2010–2019
Ireo fitahiana entin’ny fitsaohana
Ôktôbra 2016


Ireo fitahiana entin’ny fitsaohana

Ny fitsaohana dia tena manan-danja ary ivon’ny fiainantsika ara-panahy. Zavatra tokony hiriantsika mafy sy katsahantsika ary ezahantsika hiainana.

Ny Fitsidihany

Anisan’ny traikefa miavaka sy feno fitiavana indrindra voarakitra ao amin’ny soratra masina ny fitantarana ny fitsidihan’ny Mpamonjy an’ireo mponina tany Amerika taorian’ny nahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Nisedra faharavana goavana tokoa ny vahoaka ka nahatonga “ny lafin’ny tany manontolo [nanjary nihasimba]”1 Ny firaketana ireo zava-nitranga ireo dia mitantara fa taorian’ilay loza dia nitomany tsy tapaka ny vahoaka rehetra,2 ary teo anivon’ny fahorian’izy ireo lalina dia nangetaheta fanasitranana sy fiadanana ary fanafahana izy ireo.

Rehefa nidina avy tany an-danitra ny Mpamonjy dia indroa niankohoka teo an-tongony ny vahoaka. Ny voalohany dia nitranga taorian’ny ny nanononany tamim-pahefana avy tamin’ Andriamanitra hoe:

“Indro, Izaho no Jesoa Kristy izay nambaran’ ny mpaminany fa ho avy eo amin’izao tontolo izao.

“Ary indro, Izaho no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao.”3

Avy teo Izy dia nanasa ireo izay nanatrika teo hoe “mitsangàna ary mankanesa aty Amiko, hahazoanareo mitehika ny lanivoako amin’ny tananareo, ary koa mba hahazoanareo mitsapa ny diam-pantsika amin’ny tanako sy amin’ny tongotro mba hahafantaranareo fa Izaho no Andriamanitr’i Isiraely sy Andriamanitry ny tany manontolo, ary efa novonoina noho ny fahotan’izao tontolo izao. …

“Ary nony efa nandroso izy rehetra ary efa nijoro ho vavolombelona ho an’ny tenany, dia niantso tamin’ny feo tokana izy ireo, nanao hoe:

“Hosana! Hotahiana anie ny anaran’ Andriamanitra Avo indrindra!”4

Ary avy teo, dia “lavo teo an-tongotr’i Jesoa …” fanindroany “… izy ireo.” Saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia nisy tanjona, satria fa hitantsika fa “nitsaoka Azy”5 izy ireo

Amin’izao androntsika izao

Tany am-piandohan’ity taona ity aho dia voatendry hitsidika tsatòka iray tany amin’ny faritra andrefan’i Etazonia. Alahady toy ny fahita mahazatra tamin’izay, fivoriana toy ny fahita mahazatra, nahitana mpikamban’ny Fiangonana toy ny mahazatra. Nodinihako ireo olona niditra tao amin’ny efitrano fivavahana ary namonjy tamim-panajana ireo toerana mbola nalalaka. Nanako tao an-dalantsara ireo bitsika faramparany. Nanandrana nampangiana ireo zaza pelipelika ireo ray aman-dreny. Efa mahazatra.

Saingy avy teo, talohan’ny nanombohan’ny fivoriana, dia teny nentanin’ny Fanahy no tonga tato an-tsaiko.

Tsy ny hanatanteraka adidy na hihaino mpanao lahateny fotsiny no nahatongavan’ireto mpikambana ireto.

Antony lalina kokoa sy manan-danja lavitra kokoa no nahatongavan’izy ireo.

Tonga hitsaoka izy ireo.

Rehefa nandroso ny fivoriana dia nahatsikaritra mpikambana isan-karazany aho teo amin’ireo mpanatrika. Nanana endrika saika tahaka ny hoe avy any an-danitra izy ireo, toe-panahy feno fanehoam-panajana sy fiadanana. Nisy zavatra nanohina ny foko teo amin’izy ireo. Ny zavatra niainan’izy ireo tamin’io alahady io dia zavatra tena niavaka.

Nitsaoka izy ireo.

Niaina ny lanitra izy ireo.

Hitako teo amin’ny endrik’izy ireo izany.

Ka dia niara-nifaly sy nitsaoka tamin’izy ireo aho. Ary teo amim-panaovako izany dia niteny tamin’ny foko ny Fanahy. Ary tamin’io andro io aho dia nianatra zavatra mikasika ny tenako, sy mikasika an’ Andriamanitra ary mikasika ny anjara-toeran’ny tena fitsaohana marina eo amin’ny fiainantsika.

Fitsaohana eo amin’ny fiainantsika andavanandro

Tena miavaka ireo Olomasin’ny andro farany raha resaka fanompoana eo amin’ny fanaovana antso ao am-piangonana. Saingy indraindray isika dia mety manatanteraka ny asantsika toy ny fahazarana fotsiny, toy ny hoe asa fotsiny no ataontsika. Indraindray ny fanatrehantsika ireo fivoriana sy ny asa fanompoana ataontsika ato amin’ny fanjakana dia mety tsy ampy an’ilay ampahany masina, dia ny fitsaohana. Ary raha tsy misy an’io dia manary fahafahana tsy manam-paharoa hihaonana ara-panahy amin’ilay mandrakizay isika, fahafahana izay tokony ho ananantsika amin’ny maha zanaky ny Ray any An-dranitra iray be fitiavana antsika.

Ny fitsaohana dia tsy zava-mitranga kisendrasendra noho ny vintana, fa tena zava-dehibe sy ivon’ny fiainantsika ara-panahy. Zavatra tokony iriantsika mafy sy hokatsahantsika ary hoezahintsika hiainana izy io.

Inona no atao hoe fitsaohana?

Rehefa mitsaoka an’ Andriamanitra isika dia manatona Azy amin’ny fitiavana sy fanetrentena ary fiderana feno fanehoam-panajana. Miaiky isika ary manaiky Azy ho Mpanjakantsika mahefa, ilay Mpahary an’izao rehetra izao, Raintsika malala ary feno fitiavana tsy manam-petra.

Hajaintsika sy omentsika voninahitra Izy.

Mampanoa ny tenantsika Aminy isika.

Manandratra ny fontsika isika amin’ny vavaka feno hafanam-po, mankamamy ny teniny, mifaly amin’ny fahasoavany, ary manolotena hanara-dia Azy omban’ny fahatokiana mahafatrapo.

Tena ampahany manan-danja tokoa eo amin’ny fiainan’ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy ny fitsaohana an’ Andriamanitra ka raha tsy haintsika ny mandray Azy ao am-pontsika, dia zava-poana ny fikatsahantsika Azy any amin’ireo filankevitra ataontsika sy any am-piangonana ary any amin’ny tempoly.

Ireo tena mpianatra marina dia voasarika “[h]idera Azy izay nanao ny lanitra sy ny tany, ary ny ranomasina sy ireo loharanon’ny rano—hiantso andro aman’ alina ny anaran’ny Tompo.”6

Afaka mianatra betsaka mikasika ny tena fitsaohana marina isika amin’ny alalan’ny fandinihana ny fomba fihatrehana sy fihetsika ary fitsaohan’ny hafa eo anatrehan’ Andriamanitra, ny hafa izay angamba tsy dia samihafa amintsika loatra.

Fitalanjonana sy Fankasitrahana ary Fanantenana

Tamin’ny ampahany voalohany tamin’ny taonjato faha 19 dia efa saika nafoin’ny tontolo Kristianina ilay hevitra hoe mbola miresaka amin’ny olombelona Andriamanitra. Saingy tamin’ny lohataonan’ny taona 1820 dia niova mandrakizay izany rehefa nisy zazalahy tantsaha iray feno fanetrentena niditra tao anaty ala-kely iray ary nandohalika hivavaka. Nanomboka tamin’io andro io dia fahitana niavaka sy fanambarana ary fisehoan’iraka avy any an-danitra maro nifanjohy no nanenika ny tany ka nanafy ny mponina tamin’ny fahalalana sarobidy mahakasika ny toetoetran’ Andriamanitra sy ny tanjony ary ny fifandraisany amin’ny olombelona.

Izany vaninandro izany dia nofaritan’i Oliver Cowdery hoe andro “tsy hohadinoina na oviana na oviana. … Akory ny fifaliana! Akory ny hagagana! Akory ny fitalanjonana!”7

Ireo tenin’i Oliver dia mampita ireo singa voalohany izay miaraka amin’ny tena fitsaohana marina an’ Andriamanitra—fahaizana maneho fitalanjonana lehibe sy fanatipisaorana lalina.

Isan’andro, fa indrindra indrindra ny andro Sabata, dia manana fahafahana miavaka isika hiaina ny fahagagana sy ny fitalanjonana avy any an-danitra ary hanolotra ny fiderantsika an’ Andriamanitra noho ny fahasoavany masina sy ny famindram-pony mitobaka.

Izany no mitarika antsika hanantena. Ireo no singa voalohany amin’ny fitsaohana.

Fahazavana sy Fahalalana ary Finoana

Tamin’ny andro soan’ny Pentekosta, dia niditra tao am-po sy tao an-tsain’ireo mpianatr’i Kristy ny Fanahy Masina, ka dia heniky ny fahazavana sy ny fahalalana izy ireo.

Hatramin’io andro io aloha izy ireo dia indraindray mbola tsy nahazo antoka izay tokony hataon’izy ireo. I Jerosalema dia lasa toerana nampidi-doza ho an’ny mpanara-dia an’ny Mpamonjy, ary dia tsy maintsy nanontany tena izy ireo mikasika izay hanjo azy ireo.

Saingy rehefa nanenika ny fon’izy ireo ny Fanahy Masina dia nanjavona ny ahiahy sy ny tsy fahavononana. Tamin’ny alalan’ny traikefa miavaka niainana fitsaohana marina no nandraisan’ireo Olomasin’ Andriamanitra fahazavana sy fahalalana avy any an-danitra, ary fijoroana ho vavolombelona natanjaka kokoa. Ary izany no nitondra tamin’ny finoana.

Nanomboka tamin’io andro io, ireo Apôstôly sy ireo olomasina dia tapa-kevitra mafy ny hahatratra ny tanjon’izy ireo. Tamim-pahasahiana no nitorian’izy ireo an’i Kristy Jesoa tamin’ny tany manontolo.

Rehefa mitsaoka ara-panahy isika dia manasa fahazavana sy fahalalana hiditra ao amin’ny fanahintsika, ka hanatanjaka ny finoantsika. Ireo ihany koa dia singa ilaina ao amin’ny tena fitsaohana marina.

Ny maha mpianatra sy ny fiantrana

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika no mianatra fa nanomboka tamin’ny fotoana nanafahana an’i Almà Zanany tsy hijaly intsony noho ny fiantraikan’ny fikomian’ny tenany ihany, dia tsy toy ny taloha intsony izy. Nanam-pahasahiana izy “nandeha eran’ ny tan[y] … manontolo, tany anivon’ ny vahoaka rehetra …, … , niezaka tamin’ ny faharisihana tokoa hanarina ny fanimbana rehetra izay efa nataony tamin’ ny fiangonana.”8

Ny fitsaohany tsy tapaka an’ Andriamanitra Tsitoha dia naka endrika fanarahan-dia feno fahavitrihana.

Ny tena fitsaohana marina dia manova antsika ho lasa mpianatra mahitsy fo sy entitra an’ilay Mpampianatra sy Mpamonjy malalantsika, dia i Jesoa Kristy. Miova isika ka lasa mitovy kokoa Aminy.

Lasa mora mahatakatra kokoa isika ary tia mikarakara kokoa. Mora mamela heloka kokoa. Be fitiavana kokoa.

Takatsika fa tsy azo heverina ny hilazana hoe tia an’ Andriamanitra isika nefa etsy ankilany sady mankahala na tsy te hieritreritra na tsy miraharaha ny hafa manodidina antsika.9

Ny tena fitsaohana marina dia mitondra mankany amin’ny fahatapahan-kevitra tsy miozongozona handeha amin’ny lalan’ny maha-mpianatra. Ary izany no tsy maintsy mitondra mankany amin’ny fiantrana. Izy roa ireo no singa tsy maintsy ilaina ao amin’ny fitsaohana.

Miditra eo amin’ny vavahadiny miaraka amin’ny fanati-pisaorana

Rehefa mamerina mieritreritra mikasika ilay niantomboka tamina alahady maraina toy ny fahita mahazatra aho, tao amin’io trano fivavahana toy ny fahita mahazatra io, tao amin’io tsatòka toy ny fahita mahazatra io aho, dia na mandraka ankehitriny aza dia entanin’io traikefa ara-panahy miavaka io aho izay hitahy ny fiainako mandrakizay.

Nianatra aho fa na dia faran’izay mahay mitantana ny fotoanantsika sy ny antsontsika ary ny asa ampandraiketana antsika aza isika, na dia vitantsika avokoa aza ireo zavatra rehetra takiana eo amin’ny lisitra ahatongavana ho olona na fianakaviana na mpitarika “tonga lafatra,” raha tsy vitantsika ny mitsaoka ilay Mpanafaka antsika feno famindram-po, sy Mpanjakantsika any an-danitra ary Andriamanitsika feno voninahitra, dia tsy azontsika ny ankamaroan’ny fifaliana sy fiadanana entin’ny filazantsara.

Rehefa mitsaoka an’ Andriamanitra isika dia manaiky sy mandray Azy miaraka amin’ny fanehoam-panajana mitovy amin’izay nasehon’ireo mponina tany Amerika fahiny. Manatona Azy isika amin’ny fahatsapana fahagagana sy fitalanjonana tsy hay takarina. Mitalanjona amim-pankasitrahana noho ny hatsara-pon’ Andriamanitra. Ary dia tahaka izany no ahazoantsika fanantenana.

Mandalina ny tenin’ Andriamanitra isika, ary dia fenoin’izany fahazavana sy fahamarinana izany ny fanahintsika. Mahatakatra fahitana ara-panahy isika, izay tsy mety hita raha tsy tsilovin’ny Fanahy Masina.10 Ary dia tahaka izany no hahazoantsika finoana.

Rehefa mitsaoka isika dia voadio ny fanahintsika ary manolotena isika hanaraka ny ohatr’ilay Mpamonjy malalantsika, dia i Jesoa Kristy. Ary noho io fanapahan-kevitra io no hahazoantsika fiantrana.

Rehefa mitsaoka isika, dia mitodika amim-piderana amin’ilay Andriamanitra malalantsika ny fontsika, na maraina, na antoandro, na hariva.

Manamasina sy manome voninahitra Azy tsy tapaka isika, any amin’ny tranofiangonantsika, sy tokatranontsika, sy tempolintsika ary amin’ny asa rehetra ataontsika.

Rehefa mitsaoka isika dia manokatra ny fontsika ho amin’ny hery manasitran’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Ny fiainantsika no lasa mariky ny fanehoantsika ny fitsaohantsika.

Ry rahalahy sy anabaviko isany, ny traikefa ara-panahy dia tsy dia misy hidirany loatra amin’izay mitranga manodidina antsika fa miankina betsaka kosa amin’ny ny zavatra mitranga ao anatin’ny fontsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny tena fitsaohana marina dia hanova ireo fivoriam-piangonana fahita mahazatra ho lasa hanim-pitoloha ara-panahy tena miavaka. Hanatsara ny fiainantsika izany, sy hampivelatra ny fahatakarantsika ary hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Fa raha mampanatona ny fontsika amin’ Andriamanitra isika, tahaka ilay mpanao salamo fahiny, dia “midi[tra] eo amin’ny vavahadiny amin’ny fisaorana, ary eo an-kianjany amin’ny fiderana: misao[tra] Azy [isika] ary mankalaz[a] ny anarany.

“Fa tsara Jehovah; mandrakizay ny famindrampony; ary mihatra amin’ny taranaka fara mandimby ny fahamarinanany.”11

Amin’ny alalan’ny fitsaohana amin-kitsim-po sy avy ao am-po no ivelarantsika sy hahamatotra antsika ao amin’ny fanantenana sy ny finoana ary ny fiantrana. Ary mandritra izany dingana izany isika dia manovo fahazavana avy any an-danitra ho ao amin’ny fanahintsika ka mahatonga ny fiainantsika ho feno fahatsapana masina sy fiadanana maharitra ary fifaliana tsy manam-petra.

Izany no fitahiana entin’ny fitsaohana eo amin’ny fiainantsika. Momba izany no ijoroako ho vavolombelona amim-panetren-tena amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.