2010–2019
Voantso amin’ny asa
Aprily 2017


Voantso amin’ny asa

Ny fanendrena hiasa amina toerana voafaritra iray dia tena ilaina sy manan-danja kanefa faharoa aorian’ny antso mba hitory.

Filoha Monson, mampihetsi-po anay ny mandre ny feonao sy mandray ny fampianaranao. Tianay ianao, manohana anao izahay, ary mivavaka mandrakariva ho anao izahay.

Mivavaka aho ny mba hanampian’ny Fanahy Masina antsika eo am-pandinihantsika miaraka ireo fitsipika mahakasika ny asa lehibe fitoriana ny filazantsara amin’ny firenena, foko, samy hafa fiteny, ary vahoaka rehetra.1

Voantso hanompo sy voatendry hiasa

Isan-taona dia tanora zatovolahy sy zatovovavy an’arivony maro, ary mpivady zokiolona maro, no miandrandra erỳ ny fandraisana ilay taratasy manokana avy any Salt Lake City. Ny voalazan’ilay taratasy dia misy fiantraikany mandrakizay amin’ilay olona nandefasana azy, ary koa amin’ny fianakaviany sy amin’ny olona maro hafa. Rehefa tonga ilay valopy dia mety ho sokafana am-pilaminana tsara sy amim-paharetana ilay izy na tonga dia rovitina miaraka amin’ny fientanentanam-po sy haingana erỳ. Ny famakiana an’io taratasy manokana io dia traikefa tsy hay hadinoana.

Ilay taratasy dia nosoniavin’ny Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ary mivaky toy izao ny fehezan-teny roa voalohany ao amin’izany: “Ianao dia voantso hanompo ho misiôneran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Notendrena ianao hiasa ao amin’ny Misiônan’i ______.”

Mariho azafady fa ilay fehezan-teny voalohany dia antso mba hanompo ho misiônera amin’ny fotoana feno ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny. Ilay fehezan-teny faharoa dia manambara fanendrena mba hiasa amina toerana sy misiôna voafaritra iray. Ny fahasamihafana lehibe misy eo amin’ireo fehezan-teny anankiroa ireo dia tena ilaintsika rehetra takarina.

Ao amin’ny kolontsain’ny Fiangonana dia miresaka matetika momba ny hoe voantso hanompo any amina firenena toy i Argentine, Pologne, Korea, na Etazonia isika. Ny misiônera anefa dia tsy voantso ho any amin’ny toerana iray; voantso hanompo kosa izy. Araka ny teny nambaran’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny taona 1829 hoe: “Raha manam-paniriana ny hanompo an’ Andriamanitra ianareo dia antsoina ho amin’ny asa.”2

Ny antso sy fanendrena mba hitory amin’ny fotoana feno, na ny fanendrena vaovao any aoriana any dia vokatry ny fanambarana azo amin’ny alalan’ny mpanompon’ Andriamanitra. Ny antso mba handray anjara amin’ny asa dia avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Filohan’ny Fiangonana. Ny fanendrena mba hiasa ao amin’ny iray amin’ireo misiôna amperinasa maneran-tany miisa 400 ankehitriny dia avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpikambana iray ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay nahazo lalana avy amin’ny mpaminany velon’ny Tompo. Ny antso sy fanendrena mba hitory rehetra dia avy amin’ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana sy ny fanambarana avy amin’ny Fanahy.

Ny Fizarana 80 an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia rakitsoratra ahitana ny antso mba hitory ho an’i Stephen Burnett, izay nampitain’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 1832. Ny fandalinana ity antso ho an’ny Rahalahy Burnett ity dia afaka manampy antsika (1) hahatakatra mazava kokoa ny fahasamihafana eo amin’ny hoe “voantso amin’ny asa” ho misiônera sy “voantendry hiasa” amin’ny toerana voafaritra iray ary (2) hankasitraka misimisy kokoa ny andraikitra nomena antsika manokana sy avy amin’ Andriamanitra mba hitory ny filazantsara.

Ny andininy 1 ao amin’io fizarana io dia antso mba hanompo: “Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo aminao ry Stephen Burnett mpanompoko: Mandehana ianao, mandehana ianao mankany amin’izao tontolo izao ary mitoria ny filazantsara amin’ny olona rehetra izay manatona ka takatry ny feonao.”3

Mahaliana tokoa fa ny andininy 2 dia mampahafantatra ny Rahalahy Burnett ny misiônera voatendry ho namany: “Ary satria mitady namana ianao, dia homeko anao i Eden Smith mpanompoko.”4

Ny andininy 3 dia milaza hoe aiza ireto misiônera roa ireto no hiasa: “Koa mandehana ianareo ary mitoria ny filazantsarako, na any avaratra, na any atsimo, na any atsinanana, na any andrefana, tsy maninona izany fa tsy mety ho diso lalana ianareo.”5

Tsy mino aho hoe ilay andian-teny manao hoe “tsy maninona izany” araka ny hampiasan’ny Tompo azy eto amin’ity soratra masina ity dia manambara fa tsy miraharaha ny toerana hiasan’ny mpanompony Izy. Raha ny marina dia tena miraharaha izany mihitsy Izy. Kanefa noho ny maha-asan’ny Tompo ny asa fitoriana ny filazantsara dia manentana ny fanahin’ny mpanompony nahazo lalana Izy, mitantana azy ireo, ary mitarika azy ireo. Rehefa miezaka ny ho mendrika hatrany sy ho fitaovana mahomby eo an-tanany ireo misiônera, ary manao izay tsara indrindra avy amin’izy ireo mba hanatanterahana ny andraikiny, miaraka amin’ny fanampiany dia “tsy mety ho diso lalana” izy ireo, n’aiza n’aiza hanompoany. Angamba ny lesona iray ampianarin’ny Mpamonjy antsika ao amin’io fanambarana io dia ny hoe ny fanendrena hiasa amina toerana voafaritra iray dia tena ilaina sy manan-danja kanefa faharoa aorian’ny antso mba hiasa.

Ny andininy manaraka dia mampisongadina ireo fepetra manan-danja takiana amin’ny misiônera rehetra: “Koa ambarao ny zavatra izay efa renareo, sy inoanareo marina tokoa ary fantatrareo fa marina.6

Ny andininy farany dia mampahatsiahy ny Rahalahy Burnett sy isika rehetra hoe iza marina no nanome ilay antso mba hanompo: “Indro izany no sitrapon’ Ilay efa niantso anareo, ny Mpanavotra anareo, dia i Jesoa Kristy. Amena.”7

Mandresy ny tsy fahatakarana

Ny sasany aminareo dia mety manontany tena hoe nahoana aho no nisafidy hiresadresaka momba izany fahasamihafana eo amin’ny hoe voantso amin’ny asa sy voatendry amin’ny asa toa miharihary izany mandritra ny fivoriamben’ny fisoronana ao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ny hamaliako izany fanontaniana izany dia tena mahitsy be: mahafantatra avy amin’ny traikefako aho fa tsy takatry ny mpikambana maro ao amin’ny Fiangonana tsara ireo fitsipika ireo.

Ny hany antony lehibe indrindra hiresahako mikasika izany lohahevitra izany dia ny zavatra hitako rehefa nandeha ny fotoana momba ny olana, ny ahiahy, eny fa hatramin’ny fahatsapana ho meloka mihitsy aza izay tsapan’ny misiônera maro izay nahazo fanendrena vaovao amina toerana hafa nandritra ny fotoam-panompoany, noho ny antony isan-karazany. Izany fanendrena vaovao izany indraindray dia ilaina noho ny trangan-javatra sy toe-javatra tahaka ny loza sy ny ratra, ny fahatarana sy olana amin’ny fahazoana fahazoan-dalana hiditra firenena iray, ny fitotonganan’ny ara-pôlitika, ny fananganana sy fametrahana mpiasa ao amina misiôna vaovao, na ny zavatra ilaina amin’ny asa fitoriana filazantsara maneran-tany izay miovaova sy mivoatra hatrany.8

Rehefa mahazo fanendrena vaovao ho ao amin’ny sahan’ny misiôna hafa ny misiônera anankiray dia mitovy tanteraka amin’ny fizotran’ilay fanendrena voalohany ny fizotran’izany. Mikatsaka fanentanam-panahy sy fitarihana ny mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo rehefa manatanteraka ireo fanendrena vaovao rehetra.

Vao tsy ela aho no niresaka tamina lehilahy mahatoky iray izay nizara tamiko ny fahatsapana lalina indrindra tao am-pony. Nandritra ny fivoriana iray dia vao nahavita ny fanazavana momba ny fahasamihafana misy eo amin’ny hoe voantso hiasa sy voatendry hiasa aho tamin’izay. Nandray ny tanako io rahalahy mahatoky io ary nilaza tamiko, niaraka tamin’ny maso feno ranomaso hoe: “Ny zavatra izay nampianarinao ahy androany dia nanaisotra enta-mavesatra iray tamin’ny soroko, izay nozakaiko nandritra ny 30 taona mihoatra. Raha mbola misiônera tanora aho dia ny hiasa any Amerika Atsimo no nanendrena ahy voalohany. Saingy tsy afaka nahazo fahazoan-dalana hiditra ilay firenena aho, dia notendrena indray hiasa ao Etazonia. Nandritra izay taona rehetra izay dia nisaintsaina ny antony tsy nahafahako nanompo tany amin’ilay toerana izay niantsoana ahy aho. Ankehitriny aho dia mahafantatra fa nantsoina hiasa aho fa tsy ho amin’ny toerana iray. Tsy aiko ny hilaza aminao hoe hatraiza izany fahatakarana izany no nanampy ahy.”

Narary ny foko rehefa nahare ity lehilahy mahatoky ity. Rehefa nampianariko manerana izao tontolo izao izany fitsipika fototra izany dia olona tsy voatanisa maro no naneho tamiko manokana ny fahatsapana toy ny an’ilay lehilahy vao noresahako teo. Miresaka momba ity lohahevitra ity aho anio satria tsy tokony hisy na dia mpikamban’ny Fiangonana anankiray aza mizaka ny enta-mavesatry ny tsy fahatakarana, ny tsy fahazoana antoka, ny alahelo, na ny fahatsapana ho meloka momba ny fanendrena hiasa iray natao.

“Koa mandehana ianareo ary mitoria ny filazantsarako, na any avaratra, na any atsimo, na any atsinanana, na any andrefana, tsy maninona izany fa tsy mety ho diso lalana ianareo.”9 Rehefa misaintsaina ny teny ao amin’ity soratra masina ity sy manokatra ny fonareo ianareo dia manantena sy mivavaka aho fa hanasa ny Fanahy Masina ianareo mba hanome fahatakarana lalina, sy ny fanasitranana, ary ny fanarenana izay mety ilainareo.

Ny antony iray fanampiny nahatsapako ny tokony hiresahana momba ity lohahevitra ity dia ny traikefako manokana amin’ny fanendrena ireo misiônera nandritra ny taona maro. Ho an’ny Roambinifololahy dia tsy misy zavatra mahery vaika kokoa hafa manamafy ny fisian’ny fanambarana amin’ny andro farany noho ny fikatsahana ny sitrapon’ny Tompo rehefa manatanteraka ny andraikitra fanendrena misiônera amin’ny sahan’ny misiôna mitandrify azy ireo tsirairay avy izahay. Vavolombelona aho fa mahafantatra sy miraharaha ny tsirairay avy amintsika sy mahafantatra antsika amin’ny anarantsika ny Mpamonjy.

Miomana ho amin’ny antso mba hiasa

Izao aho dia te hiresaka fohifohy momba ny lafiny iray manan-danja nefa hadinodino matetika ao amin’ny fiomanana ho amin’ny antso mba hiasa.

Teny miisa telo mifampiankina no mamaritra ny dingana lalovana amin’ny fiomanana sy fivoaran’ny zanakalahin’ Andriamanitra: fisoronana, tempoly, misiôna. Indraindray isika ray aman-dreny, namana, ary mpikamban’ny Fiangonana dia mifantoka be loatra amin’ny fiomanan’ny zatovolahy hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno ka mety ho ataontsika ambanin-javatra ny dingana fototra hafa eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izay tsy maintsy tanterahina mialoha ny fanombohana asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Ny fiasana amin’ny maha-misionera anao dia tena anisan’izany tokoa kanefa tsy izany no hany singa manan-danja eo amin’ny dingan’ny fananganana fototra miorim-paka mba hananana fiainana hisian’ny fitomboana ara-panahy sy fanompoana. Ny fitahian’ny fisoronana sy ny tempoly, izay samy mialoha ny fahatongavana ao amin’ny sahan’ny misiôna nanendrena dia ilaina ihany koa mba hampatanjahana sy hankaherezana antsika ara-panahy mandritra ny fiainantsika manontolo.

Ry zatovolahy isany, rehefa manatanteraka ny andraikitrareo ao amin’ny Fisoronana Aharôna na Fisoronana ambany sy rehefa manaja izany ianareo dia miomana handray sy hilofo amin’ny fianianana sy fanekempihavanan’ny Fisoronana Melkizedeka na Fisoronana ambony.10 Ny fahamendrehan’ny tena manokana no ilay fepetra manan-danja indrindra takiana amin’ny fandraisana ny fisoronana ambony. Fiainana feno fanompoana sy fahafoizan-tena ao amin’ny fisoronana no miandry anareo. Miomana dieny izao amin’ny alalan’ny fanaovana asa fanompoana mahasoa. Mba ianaro azafady ny mitia ny hoe mendrika sy ny mitia ny hoe mijanona ho mendrika. Mba mendrika. Mijanòna ho mendrika.

Rehefa nandray ny Fisoronana Melkizedeka sy ny antso mba hanompo ny zatovolahy iray dia afaka tafiana hery11 amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny tempoly masina izy. Ny fankanesanareo any amin’ny tempoly sy ny fikasihan’ny fanahin’ny tempoly anareo dia mialoha hatrany ny fanompoana mahomby amin’ny maha-misiônera amin’ny fotoana feno. Ny fahamendrehan’ny tena manokana no ilay fepetra manan-danja indrindra takiana mba hahazoanareo zatovolahy sy ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra ny fitahian’ny tempoly. Rehefa miaina araka ireo fenitry ny filazantsara ianareo dia afaka miditra ao amin’ny tranon’ny Tompo ary mandray anjara amin’ireo ôrdônansy masina mandritra ireo taona maha-zatovo anareo. Ny fitiavanareo sy ny fahatakaranareo ny ôrdônansin’ny tempoly dia hankahery sy hitahy anareo mandritra ny fiainanareo manontolo. Mba ianaro azafady ny mitia ny hoe mendrika sy ny mitia ny hoe mijanona ho mendrika. Mba mendrika. Mijanòna ho mendrika.

Efa maro ireo zatovolahy sy zatovovavy no mihazona fahazoan-dalana manan-kery voafetra hankany amin’ny tempoly. Amin’ny maha-mpihazona ny Fisoronana Aharôna anareo dia mikaroka ny anaran’ny fianakavianareo ianareo ary manatanteraka batisa sy fandraisana ho mpikambana ho an’ny fianakavianareo any amin’ny tempoly. Ny fihazonanareo ny fahazoan-dalanareo hankany amin’ny tempoly dia maneho ny fahamendrehanareo, ary ny fanompoana ny hafa any amin’ny tempoly dia ampahany iray manan-danja amin’ny fiomanana handray ny Fisoronana Melkizedeka.

Ry zatovolahy isany, ianareo tsirairay avy dia misiônera ankehitriny. Manodidina anareo isan’andro dia misy namana sy mpifanolobodirindrina izay “ny hany manakana azy ireo tsy hahita ny fahamarinana dia noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany fotsiny.”12 Rehefa tarihin’ny Fanahy ianareo dia afaka mizara eritreritra iray, fanasana iray, hafatra amin’ny alalan’ny finday iray na tweet iray izay hampahafantatra an’ireo namanareo ny fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Tsy voatery miandry ary tsy tokony hiandry ny antsonareo ôfisialy ianareo vao afaka ny hirotsaka tsara amin’ny asa fitoriana.

Rehefa tafaraka “ho iray … ao amin’i Kristy”13 ny fitahian’ny fisoronana sy ny tempoly ary ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno ary rehefa mifandray ao am-po sy ao an-tsaina ary ao amin’ny fanahin’ny misiônera tanora iray izany rehetra izany ka misy fiantraikany tsara maro, dia lany ho amin’ny asa izy.14 Ny fahaizany dia hampitomboana mba hanatanterahany ilay andraikitra ho solontena nahazo lalana an’ny Tompo Jesoa Kristy. Ny hery ara-panahy mahery vaika avy amin’ny fampifanarahana ny fanajana ny fisoronana sy ny fanekempihavanan’ny tempoly, ny fandraisana “ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”15 amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana,16 ny fanompoana tsy amim-pitiavan-tena, ary ny fitoriana ny filazantsara amin’ireo zanak’ Andriamanitra dia manome fahafahana ny zatovolahy iray ho lasa “miorina sy mifototra ao amin’ny finoana”17 ary “mamaka tsara sy miorina mafy ao amin[’i Kristy].”18

Ao an-tokantranontsika sy any am-piangonana dia tokony hampifandanjantsika ny fifantohana amin’ireo singa anakintelo ao amin’ny lamin’ny Tompo ho fanomanana sy fampivoarana ireo zanakalahin’ Andriamanitra mahatoky: fisoronana, tempoly, misiôna. Mitaky antsika mba hitia ny hoe mendrika sy hitia ny fijanonana ho mendrika ireo zavatra telo ireo. Mba mendrika. Mijanòna ho mendrika.

Fampanantenana sy fijoroana ho vavolombelona

Ry rahalahy malalako isany, mampanantena anareo aho fa ilay fanomezam-pahasoavan’ny fanambarana dia hiaraka amin’ny antso omena anareo mba hitory ny filazantsara sy ny fanendrena anareo mba hiasa amina toerana voafaritra iray na maromaro. Rehefa miomana amim-pahazotoana ianareo ankehitriny amin’ny alalan’ny fanompoana amim-pahafoizan-tena ao amin’ny fisoronana sy any amin’ny tempoly, dia hampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba ny hoe velona ny Tompo. Hameno ny fonareo ny fitiavana Azy sy ny fitiavana ny asany. Rehefa mianatra mitia ny hoe mendrika ianareo dia ho lasa fitaovana mahery vaika eo an-tanan’ny Tompo mba hitahiana sy hanompoana olona maro.

Amim-pifaliana aho no mijoro ho vavolombelona fa velona ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany. Ny mirotsaka ao amin’ny fanompoana Azy Ireo no anisan’ny fitahiana lehibe indrindra azontsika raisina. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’ny Tompo Jesoa Kristy, amena.