2010–2019
Ary izao no fiainana mandrakizay
Aprily 2017


Ary izao no fiainana mandrakizay

Fantatr’ Andriamanitra ianareo ary manasa anareo Izy mba hahafantatra Azy.

Miresaka aminareo aho ry taranaka vao misondrotra, zatovo sy tanora, na manambady na tsia, ianareo izay ho mpitarika ato amin’ity Fiangonan’ny Tompo ity. Eo anatrehan’ny faharatsiana, korontana, tahotra, ary fifandirana misy eo amin’izao tontolo izao, dia miresaka aminareo mazava tsara aho mikasika ny maha-lehibe sy ny maha-fitahiana ny fahafantarana an’ Andriamanitra.

I Jesoa Kristy dia nampianatra fahamarinana maro izay manazava ny drafitry ny fahasambarana an’ny Ray any An-danitra sy ny toerana misy anao ao anatin’izany. Hifantoka amin’ny anankiroa amin’izay aho mba hanampiana anareo hahatakatra ny maha-ianareo anareo izay zanak’ Andriamanitra sy hahafantatra ny tanjonareo amin’ny fiainana.

Voalohany: “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”1

Faharoa: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahinao.”2

Tsarovy foana ireo fahamarinana ireo fa mampianatra ny antony izy ireo eo am-panazavako ny fomba ahafahanareo sy isika rehetra lasa mahafantatra an’ Andriamanitra.

Mahafantatra Azy amin’ny alalan’ny vavaka

Ry tanora namako, afaka manomboka mahafantatra Azy isika amin’ny alalan’ny vavaka.

Tamin’ny 7 aprily 1829 dia nanomboka niasa ho mpitantsoratr’i Joseph Smith izay 23 taona i Oliver Cowdery 22 taona. Tanora izy ireo tamin’izany, tahaka anareo ihany. Nangataka fanamafisana avy tamin’ Andriamanitra i Oliver mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny asany ao anatin’izany. Ho valin’izany dia nahazo izao fanambarana manaraka izao izy:

“Indro, fantatrao fa efa nanontany Ahy ianao ary nanazava ny sainao Aho. …

“Eny, lazaiko aminao mba hahafantaranao fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra ihany no mahalala ny eritreritrao sy ny fisaintsainan’ny fonao. …

“… Raha maniry vavolombelona fanampiny ianao, dia avereno ao an-tsainao ilay alina izay nitalahoanao Tamiko tao am-ponao. …

“Tsy nilaza fiadanana tamin’ny sainao va Aho … ? Inona no vavolombelona lehibe kokoa mety ho azonao noho izay avy amin’ Andriamanitra?”3

Rehefa mivavaka amim-pinoana ianao dia hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra rehefa miresaka amin’ny fanahinao ny Fanahiny. Na irery toy ny ahoana na tsy matoky tena toy ny ahoana aza ianareo, dia tsy irery ianareo eto amin’izao tontolo izao. Fantantr’ Andriamanitra manokana ianareo. Rehefa mivavaka ianareo dia ho lasa mahafantatra Azy.

Mahafantatra Azy amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina

Rehefa mandalina ny soratra masina ianao dia tsy mianatra momba ny Mpamonjy fotsiny fa tena afaka mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny farany.

Tamin’ny aprily 1985 ny Loholona Bruce R. McConkie dia nandray fitenenana tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana, 13 andro talohan’ny nahafatesany. Izao fijoroana ho vavolombelona izao no namaranany izany:

“Izaho dia iray amin’ireo vavolombelony, ary ho avy ny andro hahatsapako ny diam-pantsika amin’ny tanany sy amin’ny tongony ary hanamandoako ny tongony amin’ny ranomasoko.

“Saingy tsy hahafantatra tsaratsara kokoa noho izay fantatro ankehitriny aho amin’izany fotoana izany fa Izy no Zanak’Andriamanittra Tsitoha, fa Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ary ny famonjena dia tonga avy ary amin’ny alalan’ny rany manavotra ary tsy misy lalana hafa.”4

Ireo izay naheno ny Loholona McConkie niteny tamin’io andro io dia tsy nanadino mihitsy ny zavatra tsapanay. Rehefa nanomboka ny lahateniny izy dia nambarany ny antony mahatonga ny tenivavolombelony ho mahery vaika. Hoy Izy:

“Eo am-piresahana ireo zavatra mahafinaritra ireo dia hampiasa ny teniko manokana aho na dia mety hieritreritra aza ianareo fa tenin’ny soratra masina izany. …

“Marina fa ny hafa no nanambara azy ireo voalohany kanefa ankehitriny dia ahy izy ireo, fa ny Fanahy Masin’ Andriamanitra dia nijoro ho vavolombelona tamiko fa marina izy ireo, ary ankehitriny dia toy ny hoe izaho no nanambaran’ny Tompo azy ireo voalohany. Tamin’ny alalan’izany dia nandre ny feony aho sy nahafantatra ny teniny.”5

Rehefa mandalina sy misaintsaina ny soratra masina ianareo dia handre ihany koa ny feon’ Andriamanitra sy hahafantatra ny teniny ary ho lasa mahafantatra Azy. Hambaran’ Andriamanitra aminao manokana ireo fahamarinany mandrakizay. Ho lasa ampahan-javatra handrafitra ny maha-izy azy anao ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ary hipoitra avy any amin’ny fanahinao lalina any.

Ankoatra ny fandalinana ataon’ny tsirairay dia manan-danja ny fandalinan’ny fianakaviana ny soratra masina.

Tao an-tokantranonay izahay dia naniry ny mba hianaran’ireo zanakay hahafantatra ny feon’ny Fanahy. Mino izahay fa nitranga izany rehefa niaraka nandalina isan’andro ny Bokin’i Môrmôna ny fianakavianay. Lasa mafy orina ny fijoroana ho vavolombelona nanananay rehefa niresaka momba ireo fahamarinana masina izahay.

Lasa fantsona entin’ny Fanahy hanomezana fampianarana voavolavola ho an’ny tsirairay amintsika ny fandalinana ny soratra masina. Rehefa mandalina irery ny soratra masina isan’andro sy miaraka amin’ny fianakaviana ianao dia hianatra hamantatra ny feon’ny Fanahy ary ho lasa mahafantatra an’ Andriamanitra.

Mahafantatra Azy amin’ny alalan’ny fanaovana ny sitrapony

Ankoatra ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina dia mila manao ny sitrapon’ Andriamanitra isika.

Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra ho antsika. Hoy Izy hoe: “Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy”6

Rehefa niseho tamin’ny Nefita ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty dia nilaza hoe: “Indro, Izaho no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao; ary nisotro tamin’ilay kapoaka mangidy izay efa nomen’ny Ray Ahy Aho ary efa nankalaza ny Ray tamin’ny nitondrako teo Amiko ny fahotan’izao tontolo izao, izay efa niaretako ny sitrapon’ ny Ray tamin’ny zava-drehetra hatrany am-piandohana.”7

Manao ny sitrapon’ny Ray izaho sy ianao amin’ny alalan’ny fanajana ireo fanekempihavanantsika sy ny fitandremana ireo didy, ary ny fanompoana an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika.

Olona tsotra ny ray aman-dreniko sy ny an’i Rhonda vadiko, mety tena mitovy amin’ny ray aman-dreninareo. Saingy ny zavatra iray tiako amin’ireo ray aman-dreninay dia ny fanokanan’izy ireo ny fiainany tamin’ny fanompoana an’ Andriamanitra, ary nampianariny izahay mba hanao izany koa.

Vao nivady tao anatin’ny taona vitsivitsy monja ny ray aman-drenin’i Rhonda dia voantso hanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno ny rainy izay 23 taona. Nandao ilay vadiny mbola tanora sy ny zanany vavy 2 taona izy. Avy eo dia voantso hanompo niaraka taminy ny vadiny nandritra ny fito volana farany, ka namela ny zanakavavin’izy ireo mba hokarakarain’ny havana.

Taona vitsy taty aoriana, efatra ny zanany tamin’izany, dia nifindra tany Missoula Montana izy ireo, mba hahafahan’ny rainy nianatra tany amin’ny oniversite. Kanefa vao volana vitsy monja izy ireo no tao dia niantso ny rafozan-dahiko ho filoha voalohan’ilay tsatoka vao niforona tao Missoula ny filoha Spencer W. Kimball sy ny Loholona Mark E. Petersen. 34 taona monja izy tamin’izany. Nafoy ireo eritreritra hianatra tany amin’ny oniversite rehefa nikatsaka ny hanao ny sitrapon’ny Tompo, fa tsy ny an’ny tenany izy.

Nanompo nandritra ny 30 taona mahery tao amin’ny tempoly ny ray aman-dreniko, i Dada dia mpamehy ny fianakaviana ary i Neny dia mpanatanteraka ôrdônansy. Niara-nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno in-dimy ihany koa izy ireo, tany Riverside, Californie; Ulaanbaatar, Mongolie; Nairobi, Kenya; tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo Illinois ary ny Tempolin’i Monterrey Meksika. Niasa mafy izy ireo tany Meksika mba hianatra fiteny vaovao, izay tsy mora rehefa 80 taona ianao. Saingy nikatsaka ny hanao ny sitrapon’ny Tompo izy ireo fa tsy nanaraka ny fanirian’izy ireo manokana amin’ny fiainana.

Ho azy ireo sy ireo Olomasin’ny andro farany rehetra izay feno fanolorantena toy izany manerana izao tontolo izao dia averiko ny teny nolazain’ny Tompo tamin’i Nefia, ilay zanak’i Helamàna hoe: “Hotahiana ianao, … noho ireo zavatra izay efa nataonao ireo,… endrey tsy sasatra ianao … , [fa] tsy nikatsaka ny ainao samirery [ianao] fa efa nikatsaka kosa ny sitrapoko sy ny hitandrina ny didiko.”8

Rehefa mikatsaka ny sitrapon’ Andriamanitra isika amin’ny fanompoana amim-pahatokiana Azy sy ny mpiara-belona amintsika dia mahatsapa ny fankasitrahany sy lasa tena mahafantatra Azy isika.

Mahafantatra Azy amin’ny alalan’ny fahatongavana tahaka Azy

Milaza amintsika ny Mpamonjy fa ny fomba tena tsara indrindra hahafantarana an’ Andriamanitra dia fahatongavantsika tahaka Azy. Hoy ny nampianariny: “Koa, tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo? Lazaiko aminareo marina tokoa, ho toa Ahy.”9

Ny fahamendrehana dia tena ilaina amin’ny fahatongavana tahaka Azy. Nandidy Izy hoe: “Hamasino ny tenanareo; eny, diovy ny fonareo ary sasao … ny tananareo, mba hahazoako manadio anareo.”10 Rehefa manomboka mandeha amin’ilay lalana mankany amin’ny fahatongavana tahaka Azy isika dia mibebaka, ary mandray ny famelany dia dioviny ny fanahintsika.

Mba hanampiana antsika hivoatra mankany amin’ny Ray dia nanome antsika izao fampanantenana izao ny Tompo: “Ny olona tsirairay, izay mahafoy ny fahotany ka manatona Ahy ary miantso ny anarako sy mankatò ny feoko ary mitandrina ny didiko, dia hahita ny tavako ary hahafantatra fa Izy Aho.”11

Amin’ny alalan’ny finoantsika ilay sorona fanavotana nataony dia manadio antsika sy manasitrana antsika ary mamela antsika hahafantatra Azy amin’ny alalan’ny fanampiana antsika ho tonga tahaka Azy ny Mpamonjy. Nampianatra i Môrmôna hoe: “Mivavaha amin’ ny Ray amin’ ny herin’ny fo manontolo, … mba hahatonga anareo ho zanak’ Andriamanitra; ka rehefa hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika.”12 Rehefa miezaka ny ho tahaka an’ Andriamanitra isika dia afaka ny hahatonga antsika ho tsara kokoa noho izay vitantsika amin’ny tenantsika Izy.

Mahafantatra Azy amin’ny alalan’ny fanarahana ireo mpampianatra

Mba hanampiana antsika amin’ny ezaka ataontsika, Andriamanitra dia nanome antsika maodely sy mpampianatra. Te hizara ny fahatsapako mikasika ny iray amin’ireo maodeliko sy mpampianatro aho, dia ny Loholona Neal A. Maxwell. Nikatsaka tsy tapaka ny hampifanaraka ny sitrapony amin’ny sitrapon’ny Ray izy tamin’ny ezaka nataony ho tonga tahaka an’ Andriamanitra.

20 taona mahery lasa izay dia nizara ny fahatsapany tamiko izy raha vantany vao hita fa voan’ny homamiadana izy. Hoy izy tamiko: “Te ho ao amin’ny ekipa aho, na eto amin’ity faritra ilan’ny [ voaly] ity na any amin’ilay faritra ilany arỳ. Tsy te ho mpijery fotsiny aho. Fa te handray anjara ao anatin’ny lalao.”13

Nandritra ny herinandro vitsivitsy taorian’izay dia nisalasala izy hoe hangataka an’ Andriamanitra mba hanasitrana azy fa ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra fotsiny no tiany. Nohamafisin’i Colleen vadiny fa ny fitalahoana voalohany nataon’i Jesoa tao amin’ny Sahan’i Getsemane dia hoe: “Raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity.” Izay ny Mpamonjy vao niteny hoe “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao.14 Namporisika ny Loholona Maxwell izy mba hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy, mangataka fanampiana dia avy eo mampifanaraka ny sitrapony amin’ny sitrapon’ Andriamanitra, izay nataony tokoa.15

Rehefa avy nijaly tamin’ny alalan’ny fandalovana fitsaboana goavana sy nandreraka efa ho herintaona izy dia tafaverina tanteraka “tao anatin’ny lalao” ihany. Mbola nanompo nandritra ny fito taona indray izy.

Nanana andraikitra maro niarahana taminy aho nandritra ireo taona manaraka ireo. Nahatsapa ny hatsaram-panahiny sy ny fangorahany ary ny fitiavany aho. Nahita ny fitombon’ny fihatsarany ara-panahy nandritra ny fijaliany sy ny fanohizany ny fanompoany aho, teo am-piezahany ho tonga tahaka ny Mpamonjy.

Ny maodely sy mpampianatra lehibe indrindra ananantsika rehetra dia i Jesoa Kristy, Tompo sy Mpamonjintsika, izay nilaza hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.”16 “Avia hanaraka Ahy.”17

Ry rahalahy sy rahavavy zandriko, ny fahafantarana an’ Andriamanitra no zavatra katsahina mandritra ny fiainana. “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny [hahafantarantsika an’ilay] Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahin[’ny Ray].”18

“Tsy hitozo ao amin’ity tanjona lehibe tokoa ity va isika? … Mahereza ry [zandry namako]; dia mandrosoa, mandrosoa mankamin’ny fandresena!”19

Fantatr’ Andriamanitra ianareo ary manasa anareo Izy mba hahafantatra Azy. Mivavaha amin’ny Ray, halalino ny soratra masina, katsaho ny sitrapon’ Andriamanitra, miezaha ny ho tonga tahaka ny Mpamonjy, ary manaraha ireo mpampianatra marina. Raha manao izany ianareo dia ho lasa mahafantara an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, ary handova ny fiainana mandrakizay. Izany no fanasana omeko anareo amin’ny maha-vavolombelon’Izy Ireo voatendry manokana ahy. Velona Izy Ireo. Tiany ianareo. Izany no hijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.