2010–2019
Ilay Mpanasitrana Lehibe
Ôktôbra 2016


Ilay Mpanasitrana Lehibe

Tsy voatery hiaina—samirery ny alahelo vokatry ny fahotana ianao, na ny fijaliana vokatry ny zavatra ratsy nataon’ny hafa, na ireo zava-misy ety an-tany izay mahory.

Anisan’ny fahafahana nahitako soa indrindra ny fandehanana mitety tany—mianatra avy amin’ireo rahavaviko manerana izao tontolo izao. Tsy misy toa ny hoe manao soroka miara-milanja sy mifanatri-tava ary maneho firaisam-po miaraka aminareo.

Nandritra ny traikefa iray toy izany no nanontanian’ny mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana iray hoe: “Misy zavatra iray manokana tokony ifantohan’ny vehivavy ve?”

Namaly aho hoe: “Eny!” rehefa tonga tao an-tsaiko ny lahateny nataon’ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Fiangaviana ho an’ireo anabaviko”. Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Mila vehivavy izay manana fahatakarana mafy orina ny fotopampianaran’i Kristy […] isika.”1

Toy izao no nilazalazan’i Nefia ny fotopampianaran’i Kristy:

“Satria ny vavahady izay tokony hidiranareo dia ny fibebahana sy ny batisa amin’ny rano; ary avy eo dia tonga ny famelana ny fahotanareo amin’ny alalan’ny afo sy ny Fanahy Masina. …

“Ary ankehitriny … mba te hanontany anareo aho raha toa ka efa vita ny zava-drehetra? Indro lazaiko anareo, Tsia; satria tsy ho tonga hatreo amin’izay isianareo ianareo, raha tsy noho ny tenin’i Kristy sy ny finoanareo Azy tsy voahozongozona ary ny fianteheranareo tanteraka amin’ny fahamendrehan’ Ilay Mahery ka mahavonjy.

“Noho izany dia tsy maintsy mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy ianareo, amin’ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ny tenin’i Kristy ary maharitra hatramin’ny farany, dia indro, izao no lazain’ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo.

“… Izany no lalana; ary tsy misy lalana na anarana hafa nomena ambanin’ny lanitra, izay hahazoana mamonjy ny olona ho amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ary ankehitriny, indro izany no fotopampianaran’i Kristy.2

Nahoana isika no mila ny fahatakarana mafy orina an’ireo fitsipika ireo?

Matetika aho no mifanena amin’ny vehivavy Olomasin’ny Andro Farany izay tena mila fanampiana fatratra, kanefa tsy mitodika any amin’Ilay afaka manome fanampiana mandrakizay izy ireo. Matetika loatra izy ireo no mikatsaka ny hahazo fahatakarana amin’ny alalan’ny famakafakana momba “[ilay] trano lehibe sy malalaka.”3

Rehefa mampitombo ny fahatakarantsika ny fotopampianaran’i Kristy isika, dia tsy ela dia hitantsika fa lasa manana fahatakarana lalina kokoa isika ny amin’ilay “drafitra lehiben’ny fahasambarana.”4 Mahafantatra koa isika fa i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika dia eo anivon’izany drafitra izany.

Rehefa mianatra ny fomba hampiharana ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny toe-javatra misy antsika manokana isika, dia mitombo ny fitiavantsika ny Mpamonjy antsika. Ary dia hiaiky isika fa “na dia eo aza ireo fahasamihafana izay tsikaritra dia samy mila ilay Sorompanavotanana tsy misy fetra avokoa isika.”5 Hitantsika fa Izy no fototra iorenantsika—“ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, … fototra azo antoka … dia fototra izay tsy ahafahan[tsika] mianjera raha miorina eo amboniny [isika].”6

Ahoana no ahafahan’izany fotopampianarana izany mitahy antsika rehefa mikatsaka fiadanana sy fahatakarana isika ary miezaka ny maharitra amim-pifaliana mandritra ireo zavatra tena miavaka izay diavintsika ety an-tany?

Te hanoro hevitra aho hoe araka ny nolazain’i Nefia dia atombotsika izany amin’ny: “finoana [an’i Kristy] tsy voahozongozona [sy] ny fianteherana tanteraka amin’ny fahamendrehan’Ilay Mahery ka mahavonjy.”7 Ny finoantsika an’i Jesoa Kristy dia mahatonga antsika ho afaka hiatrika ny olana rehetra.

Raha ny marina dia matetika isika no mahita fa mihalalim-paka ny finoantsika ary mihatsara ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra sy ny Zanany rehefa ao anatin’ny fahoriana. Mamelà ahy hizara ohatra anankitelo.

Voalohany, ny Mpamonjy, ilay Mpanasitrana Lehibe, dia manana ny hery hanova ny fontsika sy hanamaivana antsika amin’ny alahelo nateraky ny fahotantsika. Rehefa nampianatra ilay vehivavy Samaritana teo am-pantsakana ny Mpamonjy, dia nahafantatra ny amin’ireo fahotana goavan’ilay vehivavy Izy. Na izany aza, “Jehovah [dia] mijery ny fo,”8 ary fantany ihany koa fa nanana fo manaiky ampianarina ilay vehivavy.

Rehefa nankeo amin’ny fantsakana ilay vehivavy, dia nilaza tsotra fotsiny i Jesoa—ilay fanehoana ny rano velona—hoe: “Omeo Aho hosotroiko.” Hiteny amintsika toy izany amin’ny feo izay fantatsika ny Mpamonjy antsika rehefa manatona Azy isika—satria mahafantatra antsika Izy. Amin’izay toerana misy antsika no iasany miaraka amintsika. Ary tena mahafantatra izy noho ny maha-Izy azy sy ny zavatra nataony ho antsika. Noho Izy efa niaina ny fijaliantsika dia afaka manome antsika ny rano velona Izy rehefa mikatsaka izany isika. Nampianariny ilay vehivavy Samaritana izany rehefa nilaza Izy hoe: “Raha fantatrao ny fanomezan’ Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia hianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona.” Nahatakatra ilay vehivavy nony farany ka namaly tamim-pinoana sy nangataka hoe: “Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta.”

Taorian’izany zavatra niainan’ilay vehivavy Samaritana niaraka tamin’ny Mpamonjy izany, dia “nandao ny sininy [izy] ary nankany an-tanàna ka nanao tamin’ny olona hoe:

“Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroa, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy?”

Nahazo tenivavolombelona izy—nanomboka nisotro tamin’ilay rano velona izy—ary naniry ny hijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-Andriamanitra Azy tamin’ny hafa izy.9

Rehefa manatona Azy amin’ny fo mietry sy manaiky ampianarina isika—eny fa na dia vesarin’ny hadisoana sy ny ota ary ny fandikan-dalàna aza ny fontsika—dia afaka ny hanova antsika Izy, “fa mahery Izy ka mahavonjy .”10 Ary rehefa niova ny fontsika, dia afaka mankany amin’ny tanànantsika—ao an-tokantranontsika, any am-pianarantsika, any amin’ny toeram-piasantsika—tahaka ilay vehivavy Samaritana mba hijoro ho vavolombelona ny Aminy.

Faharoa, ilay Mpanasitrana Lehibe dia afaka mampionona sy mankahery antsika rehefa miaina fijaliana isika noho ny zavatra tsy rariny ataon’ny hafa. Maro ny resadresaka nataoko tamin’ny vehivavy izay itambesaran’ny zioga mavesatra. Lasa lalan-tsarotra mankany amin’ny fanasitranana ny fitandreman’izy ireo ny fanekempihavanana tany amin’ny tempoly. Mijaly noho ny fanekempihavanana tsy notandremana sy ny fo torotoro ary ny fivadiham-pitokisan’ny hafa taminy izy ireo. Maro no niharan’ny fanitsakitsaham-bady sy ny fanararaotana ara-pitenenana sy ara-nofo ary ara-pihetseham-po, matetika vokatry ny fiankinan-dohan’ny olona hafa.

Ireny zavatra niainan’izy ireo ireny, na dia tsy hadisoany aza, dia nahatonga ny maro tamin’izy ireo hahatsapa tena ho meloka sy ho menatra. Maro tamin’izy ireo no tsy nahatakatra ny fomba hifehezana ny fihetseham-po mahery vaika tsapan’izy ireo ka niezaka ny tsy hiraharaha izany, niezaka nanadino ny momba izany.

Tsy ao anatin’ny haizina lalin’ny tsiambaratelo no hahitana ny fanantenana sy ny fahasitranana fa ao anatin’ny fahazavana sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.11 Nanoro hevitra ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Raha toa ianao manokana ka tsy nahavita ota goavana, dia aza miaritra ny vokatry ny fahotan’ny hafa amin’ny tsy antony. … Afaka mahatsapa fangorahana ianao. … Kanefa tsy tokony horaisinao ho tompon’andraikitra amin’ireo zavatra ireo ny tenanao. … Rehefa nanao araka izay tokony ho izy ianao mba hanampiana ny olona iray tianao, dia apetraho eo an-tongotry ny Mpamonjy ny enta-mavesatra. … Rehefa manao izany ianao, dia tsy vitan’ny hoe hahita fiadanana fa hampiseho koa ny finoanao fa ny Mpamonjy dia manana ny hery hanaisotra ny ziogan’ny fahotana hiala amin’ny olona iray izay tianao amin’ny alalan’ny fibebahany sy ny fankatoavany.”

Notohizany hoe: “Ny fahasitranana tanteraka dia ho tonga amin’ny alalan’ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny heriny sy ny fahafahany manao zavatra, amin’ny alalan’ny Sorompanavotany, manasitrana ireo holatra navelan’izay zavatra rehetra tsy ara-drariny sy tsy mendrika anao.”12

Raha ao anatin’izany toe-javatra izany ianareo ry rahavavy dia mety ho dingana lavitra ezaka ny fanasitranana. Izany dia hitaky ny hikatsahanao fitarihana sy fanampiana sahaza amim-bavaka, anisan’izany ny fakana torohevitra avy amin’ireo mpihazona ny fisoronana izay voatendry araka ny tokony ho izy. Rehefa mianatra misokatra amin’ny hafa ianao dia asio fetrany ny zavatra resahina, ary azonao atao koa angamba ny mitady torohevitra avy amin’ny manam-pahaizana manokana. Zava-dehibe ny mihazona tanjaka ara-panahy mandritra ny dingana rehetra lalovana! Tsarovy fa masina ny maha izy anao: zanakavavy malalan’ny Ray aman-dReny any An-danitra ianao. Matokia ny drafitra mandrakizain’ny Rainao ho anao. Tohizo isan’andro ny fampitomboana ny fahatakaranao ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Mampiasà finoana isan’andro mba hisotroana bebe kokoa ny rano velona avy amin’ny fantsakan’ny Mpamonjy. Miantehera amin’ny fanafiana hery izay afaka ny ho azontsika tsirairay amin’ny alalan’ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana. Ary avelao hiditra eo amin’ny fiainanao ilay hery manasitran’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany.

Fahatelo, ilay Mpanasitrana Mahery dia afaka mankahery sy manohana antsika rehefa lalovantsika ireo “zava-misy amin’ny fiainana an-tany,”13 izay mahory toy ny loza voa-janahary, ny fahararian-tsaina, ny aretina, ny fanaintainana miverimberina ary ny fahafatesana. Vao haingana aho no nifankahalala tamin’ny zatovovavy iray tena miavaka antsoina hoe Josie izay voan’ny désordre bipôlaire. Ampahany kely fotsiny ihany amin’ny dingana nolalovany mankany amin’ny fahasitranana ity nozarainy tamiko ity:

“Ny fotoana tena maizina indrindra dia rehefa tonga ilay antsoinay mianakavy hoe ‘andro itsinkasinana amin’ny tany.’ Izany dia manomboka amin’ny fahatsapana ho difotra noho ireo zavatra tsapa sy mora handairan’ny feo, na ny fifampikasohana na ny fahazavana, ary ny fanoherana mafy izany. Miteraka tebitebin-tsaina lehibe tokoa izany. Nisy andro iray manokana izay tsy hohadinoiko mihitsy.

“Vao nanomboka ny aretiko tamin’izay, hany ka tena nampatahotra ilay zavatra niainako. Tsaroako hoe nitomany aho, nikoriana teny amin’ny tavako ny ranomaso sady sempotsempotra be aho. Kanefa na dia izany fijaliana be izany aza dia kely raha oharina tamin’ny alaheloko taorian’izay rehefa nahita ny reniko nikoropaka aho, tena very hevitra izy tamin’ny fanampiana ahy.

“Nalahelo tokoa izy nahita ahy nijaly toy izany. Tsy nahatakatra feno anefa izahay hoe na dia teo aza ilay haizina lalina dia tsy ela izahay dia hiaina fahagagana mahery vaika.

“Nandritra ny ora iray tena naharitra, dia nibitsibitsika tamiko ombieny ombieny ny reniko hoe: ‘Hataoko izay zavatra rehetra mba hanesorana izao aminao.’

“Nandritra izany fotoana izany dia nitombo ny haizina, ary rehefa resy lahatra aho fa tsy zakako intsony ilay izy, dia nisy zavatra nahatalanjona nitranga.

“Nisy hery mankahery sy mahagaga tonga tampoka tao amin’ny vatako. Avy eo, tamin’ny hery izay tsy an’ny tenako manokana,’14 dia nolazaiko tamin’ny reniko tamin’ny faharesen-dahatra lehibe ireo teny vitsivitsy izay nanova fiainana ho valin’ny faniriany niverimberina mba hitondra ny fanaintainako. Hoy aho hoe: ‘Tsy voatery hanao izany ianao; efa nisy Olona nanao izany.’”

Avy ao amin’ny haizina lalin’ny fahararian-tsaina mampidi-doza, dia nanangona ny heriny i Josie mba hijoroana ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

Tsy sitrana tanteraka izy tamin’izay andro izay, fa nandray ny fahazavan’ny fanantenana kosa izy tao anatin’ny fotoan’ny haizin-kitroka. Ary ankehitriny, noho izy ampian’ny fahatakarana mafy orina ny fotopampianaran’i Kristy sy ampaherezin’ny rano velon’ny Mpamonjy isan’andro dia manohy ny diany mankany amin’ny fahasitranana i Josie sady mampihatra finoana tsy voahozongozona ny amin’ilay Mpanasitrana Lehibe. Ary manampy ny hafa izy mandritra izany. Ary hoy izy hoe: “Rehefa toa tsy mitsahatra ny haizina, dia miantehitra amin’ny fahatsiarovana ireo famindrampony lehibe aho. Izy ireny no ataoko jiro mitarika ahy rehefa mandalo fotoan-tsarotra aho.”15

Ry rahavavy isany, mijoro ho vavolombelona aho fa—

Tsy voatery ianao hanohy hitondra—samirery ny enta-mavesatry ny alahelo vokatry ny fahotana.

Tsy voatery ianao hitondra—samirery ny alahelo vokatry ny zavatra ratsy nataon’ny hafa.

Tsy voatery ianao hiaina—samirery ireo zava-misy ety an-tany izay mahory.

Miangavy ny Mpamonjy hoe:

“Tsy mba te hiverina Amiko va ianareo sy hibebaka amin’ny fahotanareo, ary hiova fo hahazoako manasitrana anareo?

“… Raha mankaty Amiko ianareo dia hanana ny fiainana mandrakizay. Indro, ny sandrin’ny famindram-poko dia mitsotra aminareo, ary na zovy na zovy no ho avy dia … horaisiko.”16

“Hanao izay zavatra rehetra [Izy] mba hanesorana izao aminao.” Raha ny marina dia “efa nanao izany [Izy].” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, ilay Mpanasitrana Lehibe, amena.