2010–2019
Ilay lalana tonga lafatra mankany amin’ny fahasambarana
Ôktôbra 2016


Ilay lalana tonga lafatra mankany amin’ny fahasambarana

Mijoro ho vavolombelona aho mikasika ilay fanomezana lehibe dia ny drafitry ny Raintsika ho antsika. Io no lalana tokana tonga lafatra mankany amin’ny fiadanana sy ny fahasambarana.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala isany, na ireo ato amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe izany na manerana an’izao tontolo izao, tena feno fankasitrahana lehibe aho noho ny fahafahako mizara ny ato antsaiko aminareo amin’ity maraina ity.

Roa amby dimampolo taona lasa izay, tamin’ny volana jolay 1964, dia notendrena aho ho any New York City nandritra ny vanimpotoana nanatanterahana ny Tsenabe Fampirantiana Iraisampirenena tany amin’io toerana io. Indray andro vao maraina aho nitsidika ny Trano heva Môrmôna tamin’io fampirantiana io. Tonga teo aho taloha kelin’ny nampisehoana horonan-tsary iray novokarin’ny Fiangonana manao hoe Man’s Search for Happiness (na Ny fikatsahan’ny olona fahasambarana), fanazavana ny drafitry ny famonjena izay efa lasa fanta-daza tato am-piangonana taty aoriana. Nipetraka teo akaikin’ny lehilahy tanora izay aho, teo amin’ny 35 taona teo. Niresaka kely izahay. Tsy mpikamban’ny Fiangonantsika izy. Avy teo dia nopihana ny jiro ary nanomboka ny horonan-tsary.

Nohenoinay ny feon’ilay mpitantara raha nametraka ireo fanontaniana manan-danja sy iraisan’ny rehetra izy hoe: Avy aiza no niaviako? Maninona eto an-tany aho? Mankaiza aho rehefa mandao an’ity fiainana ity? Ranga avokoa ny sofina rehetra ary nifantoka tamin’ireo sary naseho ny maso rehetra. Naseho teo ny fanoritsoritana ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana, niaraka tamin’ny fanazavana ny tanjontsika eto an-tany. Natrehanay teo ny fanehoana tamin’ny fomba nanohina ny fo ny nandaozan’ny raibe zokiolona iray an’ity fiainana ity sy ny fihaonany tamim-boninahitra tamin’ireo malalany izay efa nialoha lalana azy tany amin’ny tontolon’ny fanahy.

Tany amin’ny fiafaran’io fampisehoana kanto dia kanto ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ho antsika io, dia nitandahatra nivoaka tamim-pahanginana ny vahoaka, hita mazava fa maro no tohina noho ny hafatra nampitain’ilay horonantsary. Tsy nitsangana ilay vahiny tanora teo anilako. Nanontaniako izy raha toa ka nankafy ilay fampisehoana. Izao no valinteny nihizingizina nomeny: “Marina ilay teo!”

Ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ho an’ny fahasambarantsika sy ny famonjena antsika dia zarain’ireo misiônerantsika manerana an’izao tontolo izao. Tsy izay rehetra mandre io hafatra masina io akory dia manaiky sy misafidy ny hanaraka izany avokoa. Kanefa dia lehilahy sy vehivavy maro na aiza na aiza, tsy misy hafa amin’ilay namako tanora tany amin’ny Fampirantiana Iraisampirenena tany New York, no miaiky ny fahamarinan’izany, ary misafidy amin’ny fomba hentitra ny hanaraka an’ilay lalana izay hitondra azy ireo soa aman-tsara hody. Miova mandrakizay ny fiainan’izy ireo.

Ampahany tena manan-danja amin’io drafitra io i Jesoa Kristy, Mpamonjintsika. Raha tsy nisy ny sorona fanavotana nataony dia ho very avokoa ny rehetra. Tsy ampy anefa ny mino fotsiny Azy sy ny asa nanirahana Azy. Mila miezaka sy mianatra isika, mikatsaka sy mivavaka, ary mibebaka sy mihatsara. Mila mahafantatra ireo lalàn’ Andriamanitra isika ary miaina izany. Mila mandray ireo ôrdônansin’ny famonjeny isika. Ny fanaovantsika an’izany ihany no hahazoantsika fahasambarana marina sy mandrakizay.

Sambatra isika manana ny fahamarinana. Manana andraikitra isika ny hizara ny fahamarinana. Aoka isika hiaina ny fahamarinana, mba hahafahantsika mahazo ny zavatra rehetra natokan’ny Ray ho antsika. Tsy manao na inona na inona izy raha tsy ho soa ho antsika. Hoy Izy tamintsika hoe: “Izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ ny olona.”1

Avy ato am-poko lalina, ary amim-panetrentena tanteraka no ijoroako ho vavolombelona mikasika ilay fanomezana lehibe dia ny drafitry ny Raintsika ho antsika. Io no lalana tokana tonga lafatra mankany amin’ny fiadanana sy ny fahasambarana na eto na any amin’ny tontolo ho avy.

Ry rahalahy sy anabaviko isany, apetrako aminareo ny fitiavako sy ny tsodrano avy aty amiko raha hamarana aho, ary izany dia ataoko amin’ny anaran’ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, dia i Jesoa Kristy, amena.