2010–2019
“Ny fiadanako no avelako ho anareo”
Aprily 2017


“Ny fiadanako no avelako ho anareo”

Ny Tompo dia nampanantena fiadanana ho an’ireo mpianany mialoha ny nandaozany azy ireo. Nanome izany fampanantenana izany ho antsika Izy.

Ry anabavy malala, notahian’ny Fanahin’ Andriamanitra isika androany hariva. Nanamafy orina ny finoantsika sy nampitombo ny faniriantsika hitandrina ireo fanekempihavanana masina izay nataontsika tamin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana ny hafatra nentanim-panahy avy amin’ireo anabavy mpitarika feno hery sy avy amin’ireo hira. Nahatsapa fitomboana isika eo amin’ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fankasitrahantsika ny Sorompanavotany, izay fanomezana mahavariana

Ny hafatro anio hariva dia tsotra. Nahatsapa fiadanana avokoa isika androany hariva. Isika rehetra dia samy te hahatsapa fiadanana toy izany matetika ao anatintsika, ao amin’ny fianakaviantsika, ary miaraka amin’ireo olona manodidina antsika. Ny Tompo dia nampanantena fiadanana ho an’ireo mpianany mialoha ny nandaozany azy ireo. Nanome izany fampanantenana izany ho antsika Izy. Saingy nilaza Izy anefa fa hanome izany fiadanana izany araka ny fombany fa tsy araka ny fomban’izao tontolo izao. Namariparitra ny fomba fanomezany fiadanana toy izao Izy:

“Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.

“Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14:26–27).

Nila izany fanomezana fiadanana izany ireo zanakalahin’i Môsià rehefa nandeha nanao asa fitoriana tany amin’ny Lamanita. Rehefa niahiahy izy ireo noho ny fahatsapany ny halehiben’ny asa nampanaovina azy ireo, dia nivavaka izy ireo mba hahazo fankaherezana. Ary “namangy azy ireo niaraka tamin’ny Fanahiny ny Tompo ary nanao taminy hoe: Mahereza. Ary nahazo hery izy ireo” (Almà 17:10; Jereo koa ny Almà 26:27).

Misy fotoana ianareo mety hitady fiadanana rehefa hiatrika fotoan-tsarotra iray sy ny zavatra iray izay toa ho olana mananontanona. Nianatra ilay lesona izay nampianarin’ny Tompo an’i Môrônia ny zanakalahin’i Môsià. Izany dia torolalana ho antsika rehetra: “Ary raha manatona Ahy ny olona, dia hasehoko azy ny fahalemeny. Omeko ho an’ny olona ny fahalemena mba hahazoany mietry; ary ampy ho an’[ny rehetra] ny fahasoavako mba hanetreny tena eo anoloako; fa raha manetry tena eo anoloako izy ary manam-pinoana Ahy, amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy” (Etera 12:27).

Nilaza i Môrônia fa “rehefa nandre ireo teny ireo,” izy dia “nionona” (Etera 12:29). Afaka ny ho fampiononana ho antsika rehetra izany. Ireo izay tsy mahita ny fahalemeny dia tsy mba mivoatra. Fitahiana ny fahafantaranao ny fahalemenao satria manampy anao hietry sy mihazona anao mba hitodika any amin’ny Mpamonjy izany. Ny Fanahy dia tsy mampionona anao fotsiny ihany fa fitaovana hahafahan’ny Sorompanavotana mitondra fiovana eo aminao ihany koa Izy. Dia tonga matanjaka ny zavatra malemy avy eo.

Hisy fotoana izay hitsapan’i Satana ny finoanareo; mitranga amin’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra izany. Ny fiarovana ho anareo amin’izany fanafihana izany dia ny fitazonana ny Fanahy Masina ho namanareo foana. Hanambara fiadanana amin’ny fanahinareo ny Fanahy. Hamporisika anareo handroso amim-pinoana Izy. Ary hampahatsiahy anareo indray ireo fotoana ireo Izy, izay nahatsapanareo ny hazavana sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy.

Ny mahatsiaro no mety anisan’ireo fanomezana sarobidy indrindra azon’ny Fanahy omena anareo. “Hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay [nolazain’ny Tompo] taminareo” Izy” (Jaona 14:26). Izany dia mety ho vavaka voavaly, na ôrdônansin’ny fisoronana noraisina, na fanamafisana ny fijoroanareo ho vavolombelona, na fotoana iray izay nahitanareo ny tanan’ Andriamanitra nitarika anareo teo amin’ny fiainanareo. Angamba any aoriana any rehefa mila hery ianareo dia mety hampahatsiahivin’ny Fanahy anareo ny fotoana iray izay nahitanareo ny tanan’ Andriamanitra teo amin’ny fiainanareo. Mivavaka aho ny mba hisian’izany.

Zavatra iray izay matetika ampahatsiahivin’ny Fanahy ahy ny fivoriana Fanasan’ny Tompo tamin’ny takariva iray izay natao tao anatina tranokely vy tany Innsbruck, Autriche taona maro lasa izay. Tao ambanina lalamby no nisy ilay tranokely vy. Olona am-polony teo no nanatrika, nipetraka tamina seza hazo. Vehivavy ny ankamaroany, ny sasany tanora ny sasany efa zokinjokiny. Nahita ranomasom-pankasitrahana aho rehefa nozaraina tamin’ilay mpiangona vitsy ny Fanasan’ny Tompo. Nahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy ho an’ireto Olomasina ireto aho, ary izy ireo koa nahatsapa izany. Saingy ny fahagagana tsaroako tsara indrindra dia ilay fahazavana izay toa nandrakotra ilay tranokely vy ary ny nitondran’izany fahatsapana fiadanana. Alina ny andro tamin’izay ary tsy nisy varavarankely tao, nefa dia nazava toy ireny hazavain’ny masoandro amin’ny mitataovovonana ireny ilay efitrano.

Ny fahazavan’ny Fanahy Masina tamin’izay takariva izay dia sady namirapiratra no nazava be. Ary ny varavarankely izay nampiditra ny fahazavana tao dia ny fo feno fanetrentenan’ireo Olomasina ireo, izay tonga teo anatrehan’ny Tompo mba hikatsaka famelana noho ny fahotan’izy ireo sy hanolo-tena ny hahatsiaro Azy mandrakariva. Tsy sarotra ny nahatsiaro Azy tamin’izay, ary ny fahatsiarovako izany traikefa masina izany dia nanamora ny fahatsiarovako Azy sy ny Sorompanavotany nandritra ireo taona taorian’izay. Tamin’io andro io ilay fampanantenana ao anatin’ilay vavaky ny fanasan’ny Tompo fa hiaraka amintsika ny Fanahy dia tanteraka ary dia nitondra fahatsapana fiadanana sy fahazavana.

Tahaka anareo, izaho dia efa feno fankasitrahana noho ireo fomba maro izay namangian’ny Tompo ahy tamin’ilay Mpampionona rehefa nila fiadanana. Saingy tsy ny fampiononana antsika ihany no mampiahiahy ny Raintsika any An-danitra fa miahiahy bebe kokoa ny amin’ny fandrosoantsika mihitsy Izy. Ny “mpampionona” dia iray fotsiny amin’ireo fomba fanoritsoritan’ny soratra masina ny Fanahy Masina. Inty misy iray hafa: “Ary ankehitriny, lazaiko aminao marina dia marina tokoa, apetraho amin’ilay Fanahy izay mitarika hanao ny tsara ny fitokianao” (F&F 11:12). Matetika tokoa dia tafiditra amin’izany tsara hitarihany anareo mba hatao izany ny fanampiana olon-kafa handray ny fampiononana avy amin’ Andriamanitra.

Amin’ny fahendreny ny Tompo dia nampiray anareo ao anatina vondrona sy kilasy ao amin’ny Fiangonany. Nataony izany mba hampitomboana ny herinareo hanao ny tsara. Ao anatin’izany vondrona izany dia manana andraikitra manokana ianareo mba hanompo ny hafa ho Azy. Ohatra, raha toa ka zatovovavy ianao dia mety hangatahin’ny evekanao ianao na ny mpitarika anao ao amin’ny Zatovovavy mba hamangy Ravintsara iray izay lasa araka ny fiantsoatsika azy matetika hoe “malaindaina.” Mety ianao no mahafantra azy bebe kokoa toy izay ilay eveka na ilay mpitarika ny Zatovovavy. Mety fantatrao fa mikorotan-tsaina izy any an-trano na any an-tsekoly na angamba izy roa. Mety tsy fantatr’ireo mpitarika anao hoe nahoana izy ireo no nanana fahatsapana hangataka anao hamangy azy, saingy ny Tompo dia mahafantatra, ary mitarika ity asa ity amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahiny.

Ny fahombiazana eo amin’ny ezaka ataonao dia mila fiovana mahagaga ao amin’ny fonao sy ao amin’ny an’ilay zatovovavy izay nasaina navotanao, ary izany dia mitaky ny fananana ny Fanahy Masina ho namana. Afaka manome anao fahafahana hijery ilay Ravintsara amin’ny fomba fijerin’ny Tompo azy ny Fanahy. Fantatry ny Tompo ny ao am-pon’ilay zatovovavy sy ny ao am-ponao, ary fantany ny fahafahan’ny fo hiova. Afaka mamangy anareo roa miaraka amin’ny Fanahiny Izy mba hitaona anareo amin’ny fanetrentena sy famelana ary fitiavana.

Afaka mibitsika ireo teny sy asa ary faharetana ilainao izany Fanahy izany mba hanasa ondry iray hiverina hiaraka amin’ny andian’ondry. Ary afaka mikasika ny fon’ireo ao amin’ilay andian’ondry ao anatin’ilay kilasy Ravintsara Izy mba hitia sy handray ilay ilay ondry very, amin’izay rehefa miverina izy dia hahatsapa fa tafaverina ao an-trano.

Ny herinareo hanao ny tsara amin’ny maha-andiana zanakavavin’ Andriamanitra anareo dia hiankina be dia be amin’ny firaisan-kina sy ny fitiavana misy eo aminareo. Izany dia fanomezana fiadanana iray azo avy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Nahatakatra izany i Almà. Izany no nahatonga azy niangavy tamin’ny vahoakany “ny tsy hisian’ny fifandirana eo amin’izy samy izy fa ny hibanjinany kosa ny ho avy amin’ny maso tokana, manana finoana iray sy batisa iray ary manana ny fony mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavan’izy samy izy” (Môsià 18:21).

Ilaina ny firaisan-kina mba hahafahantsika manana ny Fanahy ao amin’ny kilasintsika sy ao amin’ny fianakaviantsika. Saingy fantatro sy fantatrareo avy amin’ny traikefa fa izany firaisan-kina feno fitiavana izany dia sarotra hazonina. Mitaky ny fananana ny Fanahy Masina ho namana ny manokatra ny masontsika sy ny mifehy ireo fihetseham-pontsika.

Tadidiko fa indray andro ny zanakay lahy fito na valo taona dia nitsambikina mafy teo ambony fandriany ka nieritreritra aho fa mety nahasimba izany. Nahatsapa fahasorenana nikoriana tao amiko aho ary nihetsika aingana mba handamina ny ao an-tranoko. Nosamboriko tamin’ny sorony kely ilay zanako ary nampiakariko ambony hampifanatrika ny masonay.

Nilaza zavatra tao an-tsaiko ny Fanahy. Toa feo nalefaka ilay izy, kanefa nanindrona ny foko: “Olona tsara io samborinao io.” Naveriko moramora teo ambonin’ilay fandriana izy dia niala tsiny aho.

Izao izy dia lasa ilay lehilahy tsara nasehoan’ny Fanahy Masina ahy 40 taona lasa izay. Feno fankasitrahana mandrakizay aho fa nanavotra ahy tsy hanana fahatsapana ratsy ny Tompo tamin’ny alalan’ny fandefasana ny Fanahy Masina mba hamela ahy hijery ny zanak’ Andriamanitra tahaka ny fijeriny azy.

Ilay firaisan-kina katsahintsika ao amin’ny fianakaviantsika sy ao amin’ny Fiangonana dia tonga rehefa mamela ny Fanahy Masina hampisy fiantraikany eo amin’ny zavatra hitantsika rehefa mifampijery isika, ary na dia rehefa mifampieritreritra mihitsy aza. Mahita amin’ny fitiavana madion’i Kristy ny Fanahy. Henoy ny teny nampiasain’i Môrmôna hanoritsoritana ny fiantrana. Eritrereto ireo fotoana nahatsapanareo izany:

“Ny fiantrana dia mahari-po sady malemy fanahy, ary tsy mialona sy tsy mieboebo, tsy mikatsaka ny ho azy, tsy mora hantsina, tsy mihevitra ratsy, tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana fa mifaly kosa amin’ny fahamarinana, mizaka ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, miaritra ny zavatra rehetra.

“Noho izany ry rahalahiko malala [ary ampiako hoe ry ranabaviko malala], raha tsy manana fiantrana ianareo dia tsinontsinona, fa ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay. Koa, mifikira amin’ny fiantrana izay ny lehibe indrindra amin’ny zavatra rehetra, fa ny zavatra rehetra dia tsy maintsy ho levona;

“Fa ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy ary maharitra mandrakizay izany; ary na zovy na zovy no hita ho manana izany amin’ny andro farany, dia soa ho azy izany.

“Noho izany ry rahalahiko [sy ranabaviko] malala dia mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy Zanany; mba hahatonga anareo ho zanak’ Andriamanitra; ka rehefa hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy tahaka ny maha-Izy Azy; mba hananantsika izany fanantenana izany; mba hahazoana manadio antsika tahaka Azy izay madio” (Môrônia 7:45–48).

Izany no tanjona ananan’ny Rainareo any An-danitra ho anareo zanany vavy sarobidy. Mety ho hitanareo ho tanjona lavitra izany, fa raha amin’ny fomba fijeriny, dia tsy lavitra akory ianareo. Koa mamangy anareo miaraka amin’ny Fanahiny Izy mba hampionona anareo, hankahery anareo, ary hitaona ny fanahinareo handroso hatrany.

Avelako aminareo ny fijoroako ho vavolombelona azo antoka fa mahafantatra anareo ny Ray, mahafantatra ny zavatra ilainareo sy ny anaranareo Izy, tia anareo Izy, ary mihaino ny vavaka ataonareo. Manasa anareo mba hanatona Azy ny Zanany Malala. Ary Izy Ireo dia nandefa ny Fanahy Masina mba hiaraka aminareo mandritra ny ezaka ataonareo mba hanompoana ny hafa ho Azy Ireo.

Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hanadio sy hanamasina ny fanahinareo ny fiarahana mandrakariva amin’ny Fanahy Masina. Hahatsapa ilay fiadanana nampanantenan’ny Mpamonjy fa havelany ho an’ny mpianany ianareo amin’izany. Hiaraka amin’izany fiadanana izany ny fanantenana mamirapiratra sy ny fahatsapana fahazavana sy fitiavana avy amin’ny Ray sy ny Zanany malala, izay mitarika ny fanjakany eto an-tany amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny mpaminaniny velona. Izany no hijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa Kristy, amena.