2010–2019
Ny Fotopampianaran’i Kristy
Ôktôbra 2016


Ny Fotopampianaran’i Kristy

Ny fotopampianaran’i Kristy no mamela antsika hahazo ny hery ara-panahy izay mampisandratra antsika avy amin’ny toetra ara-panahy misy antsika ankehitriny ho amin’ny toetra izay ahafahantsika hatao tanteraka.

Nasiana fandrindrana tsara ny fitsidihan’i Jesoa ireo Nefita taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty mba hampianarana antsika ireo zavatra manan-danja indrindra. Ny niantombohan’izany dia ny fijoroan’ny Ray ho vavolombelona tamin’ny vahoaka fa i Jesoa no “Zana[ny] Malala[ny] izay ao Aminy no tena ifalia[ny].”1 Avy eo i Jesoa Kristy mihitsy no nidina sy nijoro ho vavolombelona ny amin’ny Sorompanavotany,2 ary nanasa ny vahoaka mba “[hahafantarany] marina tokoa” fa Izy no ilay Kristy amin’ny alalan’ny fandrosoana sy ny fitsapana ny dian’ny ratra teo amin’ny lanivoany sy ireo diam-pantsika tamin’ny tanany sy tamin’ny tongony.3 Ireo fijoroana ho vavolombelona ireo dia nametraka tsy am-pisalasalana fa vita ny Sorompanavotan’i Jesoa ary ny Ray dia nahatanteraka ny fanekempihavanany mba hanome Mpamonjy. Avy eo dia nampianarin’i Jesoa ireo Nefita ny fomba hahazoana ireo fitahiana rehetra entin’ilay drafitry ny fahasambarana an’ny Ray, izay afaka ny ho azontsika noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, amin’ny fampianarana azy ireo ny fotopampianaran’i Kristy.4

Ny hafatro anio dia mifantoka amin’ny fotopampianaran’i Kristy. Ny famaritan’ny soratra masina ny fotopampianaran’i Kristy dia ny hoe mampihatra finoana an’i Kristy sy ny Sorompanavotany, mibebaka, manao batisa, mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ary maharitra hatramin’ny farany.5

Mamela antsika hahazo ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Kristy ny Fotopampianaran’i Kristy.

Ny Sorompanavotan’i Kristy no mampisy ireo fepetra izay ahafahantsika miantehitra amin’ny “fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina,”6 sy “hatao tanteraka ao [amin’i Kristy],”7 sy hahazo ny zavatra tsara rehetra8 ary hahazo ny fiainana mandrakizay.9

Ny fotopampianaran’i Kristy kosa etsy an-kilany no lalana—ny hany lalana—ahazoantsika ireo fitahiana rehetra izay afaka ny ho azontsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa. Ny fotopampianaran’i Kristy no mamela antsika hahazo ny hery ara-panahy izay mampisandratra antsika avy amin’ny toetra ara-panahy misy antsika ankehitriny ho amin’ny toetra izay ahafahantsika hatao tanteraka tahaka ny Mpamonjy.10 Izao no nampianarin’ny Loholona D. Todd Christofferson ny amin’io dingan’ny fahaterahana indray io: “Ny hoe ateraka indray dia tsy toy ny fahaterahana ara-batana hoe tranga indray miseho fa dingana maromaro arahina. Ary ny firosoana ao amin’ireo dingana ireo no tanjona fototry ny fiainana an-tany.”11

Ndeha horesahantsika ny singa tsirairay ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy.

Voalohany, ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Nampianatra ireo mpaminany fa ny finoana dia manomboka amin’ny fandrenesana ny tenin’i Kristy.12 Ny tenin’i Kristy dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny sorompanavotany ary milaza amintsika ny fomba ahafahantsika mahazo famelana sy fitahiana ary fisandratana faratampony.13

Rehefa nandre ny tenin’i Kristy isika dia mampihatra finoana amin’ny fisafidianana ny hanaraka ny fampianarana sy ny ohatry ny Mpamonjy.14 Mba hanaovana izany, nampianatra i Nefia fa isika dia tokony hiantehitra “tanteraka amin’ny fahamendrehan’ [i Kristy izay] mahery ka mahavonjy.”15 Koa satria i Jesoa dia Andriamanitra tamin’ny fiainana talohan’ny fahaterahany,16 ary satria ny fiainany dia tsisy fahotana,17 ary satria koa nanatanteraka ny fitakian’ny fahamarinana rehetra ho ahy sy ho anao Izy nandritra ny Sorompanavotana nataony,18 dia manana ny hery sy ny fanalahidy Izy mba hahatonga ny fitsanganan’ny olona rehetra amin’ny maty ho azo tanterahina,19 ary nataony ho azon’ny famindrampo tanterahina ireo fitakian’ny fahamarinana raha toa tanteraka ny fibebahana.20 Rehefa mahatakatra isika fa afaka ny hahazo famindrampo amin’ny alalan’ny fahamendrehan’i Kristy, dia afaka ny “[h]anana finoana ho amin’ny fibebahana” isika.21 Noho izany ny hoe miantehitra tanteraka amin’ny fahamendrehan’i Kristy dia ny matoky fa efa nataony izay nilaina mba hamonjena antsika sy ny manao araka izay zavatra inoantsika.22

Ny finoana ihany koa dia mahatonga antsika hitsahatra tsy hiahiahy fatratra ny amin’izay eritreretin’ny hafa momba antsika ka hanomboka hiraharaha bebe kokoa ny amin’izay eritreretin’ Andriamanitra momba antsika.

Faharoa, ny fibebahana. Nampianatra i Samoela ilay Lamanita hoe: “Raha mino ny [anaran’i Kristy] ianareo dia hibebaka amin’ny fahotanareo rehetra.”23 Ny fibebahana dia fanomezana sarobidy avy amin’ny Raintsika any An-danitra izay azo tanterahina amin’ny alalan’ny sorona nataon’ny Zanakalahy Tokany. Io no dingana izay nomen’ny Ray antsika izay amin’ny alalany no hanovantsika na hamiliantsika ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika ary ny maha-izy azy antsika mba hahatonga antsika ho lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa.24 Tsy natao ho an’ny fahotana goavana ihany izany fa dingana arahina amin’ny fandinihan-tena sy fivoarana isan’andro25 izay manampy antsika handresy ireo fahotantsika sy ireo tsy fahatanterahantsika sy ireo fahalementsika ary ireo tsy fahalavorariantsika.26 Mahatonga antsika ho “mpanara-dia marina” an’i Kristy ny fibebahana, izay mameno antsika amin’ny fitiavana27 sy mandroaka ny tahotsika.28 Ny fibebahana dia tsy drafitra atao fiandry fandrao tsy tontosa ny drafitra nataontsika mba hanana fiainana tanteraka.29 Ny fibebahana tsy tapaka no hany lalana izay afaka hitondra fifaliana maharitra ho antsika sy ahafahantsika hiverina hiaina miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra.

Lasa manaiky sy mankatò ny sitrapon’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fibebahana. Tsy vitan’ny tena samirery izany. Ny manaiky ny hatsaran’ Andriamanitra sy ny maha-tsinontsinona antsika30 miaraka amin’ny fiezahana mafy mba hampifanaraka ny fihetsitsika amin’ny sitrapon’ Andriamanitra31 dia mitondra fahasoavana eo amin’ny fiainantsika.32 Ny fahasoavana “dia fitaovana avy any an-danitra izay manampy na manome hery, izay homena amin’ny alalan’ny famindrampo sy fitiavana mitafotafon’i Jesoa Kristy … mba hanaovana asa tsara izay tsy ho vita[ntsika] ny mihazona azy raha toa [isika] avela ho amin’ny herin’ny tena[ntsika] irery ihany.”33 Koa satria ny fibebahana dia tena miompana amin’ny hoe ho lasa tahaka ny Mpamonjy, izay zavatra tsy vitantsika samirery, noho izany dia tena mila ny fahasoavan’ny Mpamonjy isika mba hanaovana ireo fanovana izay ilaina eo amin’ny fiainantsika.

Rehefa mibebaka isika, ireo fihetsitsika taloha izay tsy marina sy ny fahalementsika sy ny tsy fahalavorariantsika ary ny tahotsika dia solointsika amin’ny fihetsika sy finoana vaovao izay mampanakaiky antsika amin’ny Mpamonjy sy manampy antsika ho lasa tahaka Azy bebe kokoa.

Fahatelo, ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo. Nampianatra i Môrmôna mpaminany hoe: “ny voaloham-bokatry ny fibebahana dia ny batisa.”34 Mba hahatanteraka ny fibebahana dia ilaina ny mampiaraka azy amin’ny ôrdônansin’ny batisa izay tanterahin’ny olona iray mihazona ny fahefan’ny fisoronan’ Andriamanitra. Ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana, dia havaozina ireo fanekempihavanana natao tamin’ny batisa sy tamin’ny fotoana hafa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika.35

Ao amin’ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo, dia manao fanekempihavanana isika fa hitandrina ireo didin’ny Ray sy ny Zanaka sy hahatsiaro mandrakariva an’i Kristy ary ho vonona ny hitondra ny anaran’i Kristy (na ny asany sy ny toetrany36) eo amintsika.37 Ny Mpamonjy kosa ho valin’izany, dia manao fanekempihavanana hamela na hanaisotra ireo fahotantsika38 sy “[h]ampidina bebe kokoa ny Fanahiny [amintsika].”39 Mampanantena ihany koa i Kristy fa hanomana antsika amin’ny fiainana mandrakizay Izy amin’ny fanampiana antsika ho lasa tahaka Azy bebe kokoa.40

Nanoratra i Douglas D. Holmes, mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidian’ny zatovolahy maneran-tany hoe:“Ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo dia sady maneho ny vokatra farany no maneho ny dingana arahina amin’ny fahaterahana indray. Amin’ny batisa dia alevintsika ilay olona taloha izay an’ny nofo ary mivoaka isika ho amin’ny fiainana vaovao.41 Amin’ny fanasan’ny Tompo isika dia mianatra fa io fiovàna io dia dingana mandeha isan’ambaratongany, izay hanovàna antsika tsikelikely, isaky ny herinandro miverina, rehefa mibebaka isika sy manao fanekempihavanana ary [lasa tahaka ny Mpamonjy] amin’ny alalan’ny fanafian’ny Fanahy izay mitombo hatrany.”42

Manan-danja lehibe ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy. Amin’ny alalan’ny fandraisana am-pahamendrehana ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana mifandray amin’izany no hanehoana ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.43 Nanazava ny Loholona D. Todd Christofferson fa “io ‘herin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra’ io dia tonga ao anatin’ilay olona amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina.”44

Fahefatra, ny fanomezana ny Fanahy Masina. Aorian’ny batisa dia omena ny fanomezana ny Fanahy Masina isika amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fandraisana ho mpikambana.45 Io fanomezana io, raha raisintsika, dia mamela antsika ho naman’ Andriamanitra lalandava46 sy hanana tsy tapaka ilay fahasoavana izay ampahany manan-danja ao amin’ny fitaomany.

Ny Fanahy Masina dia manome antsika hery na tanjaka fanampiny mba hitandrina ireo fanekempihavanantsika amin’ny maha-namantsika lalandava Azy.47 Manamasina antsika ihany koa Izy,48 izany hoe mahatonga antsika ho “afaka amin’ny fahotana, madio sy tsisy pentina ary masina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”49 Ny fanamasinana dia tsy vitan’ny hoe manadio antsika fotsiny, fa manafy hery antsika ihany koa izany amin’ireo fanomezana ara-panahy izay ilaina na ireo toetran’ny Mpamonjy50 ary manova ny tena toetrantsika mihitsy,51 hany ka “tsy manana fironana hanao ratsy intsony [isika].”52 Isak’izay mandray ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainantsika isika amin’ny alalan’ny finoana, ny fibebahana, ny ôrdônansy, ny fanompoana araka an’i Kristy, sy ireo ezaka feno fahamarinana hafa, dia miova isika mandrapahatonga antsika tsikelikely ho tahaka an’i Kristy.53

Fahadimy, maharitra hatramin’ny farany. Nampianatra i Nefia mpaminany fa aorian’ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia tokony “[h]aharitra hatramin’ny farany [isika], amin’ny fanarahana ny ohatry ny Zanak’Ilay Andriamanitra velona.”54 Ny Loholona Dale G. Renlund dia nilazalaza ny dingana amin’io faharetana hatramin’ny farany io toy izao:“Afaka ny hatao ho tanteraka isika amin’ny alalan’ny famerimberenana sy ny fampitomboana hatrany … [ny fampiharana] finoana [amin’i Kristy], mibebaka, mandray ny fanasan’ny Tompo mba hanavao ireo fanekempihavanan’ny batisa sy ireo fitahiana avy amin’izany, ary ny fandraisana ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva bebe kokoa. Rehefa manao izany isika, dia lasa mitovy bebe kokoa amin’i Kristy ka afaka ny haharitra hatramin’ny farany, miaraka amin’ny vokatra rehetra aterak’izay.”55

Izany hoe ny fandraisana ny Fanahy Masina sy ny fiovana izay entin’izany fandraisana izany eo amintsika dia manamafy orina bebe kokoa ny finoantsika. Ny finoana nihamatanjaka dia mitondra ho amin’ny fibebahana fanampiny. Avy eo rehefa atolotsika amin’ny tandindona ny fontsika sy ny fahotantsika mba hatao sorona eo amin’ny alitaran’ny fanasan’ny Tompo, dia mihamitombo ny fandraisantsika ny Fanahy Masina. Ny fitomboan’ny fandraisana ny Fanahy masina dia mampandroso antsika lavidavitra kokoa eo amin’ny lalana mankany amin’ny fahaterahana indray. Rehefa manohy izany dingana izany isika sy mahazo ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ireo fanekempihavanan’ny filazantsara rehetra, dia mandray “fahasoavana anampy fahasoavana” mandra-pandraisantsika ny fahafenoana.56

Tokony hampihatra ny fotopampianaran’i Kristy eo amin’ny fiainantsika isika.

Ry rahalahy sy anabavy isany, rehefa mampihatra ny fotopampianaran’i Kristy eo amin’ny fiainantsika isika, dia voatahy ara-batana sy ara-panahy, eny na ao anatin’ny fitsapàna aza. Amin’ny farany isika dia afaka ny “[hihazona] ny zavatra tsara rehetra.”57 Mijoro ho vavolombelona aho fa io dingana io dia nitranga ary mbola mitranga amin’ny fiainako manokana, isan’ambaratongany ary tsikelikely.

Kanefa ny mbola manan-danja kokoa, dia isika tokony hampihatra ny fotopampianaran’i Kristy eo amin’ny fiainantsika satria izany dia manolotra ilay hany lalana miverina mankany amin’ny Raintsika any An-danitra. Izany no hany fomba handraisana ny Mpamonjy sy hahatongavana ho zananilahy sy zananivavy.58 Raha ny marina, ny hany lalana mba ho avotra amin’ny fahotana sy hivoarana ara-panahy dia ny mampihatra ny fotopampianaran’i Kristy eo amin’ny fiainantsika.59 Etsy an-kilany, ny Apôstôly Jaona dia nampianatra fa “izay rehetra … tsy mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy, dia tsy manana an’ Andriamanitra.”60 Ary i Jesoa mihitsy no nilaza tamin’ireo Nefita Roambinifolo fa raha tsy vitantsika ny mampihatra finoana amin’i Kristy, mibebaka, hatao batisa, ary maharitra hatramin’ny farany, dia “hokapaina sy hatsipy any anaty afo [isika], izay tsy hahafahan[tsika] miverina intsony avy any.”61

Ka ahoana ary no ahafahantsika mampihatra feno kokoa ny fotopampianaran’i Kristy eo amin’ny fiainantsika? Ny fomba iray dia ny manao ezaka an-tsitrapo isan-kerinandro mba hiomana ho amin’ny fanasan’ny Tompo amin’ny fanokanana fotoana handinihina am-bavaka hoe aiza ho aiza no tokony hatsaraintsika. Avy eo isika dia afaka manolotra ho fanatitra eo amin’ny alitaran’ny fanasan’ny Tompo ny zavatra iray farafahakeliny izay misakana antsika tsy ho tahaka an’i Jesoa Kristy, ary mitalaho am-pinoana hahazo fanampiana ary mangataka izay fanomezana ara-panahy ilaina sy manao fanekempihavanana mba hivoatra mandritra ny herinandro ho avy.62 Rehefa manao izany isika, dia ho tonga misimisy kokoa eo amin’ny fiainantsika ny Fanahy Masina, ary hanana hery misimisy kokoa isika handresena ireo fahalementsika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao ary ny Anarany no hany anarana ahafahantsika ho voavonjy.63 Ny zavatra rehetra izay tsara dia amin’ny alalany irery ihany no afaka ho azo.64 Kanefa mba tena “[hihazonana] ny zavatra tsara rehetra,”65 anisan’izany ny fiainana mandrakizay, dia tokony hampihatra hatrany ny fotopampianaran’i Kristy eo amin’ny fiainantsika isika. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.