2010–2019
Misy hery ao amin’ilay boky
Ôktôbra 2016


Misy hery ao amin’ilay boky

Ny herin’ny Bokin’ny Môrmôna lehibe indrindra dia ny fiantraikany amin’ny fitondrany antsika akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Tamin’ny 14 jona 1989, vokatry ny fampahalalana diso momba ny Fiangonana, dia nandrara ny hetsika rehetra nataon’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tao Ghana ny fitondram-panjakan’io firenena Afrikanina io. Nogiazin’ny fitondram-panjakana avokoa ny fananan’ny Fiangonana rehetra, ary natsahatra avokoa ny hetsika fitoriana rehetra. Ireo mpikamban’ny Fiangonana, izay miantso an’io vanim-potoana io hoe “tsy fihetsehana,” dia nanao izay tsara indrindra vitany mba hiaina ny filazantsara na dia tsy nisy fivorian’ny sampana na ny fanohanan’ireo misiônera aza. Betsaka ireo tantara manentana ny fanahy momba ny nitandreman’ny mpikambana ny fahazavan’ny filazantsara tamin’ny alalan’ny fitsaohana ao an-trano ary ny fifampitsimbinana tamin’ny alalan’ny fampianarana isan-tokantrano sy ny famangiana isan-tokantrano.

Taty aoriana dia nivaha ny tsy fifankahazoana, ary tamin’ny 30 nôvambra 1990 dia tapitra ilay vanim-potoana tsy fihetsehana ka nitohy indray ireo zavatra fanaon’ny Fiangonana.1 Nanomboka tamin’izay dia tena tsara ny fifandraisan’ny Fiangonana sy ny fitondram-panjakan’i Ghana.

Ireo mpikambana niaina nandritra ilay vanim-potoana tsy fihetsehana dia tena manamarika ireo fitahiana tonga avy tamin’izany fotoana tsy nahazatra izany. Nampatanjahana ny finoan’ny olona maro tamin’ny alalan’ny fitsapana natrehan’izy ireo. Fa ny fitahiana anankiray avy amin’ilay tsy fihetsehana dia tonga tamin’ny fomba tsy mahazatra.

Mpitandro filaminana tanora nampandraiketina ny fiambenana ny trano fivavahana iray an’ny Olomasin’ny Andro Farany nandritra ny tsy fihetsehana i Nicholas Ofosu-Hene. Ny asany dia ny miambina ilay trano amin’ny alina. Tamin’ny fotoana voalohany nahatongavan’i Nicholas tany amin’ilay trano fivoriana dia hitany fa niparitadritaka ny zavatra tao, nikorontana tanteraka ireo taratasy, boky, ary fanaka. Tao anatin’izany korontana izany dia nahita tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna izy. Niezaka tsy niraharaha ilay boky izy satria nolazaina taminy fa asan’ny ratsy izy io. Saingy nahatsapa ho voasarik’ilay izy anefa izy. Tamin’ny farany dia tsy afaka ny tsy hiraharaha ilay boky intsony i Nicholas. Nalainy ilay izy. Nahatsapa fandrisihana hanomboka hamaky izany izy. Namaky nandritra ny alina izy, ary nitomany izy teo am-pamakiana.

Tamin’ny fotoana voalohany nandraisany ilay izy dia namaky ny 1 Nefia rehetra izy. Tamin’ny fotoana faharoa dia namaky ny 2 Nefia rehetra izy. Rehefa tonga teo amin’ny 2 Nefia toko 25 izy, dia namaky izao manaraka izao: “Ary miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, maminany ny amin’i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.”2

Tamin’io fotoana io dia tena nahery vaika ny nahatsapan’i Nicholas ny Fanahy, hany ka nanomboka nitomany izy. Tonga saina izy fa teo am-pamakiana dia nandray bitsika maromaro avy amin’ny Fanahy izay nanambara fa soratra masina ilay boky, ny boky marina indrindra novakiany hatrizay. Tonga saina izy fa ireo Olomasin’ny Andro Farany dia tena mino an’i Jesoa Kristy, tsy araka izay efa henony. Nony tapitra ilay tsy fihetsehana ary rehefa niverina tany Ghana ireo misiônera dia lasa mpikamban’ny Fiangonana i Nicholas sy ny vadiny ary ireo zanany. Raha nahita azy aho tamin’ny taona lasa dia komandin’ny polisy izy ary filohan’ny Distrikan’ny Fiangonana ao Tamale, Ghana. Hoy izy hoe: “Nanova ny fiainako ny Fiangonana. … Misaotra an’ Andriamanitra Tsitoha noho ny fitarihany ahy tamin’ity filazantsara ity aho.”3

I Alibert Davies, izay tera-tany Ganeana iray hafa, dia niaraka tamin’ny namana iray tao amin’ny trano fivoriantsika, izay nanatrehan’ilay namany fivorian’ny fiadidiana. Raha mbola niandry ilay namany i Alibert dia namaky boky iray izay hitany teo akaiky teo. Rehefa vita ilay fivoriana dia naniry hitondra ilay boky tany an-tranony i Alibert. Nahazo lalana hitondra mody tsy ilay boky ihany izy fa tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna iray ihany koa. Nony tonga tany an-trano izy dia nanomboka namaky ny Bokin’i Môrmôna. Ary tsy te hiala teo mihitsy izy. Namaky hatramin’ny 3 ora maraina tamin’ny alalan’ny fahazavan-dabozia izy. Nanao izany izy nandritra ny alina maromaro, heniky ny zavatra novakiany sy ny zavatra tsapany. Ankehitriny i Alibert dia mpikamban’ny Fiangonana.

Nanomboka ny fianarana teolojia tany Italia tanindrazany i Angelo Scarpulla fony izy 10 taona. Taty aoriana izy dia lasa pretra ihany ary nanompo ny fiangonany tamim-panoloran-tena. Nisy fotoana anefa dia nanomboka nihozongozona ny finoany, ary nikatsaka fahafahana handalina misimisy kokoa izy ary nahazo izany. Rehefa nandalina nisinisy kokoa anefa izy dia vao mainka lasa sahiran-tsaina. Ny zavatra novakiany sy tsapany dia nandresy lahatra azy fa nisy apôstazia lehibe tamin’ny fotopampianarana marina nampianarin’i Jesoa sy ireo Apôstôly tany am-boalohany. Nikaroka ny fivavahana marin’Andriamanitra tany amin’ireo finoana isan-karazany i Angelo nefa tsy afa-po izy nandritra ny taona maro.

Indray andro izy dia nihaona tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana anankiroa izay nanampy ireo misiônera tamin’ny fitadiavana olona bebe kokoa hampianarina. Nahatsapa ho voasarik’izy ireo izy ary nihaino ny hafatr’izy ireo tamim-pifaliana. Nanaiky an-tsitrapo ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna izy.

Ny alin’iny izy dia nanomboka namaky ilay boky. Nahatsapa ho heniky ny fifaliana izy. Tamin’ny alalan’ny Fanahy dia nomen’ Andriamanitra toky tao anatiny i Angelo fa hahita ny fahamarinana efa nikarohiny nandritra ny taona maro ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna izy. Nandrakotra azy ny fahatsapana mamy tokoa. Ny zavatra novakiany sy nianarany avy tamin’ireo misiônera dia nanamafy ny tsoa-keviny fa nisy ny apôstazia lehibe, saingy nianatra ihany koa anefa izy fa naverina eto an-tany ny Fiangonana marin’ Andriamanitra. Fotoana fohy taorian’izay dia natao batisa tao amin’ny Fiangonana i Angelo.4 Tamin’ny fotoana voalohany nihaonako taminy dia izy no filohan’ny sampan’ny Fiangonana tao Rimini, any Italia.

Ny zavatra niainan’i Nicholas, sy i Alibert, ary i Angelo momba ny Bokin’i Môrmôna dia mampahatsiahy ny zavatra niainan’i Parley P. Pratt:

“Nosokafako tamim-pahazotoana [ilay boky]. … Namaky manontolo andro aho; satriko ho tsy nisakafo mba hamakiana, tsy nahatsiaro noana aho; satriko ho tsy natory rehefa … tonga ny alina, satria naleoko namaky toy izay hatory.

“Rehefa namaky aho, dia tao amiko ny fanahin’ny Tompo, ary fantatro sy takatro fa marina ilay boky, amin’ny fomba mazava sy miharihary izay mety hahatakaran’olona sy hahafantarany fa misy izy. Feno araka izany ankehitriny ny hafaliako, ary voaonitry ny hafaliana azoko ny alahelo, ny fahafoizan-tena ary ny asa mafy rehetra teo amin’ny fiainako.”5

Ny olona sasany dia miaina zavatra mahery vaika toy izany momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fotoana voalohany hanokafany azy, saingy ho an’ny hafa kosa dia tonga tsikelikely kokoa ny tenivavolombelon’ny fahamarinana rehefa mamaky sy mivavaka momba azy izy ireo. Izany no zavatra niainako. Fony aho zatovo mpianatra seminera no namaky ny Bokin’i Môrmôna voalohany. Ity no tahadikan’ilay Bokin’i Môrmôna novakiako. Tsy azoko lazaina aminareo hoe oviana ary taiza marina no nitrangan’izany, saingy nandritra ny famakiako dia nisy fotoana aho nanomboka nahatsapa zavatra iray. Nisy hafanana sy fanahy tsapako isaky ny manokatra ilay boky aho. Nitombo ilay fahatsapana raha nanohy namaky aho. Ary mbola mitohy izany fahatsapana izany ankehitriny. Isaky ny manokatra ny Bokin’i Môrmôna aho dia toy ireny mampirehitra jiro ireny—mikoriana ao am-poko sy ao anatiko ny Fanahy.

Ho an’ny olona hafa anefa ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna dia tonga tsikelikely kokoa, rehefa avy nandalina sy nivavaka betsaka. Manana namana aho izay namaky ny Bokin’i Môrmôna hikarohana mba hahafantarana raha marina izany. Nampihatra ny fanasana ao amin’i Môrônia izy mba hanontany an’ Andriamanitra amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana sady manam-pinoana an’i Kristy raha toa ka marina ny Bokin’i Môrmôna.6 Saingy tsy nahazo avy hatrany ny valiny ara-panahy nampanantenaina izy. Kanefa indray andro, raha nisaintsaina lalina izy nitondra fiara, dia nijoro ho vavolombelona taminy ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ny Fanahy. Tena faly sy nientanentana izy ka nampidininy ny varavarankelin’ny fiarany ary nihiaka, tsy tamin’ny olona iray manokana fa tamin’izao tontolo izao kosa anefa hoe, “Marina ilay izy!”

Na tonga tamin’ny fotoana voalohany nanokafantsika ny Bokin’i Môrmôna ny fijoroantsika ho vavolombelona momba izany, na taorian’ny fotoana maromaro dia hisy fiantraikany amintsika mandritra ny androm-piainantsika manontolo izany raha manohy mamaky sy mampihatra ireo fampianarana ao aminy isika. Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Misy hery ao amin’io boky io izay hanomboka hirotsaka eo amin’ny fiainanao amin’ny fotoana hanombohanao handalinana amim-pahamatorana io boky io. Hahita hery lehibe kokoa ianao hanoherana ny fakam-panahy. Hahita hery ianao hisorohana ny famitahana. Hahita hery ianao hijanonana eo amin’ilay lalana ety sy tery.”7

Mamporisika ny tsirairay avy izay mandray ity hafatra ity aho, tafiditra amin’izany ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna mivory amin’izao fivoriana hariva izao, mba hikaroka ny herin’ny Bokin’i Môrmôna. Araka ny famporisihan’ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Vakio ny Bokin’i Môrmôna. Saintsaino ny fampianarana raketiny. Anontanio amin’ny Ray any An-danitra raha marina izany.”8 Mandritra izany dingana izany ianareo dia hahatsapa ny Fanahin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanareo. Izany Fanahy izany dia ho ampahany amin’ny fijoroanareo ho vavolombelona fa marina ny Bokin’i Môrmôna, mpaminan’ Andriamanitra i Joseph Smith, ary Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no ilay Fiangonan’ Andriamanitra marina eto an-tany amin’izao fotoana izao. Izany fijoroana ho vavolombelona izany dia hanampy anareo hanohitra ny fakam-panahy.9 Hanomana anareo amin’ny “antso lehibe ho amin’ny fahazotoan[a] … mba hiasa ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo”10 izany. Ho vatofantsika azo antoka izany rehefa ampiasaina mba hitsapana ny finoanareo ny fiampangana na ny filazana mandainga ary ho fototra mafy orina izany rehefa ho tsapaina amina fanontaniana tsy azonareo valiana, na dia tsy avy hatrany aza, ianareo. Afaka hanavaka ny fahamarinana amin’izay diso ianareo, ary hahatsapa ny fanomezan-tokin’ny Fanahy Masina hanamafy aminareo indray ny fijoroanareo ho vavolombelona hatrany hatrany, rehefa manohy mamaky ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny fiainanareo ianareo.

Mamporisika ireo ray aman-dreny rehetra izay mihaino na mamaky ity hafatra ity ihany koa aho mba hanao ny Bokin’i Môrmôna ho ampahany manan-danja ao amin’ny tokantranonareo. Teo am-pitomboan’ireo zanakay dia namaky ny Bokin’i Môrmôna teo am-pihinanana sakafo maraina izahay. Ity no fanamariham-pejy nampiasainay. Ao amin’ny lafiny eo anoloana dia ahitana teny nindramina avy amin’ny Filoha Benson mampanantena fa handrotsaka fitahiana ho anay Andriamanitra rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna izahay.11 Ao amin’ny lafiny ambadika dia misy izao fampanantenana izao, avy amin’ny Filoha Marion G. Romney, izay efa mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany: “Azoko antoka fa raha toa ka, hamaky ombam-bavaka sy tsy tapaka ny Bokin’i Môrmôna ireo ray aman-dreny, ary sady manao izany manokana no manao izany miaraka amin’ny zanany, dia handrakotra ny tokan-tranontsika ary hitoetra amin’ireo izay monina ao ny fanahin’izany boky manan-danja izany. … Hisitaka ny fanahin’ny fifandirana. Hanoro hevitra ny zanany amim-pitiavana sy amim-pahendrena bebe kokoa ireo ray aman-dreny. Hanaraka sy hanetry tena kokoa amin’ireo torolalan’ny ray aman-dreniny ireo zanaka. Hitombo ny fahamarinana. Hitosaka ao an-tokantrano sy eo amin’ny fiainana ny finoana, fanantenana ary fiantrana—ny fitiavana madion’i Kristy—izay hiteraka fiadanana, fifaliana ary fahasambarana.”12

Ankehitriny, taona maro taorian’ny nandaozan’ny zanakay ny tokan-tranonay hananganan’izy ireo ny fianakaviany dia afaka mahita mazava tsara izahay ny fahatanterahan’ny fampanantenan’ny Filoha Romney. Tena mbola tsy tonga lafatra mihitsy ny fianakavianay, saingy afaka mijoro ho vavolombelona izahay momba ny herin’ny Bokin’i Môrmôna ary ny fitahiana nentin’ny famakiana izany ary mbola hoentin’ny famakiana izany eo amin’ny fiainan’ny fianakavianay manontolo.

Ny herin’ny Bokin’ny Môrmôna lehibe indrindra dia ny fiantraikany amin’ny fitondrany antsika akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Tenivavolombelona matanjaka momba Azy sy ny asa fanavotany izany.13 Amin’ny alalany dia lasa mahatakatra ny halehibe sy ny herin’ny Sorompanavotany isika.14 Mampianatra mazava tsara ny fotopampianarany izany.15 Ary noho ireo toko mahatalanjona mamariparitra ny famangian’i Kristy efa nitsangana tamin’ny maty an’ireo Nefita dia mahita sy miaina ny fitiavany, ny fitahiany, ary ny fampianarany ireo olona ireo isika, ary lasa mahatakatra fa hanao izany rehetra izany amintsika koa Izy raha manatona Azy amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsara isika.16

Ry rahalahy, mijoro ho vavolombelona ny amin’ny herin’ny Bokin’i Môrmôna ny tenako. Na ny famakiako izany amin’ny fiteny Anglisy, Italiana, Frantsay, na amin’ny boky vita printy na amin’ny alalan’ny fitaovana elektrônika dia nahitako hatrany ilay fanahy mahafinaritra mikoriana avy amin’ny toko sy andininy ao aminy eo amin’ny fiainako izany. Mijoro ho vavolombelona aho fa afaka mitarika antsika hanatona an’i Kristy kokoa izany. Mivavaka aho ny mba hampiasantsika tanteraka ny hery ao amin’io boky soratra masina mahavariana io. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fahamarinana

  1. Jereo ny “‘You Can’t Close My Heart’: Ghanaian Saints and the Freeze,” jan. 6, 2016, history.lds.org.

  2. 2 Nefia 25:26.

  3. Email avy tamin’i Nicholas Ofosu-Hene, ôkt. 27, 2015.

  4. Jereo ny Angelo Scarpulla, “My Search for the Restoration,” Tambuli, jona 1993, 16–20; email avy tamin’i Ezio Caramia, sept. 16, 2016.

  5. Autobiography of Parley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt Zanany (1938), 37.

  6. Jereo ny Môrônia 10:4–5.

  7. Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson (2014), 141.

  8. Thomas S. Monson, “ Sahia mijoro irery ,” Liahona, nôv. 2011, 62; jereo koa ny Thomas S. Monson, “ Ny herin’ny fisoronana ,” Liahona, mey 2011, 66; A Prophet’s Voice: Messages from Thomas S. Monson (2012), 490–94.

  9. Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Ny mpihazona fisoronana tsirairay avy dia tokony handray anjara amin’ny fandalinana soratra masina isan’andro. … Mampanantena anareo aho fa, na ny Fisoronana Aharôna na ny Fisoronana Melkizedeka no hazoninareo, raha toa ianareo mandalina ny soratra masina amim-pahazotoana dia hitombo ny hery hahafahanareo miala amin’ny fakam-panahy sy handraisanareo torolalana avy amin’ny Fanahy Masina” (“Be Your Best Self,” Liahona, mey 2009, 68).

  10. Almà 28:14.

  11. “Mampanantena anareo aho fa manomboka izao, raha mivoky isan’andro amin’ireo pejy ao amin’[ny Bokin’i Môrmôna] ianareo ary mampihatra ny fampianarana ao amin’izany dia handrotsaka eo amin’ny ankizy ao Ziona sy ao amin’ny Fiangonana fitahiana izay mbola tsy fantatra mandraka ankehitriny Andriamanitra” (Teachings: Ezra Taft Benson, 127).

  12. Marion G. Romney, “The Book of Mormon,” Ensign, mey 1980, 67.

  13. Jereo ohatra ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna; 1 Nefia 11; 2 Nefia 25; Môsià 16; 18; Almà 5; 12; Helamàna 5; 3  Nefia 9; Môrmôna 7.

  14. Jereo ohatra ny, 2  Nefia 2; 9; Môsià 3; Almà 7; 34.

  15. Jereo ohatra ny, 2  Nefia 31; 3  Nefia 11; 27.

  16. Jereo ny 3  Nefia 11–28.