2010–2019
Ny fibebahana: Safidy mahafaly
Ôktôbra 2016


Ny fibebahana: Safidy mahafaly

Tsy hoe azo atao fotsiny ny fibebahana fa mahafaly ihany koa noho ny Mpamonjy antsika.

Ry rahalahy sy rahavavy malala, fony aho 12 dia nonina tany Göteborg, tanàna tany amin’ny morontsiraka tany atsimon’i Soeda ny fianakaviako. Ho fanondroana dia izany no tanàna niavian’ny mpiara-manompo amintsika malala, ny Loholona Per G. Malm,1, izay nodimandry tamin’ny fahavaratra lasa teo. Malahelo azy isika. Mankasitraka ny fahamendrehany sy ny fanompoany mendri-kaja ary ny ohatry ny fianakaviany izay tena mahafinaritra isika. Ary tena mivavaka tokoa isika ny mba hahazoan’izy ireo ny fitahian’ Andriamanitra tsara indrindra.

Dimapolo taona lasa izay dia niangona tamina trano lehibe nasiam-panavaozana iray izahay. Indray alahady, ny namako Steffan,2 ilay hany diakona iray hafa tao amin’ny sampana, dia nientanentana ery niarahaba ahy. Nankao amin’ilay faritra doborano mifanila amin’ny trano fiangonana izahay, ary navoakany avy tao am-paosiny ny tsipoapoaka be iray sy ny afokasoka maromaro. Mba hampisehoana fahasahiana dia nalaiko ilay tsipoapoaka ary narehitro ilay rambony lava sy miloko volon-davenona. Nikasa hamono ilay rambony alohan’ny hipoahan’izany aho. Saingy teo am-pamonoana azy dia may ny rantsan-tanako ka nalatsako ilay tsipoapoaka. Nihorohoro izaho sy i Steffan raha nahita fa mbola nitohy ny firehetan’ilay rambony.

Nipoaka ilay tsipoapoaka, ary rakitra setroka maimbo vanja ilay faritra doborano sy ilay trano fiangonana. Maika ery izahay nanangona ny sisa tavelan’ilay tsipoapoaka izay niparitadritaka ary nanokatra ireo varavarankely mba hivoahan’ny fofona, ka nanantena ihany fa tsisy hahatsikaritra. Soa ihany fa tsy nisy naratra ary tsy nisy zavatra simba.

Rehefa tonga tamin’ny fivoriana ny mpikambana dia nahatsikaritra ny fofona mahery. Sarotra ny tsy nahenoana izany. Nanelingelina ny fahamasinan’ilay fivoriana ilay fofona. Koa satria vitsy dia vitsy ny mpihazona Fisoronana Aharôna—ary tamin’ny fiezahana ny tsy fieritreretana ny zava-nitranga—dia nizara ny fanasan’ny Tompo aho, nefa tsy nahatsapa ho mendrika nandray izany. Rehefa natolotra tamiko ny fanasan’ny Tompo dia tsy noraisiko na ny mofo na ny rano. Tena ratsy ny fahatsapana nananako. Afa-baraka aho ary nahafantatra fa ny zavatra nataoko dia tsy nahafaly an’ Andriamanitra.

Taorian’ny fotoam-piangonana dia nangataka ahy mba ho avy ao amin’ny biraony ny filohan’ny sampana, i Frank Lindberg, lehilahy zokiolona fotsy volo izay nanana ny maha-izy azy. Rehefa tafapetraka aho dia nijery ahy tamin-katsaram-panahy izy ary nilaza fa nahatsikaritra ny tsy nandraisako ny fanasan’ny Tompo. Nanontany izy hoe nahoana. Nieritreritra aho fa fantany ny antony. Azoko antoka fa ny olon-drehetra dia nahafantatra ny zavatra nataoko. Rehefa avy notantaraiko taminy dia nanontaniany ahy ny zavatra tsapako. Teo am-pitomaniana dia nibadabada aho nilaza taminy fa niala tsiny ary nahafantatra fa nandiso fanantenana an’ Andriamanitra.

Nanokatra boky Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay efa tonta ny Filoha Lindbergh ary nangataka ahy mba hamaky andininy vitsivitsy voatsipika. Novakiako mafy izao manaraka izao:

“Indro, izay efa nibebaka tamin’ny fahotany, dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony.

“Izao no ahafantaranareo raha mibebaka amin’ny fahotany ny olona—indro hibaboka izany izy ary hahafoy izany.”3

Tsy ho hadinoiko na oviana na oviana ny tsiky feno fangorahana nasehon’ny Filoha Lindberg rehefa nitraka aho avy namaky. Tao anatin’ny fihetseham-po no nilaza tamiko izy fa afaka manohy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo aho. Rehefa nandao ny biraony aho dia nahatsapa fifaliana tsy hay lazaina.

Fifaliana toy izany no vokatra raiki-tampisaka iray ao an’ny fibebahana. Ny teny hoe mibebaka dia midika hoe “mahita avy eo” ary manondro “fiovana.”4 Amin’ny fiteny Soedoa dia omvänd, ilay teny, izay midika tsotra fotsiny hoe “mitodika.”5 I C. S. Lewis, ilay mpanoratra Kristianina, dia nanoratra momba ny ilana ny fiovana sy ny fomba hiovana. Nanoratra izy fa tafiditra ao amin’ny fibebahana ny hoe “tafaverina indray amin’ny lalana tokony ho izy. Ny zavatra tsy mety iray dia azo ahitsy,” hoy izy, “saingy tsy maintsy miverina ianao mandra-pahitanao ilay hadisoana ary manomboka avy amin’izay indray, fa tsy amin’ny fanohizana6 tsotra izao na oviana na oviana kosa.” Ny fanovana ny toe-tsaintsika sy ny miverina amin’ny “lalana tokony ho izy” dia ampahany ao amin’ny fibebahana, kanefa ampahany fotsiny ihany. Tafiditra ao amin’ny fibebahana marina ny mampitodika ny fontsika sy ny sitrapontsika amin’ Andriamanitra ary ny famoizana ny fahotana.7 Araka ny fanazavana ao amin’ny Ezekiela, ny fibebahana dia ny “miala amin’ny … fahotan[a], … sady manao izay marina sy mahitsy; … mamerina ny natao tsatòka, … [ary] mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka.”8

Na dia izany aza dia mbola famaritana tsy feno ihany izany. Tsy mamantatra araka ny tokony ho izy ilay hery izay mahatonga ny fahafahana mibebaka izany, dia ny sorompanavotan’ny Mpamonjy antsika. Ny fibebahana marina dia tsy maintsy ahitana ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, finoana fa afaka manova antsika Izy, finoana fa afaka mamela ny fahotantsika Izy, ary finoana fa hanampy antsika amin’ny tsy fanaovana fahadisoana hafa Izy. Izany karazana finoana izany no mampahomby ny fiasan’ny Sorompanavotana eo amin’ny fiainantsika. Rehefa “mahita [isika] avy eo” ary rehefa “mitodika” miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy, dia afaka mahatsapa fanantenana ny fampanantenana nomeny ary ny fifalian’ny famelan-keloka. Raha tsy eo ny Mpanavotra dia manjavona ny fanantenana sy fifaliana miaraka Aminy, ary ho fadiranovana fotsiny ny fibebahana. Fa rehefa mampihatra finoana Aminy kosa isika dia lasa miova fo amin’ny fahafahany sy ny fahavononany hamela heloka.

Ny Filoha Boyd K. Packer dia nanamafy ny fampanantenana maha-velon’aina hoentin’ny fibebahana tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2015 lasa teo. Nofariparitany ny hery manasitran’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny teny izay azo lazaiko hoe famintinana ny fahendrena azo tamin’ny fanompoana tamin’ny naha-apôstôly nandritra ny dimampolo taona. Hoy ny Filoha Packer: “Tsy mamela takaitra ny Sorompanavotana, tsy mamela marika. Izay amboariny dia voamboatra. … Manasitrana fotsiny izany, ary izay sitraniny dia mijanona ho sitrany.”9

Notohizany avy eo hoe:

“Tsy mitondra holatra ilay Sorompanavotana izay afaka mamonjy antsika indray. Midika izany hoe na inona na inona zavatra nataontsika, na taiza na taiza nisy antsika ary na nanao ahoana ny fitrangan’ny zavatra iray, rehefa tena mibebaka isika dia nampanantena [ny Mpamonjy] fa hanonitra. Ary rehefa nanonitra Izy dia voalamina ny momba izany. …

“… Ny Sorompanavotana … [dia] afaka manadio ny pentina rehetra na sarotra manao ahoana aza izany ary na naharitra manao ahoana ary na impiry na impiry niverimberenan’izany.”10

Tsy manam-petra ny sakany sy ny halalin’ny fiantefan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, ho anao sy ho ahy. Kanefa tsy ho terena amintsika na oviana na oviana izany. Araka ny nohazavain’ny Mpaminany Lehia, rehefa “ampy tokoa ny fahalalan’ny olona” mba “[hahalala] ny tsara amin’ny ratsy,”11 dia “afaka [isika] na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ Ilay Mpanalalana lehiben’ny olon-drehetra na hifidy ny fahababoana sy ny fahafatesana.”12 Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia safidy ny fibebahana.

Mety hanao—ary indraindray dia tena manao tokoa—safidy hafa isika. Ny sadidy toy izany dia mety tsy ho hita hoe ratsy foana, saingy manakana antsika mba hanana fo torotoro tokoa izy ireny ary noho izany, manakana ny fikatsahantsika fibebahana marina. Mety hisafidy ny hametraka ny tsiny eo amin’ny hafa ohatra isika. Fony aho 12 taona tany Göteborg, dia afaka napetrako teo amin’i Steffan ny tsiny. Izy mihitsy mantsy no nitondra ilay tsipoapoaka be sy ireo afokasoka tany am-piangonana. Fa ny fametrahana ny tsiny eo amin’ny hafa, na dia voamarina aza, dia mahatonga antsika hahita fialan-tsiny amin’ny fitondrantenantsika. Rehefa manao izany isika dia mandray ny hafa ho tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataontsika. Rehefa mandray ny hafa ho tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataontsika isika dia mampihena ny filantsika sy ny fahafahantsika manao zavatra. Lasa ataontsika indray hoe isika no voa sy mampalahelo, noho ny hoe olona afaka manao zavatra amim-pahaleovan-tena isika.13

Ny safidy anankiray hafa izay misakana ny fibebahana dia ny fanamaivanana ny fahadisoantsika. Tamin’ilay zava-nitranga momba ilay tsipoapoaka tany Göteborg dia tsy nisy naratra, tsy nisy fahapotehana naharitra, ary natao hatrany ny fivoriana. Mety ho mora no nilaza fa tsy nisy antony tokony nibebahana. Fa ny fanamaivanana ny fahadisoantsika, na dia tsy misy fiantraikany mivantana avy hatrany aza dia manaisotra ny fahazotoana hiova. Izany fomba fisainana izany dia manakana antsika amin’ny fahitana fa misy fiantraikany mandrakizay ny fahadisoantsika sy ny fahotantsika.

Fomba hafa koa ny mieritreritra fa ny fahotantsika dia tsy misy dikany satria tia antsika Andriamanitra, na inona na inona ataontsika. Fakam-panahy ny mino ny zavatra nampianarin’i Nehora ilay mpamitaka an’ireo olona tany Zarahemla: “[H]ovonjena ny olombelona rehetra amin’ny andro farany, ary tsy ilaina matahotra na mangovitra izy ireo … ary amin’ny farany, ny olon-drehetra dia hahazo ny fiainana mandrakizay.”14 Diso anefa izany fihevitra mamitaka izany. Tena tia antsika Andriamanitra. Kanefa misy dikany Aminy sy amintsika ny zavatra ataontsika. Efa nanome torolalana mazava Izy momba ny tokony ho fitondran-tenantsika. Antsointsika hoe didy izany. Ny fankasitrahany antsika sy ny fiainantsika mandrakizay dia miankina amin’ny fitondrantenantsika, anisan’izany ny fahavononantsika hikatsaka fibebahana tena izy amim-panetren-tena.15

Fanampin’izany dia tsy mahavita fibebahana tena izy isika rehefa misafidy ny mampisaraka an’ Andriamanitra amin’ireo didiny. Rehefa dinihana, raha tsy masina ny fanasan’ny Tompo dia tsy nanan-danja ny hoe nanelingelina ny fivoriana fanasan’ny Tompo tany Göteborg ny fofona tsipoapoaka. Mila mitandrina isika amin’ny tsy firaharahiana ny fitondran-tena feno fahotana amin’ny alalan’ny tsy fanomezana lanja ny maha-avy amin’ Andriamanitra ireo didiny. Ny fibebahana tena izy dia mitaky ny fanekena ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy sy ny fahamarinan’ny asany amin’ny andro farany.

Ndao isika hisafidy ny fibebahana fa tsy hanome fialan-tsiny. Amin’ny alalan’ny fibebahana dia afaka mahita izay tsy mety amin’ny fiainantsika, tahaka ilay zanaka adala ao amin’ilay fanoharana isika,16 ary misaintsaina ny lanja mandrakizain’ny zavatra ataontsika. Rehefa mahatakatra isika fa ny fahotantsika dia mety hisy fiantraikany amin’ny fahasambarantsika mandrakizay dia lasa tsy hoe mibebaka marina fotsiny isika fa miezaka ihany koa ny ho lasa tsaratsara kokoa. Rehefa miatrika fakam-panahy isika, dia hanontany tena kokoa araka ny voalazan’i William Shakespeare hoe:

Inona no tombontsoako raha azoko izay katsahiko?

Dia ny manofinofy, miaina, mahatsapa fifaliana indray miserana.

Hatakalo fahafinaretana indray mipi-maso ve ny fijaliana fito andro.

Na hatakalo kilalao ve ny fiainana mandrakizay?17

Raha tsy nibanjina ny fiainana mandrakizay intsony noho ny kilalao isika dia afaka misafidy ny hibebaka. Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia mbola manana fahafahana isika. Raha atao sariohatra dia afaka manakalo ilay kilalao izay novidiantsika tsy tamim-piheverana tany am-boalohany isika ary mandray indray ilay fanantenana ny mandrakizay. Araka ny nazavain’ny Mpamonjy hoe: “Fa indro, ny Tompo Mpanavotra anao dia niaritra fahafatesana tamin’ny nofo; koa niaretany ny fangirifirian’ny olon-drehetra, mba hahazoan’ny olon-drehetra mibebaka sy manatona Azy.”18

Afaka mamela heloka i Jesoa Kristy satria nanefa ny vidin’ny fahotantsika Izy.19

Misafidy ny hamela heloka Ilay Mpanavotra antsika noho ny fangorahany sy ny famindram-pony ary ny fitiavany tsy manan-tsahala.

Te hamela heloka ny Mpamonjintsika satria anisan’ny toetra amin’ny maha-Andriamanitra Azy izany.

Ary, amin’ny maha-Mpiandry ondry tsara Azy, dia feno fifaliana Izy rehefa misafidy ny hibebaka isika.20

Na dia rehefa mahatsapa alahelo araka an’ Andriamanitra noho ny zavatra nataontsika aza isika,21 rehefa misafidy ny hibebaka isika dia manasa eo no eo ny Mpamonjy ho ao amin’ny fiainantsika. Araka ny nampianarin’ny mpaminany Amioleka ny tokony, “handrosoanareo sy ny tsy hanamafisanareo ny fonareo intsony; fa indro, izao no fotoana sy andron’ny famonjena anareo; ary noho izany, raha mibebaka ianareo ary tsy manamafy ny fonareo, dia eo no eo no hahatanteraka aminareo ny drafitra lehiben’ny famonjena.”22 Afaka mahatsapa alahelo araka an’ Andriamanitra noho ny zavatra nataontsika isika no sady mahatsapa ny fifaliana ny fananana ny fanampian’ny Mpamonjy.

Ilay hoe afaka mibebaka isika no vaovao mahafalin’ny filazantsara!23 Azo “[fafana]” ny hadisoana.24 Afaka ny ho feno fifaliana, mandray ny famelana ny fahotantsika ary mahazo “fiadanan-tsaina” isika.25 Afaka miala ny fahatsapana hakiviana sy ny fanandevozan’ny fahotana. Afaka manana ilay fahazavan’ Andriamanitra mahagaga isika ary “tsy [h]anaintaina intsony ny fanahi[ntsika].”26 Tsy hoe azo atao fotsiny ny fibebahana fa mahafaly ihany koa noho ny Mpamonjy antsika. Mbola tsaroako hatrany ny zavatra tsapako tao amin’ilay biraon’ny filohan’ny sampana, taorian’ny zava-nitranga momba ilay tsipoapoaka. Fantatro fa navela ny heloko. Ny fahatsapana hadisoana dia nanjavona, ny toe-poko feno haizina dia nihanazava, ary nahatsapa ho maivamaivana ny foko.

Ry rahalahy sy rahavavy, eto am-pamaranana izao fihaonambe izao dia manasa anareo aho hahatsapa fifaliana bebe kokoa eo amin’ny fiainanareo: fifaliana noho ny fahafantarana fa tena misy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy; fifaliana noho ny fahafahana sy fahavononana ary fanirian’ny Mpamonjy mba hamela heloka; ary fifaliana amin’ny safidy mba hibebaka. Ndao isika hanaraka ilay torolalana mba ho “amin’ny fifaliana no hantsaka[ntsika] rano amin’ny loharanom-pamonjena.”27 Enga anie isika hisafidy ny mibebaka, miala amin’ny fahotantsika, ary mampitodika ny fontsika sy ny sitrapontsika ary manaraka ny Mpamonjy antsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy. Vavolombelona sy nandray imbetsaka ny fangorahany, ny famindram-pony ary ny fitiavany tsy manan-tsahala aho. Mivavaka aho ny mba hahazoanareo anio ireo fitahiana manavotry ny Sorompanavotana—ary ny hahazoanareo izany hatrany hatrany mandritra ny fiainanareo,28 tahaka ny nahazoako izany tamin’ny fiainako. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Ny Loholona Per Gösta Malm (1948–2016) dia Fitopololahy Manampahefana Ambony nanomboka tamin’ny taona 2010 ka hatramin’ny nahafatesany. Na dia teraka tany Jönköping, Soeda aza izy dia nipetraka tany Göteborg, Soeda izy sy i Agneta vadiny. Nandritra ny lahateny mahafinaritra tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2010 dia niresaka momba ny zavatra iray neritreretiny tany Göteborg ny Loholona Malm (jereo ny “Rest unto Your Souls,” Liahona, nôv. 2010, 101–2).

  2. Na dia tsy i Steffan aza no tena anaran’ilay namako dia nahazoana lalana ny fitantarana ilay tantara.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43.

  4. Ny teny Grika hoe metanoeo dia midika ara-bakiteny hoe “‘mahita avy eo’ (meta, ‘avy eo, ’ dia milaza ‘fiovana’; noeo, ‘mahita’; nous, ‘ny fisaina, hitoeran’ny fandinihana ara-pitondran-tena’)” (jereo ny James Strong, The New Strong’s Expanded Exhaustive Concordance of the Bible [2010], Greek dictionary section, 162).

  5. Ny handikako ny hoe omvänd. Om dia azo hadika hoe “any aoriana.” Vänd dia azo hadika hoe “mitodika.”

  6. C. S. Lewis, The Great Divorce (1946), 6. Ao amin’ny sasintenin’ny boky dia nanoratra i Lewis fa ny olona sasany dia niezaka nanambatra ny lanitra sy ny helo fa tsy nisafidy ny iray amin’ireo. Nilaza izy fa ny sasany amintsika dia mihevitra fa “ny fivoarana na ny fanitsiana na ny fanatsarana dia hampivadika ihany na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ny ratsy ho tsara. … Izany finoana izany izay raisiko ho fahadisoana goavam-be. … Tsy miaina ao amin’ny tontolo isika izay ahitana fa ny lalana rehetra dia mahitsy avokoa ao anaty faribolana iray, ary raha manohy mahitsy hatrany isika dia hanakaiky ary hahatratra ny ivon’ilay faribolana amin’ny farany. …

    “Tsy mieritreritra aho fa ireo rehetra izay misafidy lalan-diso dia ho faty; fa ny fanavotana azy ireo dia ny fametrahana azy ireo indray amin’ny lalana tokony ho izy. … Azo atao ny tsy fanaovana ny ratsy, fa tsy afaka ‘mivoatra’ mba ho tsara anefa izany. Ny fotoana dia tsy hanasitrana izany. Tsy maintsy atao tsikelikely ny tsy fanaovana ny ratsy … tsy misy fomba hafa” (5–6).

  7. Jereo ny Bible Dictionary, “Repentance.”

  8. Ezekiela 33:14–15.

  9. Ny fijoroana ho vavolombelon’ny Filoha Boyd K. Packer nandritra ny fivoriana natokana ho an’ny mpitarika izay nifandray tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2015 dia tsy navoaka tanteraka. Ireo teny ireo dia avy tamin’ny naoty noraisiko tamin’io fotoana io.

  10. Boyd K. Packer, “Ny drafitry ny fahasambarana,” Liahona, mey 2015, 28.

  11. 2 Nefia 2:5.

  12. 2 Nefia 2:27.

  13. Jereo ny 2 Nefia 2:26.

  14. Almà 1:4. Tsy nino ny fibebahana i Nehora sy ireo mpanaraka azy (jereo ny Almà 15:15).

  15. Jereo ny Russell M. Nelson, “Divine Love,” Liahona, feb. 2003, 12–17.

  16. Jereo ny Lioka 15:17; jereo koa ireo andininy 11–24.

  17. William Shakespeare, Le viol de Lucrèce, andalana 211–14.

  18. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11.

  19. Jereo ny Isaia 53:5.

  20. Jereo ny Lioka 15:4–7;Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–13.

  21. Tafiditra ao amin’ny fibebahana tena izy ny “alahelo araka an’ Andriamanitra” (2 Korintiana 7:10). Nampianatra ny Loholona M. Russell Ballard hoe: “Nanomana lalana hiverenana ho an’ireo izay nania ny Mpamonjy. Feno fanaintainana anefa izany. Tsy mora ny fibebahana; mitaky fotoana izany—fotoana feno fanaintainana!” (“Keeping Covenants,” Ensign, mey 1993, 7). Ny Loholona Richard G. Scott dia nampianatra ihany koa fa, “Indraindray ireo dingan’ny fibebahana dia sarotra sy feno fanaintainana amin’ny voalohany” (“Finding Forgiveness,” Ensign, mey 1995, 77). Raha toa ka tafiditra ao amin’ny dingan’ny fibebahana ny alahelo araka an’ Andriamanitra sy ny fanaintainana, ny vokatra hoentin’izany kosa dia fifaliana, rehefa tsapa ny namelana ny heloka.

  22. Almà 34:31; nampiana fanamafisana.

  23. Jereo ny Bible Dictionary, “Gospels.”

  24. Enôsa 1:6.

  25. Môsià 4:3.

  26. Môsià 27:29.

  27. Isaia 12:3.

  28. Jereo ny Môsià 26:29–30. Na dia mampanantena ny hamela heloka maimaimpoana aza Andriamanitra, ny minia manota sy ny fiandrandrana ny famindram-pon’ny Mpamonjy mba hahafahana manao fibebahana mora atao dia maharikoriko an’ Andriamanitra (jereo ny Hebreo 6:4–6; 10:26–27). Nilaza ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Ny vaovao mahafaly ho an’izay rehetra maniry ny hiala amin’ny vokatry ny safidy ratsy natao taloha dia ny hoe tsy mitovy ny fijerin’ny Tompo ny fahalemena sy ny fikomiana. Raha toa ny Tompo ka mampitandrina fa hitondra fanasaziana ny fikomiana tsy nibebahana, dia feno famindram-po mandrakariva kosa Izy rehefa miresaka mikasika ny fahalemena” (“Herin’ny tena manokana avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2013, 83).