2010–2019
Mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro
Aprily 2017


Mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro

Misy hazavana sy hatsarana foana manodidina antsika eny fa na dia ao anatin’ireo fotoana sarotra sy maizina indrindra aza.

Nizara hafatra mahafinaritra iray momba ny fanantenana tamin’ireo Korintiana i Paoly:

“Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo;

“Enjehina, nefa tsy nafoy; potraka, nefa tsy maty.”1

Avy aiza no nipoiran’ny fanantenan’i Paoly? Henoy ny fanazavany: “Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’ Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Jesoa Kristy.”2

Misy hazavana sy hatsarana foana manodidina antsika eny fa na dia ao anatin’ireo fotoana sarotra sy maizina indrindra aza. Tamin’ny volana ôktôbra lasa teo ny Filoha Dieter F. Uchtdorf dia nampatsiahy antsika hoe: “Hodidinin’ny fahazavana sy fahamarinana be dia be mampitolagaga tahaka izany … isika ka manontany tena aho raha toa ka tena manome lanja izay ananantsika isika.”3

Kanefa, ny fahavalo dia aleon’ny fahavalo mahita antsika mifantoka amin’ny “zavon’ny haizina … izay manajamba ny maso, … manamafy ny fo … , ary mitarika … ho very.”4

Kanefa, miaraka amin’ny fahatakarana feno ny olana amin’ny androntsika, ny Tompo dia mampanantena hoe: “Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana; ary izay mandray hazavana sy mitoetra ao amin’ Andriamanitra dia handray hazavana misimisy kokoa; ary izany hazavana izany dia mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro.”5

Zanak’ Andriamanitra isika. Ny mandray hazavana sy ny mitoetra ao amin’ Andriamanitra, ary ny mandray hazavana misimisy kokoa no antony namoronana antsika. Hatrany am-piandohana isika dia nanaraka ny hazavana; nanaraka ny Raintsika any An-danitra sy ny drafiny isika. Ny fikatsahana ny hazavana dia toetra voajanahary raikitra ao amin’ny fanahintsika.

Reko nampianarina tamin’ny fomba mahatalanjona tamina toerana iray tsy nampoizina ity fahamarinana mandrakizay ity. Fony aho niasa tao amin’ny banky lehibe iray dia nasaina hanatrika fandaharam-pianarana iray natao ho an’ny mpandraharaha ivelany tao amin’ny Oniversiten’i Michigan. Nandritra ilay fandaharam-pianarana ny Profesora Kim Cameron dia nampianatra ny hevitry ny hoe fitarihana mahomby sy ny hery mahatonga ny olona maniry hotarihina vokatr’izany Hoy ny fanazavany: “Izany dia miresaka momba ilay fironana ananan’ny zava-manan’aina rehetra hankany amin’ny hery tsara [hazavana] ary hanalavirany hery ratsy [haizina]. Manomboka amin’ny zavamananaina tokan-tsela ka hatramin’ny rafitra saro-takarin’ny taovan’olombelona, ny zavamananaina rehetra dia manana fironana voajanahary hitia ny tsara ary hanalavitra ny ratsy.”6

Noho ireo fianarana maro noratoviny, dia nifantoka tamin’ireo singa telo manan-danja izay mampahomby ny rafi-piaraha-monina ao amin’ny toeram-piasana ihany koa izy dia: ny fangorahana, sy ny famelan-keloka, ary ny fankasitrahana.7 Mazava ho azy fa rehefa mitodika mankany amin’ny tsara (hazavana) ny olona dia mipoitra ireo toetra nasehon’i Jesoa Kristy, ilay Fahazavan’izao Tontolo izao.

Ry rahalahy sy ranabavy isany, mahereza ianareo fa misy hazavana natao ho antsika. Te handroso sosokevitra telo aho ny amin’ny toerana izay ahafahantsika mahita hazavana mandrakariva :

1. Ny fahazavan’ny Fiangonana

Ny Fiangonana dia fanilo manazava ny tontolo miharatsy. Fotoana tena tsara izao hidirana ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany! Matanjaka kokoa noho ny hatrizay ny Fiangonana8 ary tena miha-matanjaka isan’andro noho ireo mpikambana vaovao izay miaraka amintsika, noho ireo vondron’olona vaovao izay miforona, sy ireo misiônera vaovao voantso, ary ireo toerana vaovao misokatra ho an’ny filazantsara. Hitantsika ireo mpikambana izay nisy fotoana nalalaindana miverina noho ny fahagagana mitranga isan’andro nentin’ilay asa fanavotana nambaran’ny Filoha Thomas S. Monson.

Vao haingana aho no niresadresaka tamin’ireo tanora tany Paragoay, Orogoay, Sily, ary Argentine nandritra ireo fivoriamben’ny Ry Tanora Mahereza tany. Zatovolahy sy zatovovavy an’arivony maro no nanamafy ny fitiavan’izy ireo ny Mpamonjy nandritra ny herinandro ary avy eo dia niverina tany amin’ny fianakaviany sy ireo namany nanaparitaka ny hazavana sy ny fitiavan’i Kristy.

Hitanareo, hisy hitsikera foana ny Fiangonana. Efa tahaka izany hatrany am-piandohana ary mbola ho toy izany hatrany. Saingy tsy afaka hamela ireny tsikera ireny hanadonto ny fahafahantsika mandray hazavana izay omena antsika isika. Ny fahaizantsika mamantatra ny hazavana sy ny fikatsahana izany no hahafahantsika hahazo hazavana bebe kokoa.

Ao anatin’ny tontolo miha-ratsy ny ny fahazavan’ny Fiangonana dia hamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro.

2. Ny fahazavan’ny filazantsara

Ny fahazavan’ny filazantsara no lalana izay “mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro,”9 ary ao amin’ny fianakaviantsika sy ao amin’ireo tempoly manerana izao tontolo izao izy no tena mamiratra indrindra.

Hoy ny voalaza ao amin’nyTorio ny Filazantsarako : “Afaka mamaha ny tsy fifankahazoan-kevitra sy ny adiady ary ny fitsapana ny fianakaviana amin’ny alalan’ny fahazavan’ny filazantsara. Ny fianakaviana izay misaratsaraka noho ny fifandirana dia mety ho sitrana amin’ny alalan’ny fibebahana, ny famelan-keloka sy ny finoana ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”10 Izao no fotoana tokony mety indrindra ho an’ny fianakaviantsika mba ho loharanom-pahazavana lehibe ho an’ny olona rehetra manodidina antsika. Mitombo hazavana ny fianakaviana rehefa mitombo fitiavana sy hatsaram-panahy. Rehefa aorintsika eo ambonin’ny “finoana, … fibebahana, fifamelana, fanajana, fitiavana, [ary] fangorahana,”11 ny fianakaviantsika dia hahatsapa fitomboana isika eo amin’ny fitiavantsika ny Mpamonjy sy eo amin’ny fifankatiavantsika. Hihamatanjaka kokoa ny fianakaviana, ary hihamamiratra kokoa ny hazavana ao anatintsika.

Ao amin’ny Bible Dictionary isika dia mamaky toy izao: “Ny tokantrano irery ihany no afaka mitaha amin’ny fahamasinan’ny tempoly.”12 Manana tempoly am-perinasa miisa 155 (dimy amby dimampolo amby zato) isika ankehitriny ary maro no mbola hitsangana tsy ho ela. Miha-maro hatrany hatrany ireo fianakaviana fehezina ho amin’izao fotoana izao sy ho amin’ny mandrakizay. Mpikambana maro no mandefa betsaka hatrany ny anaran’ireo razambeny any amin’ny tempoly mba hanatanterahana ireo ordônansin’ny famonjena azy ireny. Tena miaina ao anatin’ny hafaliana lehibe sy fankalazana amin’ny lafiny roa amin’ny voaly isika ankehitriny.

Ao anatin’ny tontolo miha-ratsy ny ny fahazavan’ny filazantsara dia hamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro.

3. Ny Fahazavan’i Kristy

Tsy afaka ny hiresaka momba ny fahazavana eo amin’izao tontolo izao isika raha tsy miresaka momba ilay Fahazavana an’ izao tontolo izao, dia i Jesoa Kristy izany. Fanehoam-pitiavana avy amin’ny Ray any An-danitra iray ny fahafahan’ny olona tsirairay izay teraka eto amin’ity fiainana ity mahazo ny Fahazavan’i Kristy mba hanampiana azy ireo hiverina eo anatrehany. Ny filoha Boyd K Packer dia nampianatra hoe: “Ny Fanahi’i Kristy dia eo lalandava. … Ny Fahazavan’i Kristy dia manazava izao tontolo izao tahaka ny tara-masoandro mihitsy. Na aiza na aiza misy olombelona miaina dia eo ny Fanahin’i Kristy.”13 Ny Fahazavan’i Kristy dia “mitaona ny olona hanao ny tsara lalandava”14 ary manomana ireo rehetra izay mikatsaka ny fahatsarana sy ny fahamarinana mba handray ny Fanahy Masina.

Mampianatra ny Mpamonjy fa Izy no fahazavana izay “manazava ny masonareo,” sy “mampavitrika ny fahatakaranareo,” ary “manome aina ny zava-drehetra.”15 Ny Fahazavan’i Kristy dia hanampy antsika hahita ny hafa amin’ny fomba fijerin’ny Mpamonjy. Ho lasa tia bebe kokoa ny hafa sy hahatakatra ireo fanamby atrehany isika. Hanampy antsika hanana faharetana bebe kokoa amin’ireo izay mety tsy mitovy finoana amintsika na ireo izay tsy manompo toa antsika izany. Izany dia hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana sy hahita ny fomba hahatafidirantsika rehetra ao amin’izany drafitra lehibe feno fitiavana izany. Manome aina, sy antony, ary tanjona ny zavatra rehetra ataontsika izany. Na dia eo aza ny hafaliana izay ho avy amintsika rehefa mahatakatra bebe kokoa ny Fahazavan’i Kristy isika dia tsy hitovy amin’ny hafaliana ho tsapantsika rehefa mahita ny Fahazavan’i Kristy miasa ao amin’ny hafa, toy ny fianakaviana, sy ny namana, eny fa na dia olona tsy fantatsika mihitsy aza izany.

Sary
Fiadiana amin’ny afo nandoro ny trano fiangonana

Nahatsapa io hafaliana io aho rehefa nahare momba ny ezaka nataon’ny vondrona mpamono afo be risi-po iray mba hamonoana ny afo nandoro ny ivon-toeran’ny tsatòka iray tao Kalifôrnia Atsimo tamin’ny taona 2015. Rehefa nihombo ny fidedadedan’ny afo, dia niantso ilay namany izay Olomasin’ny Andro Farany ny mpibaiko ny mpamono afo iray mba hanontany azy ny toerana nisy ireo sary masina sy ireo kaopy fampiasa amin’ny fanasan’ny Tompo hamonjeny azy ireny. Nanome toky azy ilay namany fa tsy misy sary masina izany ao ary ireo kaopy fampiasa amin’ny fanasan’ny Tompo dia azo soloina soa aman-tsara. Saingy nahatsapa ilay mpibaiko fa tokony mbola hanao zavatra bebe kokoa, koa dia nandefa ireo mpamono afo niverina nankao amin’ilay trano nirehitra izy mba haka ireo sary hosodokon’i Kristy rehetra nipetaka tamin’ny rindrina mba tsy ho kila. Nasian’izy ireo olona iray mihitsy aza tao anatin’ny fiara mpamono afo mba hahafahana miambina ireo mpamono afo nalefa. Tena nanohina ahy mihitsy ny hatsaram-panahy sy ny fahatsarana ary ny fahafahana mandray Fahazavana nananan’ilay mpibaiko nandritra ny fotoana mampidi-doza sy sarotra iray.

Sary
Fanavotana ireo sary hosodoko maneho ny Mpamonjy avy amin’ny afo
Sary
Mpamono afo miaraka amin’ny sary hosodoko maneho ny Mpamonjy

Ao anatin’ny tontolo miha-ratsy ity ny Fahazavan’i Kristy dia hamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro!

Averiko eto indray ilay teny nambaran’i Paoly manao hoe: “Aoka … hitafiantsika ny fiadian’ny mazava.”16 Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Kristy aho. Izy no Fahazavan’izao tontolo izao. Enga anie isika ka hahazo hery avy amin’ny fahazavana izay omena antsika amin’ny alalan’ny fandraisantsika anjara mavitrika ato am-piangonana sy ny fampiharana bebe kokoa ireo fitsipiky ny filazantsara ao amin’ny fianakaviantsika. Enga anie hahita foana ny Fahazavan’i Kristy ao amin’ny hafa ka hanampy azy ireny hahita izany ao aminy. Rehefa mandray izany hazavana izany isika dia hahazo hazavana bebe kokoa mandra-pitataovovonan’ny andro izay hahitantsika indray “ilay Rain’ny hazavana,”17 dia ny Raintsika any An-danitra. Izany no ijoroako ho valombelona amin’ny anara-masin’ilay Fahazavan’izao tontolo izao, eny dia i Jesoa Kristy, amena.