2010–2019
Maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa
Ôktôbra 2016


Maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa

Tsy azontsika avela hanjary ho fanina sy hasarotin’ny vato manafintohina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Ray sy ny Zanaka.

Ny fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra ary omena ireo izay “mitandrina ny didi[n’ Andriamanitra] ary maharitra hatramin’ny farany izany.”1 Mifanohitra amin’izany, ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra dia lavina amin’ireo “izay tsy maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa.”2 Maro ireo vato manafintohina ny lanjantsika ka manakana antsika tsy hahatratra ny tanjon’ny fiainana mandrakizay.3 Mety ho sarotra raisina ny vato misakana; hanome ohatra iray aho.

Taona maro lasa izay dia nanorina trano kely teo amin’ny ampahan’ny tany fiompiana izay nahalehibe anay ny raiko. Niavaka tokoa ny fahitana manerana ny saha. Nitsidika izany aho rehefa nitsangana ny rindrin’ilay trano kely. Talanjona aho fa nifantoka mivantana tamin’ny andrin-jiro iray tsy lavitra ny tranonay ny varavarankely. Fanelingelenana goavana ny hakanton’ny zavatra tazana izany tamiko.

Sary
Andrin-jiro teo ivelany hita avy eny am-baravarankely

Niteny aho hoe: “Dada, nahoana no navelanao napetrak’izy ireo mivantana teo anoloan’ny zavatra tazantsika avy eto amin’ny varavarankely io andrin-jiro io?”

Ny raiko, izay lehilahy niavaka tamin’ny fampiharan-javatra sady tony, dia nihiaka niaraka tamin’ny fihetsehampo be nanao hoe: “Quentin a! Io andrin-jiro io amiko no zavatra tsara indrindra eto amin’ny tany fiompiana iray manontolo!” Dia nilaza ny antony izy avy eo. “Rehefa mijery io andrin-jiro io aho dia fantatro fa tsy ilaiko intsony ny mitondra rano avy any an-doharano miakatra any an-trano tahaka ny fony aho nitombo teto mba handrahoana sakafo, na hanasana tanana, na handroana. Tsy mila mandrehitra labozia na jiro fanala intsony aho raha hamaky teny amin’ny alina. Tiako ho hita tena eo afovoan’ny zavatra tazana avy eto am-baravarankely io andrin-jiro io.”

Nanana fomba fijery samy hafa tamin’ny ahy momba ilay andrin-jiro ny raiko. Taminy dia naneho ny fiainana nivoatra ilay andrin-jiro, kanefa vato nanafintohina ilay hakanton’ny zavatra hita izany tamiko. Nanome lanja ny herinaratra, sy ny hazavana ary ny fahadiovana mihoatra noho ny zavatra mahafinaritra tazana ny dadako. Fantatro avy hatrany fa raha toa ka vato manafintohina ilay andrin-jiro ho ahy dia nanana heviny tena azo ampiharina sy naneho zava-manan-danja izany ho an’ny raiko.

Ny vato manafintohina dia “sakana iray eo amin’ny finoana na ny fahatakarana” na “sakana iray ho an’ny fandrosoana.”4 Ny tafintohina ara-panahy dia “lavo ao amin’ny fahotana na amin’ny fanaovan-javatra mifanohitra amin’ny tsara.”5 Ny vato manafintohina dia mety ho ny zavatra rehetra izay mampivily antsika amin’ny fanatratrarana tanjona tsara.

Tsy azontsika avela hanjary ho fanina sy hasarotin’ny vato manafintohina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Ray sy ny Zanaka. Tsy afaka mianjera ao anatin’izany fandrika izany isika. Mila mijanona ho madio sy tsotra tahaka ny fiarovana tsotra nataon’ny raiko momba ilay andrin-jiro teo amin’ny tany fambolena nitomboany ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba Azy Ireo.

Inona avy ireo sasany amin’ireo vato manafintohina izay mahafanina sy manasarotra ny tenivavolombelona madio sy tsotra ananantsika momba ny Ray sy ny Zanaka ka mahatonga antsika tsy ho maherifo amin’izany tenivavolombelona izany?

Vato manafintohina iray ny filôzôfian’ny olombelona

Manolo-tena hahazo karazana fahalalana maro isika ary mino fa “ny voninahitr’ Andriamanitra dia ny faharanitan-tsaina.”6 Saingy fantatsika ihany koa fa ny paik’ady tian’ilay fahavalo indrindra dia ny hitarika ny olona hanalavitra an’ Andriamanitra ary hahatonga azy ireo ho tafintohina amin’ny alalan’ny fanamafisana ny filôzôfian’ny olombelona mihoatra noho ny Mpamonjy sy ireo fampianarany.

Vavolombelona matanjak’i Jesoa Kristy ny Apôstôly Paoly noho ny zavatra niainany mahagaga sy nanova fiainana niaraka tamin’ny Mpamonjy.7 Ny tantara miavaka nananan’i Paoly dia nanomana azy hitantara amin’ny olona maro nanana kolontsaina samy hafa. Tiany ny “fahatsorana mivantana sy marina” nananan’ny Tesaloniana sy ny “fitserana feno hatsaram-panahy” nananan’ny Filipiana.8 Hitany tamin’ny voalohany fa sarotra kokoa ny nitantara tamin’ireo Grika manam-pahaizana sy mihaja. Niezaka nampiasa fomba filôzôfika izy tao Atena teo amin’ny havoana an’i Mars, ary dia nolavina. Tapa-kevitra ny hampianatra tsotra ny “fotopampianaran’i Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana” tamin’ny Korintiana izy.”9 Raha hampiasa ny tenin’ny Apôstôly Paoly hoe:

“Ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin’ny teny fahendrena mahataona, fa tamin’ny fanehoan’ny Fanahy sy ny hery:

“Mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona, fa amin’ny herin’ Andriamanitra.”10

Hita ao amin’ny 1 Korintiana ny sasany amin’ireo tantara mahatalanjona indrindra momba ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy ao amin’ny soratra masina. Ny toko iray—15—dia nisarika ny sain’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ireo hira ho an’ny amboarampeo nosoratan’i George Frideric Handel mitondra ny lohateny hoe Le Messie.11 Ahitana fotopampianarana lalina momba ny Mpamonjy izany. Ao amin’ny ampahany fahatelo ao amin’ny Le Messie, manaraka avy hatrany ilay hira “Aleloia,” dia nampiasaina avy ao amin’ny 1 Korintiana 15 ny ankamaroan’ireo soratra masina. Ao amin’ny vitsivitsy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo no namariparitan’i Paoly tamin’ny fomba kanto ny sasany amin’ireo zavatra notontosain’ny Mpamonjy:

“[Fa] efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy, … ho santatr’izay efa nodimandry.

“… Satria ny olona iray no nisehoan’ny fahafatesana, dia ny olona iray kosa no nisehoan’ny fitsanganana amin’ny maty.

“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy. …

“Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao?? …

“Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.”12

Fantatsika fa nitranga ny Apôstazia satria nakarina mihoatra ny fotopampianarana fototra sy manan-danjan’i Kristy ny filôzôfian’ny olombelona. Teo amin’ny toeran’ny fampianarana ny fahatsoran’ny hafatry ny Mpamonjy dia novaina sy very ny fahamarinana tsotra sady sarobidy maro. Raha ny marina dia nanangana ireo fombafomba ara-filôzôfikan’ny Grika ny Kristiana mba hampifanarahana ny finoan’ny olona tamin’ny kolontsaina nisy. Nanoratra ilay mpahay tantara Will Durant hoe: “Tsy nandringana ny finoana tsy kristiana hafa rehetra ny Kristiana fa nanaiky izany. Ny kolontsaina Grika izay efa niala aina dia nanjary nahazo fiainam-baovao tamin’ny alalan’ireo izay nanaiky ny ampahan’izany.”13 Ara-tantara, sy amin’izao androntsika izao mihitsy, dia mandà ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny olona sasany satria tsy dia saro-takarina ara-tsaina izany.

Tamin’ny fiantombohan’ny Famerenana amin’ny Laoniny dia olona maro raha tsy ny rehetra no nilaza fa manaraka ireo fampianaran’ny Mpamonjy. Firenena maro no nihevitra ny tenany ho firenena Kristiana. Kanefa na tamin’izany aza dia nisy faminaniana iray momba ny fotoan-tsarotra kokoa amin’izao andro izao.

Anisan’ireo Apôstôly Roambinifolo voalohany tamin’ity fotoampitantanana ity sy Mpanolotsaina Voalohan’ny Filoha Brigham Young i Heber C. Kimball. Nampitandrina izy hoe: “Ho avy ny fotoana izay …ho sarotra ny hilaza hoe iza no Olomasina ary iza no fahavalon’ny vahoakan’ Andriamanitra. Dia amin’izany no … hitadiavana ilay sivana lehibe, satria hisy fotoana hanivanana lehibe, ary maro no hianjera.” Nofaranany fa “ho avy ny FITSAPANA iray.”14

Mihena tokoa ny hery mitaonan’ny maha-Kristiana any amin’ny firenena maro amin’izao androntsika izao, ary anisan’izany i Etazonia. Raha tsy misy ireo zavatra inoana ara-pivavahana dia tsy misy fahatsapana ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra. Noho izany dia sarotra ny manangana soatoavina iraisam-pirenena momba ny fomba entina miaina. Ny filôzôfia izay tànana lalina dia matetika no mifanohitra.

Mampahaleho fa mitranga ihany koa izany eo amin’ny samy mpikamban’ny Fiangonana izay miala amin’ny zavatra fantany fa marina ka manjary taomin’ny hevitra malaza amin’iny fotoana iny—izay mazava fa tsy marina ny ankamaroan’izy ireny.

Mifandray amin’ilay faminanian’i Heber C. Kimball dia niteny ny Loholona Neal A. Maxwell tamin’ny 1982 hoe: “Fanivanana maro no hitranga noho ny tsy fahampian’ny fitondrantena tsara izay tsy nibebahan’ny olona. Misy ireo vitsivitsy izay hilavo lefona fa tsy hifikitra hatramin’ny farany. Misy ireo vitsivitsy izay ho voafitaky ny mpikomy. Torak’izany koa, ny hafa dia ho tafintohina, satria hisy vato manafintohina mifanaraka amin’ny fotoampitantanana tsirairay!”15

Vato manafintohina iray hafa ny fandavana ny hihevitra ny fahotana araka ny tena maha-izy izany

Anisan’ireo endrika miavaka sy mampiahiahy amin’izao androntsika izao ny hoe olona maro no manana fitondrantena feno fahotana kanefa mandà ny hihevitra izany ho fahotana. Tsy misy fanenenana na fahavononana hiaiky ny fitondrantenan’izy ireo ho diso ara-môraly izy ireo. Na ireo sasany izay milaza ho mino ny Ray sy ny Zanaka aza dia mino ao amin’ny fahadisoana fa ny Ray any An-danitra be fitiavana dia tsy tokony hametraka voka-dratsy ho an’ny fitondrantena mifanohitra amin’ny didiny.

Izany raha zohiana ny zavatra ninoan’i Koriantona, zanakalahin’i Almà zandriny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nanao fitondrantena tsy mendrika goavana izy ka nahazo torohevitra tamin’i Almà. Sambatra isika fa ny mpaminany lehibe Almà, izay niaina manokana ny “hantsana maizin-kitroka [sy] ny fahazavana mahagaga,”16 dia nirakitra an-tsoratra ny torolalana nomeny. Ao amin’ny Almà toko faha-39, dia vakiantsika ny fomba nanoroany hevitra ny zanany lahy tamin’ny alalan’ny dingan’ny fibebahana ary nanazavany ny fomba hahatongavan’i Kristy mba hanaisotra ny fahotana avy eo. Nazavainy tsara tamin’i Koriantona ny ilàna ny fibebahana satria “ny zavatra tsy madio dia tsy afaka mandova ny fanjakan’ Andriamanitra.”17

Ny Almà 42 dia ahitana ny sasany amin’ireo fotopampianarana tsara indrindra momba ny Sorompanavotana ao anatin’ny soratra masina rehetra. Nampian’i Almà i Koriantona mba hahatakatra fa “rariny ny tokony hametrahana ny mpanota ao amin’ny toetry ny fahoriana.”18 Saingy nomarihany fa nanomboka tamin’i Adama, Andriamanitra be famindram-po dia nanolotra “fotoana mba hibebahana” satria raha tsy misy fibebahana, “ny drafitra lehiben’ny famonjena dia ho efa voasampona.”19 Nambaran’i Almà ihany koa fa ny drafitr’ Andriamanitra dia “drafitry ny fahasambarana.”20

Tena mananatra indrindra ireo fampianaran’i Almà hoe: “Satria indro, ny fahamarinana dia mampihatra ny fitakiana rehetra, ary ny famindram-po koa dia mitaky izay rehetra azy; ary noho izany, tsy misy afa-tsy ny mivalo marina tokoa no vonjena.”21 Raha jerena amin’ny tena endriny, ireo fitahiana be voninahitry ny fibebahana sy ny fankatoavana ireo fampianaran’ny Mpamonjy dia tena manan-danja tokoa. Tsy hoe tsy rariny ny mahitsy, tahaka ny nataon’i Almà tamin’i Koriantona, mikasika ireo voka-dratsin’ireo safidy hanota sy ny tsy fisian’ny fibebahana. Nambara matetika fa: “Na ho ela na ho haingana, ny olona rehetra dia tsy maintsy hihatrika ny vokatr’ireo fanapahan-keviny.”22

Ny fitahiana mahatalanjona sy mandrakizain’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia ny hoe amin’ny alalan’ny fibebahana, ny fitondrantena feno fahotana dia ho voafafa. Taorian’ny fibebahan’i Koriantona dia namarana i Almà nanao hoe: “Maniry aho ny tsy hamelanao intsony ireo zavatra ireo hanahirana ny sainao, ary aoka ny fahotanao ihany no hanahirana anao, amin’ity fahasahiranana ity izay hitondra anao hidina any amin’ny fibebahana.”23

Vato manafintohina iray ny fibanjinana any ivelan’ny tanjona

Nantsoin’ny mpaminany Jakôba hoe “olona mafy hatoka” ny Jiosy fahiny [izay] nanamavo …ny fahatsorana ary “…novonoiny ny mpaminany, ary zavatra tsy mety ho azony no nokatsahiny. Koa, noho ny fahajambany izay fahajambana avy amin’ny fibanjinana any ivelan’ny tanjona, dia tsy maintsy ilaina ny hahalavo azy.”24

Na dia maro aza ireo ohatra ny amin’ny fibanjinana any ivelan’ny tanjona,25 dia ohatra lehibe iray amin’izao androntsika izao ny fironana mihoa-pampana amin’ny zavatra iray. Ny fironana mihoa-pampana amin’ny filazantsara dia rehefa manandratra fitsipiky ny filazantsara iray mihoatra noho ireo fitsipika mitovy lanja hafa ny olona iray ka mino ny zavatra mihoatra na mifanohitra amin’ireo fampianaran’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana. Ohatra iray ny hoe rehefa misy olona iray mamporisika fanampiana na fanovana na fanamafisana voalohany ny ampahany iray ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena. Iray hafa koa ny fiomanana lafo vidy ho an’ny “fiafaran’izao tontolo izao.” Amin’ireo ohatra roa ireo dia hamporisihina ny hafa mba hanaiky ny fihevitry ny tena manokana. “Raha toa ka ovaintsika ho karazana hafanam-po ara-pivavahana tafahoatra ny lalàn’ny fahasalamana na izay mety ho fitsipika hafa, dia mibanjina any ivelan’ny tanjona isika.”26

Raha niresaka momba ny fotopampianarana manan-danja ny Tompo dia nanambara Izy hoe: “Na zovy na zovy no manambara mihoatra na latsaka noho izao, dia tsy avy Amiko izy.”27 Rehefa manandratra fitsipika iray amin’ny fomba izay mampihena ny fanolorantenantsika amin’ireo fitsipika mitovy lanja amin’izany isika na mino ny zavatra mifanohitra na mihoatra noho ny fampianaran’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana dia mibanjina any ivelan’ny tanjona isika.

Ankoatra izay dia misy ireo mpikambana sasany izay manandratra foto-kevitra, izay tsara ny ankamaroan’izy ireny, mba hanana toerana ambony kokoa noho ny fotopampianaran’ny filazantsara fototra. Soloin’izy ireo amin’ilay foto-kevitra ny fanolorantenan’izy ireo ka lasa izany no fanolorantenany voalohany ary hahenany ny fanolorantenany ho an’ny Mpamonjy sy ireo fampianarany mba ho lasa amin’ny toerana faharoa. Raha toa ka manandratra na inona na inona ambonin’ny fanolorantenantsika ho an’ny Mpamonjy isika, raha toa ny fitondrantenantsika ka maneho Azy ho mpampianatra iray hafa fotsiny fa tsy ilay Zanakalahy masin’ Andriamanitra, dia mibanjina any ivelan’ny tanjona isika. I Jesoa Kristy no ilay tanjona!

Ny fizarana faha-76 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manazava tsara fa ny “maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa”28 dia fitsapana tsotra sy manan-danja eo amin’ireo izay handova ireo fitahian’ny fanjakana selestialy sy ireo izay ho ao amin’ny fanjakana terestialy ambanimbany kokoa. Mba ho maherifo, isika dia mila mifantoka amin’ny herin’i Jesoa Kristy sy ny sorompanavotany mba handresy ny fahafatesana sy hanadio antsika amin’ny fahotana amin’ny alalan’ny fibebahantsika ary ilaintsika ny manaraka ny fotopampianaran’i Kristy.29 Ilaintsika ihany koa ny fahazavana sy ny fahalalana momba ny fiainana sy ireo fampianaran’ny Mpamonjy mba hitarika antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, anisan’izany ireo ôrdônansy masina any amin’ny tempoly. Tsy maintsy mibosesika ao amin’i Kristy isika, mivoky amin’ny teniny, ary maharitra hatramin’ny farany.30

Famaranana

Raha toa ka te ho maherifo amin’ny tenivavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa isika dia tsy maintsy misoroka ireo vato manafintohina izay mamandrika sy manakana ny fivoaran’ireo lehilahy sy vehivavy mendri-kaja maro raha tsy voafandrik’izany. Aoka isika ho vonona ny hanompo Azy hatrany. Rehefa mikatsaka fahalalana isika dia mila misoroka ireo filôzofian’ny olombelona izay mampihena ny fanolorantenantsika ho an’ny Mpamonjy. Tsy maintsy mahatakatra marina ny momba ny fahotana isika ary manaiky ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fibebahana. Mila misoroka ny fibanjinana any ivelan’ny tanjona isika ary mifantoka amin’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, ka manaraka ny fotopampianarany.

Noraisin’ny raiko ho fomba iray hitondrana herinaratra sy fahazavana ary rano betsaka handrahoana sy hanadiovana ilay andrin-jiro. Fanampiana goavana hanatsarana ny fiainany izany.

Ny mpanoratra iray dia nandroso hevitra fa ireo vato manafintohina dia azo ovaina ho “fanampiana goavana ho an’ny olona heni-kaja iray sy ho an’ny Lanitra.”31

Ho antsika, ny hoe maherifo amin’ny tenivavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa dia fanampiana goavana iray mankany amin’ny fahamendrehana handray ny famindram-pon’ny Mpamonjy sy ny fanjakana selestialy. I Jesoa Kristy irery no hany anarana amban’ny lanitra izay ahafahana manavotra antsika.32 Ijoroako no vavolombelona marina ny amin’ny maha-Andriamanitra azy sy ny anjara asany masina ao anatin’ny drafitry ny Ray. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7; jereo ihany koa ny Jaona 17:3.

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:79.

  3. Jereo ny Miorim-paka ao amin’ny finoana: Fanovozan-kevitra mikasika ny filazantsara (2004), 52–53.

  4. Merriam-Webster’s Collegiate Dictionary, ed. faha-11 (2003), “stumbling block.”

  5. Merriam-Webster’s Collegiate Dictionary,“stumble.”

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:36.

  7. Jereo ny Asan’ny Apostoly 9:1–9; 26:13–18.

  8. Jereo ny Frederic W. Farrar, The Life and Work of St. Paul (1898), 319.

  9. Jereo ny Farrar, Life and Work of St. Paul, 319–20.

  10. 1 Korintiana 2:4–5.

  11. Jereo ny George Frideric Handel, Messiah,ed. T. Tertius Noble (1912).

  12. 1 Korintiana 15:20–22, 55, 57.

  13. Will Durant, The Story of Civilization, boky faha-3, Caesar and Christ (1944), 595.

  14. Heber C. Kimball, ao amin’ny Orson F. Whitney, Life of Heber C. Kimball (1945), 446.

  15. Neal A. Maxwell, “Be of Good Cheer,” Ensign, nôv. 1982, 68.

  16. Môsià 27:29.

  17. Almà 40:26.

  18. Almà 42:1. Ao amin’ny fotopampianaran’ny Olomasin’ny Andro Farany, ny fanafahana dia natao ho an’ny olombelona rehetra ka anisan’izany ireo izay tsy nandre momba an’i Kristy teto amin’ity fiainana ity, ireo ankizy izay maty mialoha ny taona maha-tomponandraikitra, ary ireo izay tsy manana fahatakarana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:46–50; 137:7–10).

  19. Almà 42:5.

  20. Almà 42:8.

  21. Almà 42:24.

  22. Robert Louis Stevenson, tao amin’ny Carla Carlisle, “A Banquet of Consequences,” Country Life,, 6 jolay 2016, 48. Milaza Rtoa Carlisle fa i Robert Louis Stevenson no nanao izany teny izany. Lazain’ny hafa ho olona hafa kosa izany.

  23. Almà 42:29.

  24. Jakôba 4:14.

  25. Tao anatin’ny lahatsoratra iray nosoratako ho an’ny gazetibokin’ny Fiangonana tamin’ny 2003, dia namafisiko ireo lafiny efatra izay mety hiteraka fahajambana momba ny fivavahana sy ilay vato manafintohina nofariparitan’i Jakôba: fanoloana fahamarinana ara-pilazantsara amin’ireo filôzôfian’ny olombelona, fahajambana ara-pilazantsara, fihetsika maherifo ho solon’ny fanolorantena tsotra amin’ireo asa ho an’ Andriamanitra isan’andro, ary fanandratana ireo fitsipi-pifehezana ho ambonin’ny fotopampianarana. (jereo ny “Looking beyond the Mark,” Liahona,mar. 2003, 21–24).

  26. Quentin L. Cook, “Looking beyond the Mark,” Liahona, mar. 2003, 22.

  27. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:68.

  28. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:79.

  29. Jereo ny 2 Nefia 31:17–21.

  30. Jereo ny 2 Nefia 31:20–21.

  31. Henry Ward Beecher, tao amin’ny Tryon Edwards, A Dictionary of Thoughts (1891), 586.

  32. Jereo ny 2 Nefia 31:21; Môsià 3:17.