2010–2019
Mampianatra antsika hivavaka i Jesoa Kristy Tompo
Ôktôbra 2016


Mampianatra antsika hivavaka i Jesoa Kristy Tompo

Rehefa mivavaka ve ianao dia tena mivavaka tokoa sa milaza tonom-bavaka fotsiny?

Tamin’ny taona 1977, dia nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tany Cusco, Perou aho. Izaho sy ilay misiônera niara-nanompo tamiko dia nahazo fankatoavana mba hitondra ireo misiônera rehetra tao amin’ny faritra Cusco mba ho any amin’ny sisa tavela tamin’i Machu Picchu.

Rehefa akaiky ho tapitra ny fitsidihanay ireo sisan-javatra rava, dia naniry ny ho any amin’ny Tetezana Inca, izay ampahany amin’ny lalana anaty tendrombohitra ny misiônera sasany. Teo no ho eo dia tsapako tao am-poko ny Fanahy nitaona ahy tsy hankany. Eo amin’ny lafin’ny tendrombohitra iray no nisy ilay lalan-kely ary misy hantsana 610 m ny halaliny. Amin’ny faritra maromaro dia zara raha antonona olona iray ilay lalan-kely. Nilaza tamin’izy ireo izaho sy ny misiônera mpiara-manompo tamiko hoe tsy tokony handeha ho any amin’ny Tetezana Inca izahay.

Na izany aza dia nisisika mafy ny handehananay ihany ireo misiônera. Nihamafy ny fiangavian’izy ireo ary na dia teo aza ny zavatra natoron’ny Fanahy Masina ahy dia nilavo lefona noho ny faneren’ireo namako aho ary nilaza tamin’izy ireo fa hitsidika ilay tetezana izahay raha toa ka mitandrina tsara.

Niroso teo amin’ilay lalan-kely mankany amin’ny Tetezana Inca izahay ary izaho no tany amin’ny vodilaharan’ilay vondrona nisy anay, ary tamin’ny voalohany dia nandeha tsimoramora ny rehetra, araka ny nifanarahana. Avy eo dia nanomboka nandeha haingana ireo misiônera ary nihazakazaka mihitsy aza. Tsy noraharahian’izy ireo ny fangatahako azy ireo handeha moramora. Nahatsapa aho fa mila manenjika azy ireo, mba hilaza amin’izy ireo hoe mila miverin-dalana izahay. Lavitra dia lavitra tany aorian’izy ireo aho, ary tsy maintsy nihazakazaka haingana mba hanatrarana azy ireo.

Rehefa tonga teo amin’ny fiolahana iray aho, teo amin’ny lalana izay tsy antonona olona roa, dia nahita misiônera nijanona ary niankina tamin’ny vato ny lamosiny. Nanontaniako izy hoe nahoana izy no nijanona teo. Nilaza tamiko izy fa nahazo fitaomam-panahy hoe tokony hijanona eo amin’io toerana io elaela ary izaho kosa tokony handroso.

Tsapako tamin’izay fa mila manatratra faingana ireo lasa tany alohanay aho, noho izany dia nampiany aho handingana azy, ary dia afaka nandroso lavidavitra kokoa teo amin’ilay lalana aho. Tsikaritro fa feno ahi-maitso ny tany. Natontoko mafy tamin’ny tany ny tongotro havanana, ary hitako, rehefa nianjera aho, fa hay tsy nisy tany tao ambanin’ilay ahi-maitso. Namikitra mafy tamin’izay rantsan-kazo nisy teo ambanin’ilay lalana aho. Tanaty fotoana fohy dia afaka nahita ny renirano Urubamba aho, eo ho eo amin’ny 600 metatra teo ambaniko, izay namakivaky ilay Lohasaha Masin’ny Incas. Tsapako ho toa nandao ahy ny heriko, ary niandry fotsiny izay fotoana tsy hahavitako mamikitra intsony aho. Tamin’izay fotoana izay, dia nivavaka mafy aho. Vavaka tena fohy izany. Nanokatra ny vavako aho ary niteny hoe: “Ray ô! Ampio aho!”

Tsy nahazaka ny lanjan’ny vatako ireo rantsan-kazo. Fantatro hoe ho faty aho. Tamin’iny fotoana iny indrindra rehefa akaiky hianjera aho, dia nahatsapa tanana matanjaka nandray ahy tamin’ny sandriko ary nisintona ahy niakatra. Noho izany fanampiana izany dia afaka nanohy niezaka nihanika aho ka tafaverina teo amin’ilay lalana. Ilay misiônera nijanona tao aoriana no namonjy ahy.

Kanefa raha ny marina dia ny Raintsika any An-danitra no namonjy ahy. Nihaino ny feoko Izy. Nandre ny feon’ny Fanahy Masina intelo aho talohan’izay nilaza tamiko mba tsy handeha ho any amin’ny Tetezana Inca, kanefa tsy nankatò izany feo izany aho. Tohina tanteraka aho, hatsatra ny hoditro ary tsy fantatro hoe inona no ho lazaina. Avy eo dia nahatsiaro aho fa ireo misiônera hafa dia lasa tany alohanay, noho izany dia nandeha nitady azy ireo izahay mandra-pahitanay azy ireo ka nilaza tamin’izy ireo ny zavatra nitranga tamiko.

Niverina tany Machu Picchu, tamim-pitandremana fatratra izahay sy tao anatin’ny fahanginana. Teny amin’ny lalana miverina dia nangina aho, ary tonga tao an-tsaiko ny eritreritra hoe nihaino ny feoko Izy kanefa izaho tsy niraharaha ny Azy. Nisy alahelo lalina tao am-poko noho ny tsy fankatoavako ny feony ary nisy fankasitrahana lalina ihany koa niaraka tamin’izay noho ny famindrampony. Tsy nampihatra ny fahamarinany tamiko Izy, fa namonjy ny aiko tamin’ny famindrampony lehibe (jereo ny Almà 26:20).

Rehefa hariva ny andro ka tonga ny fotoana hivavahako manokana, dia nivavaka avy ao am-po aho tamin’ilay “Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra” (2 Korintiana 1:3). Nivavaka “[t]amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady [n]anam-pinoana an’i Kristy” aho (Môrônia 10:4).

Vao maraim-be tamin’izay andro izay ihany, dia nivavaka teo amin’ny molotro aho, ary rehefa saika ho faty aho, dia nivavaka Taminy avy amin’ny foko. Nisaintsaina ny fiainako hatramin’io fotoana io aho. Hitako fa efa im-betsaka ny Raintsika any An-danitra no feno famindrampo tamiko. Nampianatra lesona maro ahy Izy tamin’io andro io tany Machu Picchu sy tany Cusco, Perou. Anisan’ny lesona iray lehibe indrindra ny hoe tokony hivavaka mandrakariva mandrakariva “amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, [mampihatra finoana] an’i Kristy” aho.

Indray mandeha i Jesoa Kristy dia “nivavaka tao amin’ny fitoerana iray,” ary “rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka” (Lioka 11:1). Avy eo dia nampianatra ny mpianany hivavaka Izy. Ary ankehitriny dia mampianatra ahy sy anao hivavaka Izy rehefa hitantsika ao an-tsaina Izy mivavaka ao Getsemane manao hoe: “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Lioka 22:42). Rehefa mivavaka ianao, moa ve ianao tena maniry tokoa hoe “tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao”?

Nilazalaza ny fomba nivavahan’i Jesoa i Paoly manao hoe “tamin’ny andron’ny nofony,” indrindra tao Getsemane: “Raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’ Andriamanitra” (Hebreo 5:7). Rehefa mivavaka ve ianao dia tena mivavaka tokoa sa milaza tonom-bavaka fotsiny? Moa ve ianao mihatsaravelatsihy amin’ny vavaka ataonao?

Nivavaka mafy sy niresaka tamin’ny Rainy i Jesoa. “Ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra” (Lioka 3:21). Rehefa mivavaka ianao, moa ve ianao mahatsapa fa toa misokatra ny lanitra? Oviana no fotoana farany nahatsapanao izany fifandraisana tamin’ny lanitra izany?

I Jesoa dia nanomana ny tenany handray fanapahan-kevitra manan-danja tamin’ny fivavahany tamin’ny Rainy.

“Lasa nankany an-tendrombohitra Jesoa mba hivavaka, ary naharitra nivavaka tamin’ Andriamanitra nandritra ny alina Izy.

“Ary nony maraina ny andro, dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin’ny folo lahy” (Lioka 6:12–13).

Moa ve ianao manomana ny tenanao handray fanapahan-kevitra manan-danja amin’ny fivavahanao amin’ny Ray any An-danitra? Manomana ny tenanao ho amin’ny fotoana iray hivavahana ve ianao?

Rehefa nankany amin’ny kaontinanta Amerikana i Jesoa, dia nampianatra ny vahoaka hivavaka Izy. “Ary hoy i Jesoa taminy: Tohizo ny vavaka; kanefa tsy nitsahatra ny nivavaka izy ireo” (3 Nefia 19:26).

Manasa antsika i Jesoa mba “[hivavaka] mandrakariva” (F&F 10:5). Fantatr’i Jesoa fa ny Raintsika any An-danitra dia mandre sy manome izay tsara indrindra ho antsika. Nahoana isika indraindray no tsy maniry ny handray? Nahoana?

Amin’ilay fotoana izay hilazantsika hoe: “Ry Ray any An-danitra” dia mandre ny vavaka ataontsika Izy ary miraika amintsika sy izay zavatra ilaintsika Izy. Noho izany ny masony sy ny sofiny amin’izay fotoana izay dia mipaka any aminao. Mamaky ny ao an-tsaintsika Izy ary mahatsapa izay ao am-pontsika. Tsy afaka manafina na inona na inona Aminy ianao. Fa ny zavatra tena mahafinaritra dia hoe hahita anao amin’ny maso feno fitiavana sy famindrampo Izy—fitiavana sy famindrampo izay tsy azontsika takarina tanteraka. Kanefa ao Aminy ny fitiavana sy ny famindrampo amin’ilay fotoana izay hilazanao hoe: “Ry Ray any An-danitra.”

Noho izany ny fotoana hivavahana dia fotoana tena masina dia masina tokoa. Izy dia tsy mba hiteny aminao hoe: “Tsia, Izaho tsy hihaino anao ankehitriny satria ianao tsy mankaty amiko raha tsy rehefa manana olana.” Ny olombelona ihany no manao izany. Izy tsy mba hiteny aminao hoe “Indrisy mantsy! Tsy azonao an-tsaina hoe manao ahoana ny fahasahiranako amin’izao fotoana izao.” Ny olombelona ihany no milaza izany.

Manantena sy mivavaka aho fa isika rehetra dia hivavaka araka ny nampianarin’i Jesoa antsika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo, amena.