2010–2019
Ô Endrey ny halehiben’ ny drafitry ny Andriamanitsika!
Ôktôbra 2016


Ô Endrey ny halehiben’ ny drafitry ny Andriamanitsika!

Hodidinin’ny fahazavana sy fahamarinana be dia be mampitolagaga toy izany isika ka manontany tena aho raha toa ka tena manome lanja izay ananantsika isika.

Tena feno fitahiana isika tafavory indray amin’ity fivoriambe maneran-tany izay eo ambany fitarihan’ny mpaminany sy Filoha malalantsika, i Thomas S. Monson ity. Filoha, tianay ianao ary manohana anao amin’ny fonay rehetra izahay!

Nandritra ny fiainako arak’asa tamin’ny naha-mpanamory fiaramanidina ahy dia niantehitra be tokoa tamin’ny maha-marina tsara sy ny maha-azo itokiana ny solosaina aho, saingy zara raha nahafantatra ny fomba hampiasana ny solosainako manokana. Tamin’ny asa birao izay nataoko tamin’ny naha-mpiasa mpiandraikitra ahy dia nanana mpiara-miasa mpanampy sy mpitantsoratra aho izay nanampy ahy tamin-katsaram-panahy tamin’ireo zavatra tokony hataoko.

Niova izany rehetra izany tamin’ny 1994, rehefa nantsoina ho Manampahefana Ambony aho. Ny antsoko dia nahitana fahafahana maro tena mahafinaritra mba hanompoana, fa nahitana asa birao marobe fanao ato am-piangonana ihany koa izany—maro noho izay efa noheveriko fa mety hatao.

Akory ny hagagako fa ny fitaovana fototra nampiasaiko mba handrindrana ny asa biraoko dia solosaina an’ny tena manokana.

Sambany teo amin’ny fiainako no tsy maintsy nizàrako sy nanombohako nampiasa zavatra izay tena tsy haiko mihitsy hoe atao ahoana.

Hatrany am-boalohany dia tsy nifankahazo tsara izaho sy ilay solosaina.

Niezaka nampianatra ahy ny fomba hampiasana ilay solosaina ireo olona mahay teknôlojia. Tena nijoro tao aoriako mihitsy izy ireo, nanakatra avy teo ambonin’ny soroko, ny rantsan-tanany nikisaka haingana dia haingana rehefa nitendry ilay “clavier.”

Dia nilaza tamim-pireharehana izy ireo hoe “Hitanao?” “Toy izay no hanaovanao azy.”

Tsy azoko ilay izy. Fotoan’ny fiovana nananosarotra izany.

Sahirana mafy aho nianatra ny fomba hampiasana solosaina.

Nila fotoana be dia be izany, famerimberenana, faharetana, fanantenana sy finoana be dia be, fampitoniana be dia be avy amin’ny vadiko, ary ranom-boankazo amin’ny litatra maromaro izay tsy hotononiko anarana.

Ankehitriny, 22 taona aty aoriana, dia hodidinin’ny teknôlojia mahakasika ny solosaina aho. Manana adiresy email aho, kaonty Twitter ary pejy ao amin’ny Facebook. Manana smartphone, tablette, solosaina finday, ary fakan-tsary numérique aho. Ary raha toa ka tsy tsara noho ny an’ny zaza fito taona fahita mahazatra aza ny fahaizako teknôlojia, dia mahay tsara kosa aho raha ho an’ny olona ao anatin’ny sokajin-taona 70 ka hatramin’ny 80 taona.

Saingy nahatsikaritra zavatra mahaliana aho. Arakaraka ny nahaizako bebe kokoa nampiasa teknôlôjia no nampihena ny fanomezako lanja izany.

Tamin’ny ampahany betsaka teo amin’ny tantaran’ny olombelona dia niankina tamin’ny hafainganam-pandehan’ny soavaly no nahafahana nifandray. Naharitra andro na volana maromaro mihitsy ny fandefasana hafatra sy ny fahazoana valiny. Ankehitriny dia mandeha an’arivony kilaometatra eny amin’ny habakabaka na an’arivo metatra any ambanin’ny ranomasimbe ireo hafatra alefantsika mba ho any amin’ny olona iray any amin’ny lafiny ilan’ny tany any, ary raha tara kely na dia segaondra vitsy aza izany, dia diso fanantenana sy tsy manam-paharetana isika.

Toa toetran’olombelona ny hoe: rehefa lasa zatra kokoa amin’ny zavatra iray isika, na dia zavatra mahagaga sy mahatalanjona aza, dia very ny fitalanjonantsika ka mandray izany ho toy ny zavatra tsotra isika.

Mampihena ny fanomezan-danja ireo fahamarinana ara-panahy ve isika?

Ny tsy fanomezana lanja ny teknôlojia maoderina sy ny fiadanam-piainantsika dia mety tsy hanan-danja lehibe toy izany. Saingy indrisy fa indraindray isika dia maneho fihetsika toy izany amin’ny fotopampianarana mandrakizay sy mampivelatra ny fanahy ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nomena be tokoa isika ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Hodidinin’ny fahazavana sy fahamarinana be dia be mampitolagaga toy izany isika ka manontany tena aho raha toa ka tena manome lanja izay ananantsika isika.

Eritrereto ireo mpianatra taloha izay niara-nandeha sy niresaka tamin’ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany. Alaivo sary an-tsaina ny fahatsapana fankasitrahana sy ny fanajana lalina izay tsy maintsy niboiboika tao am-pon’izy ireo sy nameno ny sainy rehefa nahita Azy nitsangana avy tao am-pasana izy ireo, rehefa nahatsapa ireo fery tamin’ny tanany izy ireo. Tsy ho toy ny teo aloha mihitsy ny fiainan’izy ireo!

Eritrereto ireo Olomasina tany am-piandohan’ity fotoampitantanana ity izay nahafantatra ny Mpaminany Joseph Smith sy nandre azy nitory ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Alaivo sary an-tsaina izay mety ho tsapan’izy ireo rehefa nahafantatra fa nisinda indray ny voaly nampisaraka ny any an-danitra sy ny eto an-tany, ka nanome fanazavana sy fahalalana teto amin’izao tontolo izao avy any amin’ny fonenantsika any an-danitra.

Fa ny tena manan-danja indrindra dia eritrereto ny fahatsapana nanananao tamin’ny ninoanao sy nahatakaranao voalohany fa tena zanak’ Andriamanitra ianao; fa nijaly an-tsitrapo noho ny fahotanao i Jesoa Kristy mba hadio indray ianao; fa tena misy ny herin’ny fisoronana ary afaka mamehy anao amin’ireo havan-tianao mandritra izao fiainana izao sy maharitra mandrakizay; fa misy mpaminany velona eto an-tany amin’izao fotoana izao. Tsy mahafinaritra sy mahatalanjona ve izany?

Raha sainina ireo rehetra ireo, dia amin’ny fomba ahoana no mety tsy mbola hampientanentana antsika mba hanatrika ireo fivoriana fivavahana ao am-piangonantsika raha ampitahaina amin’ny olona rehetra? Na ho leo hamaky ny soratra masina? Ataoko angamba fa tsy hisy izany raha tsy hoe mafy fo isika ka tsy hahatsapa fankasitrahana sy fitalanjonana noho ireo fanomezam-pahasoavana masina sy kanto nomen’ Andriamanitra antsika. Eo ambany masontsika sy mora azo ireo fahamarinana manova fiainana, saingy indraindray isika dia matory am-pandehanana eo amin’ny lalana amin’ny maha-mpianatra. Matetika loatra isika no mamela ny tenantsika ho voasarik’ireo tsy fahalavorarian’ny mpikambana namantsika fa tsy manaraka ny ohatry ny Tompontsika. Miaina fiainana feno fahafahana mahatalanjona hanao zavatra isika kanefa zara raha mahafantatra ny lanja sy ny halehiben’izy ireny.

Hafatra tsy vaovao

Fony aho tovolahy dia nanontany ahy mikasika ny fivavahako ny namako. Matetika aho no nanomboka nanazava ireo zavatra mampiavaka, toy ny Tenin’ny Fahendrena. Tamin’ny fotoana hafa dia nanamafy ny zavatra mampitovy azy amin’ireo fivavahana Kristianina hafa aho. Tsy dia nisy nanaitra azy ireo loatra izany na iray aza. Fa rehefa niresaka momba ny drafitra lehiben’ny fahasambarana nataon’ny Raintsika any An-danitra ho antsika amin’ny maha-zanany antsika aho, dia liana izy ireo.

Tadidiko ny niezahako nanao sary ny drafitry ny famonjena teny amin’ny solaitrabe tao amin’ny efitrano iray tao amin’ny trano fivavahantsika tany Francfort, Alemana. Nanao faribolana aho, izay naneho ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy ny fiainana an-tany ary ny fiverenana any amin’ny Ray aman-dRenintsika any an-danitra aorian’ity fiainana ity.

Fony aho zatovo dia tiako tokoa ny nizara io hafatra nampientanentana io. Rehefa nanazava ireo fitsipika ireo tamin’ny teny tsotrako aho dia feno fankasitrahana ny Andriamanitra iray izay tia ny zanany ny foko, sy ny Mpamonjy iray izay nanavotra antsika rehetra tamin’ny fahafatesana sy ny helo. Nirehareha ny amin’io hafatra feno fitiavana sy fifaliana ary fanantenana io aho.

Ny sasany tamin’ireo namako dia nilaza fa toa tsy vaovao tamin’izy ireo intsony io hafatra io, na dia tsy mbola nampianarina mihitsy tany amin’ny fianaran’izy ireo ny filazantsara aza ny zavatra toy izany. Toy ny hoe efa fantatr’izy ireo hatrizay fa marina ireo zavatra ireo, toy ny hoe nampahafantatra azy ireo zavatra izay efa lalim-paka hatrizay tao am-pony aho.

Manana valim-panontaniana isika!

Mino aho fa ny olona rehetra dia samy mitondra endri-panontaniana fototra mahakasika ny fiainana ao am-pony. Avy aiza aho? Nahoana aho no tonga ety? Inona no hitranga aorian’ny hahafatesako?

Efa hatrany am-piandohana no nametrahan’ny olombelona ireo karazam-panontaniana ireo. Ireo filôzôfy sy manam-pahaizana manokana dia nandany ny androm-piainany sy ny hareny tamin’ny fitadiavana valim-panontaniana.

Feno fankasitrahana aho fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia manana valinteny ho an’ireo fanontaniana sarotra indrindra eo amin’ny fiainana. Ireo valinteny ireo dia ampianarina ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Marina, tsotra, mahitsy ary mora takarina izy ireo. Izy ireo dia nentanim-panahy ary ampianarintsika ireo zanatsika telo taona ao amin’ny kilasin’ny Tanamasoandro.

Ry rahalahy sy anabavy, olona mandrakizay isika, tsy misy fiandohana na fiafarana. Efa nisy foana isika.1 Zanaka ara-panahy ara-bakitenin’ny Ray aman-dreny any an-danitra izay masina sy tsy mety maty ary tompon’ny fahefana rehetra isika.

Avy any amin’ny lapa masin’ny Tompo ilay Andriamanitsika isika. Taranaka mpanjaka mpianakavy amin’i Elohima, ilay Andriamanitra avo indrindra isika. Niara-nandehandeha taminy isika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Nandre azy niteny isika, nahita ny maha-be voninahitra Azy, nianatra ny fombany.

Nandray anjara tamin’ny Filankevitra Lehibe iray izaho sy ianao izay nampahafantaran’ny Ray malalantsika ny drafiny ho antsika—fa ho tonga ety an-tany isika, hahazo vatana mety maty, hianatra hisafidy na ny tsara na ny ratsy, ary hivoatra amin’ny fomba maro izay tsy ho azo tanterahina amin’ny fomba hafa.

Rehefa niampita ilay voaly isika ary niditra teto amin’ity fiainana an-tany ity dia nahafantatra fa tsy hotsaroantsika intsony ny fiainana teo aloha. Fa hisy fifanoherana sy fahoriana ary fakam-panahy. Kanefa nahafantatra ihany koa isika fa ny fahazoana vatana dia manan-danja lehibe tokoa ho antsika. Endrey ny halehiben’ny fanantenantsika fa hianatra hanao safidy marina isika, hanohitra ny fakam-panahin’i Satana, ary amin’ny farany dia hiverina any amin’ireo Ray aman-dreny malalantsika any an-danitra.

Fantatsika fa hanota sy hanao fahadisoana isika—mety ho lehibe mihitsy ary angamba. Fa nahafantatra ihany koa isika fa i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika dia nampanantena ny ho ety an-tany, hiaina fiainana tsy misy fahotana, ary hanolotra an-tsitrapo ny ainy amin’ny fanaovana sorona maharitra mandrakizay. Fantatsika fa raha manome ny fontsika ho Azy isika, mahatoky Azy, ary miezaka amin’ny herin’ny fanahintsika rehetra mba handeha amin’ny lalan’ny maha-mpianatra dia afaka ny hodiovina ka hiditra indray eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra izay malalantsika.

Ka noho izany dia tamim-pinoana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no nanekeko sy nanekenao an-tsitrapo ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Izay no antony hahatongavantsika eto amin’ity tany tsara tarehy ity—satria nomen’ Andriamanitra fahafahana isika ka dia nisafidy ny hanaiky izany isika. Ny fiainantsika eto an-tany anefa dia mandalo fotsiny ihany ary hifarana amin’ny fahafatesan’ny vatana. Saingy tsy ho potika ny maha-isika antsika. Hanohy hiaina ny fanahintsika ary hiandry ny Fitsanganana amin’ny maty—fanomezana maimaim-poana ho antsika rehetra izay nomen’ny Ray any An-danitra be fitiavana sy i Jesoa Kristy Zanany.2 Dia hakambana indray ny fanahy sy ny vatantsika, tsy hanaintaina ary tsy hisy tsy fahalavorariana intsony.

Aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty dia hisy Andro Fitsarana. Raha toa ny rehetra ka ho voavonjy ary handova fanjakam-boninahitra, ireo izay mahatoky an’ Andriamanitra sy mikatsaka ny hanaraka ireo lalàny sy ôrdônansiny kosa dia handova fiainana any amin’ny mandrakizay izay tsy azo an-tsaina ny voninahiny ary mampitolagaga ny hatsarany.

Ho andron’ny famindram-po sy ny fitiavana izany Andro Fitsarana izany—andro hanasitranana ny fo torotoro, fotoana hanoloana ny ranomason’alahelo amin’ny ranomasom-pankasitrahana, fotoana izay hanovana ny zavatra rehetra ho tsara.3

Eny, hisy alahelo lehibe noho ny fahotana. Eny, hisy ny fanenenana ary hisy toloko mihitsy aza noho ireo fahadisoantsika, ny hadalantsika, ary ny hamafisan-katotsika izay nahatonga antsika tsy nanana fahafahana hanana hoavy tsara lavitra kokoa.

Kanefa mahatoky aho fa tsy ho afa-po fotsiny amin’ny fitsaran’ Andriamanitra isika; fa ho talanjona sy ho difotry ny fahasoavany, ny famindram-pony, ny fahalalahan-tanany, ary ny fitiavany antsika zanany izay tsy manam-petra ihany koa. Raha tsara ny faniriantsika sy ny asantsika, raha mino Andriamanitra velona isika, dia afaka ny hiandrandra ilay antsoin’i Môrônia hoe: “ny toeram-pitsarana mahafinaritr’Ilay Jehovah Lehibe, ny Mpitsara Mandrakizay.”4

Pro Tanto Quid Retribuamus

Ry rahalahy sy anabaviko malala, ry namako malala, moa ve tsy mahatonga ny fontsika sy ny saintsika ho heniky ny hagagana sy ny fitalanjonana ny mandinika ny drafitry ny fahasambarana lehibe izay nomanin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana ho antsika? Moa ve isika tsy heniky fifaliana izay tsy hay tenenina noho ny fahalalana mikasika ilay hoavy be voninahitra izay nomanina ho an’ireo rehetra izay miandrandra ny Tompo?

Raha tsy mbola nahatsapa hagagana sy fifaliana toy izany mihitsy ianareo dia manasa anareo aho hikatsaka, handalina, ary hisaintsaina ireo fahamarinana tsotra nefa lalin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. “Aoka ny fahamasinan’ ny zavatry ny mandrakizay hitoetra ao an-tsainareo.”5 Aoka izany hijoro ho vavolombelona ho anareo momba ny drafitra masinin’ny famonjena.

Raha efa nahatsapa ireo zavatra ireo ianareo teo aloha dia manontany anareo aho anio hoe: “Tsapa[nareo] ve izany ankehitriny?”6

Vao haingana aho no nanana fahafahana nandeha tany Belfast, any Irlande du Nord. Fony aho tany dia tsikaritro ny mari-piandrianan’i Belfast, izay nahitana ny teny filamatra hoe “Pro tanto quid retribuamus,” na “Inona no homentsika ho setrin’ny zavatra marobe nomena antsika?”7

Manasa antsika tsirairay avy aho mba hieritreritra io fanontaniana io. Inona no tokony homentsika ho setrin’ny fahalalana sy ny fahamarinana mitobaka izay narotsak’ Andriamanitra teo amintsika?

Ny Ray malalantsika dia nangataka fotsiny ny hiainantsika araka ireo fahamarinana efa noraisintsika, sy ny hanarahantsika ny lalana izay nomeny. Noho izany dia aoka isika hanana herim-po sy hatoky ny fitarihan’ny Fanahy. Aoka isika hizara amin’ny mpiara-belona amintsika, amin’ny teny sy ny fihetsika ataontsika, ilay hafatra mahatalanjona sy mahatahotry drafitry ny fahasambaran’ Andriamanitra. Aoka ny antony manosika antsika hanao zavatra mba ho ny fitavantsika an’ Andriamanitra sy ireo zanany, satria izy ireo dia mpiray tampo amintsika. Izany no fiantombohan’ny zavatra azontsika atao ho setrin’ireo zavatra marobe nomena antsika.

Indray andro any “ny lohalika tsirairay dia hitsaoka ary ny lela tsirairay hiaiky eo anoloany” fa mahitsy ny lalan’ Andriamanitra ary tonga lafatra ny drafiny.8 Aoka mba ho androany izany andro izany ho anao sy ho ahy. Ndeha isika hanambara miaraka amin’i Jakôba fahiny hoe: “Ô Endrey ny halehiben’ ny drafitry ny Andriamanitsika!”9

Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany amin’ny fankasitrahana lalina ny Raintsika any An-danitra aho eto am-pametrahako ny tsodranoko ho anareo, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.