2010–2019
Ahoana no fomba hanampian’ny Fanahy Masina anao?
Aprily 2017


Ahoana no fomba hanampian’ny Fanahy Masina anao?

Mampitandrina, mampionona, ary mijoro ho vavolombelona ny Fanahy Masina.

Indray alatsinainy hariva vao tsy ela izay dia namangy fianakaviana tanora iray teo amin’ny manodidina anay izaho sy i Lesa vadiko. Rehefa tao izahay dia nanasa anay ilay fianakaviana mba hijanona hanao takarivan’ny mpianakavy, sady nilaza taminay fa efa nanomana ny lesona ny zanak’izy ireo lahy sivy taona. Mazava ho azy fa nijanona izahay!

Taorian’ny hira sy ny vavaka fanokafana ary ny raharahan’ny mpianakavy dia nanomboka namaky fanontaniana mampisaintsaina iray tao amin’ilay lesona nosoratany ilay zazalahy sivy taona: “Ahoana no fomba hanampian’ny Fanahy Masina anao?” Nitarika fifanakalozan-kevitra io fanontaniana manan-danja io rehefa nizara ny heviny sy ny fahafantarany ny tsirairay. Nahavariana ahy ny fanomanana lesona sy ny hatsaran’ny fanontaniana nataon’io mpampianatra anay io, izay nitamberina tato an-tsaiko foana.

Sary
Lesona ho an’ny takarivan’ny mpianakavy natao sora-tanana

Taorian’izay dia nanontany tena foana aho hoe: “Ahoana no fomba hanampian’ny Fanahy Masina anao?”—fanontaniana iray tena mety tsara ho an’ireo zaza handray valo taona sy miomana hatao batisa ao amin’ny Kilonga ary ho an’ireo ankizy vao vita batisa sy nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Mibaribary ihany koa izany ho an’ireo mpikambana vaovao an’arivony.

Manasa antsika tsirairay aho, indrindra fa ireo ankizy ao amin’ny Kilonga mba hieritreritra hoe: “Ahoana no fomba hanampian’ny Fanahy Masina anao?” Rehefa nisaintsaina io fanontaniana io aho, dia nahatsiaro avy hatrany zavatra iray izay niainako tamin’ny fahatanorako. Tantara iray izay notantaraiko tamin’ny Loholona Robert D. Hales izy ity, fotoana fohy taorian’ny niantsoana ahy ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary nampidiriny tao amin’ny lahatsoratra iray izay nosoratany tao amin’ny Gazetibokin’ny Fiangonana miresaka momba ny fiainako.1 Ny sasany aminareo dia mety efa nahare ity tantara ity, saingy maro no mety mbola tsy nahare.

Fony aho tokony ho 11 taona dia nandeha nitsangatsangana tamin’ny andro mafana be tao amin’ireo tendrombohitra manodidina ny tranonay izaho sy ny dadako. Raha niakatra ilay lalana nideza ny dadako dia izaho kosa nitsambikimbikina tamin’ireo vato teo amin’ny sisin’ilay lalana. Nikasa hihanika ny iray tamin’ireo vato lehibe aho ka nanomboka niakatra ho eny an-tampon’izany. Teo am-panaovako izany dia gaga aho rehefa nosamborin’ny dadako tamin’ny fehikiboko ka napetrany haingana ary nolazainy hoe: “Aza mihanika io vato io. Aleo isika tsy miala amin’ny lalana.”

Minitra vitsy taorin’izay rehefa nijery avy teo amin’ny toerana avo tamin’ilay lalana izahay dia taitra rehefa nahita bibilava maneno lehibe iray mitanina andro eo an-tampon’ilay vato saika nihanihako.

Taorian’izay rehefa teny an-dalana hody izahay dia fantatro fa niandry ahy hanontany i Dada hoe: “Ahoana no nahafantaranao fa teo ilay bibilava?” Koa nanontany aho, ary nitarika resadresaka momba ny Fanahy Masina sy ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy antsika ilay fanontaniako. Tsy hadinoko na oviana na oviana ny zavatra nianarako tamin’izay andro izay.

Hitanareo ve ny fomba nanampian’ny Fanahy Masina ahy? Feno fankasitrahana mandrakizay aho fa nihaino ilay feo tony sy malefaky ny Fanahy Masina ny raiko, satria nanavotra ny aiko izany.

Ny zavatra fantatsika momba ny Fanahy Masina

Mialoha ny hidirantsika lalina amin’ilay fanontaniana hoe: “Ahoana no fomba hanampian’ny Fanahy Masina anao?” dia andeha hojerentsika ny sasany amin’ireo zavatra nambaran’ny Tompo mikasika ny Fanahy Masina. Misy fahamarinana mandrakizay maro izay azontsika dinihina saingy androany aho dia hanasongadina telo amin’izany fotsiny.

Voalohany, ny Fanahy Masina no mpikambana fahatelo ao amin’ Ny Andriamanitra. Mianatra io fahamarinana io isika ao amin’ny fanekem-pinoana voalohany: “Mino an’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay isika, ary mino an’i Jesoa Kristy Zanany sy ny Fanahy Masina.”2

Faharoa, olona fanahy ny Fanahy Masina, araka ny voasoritra ao amin’ny soratra masina maoderina: “Ny Ray dia manana vatana nofo sy taolana azo tsapaina toy ny an’ny olona; ny Zanaka koa; fa ny Fanahy Masina dia tsy manana vatana nofo sy taolana fa vatana Fanahy. Raha tsy izany dia tsy afaka mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina.”3 Midika izany fa manana vatana fanahy ny Fanahy Masina, tsy tahaka an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanaka, izay manana vatana nofo sy taolana. Io fahamarinana io dia manazava kokoa ireo anarana hafa nomena ny Fanahy Masina sy mahazatra antsika, tafiditra amin’izany ny hoe Fanahy Masina, Fanahin’ Andriamanitra, Fanahin’ny Tompo, Fanahy Masin’ny fampanantenana, ary Mpampionona.4

Fahatelo, ny fanomezana ny Fanahy Masina dia tonga amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Io ôrdônansy io, izay manaraka ny batisa, no manome fahafahana antsika hanana ny Fanahy Masina ho namana lalandava.5 Rehefa manatanteraka io ôrdônansy io dia mametraka ny tanany eo ambonin’ny lohan’ilay olona ny mpihazona ny fisoronana mendrika6 miantso azy amin’ny anarany, milaza ny fahefan’ny fisoronana hazoniny, ary amin’ny anaran’i Jesoa Kristy dia manamafy azy ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ary manonona ilay fehezan-teny manan-danja hoe “Raiso ny Fanahy Masina.”

Ahoana no fomba hanampian’ny Fanahy Masina anao?

Rehefa avy nijery izany fahamarinana telo manan-danja momba ny Fanahy Masina izany dia hiverina amin’ilay fanontaniantsika voalohany teo isika hoe: “Ahoana no fomba hanampian’ny Fanahy Masina anao?”

Mampitandrina ny Fanahy Masina

Araka ny nohazavaiko tamin’ilay zavatra niainako tamin’ny fahazazako dia afaka manampy anao amin’ny alalan’ny fampitandremana anao mialoha momba ny loza ara-batana sy ara-panahy ny Fanahy Masina. Nianatra indray ilay andraikitra manan-danja hampitandrina izay sahanin’ny Fanahy Masina aho rehefa nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra tany Japana.

Nandritra izany fotoana izany dia niara-niasa akaiky tamin’i Filoha Reid Tateoka aho, izay tao amin’ny Misiônan’i Sendai Japana. Toy ny mahazatra azy dia nikasa hanao fivorian’ny mpitarika ny misiônera ny Filoha Tateoka tany amin’ny faritra atsimon’ny misiônany. Andro vitsivitsy talohan’ilay fivoriana dia nanana fahatsapana ny Filoha Tateoka, fahatsapana tao am-pony, mba hanasa ireo misiônera rehetra tao amin’izany faritra izany hanatrika ilay fivoriana ho an’ny mpitarika, fa tsy ireo misiônera vitsy izay tokony ho tonga.

Rehefa nilaza ny zavatra nokasainy hatao izy dia nampahatsiahivina fa io fivoriana io dia tsy natokana ho an’ny misiônera rehetra fa ho an’ireo mpitarika ao amin’ny misiôna fotsiny. Kanefa dia navelany ny zavatra fanao fa nanaraka ilay bitsika azony izy ka nanasa ireo misiônera rehetra nanompo tamin’ireo tanàna maro teo amin’ny moron-tsiraka izy, tafiditra tamin’izany ny tanànan’i Fukushima, mba hanatrika ilay fivoriana. Tamin’ilay andro voatondro, tamin’ny 11 martsa 2011, dia niara-tafavory tao Koriyama, tanàna afovoan-tany, ireo misiônera mba hanatrika ilay fivorian’ny misiôna nitarina.

Nandritra io fivoriana io dia nisy horohorontany mirefy 9.0 sy tsunami namely ilay faritra tao Japana izay nisy ny Misiônan’i Sendai Japana. Nampalahelo fa tanàna maro teo amin’ny moron-tsiraka, anisan’izany ireo tanàna nisy ireo misiônera izay nivory, no rava sy nahafoizana ain’olona betsaka. Ary ny tanànan’i Fukushima dia nitrangan-javatra nokleary taorian’izay.

Na dia simban’ilay horohorontany aza tamin’izay andro izay ilay trano nivorian’ireo misiônera, dia niangona tamin’ny toerana voaro ny Filoha sy ny Rahavavy Tateoka ary ireo misiônera noho ny fanarahana ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Lavitry ny loza izy ireo, kilaometatra maro lavitry ny fandravaravana naterak’ilay tsunami sy ny fiparitahan’ny loto nokleary.

Rehefa manaraka ny fitarihan’ny Fanahy Masina ianao, izay fahatsapana matetika malefaka sy tony, dia tsy ho fantatrao akory fa hiala lavitry ny loza ara-panahy sy ara-nofo.

Rahalahy sy ranabavy, hanampy anareo ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fampitandremana anareo, tahaka ny nataony tamin’ny raiko sy ny Filoha Tateoka.

Mampionona ny Fanahy Masina

Mba hanohizana ny famaliana ilay fanontaniana hoe “Ahoana no fomba hanampian’ny Fanahy Masina anao?” dia andeha hofakafakaintsika ny andraikiny amin’ny maha-Mpampionona Azy. Miteraka alahelo sy fanaintainana ary fahadisoam-panantenana ireo tranga tsy nampoizina miseho amin’ny fiainantsika. Nefa ao anatin’ireo fitsapana ireo ny Fanahy Masina dia manompo antsika amin’ny iray amin’ireo andraikiny lehibe, amin’ny maha-Mpampionona azy, izay raha ny marina dia iray amin’ireo anarana fiantsoana Azy. Manazava izany andraikitra izany ireto teny mifono fiadanana sy mankahery nolazain’i Jesoa Kristy ireto: “Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay.”7

Mba hanazavana izany bebe kokoa dia hizara tantara iray tena nisy aho mikasika ny fianakaviana iray izay nanana zanaka lahy dimy nifindra monina avy tany Los Angeles, Californie, Etazonia, nankany any amina tanàna kely iray taona vitsivitsy lasa izay. Nanomboka nanao fanatanjahan-tena tany amin’ny Lycée ireo zanaka roa zokiny indrindra ary niharo tamin’ireo namana, mpitarika ary mpanazatra, izay mpikamban’ny Fiangonana mahatoky ny ankamaroany. Nitarika an’i Fernando, ilay zokiny indrindra, sy ilay zandriny manarakaraka azy ho amin’ny batisa izany fifandraisana izany.

Niala ny tokantranony avy eo i Fernando nanohy ny fianarany ary nilalao baolina kitra tany amin’ny oniversite. Nanambady an’i Bayley, ilay mamin’ny fony tany amin’ny Lycée, izy tao amin’ny tempoly. Rehefa vita ny fianaran’i Fernando sy i Bayley dia tsy andrin’izy ireo ny hahaterahan’ny zanak’izy ireo voalohany, zazavavy kely. Saingy nandritra ny fotoana nanampian’ny fianakavian’i Fernando sy i Bayley azy ireo hiverina hody dia niharan’ny lozam-piarakodia nampalahelo be teny amin’ny lalambe marozotra i Bayley sy ny anabaviny. Nahafaty an’i Bayley sy ilay zanany mbola tsy teraka izany.

Sary
I Fernando sy i Bayley

Nefa dia toy ny halalin’ny alahelon’i Fernando sy ny an’ny ray aman-drenin’i Bayley ary ny an’ireo mpiray tampo aminy ny haben’ny fiadanana sy ny fampiononana tsapan’izy ireo avy hatrany. Tena nanohana an’i Fernando nandritra ny fahoriana tsy hay takarina niainany marina ny Fanahy Masina amin’ny maha-Mpampionona Azy. Nitondra fiadanana maharitra ny Fanahy ka nahatonga an’i Fernando ho naneho famelana sy fitiavana an’ireo rehetra izay tompon’andraikitra tamin’ilay loza nampalahelo.

Niantso ny anadahin’i Bayley, izay nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana nitrangan’ilay loza, ny ray aman-dreniny. Nohazavainy tao amin’ny taratasy iray ny fahatsapany tamin’ny nahenoany ilay vaovao mafy momba ny anabaviny malala: “Tena nahafinaritra ny nahare ny feonareo tony tao anatin’ny loza. Tsy hitako izay nolazaina. … Ny zavatra tao an-tsaiko fotsiny dia hoe tsy ho eo ny anabaviko rehefa mody aho. … Nankahery ahy ny fijoroana ho vavolombelona lavorary nanananareo momba ny Mpamonjy sy ny drafiny. Nanenika ny foko ilay fanahy mamy mahatonga ahy hila hilatsa-dranomaso rehefa mandalina sy mampianatra. Nahazo fankaherezana aho tamin’izay ary nampahatsihivina ny zavatra izay efa fantatro.”8

Hanampy anareo ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fampiononana anareo, tahaka ny nataony tamin’i Fernando sy ny fianakavian’i Bayley.

Mijoro ho vavolombelona ny Fanahy Masina

Ny Fanahy Masina ihany koa dia mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny fahamarinana rehetra.9 Raha niresaka tamin’ireo mpianany i Jesoa dia nilaza hoe: “Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, … dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.”10

Mba hanazavana ny andraikitra manan-danja sahanin’ny Fanahy Masina amin’ny maha-vavolombelona Azy dia hotohizako ilay tantaran’i Fernando sy i Bayley. Raha tadidinareo dia nolazaiko fa natao batisa i Fernando sy ny rahalahiny, saingy ny ray aman-dreniny sy ireo zandriny kely anankitelo dia mbola tsy vita batisa. Ary na dia teo aza ireo fanasana maro hihaona amin’ny misiônera nandritra ireo taona maro dia nandà foana ilay fianakaviana.

Taorian’ny nahafatesan’i Bayley sy ny zazakeliny dia nalahelo mafy ny fianakavian’i Fernando. Tsy tahaka an’i Fernando sy ny fianakavian’i Bayley fa tsy nahita fampiononana na fiadanana kosa izy ireo. Tsy takatr’izy ireo ny fomba nahafahan’ny zanany sy ny fianakavian’i Bayley afaka nahazaka ny enta-mavesany.

Nahatakatra izy ireo nony farany fa ny zavatra nananan’ny zanak’izy ireo izay tsy nananany dia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ary izany no loharanon’ny fiadanana sy fampiononana izay nananany. Taorian’ny nahatsapan’izy ireo izany dia nanasa ny misiônera hampianatra ny filazantsara amin’ny fianakaviany izy ireo. Vokatr’izany dia nahazo fijoroana ho vavolombelona izy ireo momba ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana, izay nanome azy ireo ilay fiadanana mamy sy fampiononana malefaka notadiavin’izy ireo fatratra.

Sary
Batisan’ny fianakavian’i Fernando

Roa volana taorian’ny nahafatesan’i Bayley sy ny zafikelin’izy ireo mbola tsy teraka dia natao batisa sy noraisina ho mpikambana ary nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ihany koa ny ray aman-drenin’i Fernando sy ny zandriny roa lahy. Tsy andrin’ny zandrin’ny Fernando faralahy ny hanaovana batisa azy rehefa feno valo taona izy. Mijoro ho vavolombelona avokoa izy ireo fa ny Fanahy, ny Fanahy Masina, dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny filazantsara, ka nahatonga azy ireo ho nanana faniriana hatao batisa sy handray ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Rahalahy sy ranabavy, hanampy anareo ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fijoroany ho vavolombelona aminareo, tahaka ny nataony tamin’ny fianakavian’i Fernando.

Famintinana

Andeha hofintinintsika izao. Nahita fahamarinana nambara anankitelo izay nampahafantatra antsika ny Fanahy Masina isika. Dia ny hoe, ny Fanahy Masina dia mpikambana fahatelo ao amin’ Ny Andriamanitra, olona fanahy ny Fanahy Masina, ary ny fanomezana ny Fanahy Masina dia azo amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Nahita valiny anankitelo ihany koa isika amin’ilay fanontaniana hoe: “Ahoana no fomba hanampian’ny Fanahy Masina anao?” Mampitandrina, mampionona, ary mijoro ho vavolombelona ny Fanahy Masina.

Fahamendrehana mba hihazona ilay fanomezana

Ho anareo izay miomana ny hatao batisa sy ho raisina ho mpikambana, ireo izay vao vita batisa ary na dia ireo izay efa vita batisa efa ela aza dia tena ilaina amin’ny fiarovana antsika ara-batana sy ara-panahy ny fihazonantsika ny fanomezana ny Fanahy Masina. Manomboka manao izany isika amin’ny alalan’ny fiezahana mitandrina ireo didy, ny fanaovana vavaka manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana, ny famakiana ny soratra masina, ary ny fikatsahana fifandraisana feno fitiavana sy famelana amin’ny fianakaviana sy ireo olona tiana. Tokony hitazona ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika ary ny fitenintsika ho tsara foana isika. Tokony hitsaoka ny Raintsika any An-danitra isika any an-tokantrano sy aty am-piangonana ary isaky ny afaka manao izany dia any amin’ny tempoly masina. Mijanona akaiky ny Fanahy dia hijanona akaiky anao ny Fanahy.

Fijoroana ho vavolombelona

Hofaranako amin’ny fanasana sy ny fijoroana ho vavolombelona azo antoka izao ny lahateniko. Manasa anareo aho mba hiaina bebe kokoa ireo teny hirain’ireo ankizintsika ao amin’ny Kilonga matetika, teny zay azoko antoka fa fantatr’izy ireo: “Henoy, henoy. Mibitsibitsika ny Fanahy Masina. Henoy, henoy ilay feo malefaka sy tony.”11

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, na antitra na tanora, atolotro ho anareo ny fijoroako ho vavolombelona momba ny fisiana be voninahitr’ireo olon’ny lanitra ao anatin’ Ny Andriamanitra: Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina. Mijoro ho vavolombelona aho fa iray amin’ireo tombontsoa izay ananantsika Olomasin’ny Andro Farany miaina amin’ny fotoam-pahafenoana dia ny fanomezana ny Fanahy Masina. Fantatro fa manampy ary hanampy anareo ny Fanahy Masina. Ampiako ihany koa ny fijoroako ho vavolombelona manokana momba an’i Jesoa Kristy sy ny andraikiny amin’ny maha-Mamponjy sy Mpanavotra antsika Azy ary ny an’ Andriamanitra amin’ny maha-Raintsika any An-danitra Azy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.