2010–2019
Mizara ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny
Ôktôbra 2016


Mizara ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny

Ilay antsointsika hoe “asa fitoriana ataon’ny mpikambana” dia tsy fandaharan’asa fa toetra feno fitiavana sy fanoloran-tanana hanampiana ireo manodidina antsika.

I.

Rehefa nanakaiky ny fiafaran’ny asa fanompoany tety an-tany dia nandidy ny mpianany i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika hoe: “Mandehana ianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra” (Matio 28:19) ary “Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra” (Marka 16:15). Eo ambanin’ireo didy mba hitory ny filazantsara amin’ny olona rehetra ireo ny Kristianina rehetra. Maro no miantso izany hoe “Ilay iraka lehibe.”

Sary
Mampianatra antsika mba hitia ny Mpamonjy

Araka ny nofaritan’ny Loholona Neil. L. Andersen nandritra ny fivoriana maraina dia azo antoka fa anisan’ireo tena manolo-tena amin’izany andraikitra lehibe izany ny Olomasin’ny Andro Farany. Tokony, satria fantatsika fa tia ny zanany rehetra Andriamanitra ary namerina fahalalana sy hery manan-danja fanampiny Izy mba hitahiana antsika rehetra amin’izao andro farany izao. Nampianatra antsika ny Mpamonjy mba hitia ny rehetra toy ny rahalahintsika sy anabavintsika, ary manaja izany fampianarana izany isika amin’ny alalan’ny fizarana fijoroana ho vavolombelona sy hafatra momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny “any anivon’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra” (F&F 112:1). Ampahany manan-danja ao anatin’ny atao hoe Olomasin’ny Andro Farany izany. Raisintsika ho toy ny tombontsoa mahafinaritra izany. Inona moa no zavatra mahafinaritra kokoa noho ny mizara ireo fahamarinana mandrakizay amin’ireo zanak’ Andriamanitra?

Manana loharano maro izay tsy nananan’ireo taranaka teo aloha isika amin’izao fotoana izao mba hizarana ny filazantsara. Manana ny fahitalavitra, ny internet ary ireo vondron-tambazotra ifaneraserana isika. Manana hafatra manan-danja mba hampidirana ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny isika. Misongadina ny Fiangonana any amin’ny firenena maro. Manana misiônera izay mitombo isa tokoa isika. Saingy moa ve ampiasaintsika tsara daholo ireo loharano rehetra ireo mba hahazoana vokany? Mino aho fa hiteny hoe tsia ny ankamaroantsika. Maniry isika ny mba hahomby kokoa eo amin’ny fanatanterahana ilay andraikitra masina nampiandraiketina antsika mba hitory ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny manerana an’izao tontolo izao.

Misy hevitra tsara maro hizarana ny filazantsara izay hahomby any amina tsatòka na firenena manokana. Kanefa noho isika Fiangonana izay miely manerana an’izao tontolo izao dia te hilaza hevitra izay hahomby na aiza na aiza aho. Manomboka any amin’ny rantsana vao niorina izany ka hatrany amin’ireo izay niorina efa ela. Manomboka any amin’ireo kolontsaina izay mandray tsara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao izany ka hatrany amin’ireo kolontsaina sy firenena izay mihamanohitra ny fivavahana. Te hiresaka mikasika ireo hevitra izay azonareo ampiasaina amin’ny olona mbola tsy nandre mihitsy ny Anarany aho ary koa amin’ny olona izay mpino mahafoy tena an’i Jesoa Kristy, sy amin’ny olona izay afa-po amin’ny fiainany amin’izao fotoana izao ary koa amin’ny olona izay mikatsaka mafy ny hampivoatra ny tenany.

Inona no azoko lazaina izay tena hanampy eo amin’ny fizaranareo ny filazantsara na inona na inona toe-javatra iainanareo? Mila ny fanampian’ny mpikambana rehetra isika ary afaka manampy ny mpikambana rehetra satria maro ireo asa tokony hotanterahina rehefa mizara ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny any anivon’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra isika.

Sary
Mamporisika ny mpikambana sy ny misiônera mba hiara-hiasa ny Filoha Monson

Fantatsika rehetra fa zava-dehibe ny fandraisan’ny mpikambana anjara ao anatin’ny asa fitoriana mba hahatanterahan’ny fiovam-po sy ny fihazonana ny mpikambana. Ny Filoha Thomas S. Monson dia niteny hoe: “Izao no fotoana tokony hiarahan’ireo mpikambana sy ireo mpitory ny filazantsara mifanome tanana, miara-miasa … [ary] miasa ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo mba hitondrana fanahy ho eo Aminy. Nanomana ireo fitaovana Izy mba hoentintsika hizarana ny filazantsara amin’ny fomba maro, ary hanohana antsika Izy eo amin’ny asantsika raha toa ka miasa amim-pinoana isika hanatanterahana ny Asany.”1

Sary
Tsy hoe fanalahidy iray fotsiny ny asa fitoriana

Adidintsika sy tombontsoantsika amin’ny maha-Kristianina izany. Nampahatsiahy antsika ny Loholona Quentin L. Cook hoe: “Ny filazantsara dia tsy iray amin’ireo famantaram-peo miisa 88 eo amin’ny pianô fotsiny izay tendrena indraindray fa firindrampeo voalohany indrindra ao anatin’ny feonkira tena mampientanentana iray izany izay ilaina tendrena tsy tapaka mandritra ny fiainantsika raha tiantsika hirindra lalandava amin’ny fanolorantenantsika amin’ny maha-Kristianina sy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny tenantsika.”2

II.

Misy zavatra telo azon’ny mpikambana rehetra atao mba hizarana ny filazantsara na inona na inona toe-javatra misy eo amin’ny fiainany sy ny asany. Tokony hanao ireo zavatra rehetra ireo isika rehetra.

Voalohany, afaka mivavaka isika rehetra mba hanana faniriana hitondra fanampiana ao anatin’ity ampahany manan-danja ao amin’ny asa famonjena ity. Manomboka amin’ny faniriana ny ezaka atao rehetra.

Faharoa, afaka mitandrina ny didy ny tenantsika. Ny mpikambana mahatoky sy mankatò no vavolombelona tena mandresy lahatra momba ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Ary ny zavatra manan-danja kokoa aza, dia hanana mandrakariva ny Fanahin’ny Mpamonjy miaraka aminy izy ireo mba hitarika azy ireo rehefa mikatsaka ny handray anjara ao amin’ilay asa lehiben’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Fahatelo, afaka mivavaka mba hahazo fitaomam-panahy mikasika ny zavatra azontsika atao isika ao anatin’ireo toe-javatra iainantsika manokana mba hizarana ny filazantsara amin’ny hafa. Tsy mitovy amin’ny fanaovana vavaka ho an’ny misiônera na vavaka mikasika ny zavatra azon’ny hafa atao izany. Tokony hivavaka mikasika ny zavatra azontsika atao manokana isika . Rehefa mivavaka isika dia tokony hahatsiaro fa ny vavaka fangatahana karazana fitaomam-panahy tahaka izany dia hovaliana raha toa ka arahina fanoloran-tena— izay zavatra iray antsoin’ny soratra masina hoe “tena finiavana” na “finiavan’ny fo manontolo.” Mivavaha miaraka amin’ny fanoloran-tena handray andraikitra eo anatrehan’ny fitaomam-panahy voarainao, ka mampanantena ny Tompo fa raha taominy ianao hiresaka mikasika ny filazantsara amin’ny olona iray dia hanao izany ianao.

Mila ny fitarihan’ny Tompo isika satria na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona dia misy ny sasany vonona—ary ny sasany—tsy vonona handray ireo fahamarinana fanampiny momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Tsy tokony hamela velively ny tenantsika isika ho mpitsara hoe iza no vonona na tsy vonona. Fantatry ny Tompo ny ao am-pon’ny zanany rehetra ary raha mivavaka mba hahazo fitaomam-panahy isika dia hanampy antsika Izy hahita ireo olona izay fantany fa “efa voaomana handre ny teny” (Almà 32:6).

Manentana ny mpikambana sy ny fianakaviana rehetra ato amin’ny Fiangonana aho amin’ny maha-Apôstôlin’ny Tompo ahy mba hangataka ny Tompo hanampy azy ireo hahita ireo olona voaomana handray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Nanolotra ity torohevitra manan-danja ity ny Loholona M. Russell Ballard izay ekeko: “Matokia ny Tompo. Izy no ilay Mpiandry Tsara. Mahalala ny ondriny Izy. … Raha tsy mirotsaka an-tsehatra isika dia maro ireo olona tokony ho nandre ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny kanefa dia holalovana fotsiny. … Tsotra ihany ireo fitsipika—mivavaha, mitokana sy miaraka amin’ny fianakaviana, mba hanana fahafahana hitory ny filazantsara.”3 Rehefa mampiseho ny finoantsika isika dia tsy ho “an-katerena na … sarintsariny ny [fanararaotana ireo fotoana tsara ireo]. Handeha ho azy izany satria vokatr’ilay fitiavantsika ny rahalahintsika sy ny anabavintsika.”4

Fantatro fa marina izany. Ampiako ny fampanantenako koa izany fa hahazo fitarihana sy fitaomam-panahy ary hahita fifaliana lehibe isika ao anatin’ity asa fanehoam-pitiavana manan-danja mandrakizay ity miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo. Ho takatsika fa ny fomba hahazoana fahombiazana eo amin’ny fizarana ny filazantsara dia ny fanasana ny olona amim-pitiavana sy amin’ny finiavana marina mba hanampiana azy ireo na inona na inona havalin’izy ireo.

III.

Ireto misy zavatra hafa azontsika atao mba hizarana amim-pahombiazana ny filazantsara.

Sary
Mpikambana maka ho namana
Sary
Mpikambana mamangy
Sary
Mpitondra fiarakaretsaka tany amin’ny Lalao Olimpika tany Brésil
  1. Mila mahatsisaro isika fa “mianatra ny olona rehefa vonona ny hianatra izy ireo fa tsy rehefa vonona ny hampianatra azy ireo isika.”5 Ny zavatra mahaliana antsika, toy ireo fampianarana ara-potopampianarana ao amin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny, dia matetika tsy ireo zavatra izay mahaliana ny hafa. Mazana ny olona hafa mitady ny vokatry ny fotopampianarana fa tsy ny fotopampianarana. Rehefa mandinika na miaina ny vokatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny eo amin’ny fiainantsika izy ireo, dia mahatsapa ny Fanahy ary manomboka liana amin’ny fotopampianarana. Mety ho liana koa izy ireo rehefa mikatsaka fifaliana bebe kokoa na mikatsaka ny hanakaiky an’Andriamanitra na mikatsaka ny hahatakatra tsara kokoa ny tanjon’ny fiainana.6 Noho izany dia tsy maintsy mikatsaka amim-pitandremana sy ombam-bavaka saina mahay manavaka isika mahakasika ny fomba hanontaniana ny hafa ny antony mahaliana azy hianatra bebe kokoa. Hiankina amina zavatra maro izany, toy ny toe-javatra iainan’ny olona anankiray amin’izao fotoana izao sy ny fifandraisantsika aminy. Lohahevitra tsara resahina any amin’ny filankevitra sy ny kôlejy ary ny Fikambanana Ifanampiana izany.

  2. Rehefa miresaka amin’ny hafa isika dia mila mahatsiaro fa tsara kokoa ny fanasana mba hianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany noho ny fanasana mba hianatra bebe kokoa momba ny Fiangonantsika.7 Tiantsika ny olona hiova fo ao amin’ny filazantsara. Izay no anjara asa lehiben’ny Bokin’i Môrmôna. Tonga aorian’ny fiovam-po ao amin’i Jesoa Kristy ireo zavatra tsapa mikasika ny Fiangonantsika fa tsy mialoha izany. Maro anefa ny olona izay miahiahy amin’ireo fiangonana saingy manana fitiavana ny Mpamonjy. Izay tokony ho lohalaharana no ataovy aloha.

  3. Rehefa mikatsaka ny hampahafantatra ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny amin’ny olona isika dia tokony hanao izany amin-kitsimpo sy miaraka amin’ny fiahiana feno fitiavana an’ilay olona. Miseho izany rehefa miezaka manampy ny hafa amin’ireo olana hitany isika na rehefa miaraka miasa amin’izy ireo any amin’ireo hetsika fanaovana asa fanompoana eo anivon’ny fiarahamonina, toy ny fanamaivanana ny fahoriana, fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana na ny fampivoarana ny kalitaon’ny fiainan’ny hafa.

  4. Tsy tokony hijanona eo amin’ireo namana sy olona mifanerasera amintsika ny ezaka ataontsika eo amin’ny fizarana ny filazantsara. Nandritra ny Lalao Ôlimpika dia naheno mikasika ny mpamily fiarakaretsaka Olomasin’ny Andro Farany iray tany Rio de Janeiro izahay, izay nitondra Bokin’i Môrmôna tamin’ny fiteny fito samihafa ka dia nomeny izay te handray izany. Nomeny anarany hoe “misiônera mpamily fiarakaretsaka” ny tenany. Hoy izy hoe: “Ny araben’i Rio de Janeiro … no sahan’ny misiôna[ko].”8

    Nilaza i Clayton M. Christensen, izay manana traikefa mahavariana amin’ny maha-mpikambana manao asa fitoriana azy hoe: “Tao anatin’izay roapolo taona lasa izay dia hitanay fa tsy misy ifandraisany ny halalin’ny fifandraisana misy eo amin’ny olona sy ny mety ho fahalianan’ny olona iray hianatra mikasika ny filazantsara.”9

  5. Afaka mandrindra fivoriana fanasan’ny Tompo manokana iray ny episkôpan’ny paroasy ka amporisihina ny mpikambana mba hitondra olona liana. Tsy dia hilasalasa hitondra ireo olom-pantany any amin’ny fivoriana toy izany ny mpikambana satria hanana fahatokiana bebe kokoa izy ireo fa ho voalamina tsara ny votoatin’ilay fivoriana mba hampisy fahalianana sy hisoloana tena tsara ny Fiangonana.

  6. Misy fotoana tsara hafa maro hizarana ny filazantsara. Ohatra, tamin’ny fotoam-pahavaratra lasa teo dia naharay taratasy mahafinaritra avy amin’ny mpikambana vaovao iray aho izay nahafantatra mikasika ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny rehefa niantso azy an-tariby ny mpiara-mianatra taminy fahiny anankiray mba hanontany ilay aretina nahazo azy. Nanoratra izy hoe: “Nahavariana ahy ny fomba nampahafantarany ny tenany tamiko. Taorian’ny volana vitsivitsy nianarana tamin’ny misiônera dia natao batisa aho. Nivoatra ny fiainako nanomboka tamin’izay.”10 Mahafantatra olona maro isika rehetra izay hivoatra ny fiainany amin’ny alalan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Moa ve manolo-tanana azy ireo isika?

  7. Ny fahalianan’ireo tanora mpikambana ato amintsika amin’ny tambazotra ifaneraserana sy ny fahaizan’izy ireo mifehy izany dia manome azy ireo fahafahana miavaka hanolo-tanana mba hahatonga ny hafa ho liana amin’ny filazantsara. Rehefa namaritra ny fisehoan’ny Mpamonjy tamin’ny Nefita i Môrmôna dia nanoratra hoe: “Nampianariny sy notompoiny ny [zanaka] … , ary novahany ny lelany … ka dia afaka nanambara izy ireo” (3 Nefia 26:14). Ankehitriny mihevitra aho fa hilaza isika hoe: “[Nampiasain’izy ireo ny ankihibeny handefasana hafatra] ka dia afaka nanambara izy ireo.” Tanteraho izany ry tanora!

Sary
Mizara ny filazantsara amin’ny alalan’ny fandefasana hafatra

Tsy vesatra ny fizarana ny filazantsara fa fifaliana. Ilay antsointsika hoe “asa fitoriana ataon’ny mpikambana” dia tsy fandaharan’asa fa toetra feno fitiavana sy fanoloran-tanana hanampiana ireo manodidina antsika. Fotoana tsara koa izany hijoroana ho vavolombelona mikasika ny zavatra tsapantsika momba ny filazantsaran’ny Mpamonjy antsika naverina tamin’ny laoniny. Nampianatra ny Loholona Ballard hoe: “Ny porofo tena manan-danja maneho ny fiovam-pontsika sy ny zavatra tsapantsika mikasika ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika manokana dia ny fahavononantsika hizara izany amin’ny hafa.”11

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy aho izay Fahazavana sy Fiainan’izao tontolo izao (jereo ny 3 Nefia 11:11). Manazava ny lalantsika eto amin’ny fiainana an-tany ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Manome antsika toky ny amin’ny fisian’ny fiainana aorian’ny fahafatesana sy ny hery haharetana hatrany amin’ny tsy fahafatesana ny Sorompanavotany. Ary manome antsika fahafahana ho voavela amin’ny fahotantsika sy ho mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay izay “fanomezana lehibe indrindra amin’ireo fanomezan’ Andriamanitra rehetra” ny Sorompanavotana (F&F 14:7). Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Tongasoa eto amin’ny fihaonambe,” Liahona, nôv. 2013, 4.

  2. Quentin L. Cook, “How to Be a Member Missionary,” New Era, feb. 2015, 48.

  3. M. Russell Ballard, “Matokia an’i Jehovah,” Liahona, nôv. 2013, 44.

  4. M. Russell Ballard, “Matokia an’i Jehovah,” 44.

  5. Clayton M. Christensen, The Power of Everyday Missionaries (2012), 30.

  6. Jereo ny Christensen, Power of Everyday Missionaries, 26–27.

  7. Jereo ny Gary C. Lawrence, How Americans View Mormonism: Seven Steps to Improve Our Image (2008), 34–35.

  8. Jereo ny Ashley Kewish, “Cab Driver Hands Out Copies of Book of Mormon to Rio Visitors,”  8 aog. 2016, ksl.com.

  9. Christensen, Power of Everyday Missionaries, 21.

  10. Taratasy manokana,  21 aog. 2016.

  11. M. Russell Ballard, “Now Is the Time,” Liahona, jan. 2001, 89.