2010–2019
Mitsangàna amin-kery ry rahavavy ao Ziona
Ôktôbra 2016


Mitsangàna amin-kery ry rahavavy ao Ziona

Mba ho mpitandrina fanekempihavanana niova fo dia mila mandalina ireo fotopampianarana manan-danja ao amin’ny filazantsara isika ary manana fijoroana ho vavolombelona mafy orina ny amin’ny fahamarinan’izany.

Faly tokoa aho tafavory miaraka amin’ny ankizivavy sy ny zatovovavy ary ny vehivavy lehibe ato amin’ny Fiangonana ato amin’ity Ivontoeran’ny Fihaonambe ity. Tena fantatray ihany koa fa misy vondron-drahavavy an’arivony mivory manerana izao tontolo izao mijery ireo fivoriana, ary feno fankasitrahana aho noho ny fahafahana sy ny fitaovana izay mamela antsika hiaraka amim-piraisankina sy hiray tanjona amin’ity takariva ity.

Tamin’ny ôktôbra 2006, ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nanao lahateny mitondra ny lohateny hoe “Mitsangàna ry lehilahin’ Andriamanitra,” ary notsoahina avy amin’ny fihirana iray nosoratana tamin’ny 1911 izany lohateny izany.1 Fiantsoana ireo lehilahy tao amin’ny Fiangonana mba handray andraikitra ka hijoro sy hivoatra izany. Nitamberina tato an-tsaiko izany lahateny izany rehefa nivavaka mba hamantatra izay hozaraiko aminareo aho.

Ry rahavavy, miaina ao anatin’ny “andro mahory”2 isika. Tsy tokony ho zavatra tsy ampoizina ho antsika ny toe-piainana amin’izao androntsika izao. Efa nambara mialoha an’arivo taonany mba ho fampitandremana sy toromarika izy ireo mba hahavonona antsika. Ny Môrmôna toko faha-8 dia manome famaritana marina tsara izay mahavery saina momba ireo toe-piainana amin’izao androntsika izao. Ao amin’io toko io i Môrônia dia milaza fa nahita ny androntsika, ary izany dia ahitana ady sy tabataban’ady, fahalotoana lehibe, vonoan’olona, fandrobana, ary olona hiteny amintsika fa tsy misy tsara na ratsy eo imason’ Andriamanitra. Namariparitra ireo olona feno avonavona sy sahiran-tsaina tamin’ny fanaovana fitafiana lafo vidy ary nihomehy ny fivavahana izy. Naseho azy ireo olona izay mifantoka be loatra amin’ny zavatr’izao tontolo izao ka mamela “ny noana sy ny sahirana, ary ny mitanjaka, ary ny marary sy ny ory handalo”3 azy ireo fotsiny amin’izao.

Nametraka fanontaniana mampandini-tena antsika i Môrônia—isika izay miaina amin’izao fotoana izao. Hoy izy: “Nahoana ianareo no menatra ny hitondra eo aminareo ny anaran’i Kristy?”4 Ity tsikera ity dia mamaritra tsara ny maha-ara-nofo hatrany hatrany ny tontolo misy antsika.

Ny Joseph Smith—Matio dia milaza fa amin’ny andro farany dia ho voafitaka na dia ireo “olom-boafidy araka ny fanekempihavanana”5 aza. Ireo ao anatin’ny fanekempihavanana dia ireo zazavavy, zatovovavy, ary rahavavy ao amin’ny Fiangonana izay natao batisa sy nanao fanekempihavanana tamin’ny Rainy any An-danitra. Na isika izao aza dia mety ho voafitaky ny fampianarana sandoka.

Ry rahavavy, tsy mino aho fa hihatsara ny toe-piainana amin’ny ho avy. Raha fitaovana hoenti-mamantatra izany ny fironana misy amin’izao fotoana izao dia mila miomana amin’ireo oram-baratra miandry antsika isika. Ho mora ny milavo lefona, saingy amin’ny maha-vahoakan’ny fanekempihavanana antsika dia tsy tokony ho kivy velively isika. Araka ny nolazain’ny Loholona Gary E. Stevenson hoe: “Ny fanoneran’ny Ray any An-danitra malala-tanana ny fiainana ao anatin’ny andro mahory dia ny hoe miaina ao anatin’ny fahafenoan’ny fotoana ihany koa isika.”6 Tiako ny fampiononana entin’io teny nambara io.

Herintaona lasa izay dia nilaza tamintsika ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Hitombo ireo fanafihana ny Fiangonana sy ny fotopampianarany ary ny fomba fiainantsika. Noho izany dia mila vehivavy izay manana fahatakarana mafy orina ny fotopampianaran’i Kristy sy hampiasa izany fahatakarana izany mba hampianarana sy hanampiana amin’ny fanabeazana taranaka mahatohitra ny fahotana isika. Mila vehivavy izay afaka mamantatra ny fitaka amin’ny endriny rehetra isika. Mila vehivavy izay mahalala ny fomba hahazoana ny hery izay omen’ Andriamanitra an’ireo mpitandrina fanekempihavanana sy maneho ny finoany amim-pahatokiana sy amim-pitiavana isika. Mila vehivavy izay manana ny risi-po sy ny fahitana nananan’i Eva renintsika isika.”7

Io hafatra io dia manome toky ahy fa na dia eo aza ny toe-piainana misy amin’izao androntsika izao dia manana antony maro hifaliana sy hanantenana zavatra tsara isika. Mino amin’ny foko rehetra aho fa isika rahavavy dia manana hery anaty sy finoana izay hamela antsika handresy ireo olana amin’ny fiainana amin’ny andro farany. Rahavavy Sheri Dew dia nanoratra hoe: “Mino aho fa raha vantany vao mampiasa ny fitaomana feno ananan’ny vehivavy niova fo sy mitandrina fanekempihavanana isika dia hiova haingana tokoa ny fanjakan’ Andriamanitra.”8

Hitaky ezaka an-tsitrapo ny fiovam-po sy ny fitandremana ny fanekempihavanantsika. Mba hanaovana izany dia tokony ho zazavavy sy vehivavy mandalina ireo fotopampianarana manan-danja ao amin’ny filazantsara isika ary manana fijoroana ho vavolombelona mafy orina ny amin’ny fahamarinan’izany. Misy sehatra telo izay inoako fa ifotoran’ny fijoroana ho vavolombelona mafy orina ary heveriko fa tena ilaina hampitombo ny fahatakarantsika.

Voalohany, mila miaiky ny maha-manan-danja an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany amin’ny finoantsika sy ny famonjena antsika isika. Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Mila mandalina sy mahatakatra ny Sorompanavotany sy ny fomba hampiharana izany isan’andro isika. Ny fibebahana dia iray amin’ireo fitahiana lehibe indrindra ananantsika mba hijanonantsika ao amin’ny lalan’ny fahamarinana. Mila mahita an’i Jesoa Kristy ho toy ny ohatra voalohany hotahafintsika sy ohatra maneho izay tokony hahatongavantsika isika. Mila mampianatra tsy tapaka ny fianakaviantsika sy ireo kilasintsika mikasika ny drafitra lehiben’ny famonjen’ny Raintsika isika, izay ahitana ny fotopampianaran’i Kristy.

Faharoa, mila mahatakatra ny ilàna ny famerenana amin’ny laoniny ny fotopampianarana sy ny rafitra ary ny fanalahidin’ny fahefana amin’izao andro farany izao isika. Mila manana fijoroana ho vavolombelona isika fa voafidin’ Andriamanitra sy voatendrin’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith mba hitondra ity famerenana amin’ny laoniny ity ary mila manaiky fa nandamina ny vehivavin’ny Fiangonana araka ny lamina izay efa nisy tao amin’ny Fiangonan’i Kristy fahiny izy.9

Ary fahatelo, mila mandalina sy mahatakatra ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly isika. Mitana toerana fototra ao anatin’ny zavatra sarobidy indrindra inoantsika ny tempoly, ary ny Tompo dia mangataka antsika mba hanatrika, hisaintsaina, handalina, ary hitady manokana ny lanjan’izany ho antsika manokana sy hampihatra izany. Ho lasa takatsika fa miseho eo amin’ny fiainantsika amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny tempoly ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra10 ary noho ireo ôrdônansin’ny tempoly dia afaka ny ho ampirongoana ny herin’ Andriamanitra isika ary ho eo amintsika ny Anarany, ny voninahiny hanodidina antsika, ary ny anjeliny hikarakara antsika.11 Manontany tena aho raha miantehitra tanteraka amin’ny herin’ireo fampanantenana ireo isika.

Ry rahavavy, na ny zandriny indrindra amin’ireo izay manatrika eto aza dia afaka mitsangana amim-pinoana ka mitana anjara asa manan-danja amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra. Manomboka mahazo fijoroana ho vavolombelona izay azy ireo manokana ny ankizy amin’ny alalan’ny famakiana sy ny fihainoana ny soratra masina, ny fivavahana isan’andro, ary ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo amin’ny fomba manan-danja. Afaka mamporisika ny hanaovana takarivan’ny mpianakavy sy mandray anjara feno ao anatin’izany ny ankizy rehetra sy ny zatovovavy. Afaka ho ianareo no mandohalika voalohany rehefa mivondrona mba hanao vavaky ny mpianakavy ny fianakavianareo. Na dia tsy lavorary aza ny tokantranonareo dia afaka ny hisy akony eo amin’ny fiainan’ny fianakavianareo sy ny namanareo ny ohatra asehonareo amin’ny fiainana amim-pahatokiana ny filazantsara.

Mila mahita ny tenany ho toy ny mpandray anjara manan-danja ao amin’ny asa famonjena tarihin’ny fisoronana ny zatovovavin’ny Fiangonana fa tsy ho toy ny mpitazana sy mpijery fotsiny ihany. Manana antso ianareo ary atokan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana mba ho mpitarika manana hery sy fahefana ato amin’ity asa ity. Rehefa milofo amin’ny antsonareo ao amin’ny fiadidian’ny kilasy sy miomana ara-panahy ianareo, rehefa miara-mikaon-doha, manolo-tanana mba hanompo ireo olona ao amin’ny kilasinareo, ary mifampianatra ny filazantsara, dia mandray ny toeranareo ato amin’ity asa ity, ary samy hotahiana ianareo sy ireo namanareo.

Mila mahita ny tenany ho toy ny mpandray anjara manan-danja ao amin’ny asan’ny fisoronana ny vehivavy rehetra. Ny vehivavy ato amin’ity Fiangonana ity dia filoha, mpanolotsaina, mpampianatra, mpikambana ao amin’ny filankevitra, rahavavy ary reny, ary tsy afaka mandeha tsara ny fanjakan’ Andriamanitra raha tsy mitsangana isika dia manatanteraka ny adidintsika amim-pinoana. Indraindray isika dia mila manana fahatakarana bebe kokoa noho izay azo heverina fotsiny.

Sary
Rahavavy Maldonado miaraka amin-drahavavy Oscarson

Vao haingana aho no nihaona tamin’ny rahavavy iray tao Mexique izay mahatakatra ny dikan’ny hoe milofo amin’ny antso amim-pinoana. Voantso hampianatra kilasin’ny Sekoly Alahady i Marffissa Maldonado telo taona lasa izay. Nanana mpianatra 7 nanatrika izy tamin’ny fotoana niantsoana azy, fa amin’izao izy dia manana mpianatra 20 manatrika tsy tapaka. Nanontaniako azy tamim-pahagagana ny zavatra nataony mba hahazoana fitomboan’isa toy izany. Nilaza tamim-panetrentena izy hoe: “Tsy izaho irery no nahatonga izany. Nanampy daholo ireo mpianatra tao an-dakilasy.” Niara-nahita ny anaran’ireo malaindaina tao anaty rejisitra izy ireo ka dia nanomboka niara-nandeha nivoaka sy nanasa azy ireo hiverina tao am-piangonana. Nahavita batisa olona iray ihany koa izy ireo noho ny ezaka nataony.

Sary
Kilasin’ny Sekoly Alahady ao Mexique

Rahavavy Maldonado dia nanokatra tranonkala amin’ny tambazotra ifaneraserana ho an’ireo mpianany fotsiny izay antsoina hoe “Zanaky ny Ray aho,” ary mamoaka vatsim-panahy sy soratra masina mitaona fanahy imbetsaka ao izy isan-kerinandro. Mandefa hafatra ho an’ny mpianany tsy tapaka izay ahitana zavatra hatao sy fampaherezana ho an’ireo mpianany izy. Tsapany fa zava-dehibe ny mifandray amin’ny fomba izay mifanaraka indrindra amin’izy ireo, dia mahomby ilay izy. Nilaza tamiko fotsiny izy hoe: “Tiako ny mpianatro.” Afaka nahatsapa izany fitiavana izany aho rehefa nitantara tamiko ny ezaka nataon’izy ireo izy, ary ny ohatra nasehony dia nampahatsiahy ahy ny zavatra azon’ny olona iray manam-pinoana sy tia manao asa tontosaina ato anatin’ity asa ity miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.

Mifanehitra amin’ny fanontaniana sarotra isan’andro ny zatovontsika, ary maro amintsika no manana havan-tiana izay sahirana mitavy valim-panontaniana. Ny vaovao mahafaly dia misy valiny ireo fanontaniana napetraka. Henoy ireo hafatra vao haingana avy amin’ireo mpitarika antsika. Amporisihina isika mba handalina sy hahatakatra ny drafitry ny fahasambaran’ny Raintsika any An-danitra. Nampahatsiahivina antsika ireo fitsipika ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana.12 Amporisihina isika mba hampianatra sy hampiasa ireo loharano ireo ho fitaovam-pandrefesana mba hihazona antsika ao amin’ny lalana ety sy tery.

Tokony ho herintaona lasa izay dia niresaka tamin’ny renin’ny ankizy madinika iray aho izay nanapa-kevitra ny hampiasa fomba voasaina tsara mba hiarovana ny zanany amin’ny fitaoman-dratsy maro mananontanona azy ireo ao amin’ny internet sy any am-pianarana. Misafidy lohahevitra iray isan-kerinandro izy, matetika izany no zavatra iray izay miteraka resabe ao amin’ny internet, ary manomboka manao resadresaka tena manan-danja izy mandritra ilay herinandro izay fotoana ahafahan’ny zanany mametraka fanontaniana sy ahafahany maka antoka fa manana fomba fijery voalanjalanja sy ara-drariny amin’ny olana izay matetika saro-bahana izy ireo. Ataony toerana azo antoka mba hametrahana fanontaniana sy hanomezana fampianarana manan-danja ara-pilazantsara ny tokantranony.

Manahy aho fa miaina ao anatin’ny tontolo izay misoroka ny fanafintohinana toy izany isika ka indraindray dia tsy mampianatra tanteraka ireo fitsipika marina. Tsy mampianatra ireo tovovavintsika isika fa ny fiomanana ho reny dia manan-danja lehibe tokoa satria tsy te hanafintohina ireo izay tsy manambady isika, na ireo tsy afaka manan-janaka, na matahotra ny hoheverin’ny olona fa mametra ireo safidy azo atao amin’ny ho avy. Etsy an-kilan’izay dia tsy mahavita manamafy ny lanjan’ny fianarana ihany koa isika satria tsy te hampita hafatra hoe manan-danja noho ny fanambadiana izany. Tsy manambara isika fa ny Raintsika any An-danitra dia mamaritra ny fanambadiana hoe eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray satria tsy te hanafintohina ireo izay miaina fifanintonana eo amin’ny lehilahy samy lehilahy na vehivavy samy vehivavy isika. Ary mety ho mahasadaikatra amintsika ny miresaka olana mikasika ny maha-lahy na ny maha-vavy na ny resaka ara-pananahana izay mahasoa.

Azo antoka ry rahavavy fa mila mampiasa fahatakarana ara-pihetseham-po isika, kanefa aoka ihany koa isika hampiasa ny fahaizantsika mandanjalanja tsara sy ny fahatakarantsika ny drafitry ny famonjena mba hanana fahasahiana sy tsy hiolakolaka rehefa hampianatra ny zanatsika sy ny zatovontsika ireo fitsipika manan-danjan’ny filazantsara tokony ho takatr’izy ireo mba hiriariavany ao anatin’ny tontolo izay iainany. Raha tsy mampianatra fotopampianarana marina an’ireo ankizintsika sy ireo zatovontsika isika—sy tsy mampianatra izany mazava tsara—dia hampianatra azy ireo ny laingan’i Satana izao tontolo izao.

Tiako ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary feno fankasitrahana mandrakizay aho noho ny fitarihana sy ny hery ary ny fanampiana isan’andro voaraiko noho izaho zanakavavin’ Andriamanitra. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompo dia efa nanome antsika vehivavy izay miaina ao anatin’izao andro mahory izao ny hery sy ny fanomezam-pahasoavana ary ny tanjaka rehetra izay ilaintsika mba hanampiana sy hanomanana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Tompo Fanindroany. Mivavaka aho mba hahita izay tena mety ho vitantsika isika rehetra sy hitsangana mba ho lasa vehivavin’ny finoana sy ny herimpo, izay tian’ny Raintsika any An-danitra hahatongavantsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.