2010–2019
Aza mijery ny manodidina anao, fa miandrandrà!
Aprily 2017


Aza mijery ny manodidina anao, fa miandrandrà!

Ny fanasana ny hafa hanatona an’i Kristy no tanjontsika, ary afaka manatanteraka io tanjona io isika amin’ny alalan’ny fiandrandrana any amin’i Jesoa Kristy.

Ny tanjoko dia ny “[hanasa] ny hafa hanatona an’i Kristy.”1 Tanjonareo koa izany. Afaka manatanteraka io tanjona io isika amin’ny alalan’ny fiandrandrana any amin’i Jesoa Kristy.

Sary
Ny fianakavian’ny Loholona Choi

Natao batisa niaraka tamin’ny ray aman-dreniko aho fony aho 16 taona. I Kyung-Hwan zandriko lahy izay 14 taona tamin’izany dia niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny alalan’i Young Jik Lee dadatoako, ka nanasa anay ho any amin’ny fiangonany. Ny tsirairay amin’ireo olona 10 ao amin’ny fianakavianay dia samy nanana ny fiangonany avy, ka noho izany dia faly izahay nahita ny fahamarinana ary naniry ny hizara izany fifaliana hitanay tao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izany taorian’ny batisanay.

Sary
Ny rain’ny Loholona Choi miaraka amin’ny hafa

Ny raiko no nientanentana indrindra taminay mba hianatra sy hizara ny fahamarinana. Fahazarany ny nifoha aloha ny maraina mba handalina ny soratra masina mandritra ny adiny roa mahery isan’andro. Taorian’ny firavany avy niasa dia nandeha niaraka tamin’ny misiônera izy mba hamangy ny fianakavianay, ny namanay, ary ny mpifanolobodirindrina aminay, efa mila ho isan’andro. Fito volana taorian’ny nanaovana batisa anay dia lasa mpikamban’ny Fiangonana ny 23 tamin’ny fianakaviako mivantana sy ny havako. Taorian’izay dia nisy ny fahagagana izay nahitana olona 130 vita batisa ny taona manaraka izay noho ny asa fitorian’ny mpikambana nataon’ny raiko.

Sary
Fiantombohan’ny asa fitoriana ny filazantsara
Sary
Asa fitoriana ny filazantsara nivelatra

Nanan-danja taminy ihany koa ny tantaram-pianakaviana, ary nahafeno taranaka mifandimby miisa valo tamin’ny razambenay izy. Nanomboka tamin’izay ka hatramin’izao, ny vokatra azo momba ny fiovampon’ny fianakavianay dia nanomboka tamin’ny zandriko lahy 14 taona, ary nitombo tamin’ny fomba tsy hay tanisaina, tsy teo anivon’ny velona ihany fa teo anivon’ny maty ihany koa. Rehefa nanohy ny asa nataon’ny raiko sy ny hafa izahay dia ahitana hatrany amin’ny taranaka 32 izao ny tetiaran’ny fianakavianay, ary amin’izao fotoana izao izahay dia mamita asa atao any amin’ny tempoly ho an’ny razambe maro. Ankehitriny aho dia talanjona sy mahatsapa fifaliana lehibe amin’ny alalan’ny fampifandraisana ireo razambenay sy ireo taranakay.

Sary
Tantaram-pianakaviana mivelatra

Ny filoha Gordon B. Hinckley dia nirakitra an-tsoratra zavatra niainana mitovy amin’izany tao amin’ny tempolin’i Colombus Ohio:

“Rehefa nieritreritra ny fiainan’ny [rain’ny raibeko, ny raibeko, ary ny raiko] aho raha mbola nipetraka tao amin’ny tempoly, dia nampidina ny masoko nijery ny zanako vavy, ny zanany vavy, … ary ireo zanany, izay zafiafiko. Tonga saina tampoka teo aho fa hay aho nijoro teo afovoan’ireo taranaka fito ireo mihitsy, telo tany alohako ary telo aty aoriako.

“Tao anatin’izany trano masina sy mendri-piderana izany no nahatongavako saina ny amin’ny adidy goavana ananako mba hampita izay rehetra voaraiko ho lova avy amin’ireo razambeko amin’ireo taranaka izay tonga taty aoriako.”2

Sary
Eo anelanelan’ny taranaka misy antsika

Isan’ny ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay iray isika rehetra. Ny anjara asantsika dia afaka ny ho kihon-dalana izay ahafahan’ny fiovana lehibe hitranga amin’ny fomba tsara na ratsy. Notohizan’ny Filoha Hinckley hoe: “Aza mamela ny tenanareo velively ho singa malemy ao anatin’ny fifampitohizan’ny taranakareo.”3 Ny fahatokianareo ao amin’ny filazantsara dia hampatanjaka ny fianakavianareo. Ahoana no hakantsika antoka fa ho singa matanjaka ao anatin’ny fianakaviantsika mandrakizay isika?

Indray andro, volana vitsivitsy taorian’ny batisako, dia nahare mpikambana vitsivitsy nifampitsikera tao am-piangonana aho. Tena diso fanantenana aho. Nandeha nody aho dia niteny tamin-draiko fa tsy tokony handeha any am-piangonana intsony angamba aho. Mafy tamiko ny nahita mpikambana nitsikera ny hafa toy izany. Rehefa avy nihaino ahy ny raiko dia nampianatra ahy izy fa efa naverina tamin’ny laoniny ny filazantsara ary tonga lafatra izany, saingy ny mpikambana dia tsy mbola tonga lafatra, na izy na izaho. Nilaza tamin’ny fomba hentitra izy hoe: “Aza manary ny finoanao noho ny olona manodidina anao, fa manorena fifandraisana mafy orina amin’i Jesoa Kristy. Aza mijery ny manodidina anao, fa miandrandrà!”

Ilay hoe miandrandra any amin’i Jesoa Kristy, ilay torohevitra feno fahendrena nomen’ny raiko, dia mampatanjaka ny finoako rehefa miatrika olana aho eo amin’ny fiainako. Nampianariny ahy ny fomba hampiharana ny fampianaran’i Kristy, araka izao teniny izao: “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.”4

Sary
Misiônera ao amin’ny Tempolin’i Seattle Washington

Fony aho niahy ny misiônan’i Washington Seattle dia avy foana ny orana nandritra ny andro maro tao anatin’ny taona. Na izany aza dia nampianarina ireo misiôneranay mba handeha hitory ny filazantsara tao anatin’ny orana. Hoy foana aho tamin’izy ireo hoe: “Mandehana mivoaka any amin’ny orana, miandrandrà any amin’ny lanitra, sokafy ny vavanareo, dia sotroy izany! Rehefa miandrandra ianareo dia hahazo hery hanokatra ny vavanareo amin’ny olona rehetra tsy amin-tahotra.” Lesona niharo tandindona ho azy ireo ny niandrandra rehefa niatrika olana izy ireo, na dia taorian’ny asa fitoriany aza. Aza manandrana izany any amin’ny faritra maloto rivotra.

Raha mbola nanompo tao amin’ny misiônan’i Seattle aho dia nahazo antso an-taroby avy amin’i Sunbeam zanako lahimatoa izay mpitendry pianô. Nilaza izy fa hanana tombontsoa lehibe hitendry pianô ao amin’ny Carnegie Hall ao New York satria nandresy tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena iray. Tena faly sy ravo tokoa izahay noho ny aminy. Kanefa tamin’izay takariva izay, rehefa nivavaka tamim-pankasitrahana ny vadiko, dia fantany fa tsy afaka ho any aminy hamonjy ny fampisehoana hataony izahay, ka dia niteny zavatra toy izao tamin’ny Ray any An-danitra izy hoe: “Ray any An-danitra ô, feno fankasitrahana aho noho ny fitahiana nomenao an’i Sunbeam. Kanefa miala tsiny aho fa tsy afaka ny ho any. Afaka nandeha aho raha nomenao azy mialoha na taorian’ity asa fanompoana ity io fitahiana io. Tsy mitaraina aho akory, fa somary malahelo kely.”

Raha vantany vao vitany io vavaka io dia nahare feo mazava tsara izy hoe: “Noho ny tsy fahafahanao mankany noho ny asa fanompoana dia nomena io tombontsoa lehibe io ny zanakao. Sa te hiady varotra ianao?

Gaga ny vadiko. Fantany fa ny zanaka dia hotahiana amin’ny alalan’ny asa ataon’ny ray aman-dreniny amim-pahatokiana ao amin’ny fanjakan’ny Tompo, saingy izay no fotoana voalohany nahatakarany mazava tsara ny anjara asany. Namaly ny Azy avy hatrany izy hoe: “Tsia, tsia, mety amiko ny tsy mankany. Avelao izy hahazo izany voninahitra izany.”

Ry rahalahy sy ranabavy malala, tsy mora ho antsika ny mamantatra ny fitiavan’ny Ray any An-danitra rehefa mijery ny manodidina amin’ny masontsika ara-nofo isika satria ny lafiratsiny, na ny fahavoazana, na ny enta-mavesatra, na ny fanirery no hitantsika voalohany. Etsy an-kilan’izay dia afaka mahafantatra ny fomba nitahiana antsika isika rehefa miandrandra any amin’ Andriamanitra. Nanambara ny Tompo hoe: “Rehefa mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana ny lalàna izay ifotorany.”5 Ho an’ireo rehetra izay mirotsaka amin’izay mety ho fanompoana an’ Andriamanitra dia fantaro fa ianareo no lalana hahafahana manome fitahiana lehibe tokoa ho an’ireo izay niaina talohanareo sy ireo taranaka hiaina aorianareo.

Ankehitriny aho dia feno fankasitrahana noho ny fahitako fa maro amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianay no mahatoky eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana saingy malahelo aho raha maka sary an-tsaina ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay tsy miaraka aminay intsony. Hoy ny Loholona M. Russell Ballard hoe: “Raha misafidy ny ho lasa malaindaina na hiala Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro farany ianareo dia ho aiza? Inona no hataonareo? Ilay fanapahan-kevitra hoe tsy [hiara-handeha] amin’ireo mpikambana sy mpitarika voafidin’ny Tompo ao amin’ny Fiangonana intsony dia hisy fiantraikany lavitra izay tsy voatery ho hita foana izao dia izao.”6 Ny Filoha Thomas S. Monson dia namporisika antsika hoe: “Enga anie isika hisafidy hatrany ny tsara izay mety ho sarotra atao kokoa toy izay ilay ratsy izay mety ho mora atao kokoa.”7

Tsy misy mihitsy izany hoe tara loatra izany raha hiandrandra any amin’i Jesoa Kristy. Mivelatra ho anareo mandrakariva ny sandriny. Ao ireo taranaka niaina talohantsika sy aoriantsika izay miankina amintsika mba hanarahany an’i Kristy, mba hahafahantsika ho lasa fianakavian’ Andriamanitra mandrakizay.

Rehefa nisaorana tamin’ny antsoko tamin’ny naha-filohan’ny tsatòka ahy aho dia nientanentana ery ireo zanako lahy fa hanana fotoana bebe kokoa hiarahana amiko. Telo herinandro taorian’izay dia nantsoina ho Fitopololahy aho. Tamin’ny voalohany dia noheveriko fa mety ho diso fanantenana izy ireo, kanefa ny valinteny feno fanetrentena avy amin’ny zanako faralahy dia hoe: “Dada a, aza manahy. Fianakaviana mandrakizay isika.” Tena fahamarinana tsotra sy mazava tokoa izany! Niahiahy kely aho satria nijery ny manodidina ity fiainana an-tany ity aloha, kanefa faly ny zanako lahy satria tsy nijery ny manodidina izy fa niandrandra niaraka tamin’ny maso nibanjina ny mandrakizay sy ny tanjon’ny Tompo.

Tsy mora foana ny miandrandra rehefa manohitra ny filazantsara ny ray aman-dreninareo, rehefa mpikambana ao amin’ny rantsana kely iray an’ny Fiangonana ianareo, rehefa tsy mpikambana ny vadinareo, rehefa mbola mpitovo foana ianareo na dia nanao izay tsara indrindra azonareo natao aza mba hanambadiana, rehefa misy zanaka iray mania, rehefa lasa ray na reny tokan-tena ianareo, rehefa manana olana ara-batana sy ara-pihetseham-po ianareo, rehefa tra-boina ianareo, sy ny sisa. Mifikira amin’ny finoanareo ao anatin’ireny fotoan-tsarotra ireny. Miandrandrà any amin’i Kristy mba hahazo hery, sy tsy hihozongozona, ary hahazo fahasitranana. Amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, “ny zava-drehetra dia hiara-miasa hahasoa [anao].”8

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy aho fa Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Rehefa manaraka ny mpaminanintsika velona, ny Filoha Thomas S. Monson, isika dia miandrandra any amin’i Jesoa Kristy. Rehefa mivavaka sy mandalina ny soratra masina isan’andro isika, ary mandray ny fanasan’ny Tompo amin-kitsim-po isan-kerinandro, dia mahazo hery hiandrandrana mandrakariva any Aminy. Faly aho noho ny maha-mpikambana ahy ato amin’ity Fiangonana ity sy ny maha-ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay ahy. Tiako ny mizara ity filazantsara mahafinaritra ity amin’ny hafa. Ny fanasana ny hafa hanatona an’i Kristy no tanjontsika, ary afaka manatanteraka io tanjona io isika amin’ny alalan’ny fiandrandrana any amin’i Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona amim-panetrentena ny amin’ireo zavatra ireo aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.