2010–2019
Afaka manampy antsika ho tonga masina ny fanasan’ny Tompo
Ôktôbra 2016


Afaka manampy antsika ho tonga masina ny fanasan’ny Tompo

Saintsaino ireo fomba dimy mba hampitomboana ny hery sy ny fiantraikan’ny fandraisantsika anjara tsy tapaka amin’ny ôrdônansy masin’ny fanasan’ny Tompo.

Anisan’ireo fahatsiarovana voalohany nananako ireo fivoriana fanasan’ny Tompo izay natao tao an-tokantranonay tany Warrnambool, Australie. Teo anelan’ny olona 10 ka hatramin’ny 15 teo no nanatrika ny sampana nisy anay, ary ny raiko, iray tamin’ireo mpihazona ny fisoronana anankitelo, dia nanana ny fahafahana tsy tapaka mba hanamasina ny fanasan’ny Tompo. Tsaroako ireo fahatsapana nananako rehefa namaky tamim-panetrentena sy tamim-pitandremana ireo teny ao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo aho. Matetika no nihovitrovitra ny feony rehefa nahatsapa ny Fanahy izy. Nila niato izy indraindray mba hifehy ny fihetseham-pony mialoha ny hamitana ilay vavaka.

Tamin’izaho dimy taona dia tsy afaka nahatakatra ny hevitra manontolon’ny zavatra izay nolazaina na natao. Fantatro anefa fa nisy zavatra miavaka nitranga. Tsapako ny fitaomana tony sy nanome toky indray avy amin’ny Fanahy Masina rehefa nandinika ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika ny raiko.

Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Ary izany no hataonareo mandrakariva amin’ireo izay mibebaka sy atao batisa amin’ny anarako; ary hanao izany ianareo ho fahatsiarovana ny rako izay efa nalatsaka ho anareo mba hahazoanareo mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray fa ianareo dia mahatsiaro Ahy mandrakariva. Ary raha mahatsiaro Ahy mandrakariva ianareo dia hanana ny Fanahiko miaraka aminareo” (3 Nefia 18:11).

Manasa antsika rehetra aho mba hisaintsaina fomba dimy mba hampitomboana ny hery sy ny fiantraikan’ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ireo ôrdônansy masin’ny fanasan’ny Tompo, dia ôrdônansy iray izay afaka manampy antsika ho tonga masina.

1. Miomana mialoha

Azontsika atomboka mialoha be ny fiatombohan’ny fivoriana fanasan’ny Tompo ny fiomanantsika ho amin’izany. Mety ho fotoana tsara handinihana ny fivoarantsika ara-panahy sy fiomanana ny sabotsy.

Sary
Fiomanana ho amin’ny alahady

Fanomezam-pahasoavana manan-danja eo amin’ny diantsika mba ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra ny fiainana an-tany. Ilaina amin’izany ny hampidirana ireo fisedrana sy olana izay mitondra fahafahana ho antsika mba hiova sy hitombo. Nampianatra ny Mpanjaka Benjamina fa “ny olona araka ny nofo dia fahavalon’ Andriamanitra, … ary mbola ho toy izany mandrakizay mandrakizay raha tsy manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina izy ary manaisotra ny maha olona araka ny nofo azy sy tonga olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo” (Môsià 3:19). Ny fandraisana anjara amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo dia mitondra fahafahana iray mba hanolorana tanteraka ny fontsika sy ny fanahintsika ho an’ Andriamanitra.

Ao anatin’ny fiomanantsika, ny fontsika dia manjary torotoro rehefa maneho fankasitrahana ho an’ny Sorompanavotan’i Kristy isika, sy mibebaka amin’ireo fahadisoana sy fahalementsika, ary mangataka ny fanampian’ny Ray eo amin’ny diantsika mitohy mba ho tonga tahaka Azy bebe kokoa. Afaka manantena ilay fahafahana izay omen’ny fanasan’ny Tompo isika mba hahatsiarovana ny sorona nataony sy hanavaozana ny fanolorantenantsika amin’ireo fanekempihavanana nataontsika.

2. Tongava mialoha

Afaka mihatsara ny zavatra iainantsika mandritra ny fanasan’ny Tompo rehefa tonga mialoha ny fivoriana isika ary misaintsaina rehefa tendrena ny feon-kira fanokafana.

Sary
Tongava mialoha amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Ny Filoha Boyd K. Packer dia nampianatra hoe: “Ny feon-kira fanokafana, rehefa tendrena amim-panajana lalina, dia famelomana ny fanahy. Manasa ny fitaomam-panahy izany.”1“Izany dia tsy fotoana,” hoy ny Filoha Russell M. Nelson nanazava “hiresahana na handefasana hafatra fa fotoana handalinana lalina rehefa miomana ara-panahy ho an’ny fanasan’ny Tompo ny mpitarika sy ny mpikambana.”2

3. Hirao sy hianaro ireo tonon-kira ao amin’ny hira ho an’ny fanasan’ny Tompo

Ampahany manan-danja miavaka ao amin’ny zavatra iainantsika mandritra ny fanasan’ny Tompo ny hira ho an’ny fanasan’ny Tompo. Manandratra ny eritreritsika sy ny fahatsapantsika ny hira. Manana fiantraikany lehibe kokoa ny hira ho an’ny fanasan’ny Tompo rehefa mifantoka amin’ireo teny sy ny fotopampianarana mahery vaika ampianarin’izany isika. Mianatra betsaka isika avy amin’ireo teny toy ny hoe “Mangana, tapaka, torotoro ho antsika,”3“Aoka hotsaroantsika sy ataontsika madio sy tsy misy pentina ny fontsika sy ny tanantsika,”4ary ny hoe “[Fahamarinana,] Fitiavana, famindram-po no tafaraka soa!”5

Sary
Hirao sy mianara avy amin’ireo hira
Sary
Mifantoha amin’ireo tonon-kira

Rehefa mihira hira ho fiomanana handray ireo tandindona isika dia afaka ny ho tonga ampahany amin’ny fanolorantenantsika amin’ny fanekempihavanana ireo tonon-kira. Saintsaino ohatra ny hoe: “Feno ny fonay, Tompo, tianay Ianao. Halehanay ny lalana nofidianao.”6

4. Mandraisa anjara ara-panahy amin’ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo (Jereo ny Môrônia 4–5)

Afaka mianatra sy mahatsapa bebe kokoa isika fa tsy variana tsy mitandrina ireo teny mahazatra ao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo rehefa mandray anjara ara-panahy amin’ny alalan’ny fisaintsainana ireo fanolorantena sy fitahiana mifandray amin’izany izay tafiditra ao anatin’ireo vavaka masina ireo.

Sary
Fanamasinana ny mofo

Tsofina rano sy hamasinina ho an’ny fanahintsika ny mofo sy ny rano. Ireo dia mampahatsiahy antsika ny sorona nataon’ny Mpamonjy sy ny fahafahany manampy antsika ho tonga masina.

Ireo vavaka dia manazava fa mandray ny mofo ho fahatsiarovana ny vatan’ny Zanakalahy isika, izay nanao sorona mba ho mendrika ny fitsanganana amin’ny maty, ary misotro amin’ny rano isika ho fahatsiarovana ny ran’ny Zanakalahy, izay nalatsany malalaka mba hahafahantsika ny ho voavotra raha toa ka mibebaka.

Ireo vavaka dia manolotra ireo fanekempihavanana amin’ilay andian-teny hoe: “fa vonona izy ireo” (Môrônia 4:3). Izany andian-teny tsotra izany dia manana hery lehibe ho antsika. Vonona hanompo sy handray anjara ve isika? Vonona hiova ve isika? Vonona hiatrika ireo fahalementsika ve isika? Vonona hanolo-tanana sy hitahy ny hafa ve isika? Vonona hahatoky ny Mpamonjy ve isika?

Rehefa voalaza ireo fampanantenana ary mandray amin’izany isika dia hamafisintsika ao am-pontsika fa vonona isika ny:

  • Handray eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy.

  • Hiezaka hitandrina ny didiny rehetra.

  • Hahatsiaro Azy mandrakariva.

Mifarana amin’ny fanasana sy fampanantenana tsara indrindra ilay vavaka: “Mba hananany mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminy” (Môrônia 4:3).

Nanoratra i Paoly hoe: “Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy [ary] fahononam-po” (Galatiana 5:22–23). Atolotra ho antsika ny fitahiana sy fanomezana mahafinaritra rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana nataontsika isika.

5. Saintsaino sy tsarovy Izy rehefa zaraina ireo tandindon’ny fanasan’ny Tompo

Afaka ny ho tonga masina ho antsika ireo fotoana feno fanajana lalina rehefa mizara ny fanasan’ny Tompo ireo mpihazona ny fisoronana.

Sary
Fizarana ny mofo

Rehefa zaraina ny mofo dia afaka mandinika isika fa tao amin’ilay asa feno fitiavana faratampony indrindra natao ho antsika, ny Mpamonjy dia naka “ny fahafatesana ho eo Aminy, mba hahazoany mamaha ny famatoran’ny fahafatesana izay mamatotra ny olony” (Almà 7:12).

Enga anie isika hahatsiaro ilay fitahiana be voninahitra avy amin’ny Fitsanganana amin’ny maty izay “ho tonga amin’ny rehetra, … na mpifatoka na olon’afaka, na lahy na vavy, na ny ratsy na ny marina, ary tsy hisy na dia singam-bolo iray amin’ny lohany aza ho very; fa ny zavatra tsirairay kosa dia haverina amin’ny endriny tomombana” (Almà 11:44).

Sary
Fizarana ny rano

Rehefa zaraina ny rano dia mahatsiaro ny fitalahoana nataon’ny Mpamonjy isika:

“Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka; …

“Fijaliana izay nahatonga ny Tenako, ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy—ary niriko ny mba tsy hisotroako ilay kapoaka mangidy sy hitakemotra” (F&F 19:16, 18).

Tsaroantsika fa Izy dia naka “ny rofin[tsika] teo Aminy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofin[tsika]” (Almà 7:12).

Rehefa misaintsaina ny zavatra iainantsika mandritra ny fanasan’ny Tompo isika dia afaka manontany ny tenantsika hoe:

  • Inona no hataoko amin’ity herinandro ity mba hiomana tsara kokoa ho an’ny fanasan’ny Tompo?

  • Afaka mitondra anjara biriky bebe kokoa ve aho amin’ny fanajana lalina sy ny fanambarana izay afaka miaraka amin’ny fanombohan’ny fivoriana fanasan’ny Tompo?

  • Inona no fotopampianarana nampianarina tao anatin’ny hira ho an’ny fanasan’ny Tompo?

  • Inona no henoko sy tsapako rehefa nihaino ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo aho?

  • Inona no neritreretiko rehefa nozaraina ny fanasan’ny Tompo?

Ny Loholona David A. Bednar dia nampianatra hoe: “Ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo dia fanasana marina sy miverimberina mba hibebaka amin-kitsimpo ary mba hihavao ara-panahy. Tsy ilay hoe fandraisana fotsiny ny fanasan’ny Tompo no manadio amin’ny fahotana. Fa rehefa miomana amin-kitsimpo sy mandray anjara amin’io ôrdônansy masina io isika miaraka amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina dia mahazo fampanantenana fa hanana mandrakariva ny Fanahin’ny Tompo miaraka amintsika. Ary amin’ny alalan’ny hery manamasin’ny Fanahy Masina izay namantsika lalandava dia afaka mitana mandrakariva ny famelana ny fahotantsika isika.”7

Mijoro ho vavolombelona aho momba ireo fitahiana sesehena ho antsika rehefa mampitombo ny fiomanantsika sy ny fandraisantsika anjara ara-panahy amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo isika. Mijoro ho vavolombelona koa aho fa ireo fitahiana ireo dia ho antsika noho ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny sorompanavotana tsy misy fetra nataon’ny Zanaka Malalany, dia i Jesoa Kristy. Amin’ny anarany masina, dia i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Boyd K. Packer, “Personal Revelation: The Gift, the Test, and the Promise,” Ensign, nôv. 1994, 61.

  2. Russell M. Nelson, “Worshiping at Sacrament Meeting,” Liahona, aog. 2004, 13.

  3. “Jésus de Nazareth, Sauveur et roi,” Cantiques, lah. 105.

  4. “Quand ces emblèmes nous prenons,” Cantiques, lah. 102.

  5. “Endrey fahendrena, fitia,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 37.

  6. “As Now We Take the Sacrament,” Hymns, lah. 169.

  7. David A. Bednar, “Hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo,” Liahona, mey 2016, 61–62.