2010–2019
Tatitra avy amin’ny Departemanta misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana, 2016
Aprily 2017


Tatitra avy amin’ny Departemanta misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana, 2016

Ho an’ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

Ry Rahalahy malala isany: Araka ny voalazan’ny fanambarana ao amin’ny fizarana faha 120 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia ny Filankevitry ny fitantanana ny fahafolonkarena, izay ahitana ny Fiadidiana Voalohany, ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary ny Episkôpà Mpiahy, no manome lalana ny hampiasana ny volan’ny Fiangonana. Ireo rafitra ato amin’ny Fiangonana no mitsinjara ny vola araka ny teti-bola sy ireo fitsipika ary fomba fiasa izay nolaniana.

Ny Departemantan’ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana, izay ahitana matihanina manana mari-pahaizana ary tsy miankina amin’ireo departemanta hafa rehetra ato amin’ny Fiangonana, dia manana andraikitra ny hanao ireo fanamarinana ny fampiasam-bola mba hahazoana antoka tsara ny amin’ireo anjara biriky voaray sy ny vola mivoaka ary ny fiarovana ny fananan’ny Fiangonana.

Araka ireo fanamarinana ny fampiasam-bola natao, dia maneho ny heviny ny Departemantan’ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana fa ny anjara biriky voaray sy ny fandaniana natao ary ny fananan’ny Fiangonana amin’ny antsipiriany rehetra ho an’ny taona 2016 dia noraketina sy notantanana araka ny teti-bola sy ireo fitsipika ary fomba fiasa ara-dalàna amin’ny fampiasam-bola izay nolanian’ny Fiangonana. Ny Fiangonana dia manaraka ireo fomba amam-panao ampianarina ny mpikambana ao aminy dia ny mba hanao teti-bola hivelomana sy hisoroka ny trosa ary hanangom-bola hiatrehana ny tsy fisiana.

Natolotra tamim-panajana,

Departemanta misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana

Kevin R. Jergensen

Tale Mpitantana