-andriamanitra ny maha-reny. Izany no asa fanompoana ambony indrindra sy masina indrindra izay azon’ny olombelona tanterahina. Izany dia mametraka ireo vehivavy izay manaja io antso sy asa fanompoana masina io hitovy amin’ny anjely.”1

Feno fankasitrahana aho noho ireo anjely manerana ny Fiangonana izay manambara amim-pahasahiana sy amim-pitiavana ny fahamarinana mandrakizay amin’ireo zanaky ny Ray any An-danitra.

Feno fankasitrahana aho noho ny fanomezana dia ny Bokin’i Môrmôna. Fantatro fa marina izy io! Mirakitra ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izany. Tsy mahafantatra olona aho, izay mamaky amim-pahazotoana ny Bokin’i Môrmôna isan’andro omban’ny tena finiavana sy ny finoana an’i Kristy ka hoe very ny fijoroana ho vavolombelona ananany ary lavo izy. Ny fampanantenana ara-paminaniana nataon’i Môrônia dia mitondra miaraka amin’izany ny fomba hahalalana ny fahamarinan’ny zavatra rehetra—anisan’izany ny fahafahana manavaka sy misoroka ny famitahan’ny fahavalo. (Jereo ny Môrônia 10:4–5.)

Feno fankasitrahana noho ny Ray any An-danitra be fitiavana sy i Jesoa Kristy Zanany ihany koa aho. Nanolotra ny ohatra tonga lafatra maneho ny fomba hiainana ao anatin’ny tontolo tsy tonga lafatra sy hanjakan’ny tsy rariny ny Mpamonjy. “Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha” (jereo ny 1 Jaona 4:19). Tsy hay refesina ny fitiavany antsika. Izy no namantsika mahatoky indrindra. Tsemboka Izy ka “toy ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany” ho anao sy ho ahy ihany koa izany (jereo ny Lioka 22:44). Namela izay toy ny hoe tsy hay navela Izy. Nitia izay tsy hay notiavina Izy. Nanao zavatra tsy vitan’olom-belona Izy: Nanao Sorompanavotana Izy mba handresena ny fandikan-dalàna, ny fanaintainana, ary ny aretin’ny olona rehetra.

Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka miaina miaraka amin’ny fampanantenana isika fa na inona na inona mety ho ady atrehantsika dia afaka manana fanantenana ao Aminy mandrakariva isika, dia “Ilay Mahery ka mahavonjy” (2 Nefia 31:19). Noho ny Sorompanavotany dia afaka manana fifaliana, fiadanana, fahasambarana ary fiainana mandrakizay isika.

Hoy ny Filoha Boyd K. Packer: “Ankoatra ireo olona vitsy dia vitsy izay nisafidy ny fahaverezana dia tsy misy fahazarana, fiankinan-doha, fikomiana, fandikan-dalàna, apôstazia, heloka bevava afaka hanakana ny olona iray tsy hahazo ny fampanantenana ny famelan-keloka feno. Izany no fampanantenana azo tanterahina noho ny sorompanavotan’i Kristy.”2

Iray amin’ireo trangan-javatra mahatalanjona indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona ny fitsidihana miaro asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy tany amin’ireo mponina fahiny tao Amerika. Alaivo sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana ny nanatrika izany. Rehefa nisaintsaina ny fikarakarany tamim-pitiavana sy tamin-katsaram-panahy izany vondron’Olomasina nivory teo amin’ny tempoly izany aho dia nieritreritra ny ankizy tsirairay izay tiako mihoatra ny fiainana mihitsy. Efa niezaka aho naka sary an-tsaina izay mety ho tsapako raha nahita ireo zanakay mbola kely, nahita mivantana ny Mpamonjy nanasa ny ankizy tsirairay ho eny Aminy, nahita ny sandrin’ny Mpamonjy nitsotra, nijery teo rehefa nitsapa moramora, tsirairay, ireo marika teo amin’ny tanany sy ny tongony ny ankizy tsirairay, ary avy eo dia nahita ny tsirairay tamin’izy ireo nitsangana sy nijoro ho vavolombelona fa velona Izy! (Jereo ny 3 Nefia 11:14–17; jereo koa ny 17:21; 18:25.) Nahita ny zanakay nitodika dia nilaza hoe: “Neny a, Dada a, ny Mpamonjy io!”

Sary
Ny Mpamonjy miaraka amin’ny ankizy

Tsy fantatro raha misy zavatra eto amin’izao tontolo izao afaka mitondra fahasambarana sy fifaliana bebe kokoa mihoatra ny fahafantarana fa mahafantatra ny Mpamonjy ny zanatsika, ny fahafantarana fa izy ireo dia mahafantatra “ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.” Izay no antony “[hitoriantsika] an’i Kristy,” amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika, sy hijoroantsika ho vavolombelona ny amin’i Kristy (2 Nefia 25:26).

  • Izay no antony hivavahantsika miaraka amin’ny zanatsika isan’andro.

  • Izay no antony hamakiantsika ny soratra masina miaraka amin’izy ireo isan’andro.

  • Izay no antony hampianarantsika azy ireo hanompo ny hafa, mba hahafahan’izy ireo mandray ny fitahiana dia ny famonjena azy ireo rehefa manary ny tenany amin’ny fanompoana ny hafa izy ireo (jereo nyMarka 8:35; Môsià 2:17).

Rehefa mahafoy tena amin’ireo ohatra tsotra azo alain-tahaka amin’ny maha-mpianatra ireo isika dia manome hery ny zanatsika amin’ny alalan’ny fitiavan’ny Mpamonjy azy ireo sy ny fitarihana sy fiarovana avy amin’ Andriamanitra rehefa miatrika fakam-panahy mampidi-doza avy amin’ny fahavalo izy ireo.

Tena mikasika ny olona tsirairay tokoa ny filazantsara. Mikasika ny ondry very iray izany (jereo ny Lioka 15:3–7); mikasika ny vehivavy Samaritana iray teo am-patsakana izany (jereo ny Jaona 4:5–30); mikasika ny zanakalahy adala iray izany (jereo ny Lioka 15:11–32).

Ary mikasika ny zazalahikely iray izany, izay mety milaza fa tsy mihaino izy.

Mikasika ny tsirairay avy amintsika izany—na dia mety ho tsy lavorary aza isika—lasa iray amin’ny Mpamonjy tahaka Azy izay iray amin’ny Rainy (jereo ny Jaona 17:21).

Mijoro ho vavolombelona aho fa manana Ray any An-danitra be fitiavana isika, izay mahafantatra antsika amin’ny anarantsika! Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Zanaka velon’ny Andriamanitra Velona. Izy no Zanaka Lahitokana ary mpisolovava atsika eo anatrehan’ny Ray. Mijoro ho vavolombelona bebe kokoa aho fa ny famonjena dia tonga amin’ny anarany sy amin’ny alalan’ny anarany—fa tsy amin’ny fomba hafa.

Mivavaka aho mba hanolorantsika ny fontsika sy ny tanantsika hanampiana ireo zanaky ny Ray any An-danitra mba hahafantatra Azy sy hahatsapa ny fitiavany. Rehefa manao izany isika dia mampanantena antsika Izy fa hahazo fifaliana sy fahasambarana mandrakizay eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana ho avy isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany,” ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1942, 12–13; novakin’ny Filoha J. Reuben Clark Jr.

  2. Boyd K. Packer, “The Brilliant Morning of Forgiveness,” Ensign, nôv. 1995, 20.