2010–2019
Fanohanana ireo mpiandraikitra ambony ato amin’ny Fiangonana
Ôktôbra 2016


Fanohanana ireo mpiandraikitra ambony ato amin’ny Fiangonana

Ry Rahalahy sy anabavy, ny Filoha Monson dia nanasa ahy hanolotra ny anaran’ireo mpiandraikitra ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondrom-paritry ny Fiangonana mba hotohananareo.

Atolotra hotohanana Thomas Spencer Monson ho mpaminany, mpahita sy mpanambara ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; Henry Bennion Eyring ho Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany; ary i Dieter Friedrich Uchtdorf ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo izay manohana aoka haneho izany.

Ireo izay manohitra dia aoka haneho izany.

Atolotra hotohanantsika Russell Marion Nelson ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ireto manaraka ireto ho mpikambana ao amin’izany kôlejy izany: Russell M. Nelson, Dallin H. Oaks, M. Russell Ballard, Robert D. Hales, Jeffrey R. Holland, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, Neil L. Andersen, Ronald A. Rasband, Gary E. Stevenson, ary i Dale G. Renlund.

Ireo izay manohana aoka haneho izany.

Ireo izay manohitra dia aoka haneho izany.

Atolotra hotohanantsika ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany, mpahita ary mpanambara.

Ireo izay manohana, aoka haneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, aoka haneho izany

Fisaorana. Isaorana noho ny asa fanompoana miavaka nataon’izy ireo ny loholona Daniel L. Johnson, Jairo Mazzagardi, Kent F. Richards, ary i Francisco J. Viñas tamin’ny naha-Fitopololahy Manampahefana Ambony azy ireo ary aroso ho Manampahefana Ambony nahavita asa tamim-boninahitra. Tsaroantsika ny asa fanompoana nataon’ny Loholona Per G. Malm, izay nodimandry tamin’ny  26 jolay 2016. Maneho ny fitiavantsika isika ary mamangy ny fahoriana ny Rahavavy Malm sy ny zanak’izy ireo ary ireo zafikelin’izy ireo.

Ireo izay maniry ny hiaraka haneho fankasitrahana aminay ho an’ireo Rahalahy ireo noho ny asa fanompoana miavaka izay nataon’izy ireo dia aoka haneho izany.

Isaorana Alan R. Walker tamin’ny naha-Fitopololahin’ny Vondrom-paritra azy. Ireo izay maniry ny haneho fankasitrahana ho an’ny Rahalahy Walker noho ny asa fanompoany dia aoka haneho izany.

Atolotra hotohanana ireto manaraka ireto ho Fitopololahin’ny Vondrom-paritra: Bhanu K. Hiranandani sy Sandino Roman.

Izay manohana, aoka haneho izany.

Ireo izay manohatra, raha misy.

Atolotra hotohanana ireo Manampahefana Ambony, Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, sy ireo Fiadidian’ny Vondrona Fanampiny arak’izay misy ankehitriny.

Ireo izay mahohana, aoka haneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy dia aoka haneho izany.

Ry Filoha Monson, voaray an-tsoratra ny fanohanana. Manasa ireo izay mety ho nanohitra ny iray tamin’ireo natolotra hotohanana izahay mba hiantso ny filohan’ny tsatokan’izy ireo.

Ry rahalahy sy anabavy, misaotra noho ny finoanareo sy ny vavakareo tsy tapaka ho an’ireo mpitarika ny Fiangonana.