2010–2019
Ny drafitra be voninahitry ny Raintsika
Aprily 2017


Ny drafitra be voninahitry ny Raintsika

Noho ny drafitra masin’ Andriamanitra dia fantatsika fa ny fahaterahana sy ny fahafatesana raha ny marina dia dingana lehibe fotsiny eo amin’ny diantsika mankany amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra.

Tany am-piandohan’ny fiofanako ho mpitsabo dia nanana fahafahana hanampy reny tanora iray hiteraka ny zanany voalohany aho. Tony sy nifantoka ary faly izy. Rehefa teraka ilay zaza sarobidy dia natolotro ny reniny. Noraisiny teo an-tsandriny tamin’ny ranomasom-pifaliana nijoy teo amin’ny tarehiny ilay zaza vao teraka ary nodinihiny hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany. Nofihininy izy ary notiaviny tamin’ny fomba izay ny reny ihany no mahavita azy. Voninahitra ho ahy ny tao anatin’izany efitrano izany niaraka taminy.

Toy izany no fiantombohan’ny fiainana ho antsika tsirairay. Nefa ny fahaterahantsika tokoa ve no fiantombohana? Izao tontolo izao dia mihevitra fa ny fahaterahana sy ny fahafatesana no fiantombohana sy fiafarana. Saingy noho ny drafitra masin’ Andriamanitra dia fantatsika fa ny fahaterahana sy ny fahafatesana raha ny marina dia dingana lehibe fotsiny eo amin’ny diantsika mankany amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra.1 Ampahany manan-danja amin’ny drafitry ny Raintsika izany, fotoana masina izay ihaonan’ny tany sy ny lanitra. Anio, rehefa nieritreritra ny zavatra nianarako avy tamin’ny fandinihana ny fahaterahana sy ny fahafatesana nandritra ireo taona nitsaboako sy nanompoako tato am-piangonana aho dia te hijoro ho vavolombelona momba ny drafitra be voninahitry ny Raintsika.

“Talohan’ny nahaterahantsika dia niara-niaina tamin’ Andriamanitra, ilay Rain’ny fanahintsika isika. Mpiray tampo ara-bakiteny ao amin’ny fianakaviany [isika rehetra] izay eto an-tany,2 ary ny tsirairay amintsika dia sarobidy Aminy. Niara-niaina taminy efa ela be isika talohan’ny nahaterahantsika teto an-tany; nianatra, nanao safidy ary niomana.

Satria tia antsika ny Ray any An-danitra, dia tiany hahazo ilay fanomezana lehibe indrindra azony omena antsika isika dia ilay fanomezana ny fiainana mandrakizay.3 Tsy afaka ny hanome antsika tsotra izao io fanomezana io Izy fa tsy maintsy raisintsika amin’ny alalan’ny fisafidianana Azy sy ny lalany izany. Nitaky ny fialantsika teo anatrehany izany ary hanomboka lalam-pinoana sy fitomboana ary fiovana izay mahafinaritra sy feno fanamby. Ilay lalana nomanin’ny Raintsika ho antsika dia antsoina hoe ny drafitry ny famonjena na ny drafitry ny fahasambarana.4

Nambaran’ny Raintsika antsika io drafiny io tao amin’ny filankevitra lehibe iray tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.5 Rehefa nahatakatra izany isika dia faly izaitsizy ka nihoby tamim-pifaliana, ary “niara-nihira ireo kintan’ny maraina.”6

Io drafitra io dia miorina eo ambonin’ny andry telo lehibe: ireo andrin’ny mandrakizay.7

Ny andry voalohany dia ny Fahariana ny tany, ilay toerana ho an’ny fiainantsika eto an-tany.8

Ny andry faharoa dia ny Fahalavoan’ireo ray aman-drenintsika voalohany teto an-tany, dia i Adama sy i Eva. Noho ny fahalavoana, dia nisy zavatra sasany mahatalanjona nomena antsika. Afaka ny ho teraka sy nahazo vatana isika.9 Ho feno fankasitrahana mandrakizay ny reniko aho noho ny nitondrany ahy sy ireo rahalahiko teto an-tany sy ny nampianarany anay momba an’ Andriamanitra.

Nanome antsika safidim-pitondrantena ihany koa Andriamanitra, ilay fahafahana sy tombontsoa hisafidy sy hanao zavatra tsy an-tery.10 Mba hanampiana antsika hanao safidy tsara dia nanome antsika didy Andriamanitra. Isan’andro, rehefa mitandrina ny didiny isika dia mampiseho an’ Andriamanitra fa tia Azy, ary Izy dia mitahy ny fiainantsika.11

Noho ny fahafantarany fa tsy hisafidy ny tsara foana isika, na raha lazaina amin’ny teny hafa dia hanota, dia nanome antsika ny andry fahatelo Andriamanitra, dia i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny Sorompanavotany. Nanefa ny saran’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahotana tamin’ny alalan’ny fijaliany i Kristy.12 “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”13

Niaina fiainana tonga lafatra i Jesoa Kristy sady nitandrina foana ny didin’ny Rainy. Nandeha tamin’ny lalamben’i Palestina Izy, nampianatra ireo fahamarinan’ny mandrakizay, “nanasitrana ny marary, nampahiratra ny jamba, ary nampitsangana ny maty.”14 “Nandehandeha nanao soa” Izy15 ary niantso ny olon-drehetra mba hanaraka ny ohatra nasehony.”16

Tany amin’ny fiafaran’ny fiainany teto an-tany dia nandohalika Izy ary nivavaka nanao hoe:

“Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. …

“Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany.”17

Nanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny halehiben’ny fijaliany i Kristy rehefa nilaza tamin’ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

“Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka;

“Nefa raha tsy mety mibebaka izy ireo dia tsy maintsy mijaly tahaka Ahy;

“Fijaliana izay nahatonga ny Tenako, Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy.”18

Tao amin’ny Sahan’i Getsemane no nanombohany nanefa ny saran’ny fahotantsika sy ny aretintsika, ny fanaintainantsika ary ny rofintsika.19 Satria nijaly Izy dia tsy ho irery na oviana na oviana isika ao anatin’ireo rofy ireo raha misafidy ny hanaraka Azy. “Nosamborina Izy ary nohelohina tamin’ ny fiampangana tsy marina, nohelohina mba hahafaly ireo fokonolona, ary nohelohina ho faty teo ambony hazo fijaliana tany Kalvary.” Teo amin’ny hazo fijaliana no “nanolorany ny ainy ho sorona noho ny fahotan’ny zanak’ olombelona rehetra mba ho fanomezana lehibe ho an’ireo rehetra izay hiaina eto ambonin’ny tany.”20

Nanambara Izy hoe:

“Indro, Izaho no Jesoa Kristy izay nambaran’ny mpaminany fa ho avy eo amin’ izao tontolo izao.

“Ary indro, Izaho no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao; ary nisotro tamin’ilay kapoaka mangidy izay efa nomen’ny Ray Ahy Aho ary efa nankalaza ny Ray tamin’ny nitondrako teo Amiko ny fahotan’izao tontolo izao”21

Avy eo, tamin’ny andro voalohany tamin’ny herinandro,22 dia nitsangana avy tao am-pasana Izy niaraka tamin’ny vatana tonga lafatra, izay tsy ho faty intsony. Ary satria nitsangana tamin’ny maty Izy, dia hitsangana amin’ny maty koa isika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa tena nitsangana avy tao am-pasana tokoa i Kristy. Saingy mba hitsanganana avy tao amin’izany fasana izany dia tsy maintsy maty aloha Izy. Dia tsy maintsy ho toy izany koa isika.

Ny fitahiana lehibe iray hafa teo amin’ny fiainako dia ny fahatsapako ho akaikin’ny lanitra nandritra ireo fotoana izay nipetrahako teo amin’ny sisim-pandrian’ny olona teo am-pialan’izy ireo aina. Vao maraina be taona vitsivitsy lasa izay dia niditra tao amin’ny efitrano nisy mpitondratena iray Olomasin’ny andro farany izay tratran’ny homamiadana aho tao amin’ny hôpitaly. Nisy zanany vavy anankiroa nipetraka teo akaikiny. Rehefa nandeha teo amin’ny sisim-pandriany aho dia tsikaritro avy hatrany fa tsy nijaly intsony izy satria maty vao tsy ela.

Tamin’io fotoana nahafatesany io dia heniky ny fiadanana ilay efitrano. Nalahelo nefa sady nahatsapa fiononana ireo zanany vavy, saingy heniky ny finoana ny fon’izy ireo. Fantany fa tsy lasa akory ny renin’izy ireo fa niverina any an-tranony.23 Na dia amin’ireo fotoana hahatsapantsika alahelo lalina indrindra aza, amin’ireo fotoana izay hahatsapana fa toa tsy ho afaka mihitsy izany alahelo izany ary toa tsy rariny mihitsy ny fiainana, dia afaka mahazo fiononana ao amin’ny Mpamonjy antsika isika satria nijaly ihany koa Izy.24 Voninahitra ho ahy ny naha-tao anatin’izany efitrano izany ahy.

Rehefa maty isika, dia miala ao amin’ny vatantsika ny fanahintsika ary mandeha mankany amin’ilay dingana manaraka amin’ny diantsika isika, dia ny tontolon’ny fanahy. Toerana fianarana, fibebahana, famelana, ary hahatongavana amin’ny tanjona iray izany25, izay hiandrasantsika ny Fitsanganana amin’ny maty.26

Amin’ny fotoan-dehibe iray izay ho avy dia hitsangana avy ao am-pasana avokoa ny olona rehetra izay nateraka. Hitambatra indray amin’ny endriny tomombana ny vatantsika sy ny fanahintsika. Hitsangana avokoa ny rehetra, “na antitra na tanora, …na lahy na vavy, na ny ratsy na ny marina;” ary “ny zavatra tsirairay … dia haverina amin’ny endriny tomombana.”27

Aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty dia hanana ilay fitahiana faratampony isika dia ny ho tsarain’ny Mpamonjy, izay nilaza hoe:

“Hosintoniko ny olon-drehetra hankatỳ Amiko mba ho azo tsaraina araka ny asany izy ireo.

“Ary ny zavatra hitranga dia na zovy na zovy no mibebaka sy atao batisa amin’ny anarako dia ho henika; ary raha maharitra hatramin’ny farany izy, dia indro, izy no hotanako tsisy tsiny eo anoloan’ny Raiko amin’io andro io rehefa hitsangana Aho hitsara izao tontolo izao.”28

Ary avy eo, amin’ny alalan’i Kristy sy ny Sorompanavotany, ireo rehetra izay mifidy ny hanaraka Azy amin’ny alalan’ny finoana, ny fibebahana, ny batisa, ny fandraisana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany29 dia hahita fa “ny fiafaran’ny diany dia ny handray ny anjarany masina ho mpandova ny fiainana mandrakizay.”30 Hiverina eo anatrehan’ny Rainy izy ireo mba hiara-hiaina Aminy mandrakizay. Enga anie isika hanao safidy tsara.

Mbola ahitana zavatra maro be mihoatra noho izay mitranga eo anelanelan’ny fahaterahana sy ny fahafatesana ao anatin’ny fisiantsika. Manasa anareo aho mba hanatona sy hanaraka an’i Kristy.31

Manasa ny mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany rehetra aho mba “[hanatona] an’ i Kristy, ary … hatao tanteraka ao Aminy, ary [handà] ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra, … [mba ho] noho ny fandatsahana ny ran’ i Kristy, … [dia ho tonga] masina, tsy misy pentina.”32

Manasa ireo izay tsy mbola mpikambana ato amin’ity Fiangonana ity aho mba ho avy sy hamaky ny Bokin’ i Môrmôna ary hihaino ireo misiônera. Avia ary manàna finoana dia mibebaha amin’ny fahotanareo. Avia ary aoka hatao batisa sy handray ny Fanahy Masina. Avia hiaina fiainana feno hasambarana sy miorina amin’i Kristy. Rehefa manatona Azy sy mitandrina ny didiny ianareo dia mampanantena aho fa afaka mahita fiadanana sy tanjona eto amin’ity fiainana an-tany sarotra matetika ity ary “fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy ianareo.”33

Ho an’ireo izay efa niaina ireo fahamarinana ireo nefa noho ny antony tsy fantatra dia niala ny Fiangonana, dia manasa anareo aho mba hiverina. Miverena anio. Tia anareo ny Raintsika sy ny Mpamonjintsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa manana ny hery hamaliana ny fanontanianareo sy hanasitranana ny fanaintainanareo sy ny alahelonareo, ary hamelana ny fahotanareo i Kristy. Fantatro fa marina izany. Fantatro fa marina ireo zavatra rehetra ireo. Velona i Kristy! Fiangonany ity. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.