2010–2019
Fitsipika sy Fampanantenana
Ôktôbra 2016


Fitsipika sy Fampanantenana

Enga anie isika hikolokolo ny vatantsika sy ny saintsika amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fitsipika voalaza ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena, izay drafitra iray natolotr’ Andriamanitra.

Anio hariva aho ry rahalahy isany dia mivavaka mba ho tarihan’ny Raintsika any An-danitra raha hizara ny hafatro aminareo.

Tamin’ny 1833 ny Tompo dia nanambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith drafitra iray hananana fiainana ara-pahasalamana. Hita ao amin’ny fizarana faha-89 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana io drafitra io ary antsoina hoe ny Tenin’ny Fahendrena. Manome torolalana mazava izy io mikasika ny sakafo hohanintsika, ary mandrara ny fampiasana zavatra izay manimba ny vatantsika.

Ireo izay mankato ny didin’ny Tompo ary mitandrina amim-pahatokiana ny Tenin’ny Fahendrena dia ampanantenaina fitahiana manokana, anisan’izany ny fahasalamana sy tanjaka ara-batana bebe kokoa.1

Vao haingana aho no namaky ny fitantarana marina ny trangan-javatra iray miavaka mahakasika ireo fampanantenana ireo. Nisy mpikambana iray mahatoky tato amin’ny Fiangonana, i John A. Larsen, izay nanompo nandritra ny Ady Lehibe Faharoa tao amin’ny Fiambenana ny Sisintanin’i Etazonia teny ambonin’ilay sambo USS Cambria. Nandritra ny ady iray tany Philippines, dia tonga ny vaovao mikasika ny fanatonan’ny andiana fiaramanidina mpandatsaka baomba sy mpanao vy very ny ainy. Nomena ny baiko ny amin’ny tokony handaozana avy hatrany ny toby. Koa satria efa lasa ilay USS Cambria dia nanangona ny fitaovan’izy ireo i John sy ny namany anankitelo ary namonjy faingana ny moron-dranomasina, nanantena fa hisy hitatitra azy ireo ho any amin’ny iray tamin’ireo sambo izay hanainga. Soa ihany fa nisy lakana fitaterana naka azy ireo ary nandeha faingana namonjy ilay sambo farany izay handao ny eladrano. Ireo lehilahy teo ambonin’io sambo hanainga io, teo am-piezahana hitaona ny olona haingana araka izay tratra, dia sahirana teny antokotanin-tsambo ary tsy nanam-potoana afa-tsy ny handatsaka tady ho an’ireo efadahy ireo, mba hahafahan’izy ireo mianika ho eny ambony sambo.

I John, izay nanana fitaovana mavesatra fampitana feo nofatorana teo an-damosiny, dia nikirazorazo tamin’ny tady 12 metatra, teo amin’ny takiban’ny sambo iray izay efa manainga ho eny afovoan’ny ranomasina. Nanomboka nianika izy nampiakatra ny tenany, ka nampifandimbiasany naroso tsirairay ny tanany, sady nahafantatra fa raha votsotra ny tanany dia azo antoka fa ho faty tokoa izy. Raha mbola vao ny ampahatelon’ny lalana fotsiny no vitany dia tsapany fa godron’ny fanaintainana ireo sandriny. Valaka tanteraka izy ka nahatsiaro fa tsy hahavita hamikitra intsony.

Rehefa lany iny ny tanjak’i John, ka nandinika tamin’alahelo izay hiafarany izy, dia nitalaho mangina tamin’ Andriamanitra, niteny Taminy fa nitandrina hatrany ny Tenin’ny Fahendrena izy hatrizay ary nanana fitondrantena madio, ka ankehitriny izy dia mila mafy ireo fitahiana nampanantenaina.

Taty aoriana i John dia nilaza fa raha vao nahavita ilay vavaka nataony izy dia nahatsapa ho nahazo hery lehibe. Nanomboka nihanika indray izy ary dia nahavita nananika faingana ilay tady. Rehefa tonga teny amin’ny tokotanin-tsambo izy dia tsy nisefosefo akory ary tsy sempotra na dia kely aza. Nomena azy ireo fitahiana hanana fahasalamana sy angovo fanampiny, izay ampanantenaina ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena. Nanolotra fisaorana ho an’ny Rainy any An-danitra izy avy teo sy nandritra ny androm-piainany sisa noho ny valin’ilay vavaka ala-nenina farany nataony nangatahana fanampiana.2

Ry rahalahy isany, enga anie isika hikolokolo ny vatantsika sy ny saintsika amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fitsipika voalaza ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena, izay drafitra iray natolotr’ Andriamanitra. Amin’ny foko sy ny fanahiko manontolo no hijoroako ho vavolombelona mikasika ireo fitahiana feno voninahitra izay miandry antsika raha manao izany isika. Ny mba hahatanteraka izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’ilay Tompo sy Mpamonjintsika dia i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21.

  2. Jereo ny John A. Larsen, ao amin’ny Robert C. Freeman and Dennis A. Wright, comps. Saints at War: Experiences of Latter-day Saints in World War II (2001), 350–51; nampiasaina rehefa nahazoana lalana.