2010–2019
Mba hahatonga azy ho matanjaka ihany koa
Ôktôbra 2016


Mba hahatonga azy ho matanjaka ihany koa

Mivavaka aho mba ho tanterahintsika ny antsontsika hampitraka ny hafa mba hanomana azy ireo ho amin’ny asa fanompoany feno voninahitra.

Tsapako ho fitahiana ho ahy ny eto amin’ity fivoriana ity miaraka amin’ireo izay mihazona ny fisoronan’ Andriamanitra. Fahagagana amin’izao andro izao ny fanolorantena sy ny finoana ary ny fanompoana feno fahafoizan-tenan’ity fivondronan’ny lehilahy sy zatovolahy ity. Anio hariva aho dia hiresaka amin’ny mpihazona ny fisoronana, na lehibe na kely, izay miray hina amin’ny fanompoana tena avy ao am-po ho an’i Jesoa Kristy Tompo.

Ny Tompo dia manome ny heriny ho an’ireo izay ao amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana rehetra ka manompo am-pahamendrehana ao amin’ny andraikiny ao amin’ny fisoronana.

I Wilford Woodruff, tamin’ny naha-Filohan’ny Fiangonana azy, dia nilazalaza toy izao ny zavatra niainany tao amin’ireo anjara fanompoan’ny fisoronana:

“Nandre ny lahateny voalohany indrindra norenesiko tato amin’ity Fiangonana ity aho. Ny ampitson’iny aho dia natao batisa.… Natokana ho Mpampianatra aho. Nanomboka avy hatrany ny asa nanirahana ahy.… Namakivaky izany asa nanirahana ahy izany aho tamin’ny naha-Mpampianatra ahy.… Natokana ho Mpisorona aho tamin’ny fihaonambe.… Taorian’ny nanokanana ahy ho Mpisorona dia nalefa … hitory ny filazantsara tany amin’ny faritra atsimo aho. Tamin’ny fararanon’ny taona 1834 izany. Nisy misiônera iray niara-nitory tamiko, ary dia nanainga izahay, tsy nanana kitapom-bola na kitapom-batsy. Nandeha irery kilometatra maro aho dia nitory ny Filazantsara, ary nanao batisa olona maro izay tsy afaka nataoko ny fandraisana azy ireo ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana, satria aho Mpisorona fotsiny ihany.… Nandeha nitory ny Filazantsara elaela aho izay vao notendrena ho Loholona. …

“[Ankehitriny] efa ho efatra amby dimampolo taona no naha-mpikambana ahy ato amin’ny Apôstôly Roambinifolo. Izany no efa niainako ary mbola miampy kôlejy hafa nandritra ny enimpolo taona; ary tiako ny milaza amin’ireo izay mivory eto fa mitovy ny fanohanan’ny herin’ Andriamanitra ahy amin’ny maha-Apôstôly ahy sy ny fanohanany ahy fony tao amin’ny anjara fanompoan’ny Mpampianatra, indrindra rehefa niasa tao amin’ny tanimboaloboka aho fony Mpisorona. Tsy misy fahasamihafana amin’izany raha toa manao ny andraikitsika isika.”1

Fahafahana ara-panahy mahagaga izany tsy fisian’ny fahasamihafana izany ary izy io dia voafono ao amin’ny filazan’ny Tompo fa ny Fisoronana Aharôna dia “fanampiny” ho an’ny Fisoronana Melkizedeka.2 Ny teny hoe fanampiny dia midika fa mifandray izy roa ireo. Zava-dehibe io fifandraisana io mba hahatonga ny fisoronana ho lasa ilay hery sy fitahiana izay mety ahatongavany, amin’ity tontolo ity sy mandrakizay, satria izy io dia “tsisy fiandohan’andro na fiafaran-taona.”3

Tsotra ilay fifandraisana misy. Manomana ny zatovolahy ho amin’ny fitokisana masina kokoa ny Fisoronana Aharôna.

“Ny hery sy ny fahefan’ny fisoronana ambonimbony kokoa na ny Fisoronana Melkizedeka dia ny mihazona ny fanalahidin’ny fitahiana ara-panahy rehetra ao amin’ny fiangonana—

“Ny manana ny tombontsoa handray ny misterin’ny fanjakan’ny lanitra, ny hanana ny lanitra misokatra eo anoloany, ny miombona amin’ny fivoriana faobe sy ny fiangonan’ny Lahimatoa ary ny manana anjara amin’ny fiombonana sy ny fanatrehan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa, ilay mpanalalan’ny fanekempihavanana vaovao.”4

Olona iray ihany no mampihatra feno ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo amin’ny fotoana iray, dia ny Filoha sy mpisorona avo mpiahy ny Fiangonan’ny Tompo. Avy eo, amin’ny famindrampahefan’ny Filoha, ny lehilahy rehetra izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia afaka ny hahazo ny fahefana sy ny tombontsoa mba hiteny sy hanao asa amin’ny anaran’ny Tsitoha. Tsy misy fiafarany izany hery izany. Izy io dia mahakasika ny fiainana sy ny fahafatesana, ny fianakaviana sy ny Fiangonana, ny toetra lehiben’ Andriamanitra mihitsy sy ny asany mandrakizay.

Manomana ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna ny Tompo mba ho lasa loholona izay manompo amin’ny finoana sy ny hery ary ny fankasitrahana izany Fisoronana Melkizedeka feno voninahitra izany.

Ho an’ireo loholona, tena ilaina ny fankasitrahana lalina mba hanatanterahanareo ny anjaranareo amin’ny asa fanompoana feno ao amin’ny fisoronana. Hahatsiaro ny fotoana naha-diakona, na naha-mpampianatra, na naha-mpisorona anareo ianareo izay nanoloran’ireo mpihazona ny fisoronana ambonimbony kokoa tanana ho anareo mba hampitraka sy hampahery anareo amin’ny zavatra niainanareo tao amin’ny fisoronana.

Ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka rehetra dia manana fahatsiarovana tahaka izany, saingy mety nihena ny fahaiza-mankasitraka rehefa nandeha ny taona. Manantena aho fa hihavao indray izany fahatsapana izany ary miaraka amin’izany dia mba hisy fahavononana hanampy ireo rehetra azonareo ampiana tahaka ny efa nanampiana anareo taloha.

Tsaroako nisy eveka iray izay nandray ahy sahady ho toy ilay olona mety ahatongavako ao amin’ny herin’ny fisoronana. Niantso ahy izy indray alahady fony aho mpisorona. Nolazainy fa nila ahy izy mba ho namany amin’ny famangiana mpikambana vitsivitsy tao amin’ny paroasinay. Nataony ho toy ny hoe izaho no hany fanantenany mba hahazoany fahombiazana. Tsy nila ahy izy. Nanana mpanolotsaina tena tsara izy tao amin’ny episkôpà.

Namangy mpitondrantena mahantra sy noana izahay. Tiany hanampy azy hahakasika ny fon’ilay mpitondratena aho sy hamporisika azy io mba handamina ny fampiasambolany ary hampanantena azy fa azony atao ny mivoatra ka tsy vitan’ny hoe ho afaka hikarakara ny tenany izy fa ho afaka hanampy ny hafa ihany koa.

Avy eo izahay dia nandeha nankahery zazavavy kely anankiroa izay tao anaty toe-javatra manahirana. Rehefa nihanalavitra izahay, dia hoy ilay eveka tony dia tony tamiko: “Tsy ho hadinon’ireo ankizy ireo mihitsy hoe nankany aminy isika.”

Tao amin’ny trano manaraka no nahitako ny fomba hanasana lehilahy iray izay malaindaina mba hiverina ho any amin’ny Tompo amin’ny fandresena lahatra azy hoe mila azy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy.

Io eveka io dia mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka izay nanatsara ny fahitako ny tenako sy nankahery ahy tamin’ny fanomezana ohatra tsara. Nampianariny aho hanana ny hery sy ny zotompo mba handeha na aiza na aiza hanompo ny Tompo. Efa nandao efa ela izy ary nahazo ny valisoany, kanefa mbola mahatsiaro azy foana aho satria nanolo-tanana izy hampitraka ahy raha mbola mpihazona ny Fisoronana Aharôna tsy ampy traikefa aho. Reko taty aoriana fa izy dia nahita hoe nihazo ny lalana hahazoana andraikitra lehibe kokoa aho ao amin’ny fisoronana, izay tsy mbola takatro tamin’izany fotoana izany.

Nanao toy izany tamiko koa ny raiko. Mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka andrarezina sy feno fahendrena izy. Indray mandeha dia nangatahin’ny Apôstôly iray izy hanoratra lahatsoratra fohy mikasika ny porofo ara-tsiantifika ny amin’ny hoe firy taona no nisian’ny tany. Nosoratany tsara izany, ary fantany fa ny sasany izay mety hamaky an’izany dia nanana fahatsapana mahery vaika fa ny tany dia tanora lavitra noho izay lazain’ilay porofo ara-tsiantifika.

Mbola tsaroako foana ny raiko nanolotra ahy ny zavatra nosoratany ka niteny tamiko hoe: “Ry Hal, manana ny fahendrena ara-panahy ianao hahafantarana raha tokony handefa ity any amin’ny apôstôly sy mpaminany aho.” Tsy dia tadidiko loatra ny voalazan’ilay taratasy, kanefa hotsaroako mandrakizay ny fankasitrahana izay tsapako ho an’ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka mahafinaritra iray izay nahita fa tao amiko dia nisy fahendrena ara-panahy izay tsy afaka ny ho hitako.

Indray alina, taona maro taty aoriana, rehefa notendrena ho Apôstôly aho, dia niantso ahy ny mpaminanin’ Andriamanitra ary nangataka ahy hamaky zavatra iray izay nosoratana momba ny fotopampianaran’ny Fiangonana. Namaky ireo toko tao amin’ny boky iray izy nandritra ny alina. Hoy izy nihomehy: “Tsy afaka hamaky an’ity manontolo aho. Tsy tokony hiala sasatra ianao kanefa aho miasa.” Avy eo dia nampiasa ireo teny saika nitovy tamin’ny teny nampiasain’ny raiko taona maro lasa izy: “Ry Hal, ianao no tokony hamaky ity. Ho fantatrao raha mety ny mamoaka azy.”

Niseho izany endriky ny fampitrakana sy fankaherezana ataon’ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka izany indray alina tamin’ny hetsika iray momba ny kabary izay notohanan’ny Fiangonana. Nangatahina handray fitenenana teo imason’ny mpijery maro aho tamin’ny izaho 17 taona. Tsy fantatro mihitsy hoe inona no nandrasana tamiko. Tsy nomena lohahevitra aho, ka dia nanomana lahateny izay toa lasa lavitra noho ny zavatra fantatro momba ny filazantsara. Teo am-pitenenana aho dia nahita fa nanao hadisoana. Mbola tsaroako foana hoe taorian’ny nandraisako fitenenana dia nahatsapa tamim-pahakiviana ho tsy nahomby aho.

Ny Loholona Matthew Cowley tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no mpandahateny manaraka sy farany. Mpandahateny tena mahay izy—izay nankamamiana tokoa tao amin’ny Fiangonana. Mbola tsaroako aho nitraka nijery azy avy eo amin’ny sezako teo akaikin’ny polipitra.

Nanomboka tamin’ny feo mahery izy. Nolazainy fa ny lahateniko dia nahatonga azy hahatsapa hoe tao anaty fivoriambe tena miavaka izy. Nitsiky izy raha niteny izany. Nandao ahy ny fahatsapako hoe tsy nahomby aho ary narahin’ny fahatokiana izany fa indray andro aho dia ho lasa ilay olona toa eritreretiny hoe efa izaho.

Ny fahatsiarovana tamin’io alina io dia mbola mitarika ahy hihaino tsara rehefa misy mpihazona ny Fisoronana Aharôna mandray fitenenana. Noho ny zavatra nataon’ny Loholona Cowley ho ahy, dia miandrandra foana aho hoe handre ny tenin’ Andriamanitra. Indraindray aho diso fanantenana ary matetika dia talanjona, ka tsy mahatana ny fitsikiana aho tahaka ny nataon’ny Loholona Cowley.

Zavatra maro no mety hanampy amin’ny fankaherezana ireo rahalahy zandritsika mba hivoatra ao amin’ny fisoronana, kanefa tsy misy mahery vaika noho ny fanampiatsika azy ireo hampitombo ny finoany sy ny fahatokiany fa izy ireo dia afaka miantehitra amin’ny herin’ Andriamanitra amin’ny fanompoany ao amin’ny fisoronana.

Tsy hijanona ao amin’izy ireo izany finoana sy fahatokiana izany noho ny traikefa tokana monja izay nampaherezana azy, eny fa na avy amin’ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka faran’izay manankarem-pahasoavana indrindra aza izany. Ny fahafahana miantehitra amin’ireo hery ireo dia tokony ho kolokoloina amin’ny fanehoana fitokisana avy amin’ireo izay manana traikefa bebe kokoa ao amin’ny fisoronana.

Isan’andro, eny isan’ora mihitsy aza dia mila famporisihana sy fanitsiana avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna. Afaka ny ho azon’izy ireo izany rehefa misafidy ny ho mendrika izany izy ireo. Hiankina amin’ireo safidy izay hataony izany.

Izany no antony tokony hampianarantsika amin’ny fanehoana ohatra tsara sy amin’ny fijoroana ho vavolombelona fa marina ireo tenin’ny Mpanjaka Benjamina izay mpitarika lehibe ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka.5 Izany dia teny feno fitiavana nolazaina tamin’ny anaran’ny Tompo izay tompon’ity fisoronana ity. Nampianatra ny Mpanjaka Benjamina hoe inona no takiana amintsika mba hijanona hanana fahadiovana ampy mba handraisana ny famporisihana sy ny fanitsian’ny Tompo:

“Ary farany, izaho dia tsy afaka milaza aminareo ny zavatra rehetra izay mety hanotanareo; fa misy làlana sy fomba samihafa, be loatra aza ka tsy hitako hisaina izy ireny.

“Saingy izao ihany no azoko lazaina anareo, raha tsy mitandrina ny tenanareo sy ny eritreritrareo ary ny teninareo sy ny ataonareo ianareo, ary tsy mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy tsy mitozo amin’ny finoana an’izay efa renareo momba ny fiavian’ny Tompontsika ka ambara-pahatapitry ny ainareo, dia tsy maintsy ho faty ianareo. Ary ankehitriny, Rey olona ô, tsarovy, ary aoka tsy ho faty.”6

Isika rehetra dia mahafantatra ireo zana-tsipìka mirehitry ny fahavalon’ny fahamarinana izay alefa tahaka ny rivotra mahatsiravina hamely ireo mpihazona ny fisoronana tanora izay tiantsika tokoa. Amintsika izy ireo dia toy ny miaramilan-jatovo izay niantso ny tenany hoe zanak’i Helamàna. Afaka ny hijanona ho velon’aina izy ireo, tahaka ireo miaramila tanora ireo, raha toa mijanona ho voaro araka ny namporisihan’ny Mpanjaka Benjamina mba hataon’izy ireo.

Tsy nisalasala ireo zanak’i Helamàna. Niady tamin’ny risi-po izy ireo ary nivoaka ho mpandresy satria nino ny teny nolazain’ny reniny izy.7 Mahatakatra ny herin’ny finoan’ny reny iray feno fitiavana isika. Manome izany fanohanana lehibe izany ho an’ireo zananilahy ny reny ankehitriny. Isika mpihazona ny fisoronana dia afaka ary tokony hanampy izany fanohanana izany amin’ny fahavononantsika hanatanteraka ilay andraikitra hoe rehefa niova fo isika, dia tokony hanolo-tanana hampahery ireo rahalahintsika.8

Mivavaka aho mba haneken’ny mpihazona ny fisoronana Melkizedeka rehetra ilay fahafahana atolotry ny Tompo manao hoe:

“Ary raha misy olona matanjaka ao amin’ny Fanahy eo anivonareo, dia aoka izy haka izay malemy hiaraka aminy, mba hahazoana mampiorina azy ao amin’ny fandeferana tanteraka ka hahatonga azy ho matanjaka ihany koa.

“Koa alao hiaraka aminareo ireo izay voatokana ho amin’ny fisoronana ambany, ary iraho eo alohanareo ireo hamotoana sy hanomana ny lalana ary hanatontosa ny raharaha izay tsy arakareo.

“Indro izany no fomba izay nanorenan’ireo apostoliko tamin’ny andro fahiny ho Ahy ny fiangonako.”9

Ianareo mpihazona ny fisoronana sy rain’ireo mpihazona ny fisoronana Aharôna dia afaka manao fahagagana. Afaka manampy ny Tompo hanatevin-daharana an’ireo loholona mahatoky ianareo miaraka amin’ireo zatovolahy izay manaiky ilay antso hitory ny filazantsara sy manao izany amim-pahatokiana. Hahita ianareo fa ireo maro izay nampitrakainareo sy nampaherezinareo dia hijanona ho mahatoky, hanambady am-pahamendrehana any amin’ny tempoly ary hampitraka sy hanomana ny hafa indray koa.

Tsy mila fandaharan’ny fiaraha-mientana vaovao izany, tsy mila fitaovana enti-mampianatra nohavaozina, na tambazotra ifaneraserana tsaratsara kokoa. Tsy hitaky antso ankoatra izay efa anananao ankehitriny izany. Ny fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana dia manome anao hery sy fahefana ary fitarihana. Mivavaka aho mba handeha hody ianareo ary handalina tsara ny fianianana sy ny fanekempihavananan’ny fisoronana, izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 84.

Isika rehetra dia manantena fa hiampy ny zatovolahy hiaina traikefa mitovy amin’i Wilford Woodruff, izay, tamin’izy mpihazona ny Fisoronana Aharôna dia nampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny hery mitondra fiovam-po.

Mivavaka aho mba ho tanterahintsika ny antsontsika hampitraka ny hafa mba hanomana azy ireo ho amin’ny asa fanompoany feno voninahitra. Isaorako eram-po ireo olona mahafinaritra izay nampitraka ahy sy nampiseho ahy ny fomba hitiavana sy hampitrakana ny hafa.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Filoha Thomas S. Monson dia mihazona ny fanalahidy rehetran’ny fisoronana ety an-tany amin’izao fotoana izao. Mijoro ho vavolombelona aho fa izy, tanatin’ny fanompoana nandritra ny androm-piainany, dia ohatra ho antsika rehetra amin’ny fanoloran-tanana mba hampitrakana ny hafa amin’ny maha-mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka azy. Feno fankasitrahana ny tenako manokana noho ny fomba izay nampitrakany ahy sy nampisehoany ahy ny fomba hampitrakana ny hafa.

Velona Andriamanitra Ray.Jesoa no Kristy. Ity no Fiangonany sy fanjakany. Ity no fisoronany. Fantatro amin’ny tenako manokana izany amin’ny herin’ny Fanahy Masina. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo, amena.