2010–2019
Ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra
Aprily 2017


Ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra

Aoka isika hiala amin’ny tahotra ary hiaina kosa ao amin’ny fifaliana, ny fanetrentena, ny fanantenana, ary ny fahatokisana amim-pahasahiana fa ny Tompo dia miaraka amintsika.

Ry rahalahy sy ranabavy malala isany, ry namana isany, tena tombontsoa sy fifaliana ny fahafahantsika miara-mivory amin’ny maha-Fiangonana maneran-tany antsika izay miray ao anatin’ny finoantsika sy ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny zanany.

Mankasitraka indrindra indrindra ny maha-eto an’i Thomas S. Monson, mpaminany malalantsika, aho. Ry Filoha, horaisinay ao am-ponay hatrany ireo teninao feno fitarihana, torohevitra, ary fahendrena. Tia anao sy manohana anao izahay ry Filoha Monson, ary mivavaka ho anao mandrakariva.

Taona maro lasa izay, tamin’ny naha-filohan’ny tsatòka ahy tany Franckfort, Alemana, dia nanatona ahy ny anabavy malala nefa tsy faly iray rehefa nifarana ny fivorian’ny tsatòka iray nataonay.

“Tsy mahasosotra ve izany?” hoy izy. “Mety ho teo amin’ny olona efatra na dimy teo no resin-tory nandritra ny lahateninao!”

Nieritreritra kely aho dia namaly hoe: “Tena inoako mihitsy fa ny torimaso ao am-piangonana no anisan’ny torimaso mahasalama indrindra.”

Nahare tsy nahy izany resadresaka izany i Harriet vadiko mahafinaritra ary nilaza izy taty aoriana fa izany no anisan’ny valin-teny tsara indrindra nomeko hatrizay.

Ny Fifohazana lehibe

Taonjato vitsy lasa izay tao Amerika Avaratra dia nieli-patrana nanerana ny ambanivohitra rehetra ny hetsika nantsoina hoe ny “Fifohazana lehibe.” Anisan’ny tanjona lehibe tamin’izany ny hamohazana ireo olona izay toa hita fa matoritory raha ny amin’ny lafiny ara-panahy.

Raha mbola tanora i Joseph Smith dia nisy fiantraikany taminy ny zavatra henony nolazain’ireo mpitory izay tao anatin’ny fifohazana ara-pivavahana. Isan’ny antony nandrisika azy hikatsaka ny sitrapon’ny Tompo tamim-kitsimpo tamin’ny alalan’ny vavaka manokana izany.

Ny fitorian’ireo mpitory ireo dia nanana endrika manaitaitra sy feno fihetseham-po, ary ireo toriteny dia fantatra tamin’ny fanantitranterana mafy ny fampihorohoroan’ny helo mirehitr’afo izay miandry ny mpanota.1 Ny lahatenin’izy ireo dia tsy nampatory ny olona, saingy mety niteraka nofy ratsy vitsivitsy. Ny tanjony sy ny endriny dia toa ny hampatahotra ny olona mba hankanesan’izy ireo any am-piangonana.

Ny fampiasana tahotra mba hanararaotana

Raha ny ara-tantara no jerena dia nampiasaina matetika ny tahotra ho fitaovana hahatonga ny olona hanao zavatra. Ireo ray aman-dreny dia nampiasa izany tamin’ny zanany, ny mpampiasa tamin’ny mpiasa, ary ny mpanao pôlitika tamin’ny mpifidy.

Ny manam-pahaizana amin’ny marketing dia mahatakatra ny herin’ny tahotra ary mampiasa izany matetika. Izany no antony toa ahitana ilay hafatra ankolaka ao anatin’ny dokam-barotra sasany fa raha tsy manjifa ny sakafo maraina vokariny isika, na raha tsy mahavidy ny jeu vidéo na finday vaovaony isika dia mety hanana fiainana fadiranovana, ho faty irery ary ho lavitry ny fifaliana.

Mitsiky isika rehefa mahare izany ary mihevitra fa tsy handaitra amintsika velively izany fanararaotana izany, kanefa indraindray dia mandaitra izany. Ary ny ratsy kokoa noho izany aza, indraindray dia isika no mampiasa fomba mitovy amin’izany mba hahatonga ny hafa hanao izay tiantsika.

Manana tanjona anankiroa ny hafatro anio: Ny voalohany dia ny hanairana antsika mba handinika sy hihevitra hoe hatraiza no hampiasan tsika ny tahotra amin’ny fandrisihana ny hafa, tafiditra amin’izany ny tenantsika. Ny faharoa dia fanolorana fomba tsaratsara kokoa.

Ny olana amin’ny tahotra

Voalohany dia ’ndeha horesahantsika ny olana amin’ny tahotra. Fa iza amintsika moa no tsy mbola natosiky ny tahotra mba hihinana sakafo mahasalama kokoa, hanao fehin-tseza, hampiasa vatana kokoa, hanao tahirim-bola, na hibebaka amin’ny fahotana mihitsy aza?

Marina tokoa fa ny tahotra dia mety hanana fiantraikany mahery vaika amin’ny zavatra ataontsika sy ny fitondran-tenantsika. Kanefa izany fiantraikany izany dia matetika mandalo ihany ary tsy lalim-paka. Mahalana ihany ny tahotra no manana hery hanova ny fontsika, ary izany dia tsy hanova antsika velively ho lasa ilay olona izay tia ny tsara sy maniry ny hankatò ny Ray any An-danitra.

Ny olona izay feno tahotra dia mety hiteny sy hanao ny zavatra tokony atao, kanefa tsy mahatsapa ny zavatra tokony ho tsapany. Matetika izy ireo no mahatsapa ho very hevitra sy mitàna lolom-po, ary tezitra mihitsy aza. Rehefa mandeha ny fotoana dia mitarika any amin’ny tsy fahatokisana, ny fanoherana, ary ny fikomiana mihitsy izany fahatsapana izany.

Mampalahelo anefa fa izany fomba fiatrehana ny fiainana sy ny fitarihana diso izany dia tsy voafetra ao amin’izao tontolo izao. Mampalahelo ahy ny mahare momba ireo mpikamban’ny Fiangonana izay mampihatra fitondrana tsy marina, na ao an-tokantranony, na eo amin’ny antsony ao am-piangonana, na any am-piasana, na amin’ny fifandraisany amin’ny hafa isan’andro.

Matetika dia mety hanameloka ny fampijaliana atao amin’ny hafa ny olona, nefa tsy afaka mahita ny fanaovan’izy ireo izany izy ireo. Mitaky ny fanoavana ny fitsipika nataotaony foana izy ireo, kanefa rehefa tsy manaraka izany fitsipika nataotao foana izany ny hafa dia faiziny am-bava sy ara-pihetsehampo ary indraindray aza ara-batana mihitsy izy ireo.

Ny Tompo dia nilaza fa “rehefa … [m]ampiasa fifehezana na fanjakazakana na fanerena amin’ny fanahin’ny zanak’olombelona [isika], na manao ahoana na manao ahoana ny halehiben’ny tsy fahamarinana amin’izany, … dia misintona ny lanitra [ary] malahelo ny Fanahin’ny Tompo.”2

Mety hisy ny fotoana hahatonga antsika ho alaim-panahy hanamarina ny zavatra ataontsika amin’ny finoana fa ny zavatra rehetra dia azo ekena raha toa ka tsara ny tanjona tiana hotratrarina. Mety hieritreritra mihitsy aza isika fa ny fitiavana mifehy sy manararaotra ary maneho toetra henjana amin’ny hafa dia hitondra soa ho azy ireo. Diso izany, satria nolazain’ny Tompo mazava tsara fa “ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, [ary] fahononam-po.”3

Fomba tsaratsara kokoa iray

Arakaraka ny hahafantarako ny Raiko any An-danitra no hahitako ny fomba hanentanany ny fanahin’ireo zanany sy hitarihany azy ireo. Tsy tezitra Izy, tsy manao valifaty, ary tsy mihazona lolom-po.4 Ny tanjony, izany hoe ny asany sy ny voninahiny, dia ny hampianatra antsika sy ny hanandratra antsika ary ny hitarika antsika ho amin’ny fahafenoany.5

Namariparitra ny Tenany tamin’i Mosesy Andriamanitra, fa Izy dia “mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana.”6

Ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra ho antsika zanany dia mihoatra lavitra noho ny fahafahantsika mahataka-javatra.7

Midika ve izany fa Andriamanitra dia mamela ny fananana fitondran-tena mifanohitra amin’ny didiny amin’izao na tsy miraharaha izany? Tsia, azo antoka fa diso izany!

Saingy tiany ny hanova mihoatra noho ny fitondran-tenantsika fotsiny ihany. Ny toetoetrantsika mihitsy no tiany hovana. Tiany hovana ny fontsika.

Tiany isika haninjitra ny tanantsika sy hifikitra amin’ilay anjaby, hiatrika ny tahotsika, ary handroso sy hivoatra miaraka amin’ny herim-po eo amin’ilay lalana ety sy tery. Tiany hitranga amintsika izany satria tiany isika ary satria izany no lalana mankany amin’ny fahasambarana.

Koa amin’ny fomba ahoana ary no hamporisihan’ Andriamanitra ny zanany hanaraka Azy amin’izao androntsika izao?

Naniraka ny Zanany Izy!

Naniraka an’i Jesoa Kristy Zananilahy Tokana Andriamanitra hampisehoana antsika ny lalana tokony haleha.

Mandrisika antsika amin’ny alalan’ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy Andriamanitra.8 Miandany amintsika Andriamanitra. Tia antsika Izy ary rehefa lavo isika dia tiany hiarina isika, hiezaka indray, ary ho lasa matanjaka kokoa.

Izy no mpampianatra antsika.

Izy no fanantenantsika lehibe sy sarobidy indrindra.

Maniry ny hanentana antsika amin’ny finoana Izy.

Matoky antsika Izy fa isika dia mianatra avy amin’ny ireo hadisoana nataontsika ary manao safidy tsara.

Izany no lalana tsaratsara kokoa!9

Ahoana ny amin’ny ratsy eo amin’izao tontolo izao?

Anisan’ny fomba iray tian’i Satana hanararaotantsika ny hafa ny fifantohana amin’ny ratsy eo amin’izao tontolo izao ka manitatra izany mihitsy aza.

Marina tokoa fa ny tontolo misy antsika dia efa tsy tonga lafatra hatrizay, ary mbola ho toy izanyhatrany. Betsaka loatra ny olona tsy manan-tsiny no mijaly noho ny toe-javatra misy sy noho ny haratsian’olombelona. Ny fahalotoana sy ny faharatsiana amin’ny vaninandrontsika dia miavaka tokoa ary mampiahiahy.

Kanefa na dia eo aza izany rehetra izany dia tsy hatakalontsika amin’ny fiainana mandritra ny fotoana hafa tamin’ny tantaran’izao tontolo izao ny fiainana amin’izao vaninandro izao. Fitahiana tsy hay refesina no azontsika afaka miaina amina fotoana feno firoboroboana sy fahalalana ary fahafahana tsy manam-paharoa. Ary indrindra indrindra, tahiana isika satria manana ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay manome antsika fomba fijery miavaka ny amin’ireo loza misy eo amin’izao tontolo izao ary mampiseho antsika ny fomba hisorohana ireo loza ireo na hiatrehana izany.

Rehefa mandinika ireo fitahiana ireo aho dia te handohalika ary hanolotra dera ho an’ny Raintsika any An-danitra noho ny fitiavany tsy manam-petra ho an’ny zanany rehetra.

Tsy mino aho fa tian’ Andriamanitra ny hatahoran’ireo zanany sy ny hifantohan’izy ireo amin’ireo zava-dratsin’izao tontolo izao. “Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.”10

Nomeny antony maro mba hifaliana isika. Mila mitady sy mamantatra azy ireo fotsiny isika. Ny Tompo dia mampahatsiahy antsika matetika hoe “aza matahotra,” “matokia,”11 ary “aza matahotra ry ondry vitsy.”12

Hiady ho antsika ny Tompo

Ry rahalahy sy ranabavy, isika no “ondry vitsi[n’ ny]” Tompo. Isika no Olomasin’ny andro farany. Tafiditra ao anatin’ny anarana fiantsoana antsika ny fanolorantena hiandrandra ny fiverenan’ny Mpamonjy ary hanomana ny tenantsika sy izao tontolo izao mba handray Azy. Noho izany dia ’ndeha isika hanompo an’Andriamanitra sy hitia ny mpiara-belona amintsika. ’Ndeha isika hanao izany miaraka amin’ny fahatokiana voajanahary, miaraka amin’ny fanetrentena, ka tsy hanambany na oviana na ovina ny fivahahana na vondron’olona hafa. Rahalahy sy ranabavy isany, nangatahina isika handalina ny tenin’ Andriamanitra sy hanaraka ny feon’ny Fanahy, mba hahafahantsika “[m]ahafantatra ireo famantarana ny fotoana sy ireo famantarana ny amin’ny fiavian’ny Zanak’olona.”13

Noho izany isika dia mahafantatra ireo olana misy eo amin’izao tontolo izao ary mahalala ireo fahasarotana amin’ny vaninandro misy antsika. Saingy tsy midika anefa izany fa tokony hamesatra ny tenantsika na ny hafa amin’ny tahotra lalandava isika. Ho solon’ny fifantohana amin’ny hasarotry ny olana mianjady amintsika dia tsy tsaratsara kokoa ve ny mifantoka amin’ny halehibe sy hatsarana tsy manam-petra ary ny hery tanteraky ny Andriamanitsika, ny matoky Azy ary ny miomana amin’ny fo falifaly amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy?

Amin’ny maha-vahoakan’ny fanekempihavanany antsika dia tsy tokony ho raiki-tahotra isika noho ny mety ho fisian’ny zavatra ratsy mitranga. Afaka mandroso amim-pinoana sy amin’ny risi-po ary amim-pahavononana kosa isika, ary matoky an’ Andriamanitra eo am-piatrehantsika ireo olana sy eo am-pisokafan’ny lalana eo alohantsika.14

Tsy mizotra irery eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra isika. “[Fa] Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.”15

“Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina.”16

Eo anoloan’ny tahotra dia aoka isika hahita herim-po, hamokatra finoana, ary hanana fahatokisan-tena ao amin’ilay fampanantenana fa “ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina.”17

Miaina ao anatin’ny fotoana feno loza sy korontana ve isika? Eny, mazava ho azy.

Andriamanitra mihitsy no nilaza hoe, “Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”18

Afaka mampihatra finoana mba hino sy hanao asa mifanaraka amin’izany ve isika? Afaka mitandrina ny fanolorantena sy ny fanekempihavanana masina nataontsika ve isika? Afaka mitandrina ny didin’ Andriamanitra ve isika na dia ao anatin’ny toe-javatra manahirana aza? Eny, mazava ho azy fa afaka manao izany isika!

Afaka manao izany isika satria Andriamanitra dia efa nampanantena fa “hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombontsoanareo, raha mandeha araka ny hitsiny ianareo.”19 Noho izany dia aoka isika hiala amin’ny tahotra ary hiaina kosa ao amin’ny fifaliana, ny fanetrentena, ny fanantenana, ary ny fahatokisana tsy amim-piambahambahana fa ny Tompo dia miaraka amintsika.

Ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra

Ry namako malala, ry rahalahiko sy anabaviko malala ao amin’i Kristy, raha toa isika ka tafalatsaka ao amin’ny fiainana anatin’ny tahotra na ny fanahiana, na raha toa ka ny tenintsika, ny fitondran-tena, na ny zavatra nataontsika no nahatonga tahotra teo amin’ny hafa dia mivavaka amin’ny herin’ny fanahiko manontolo aho mba hahafahantsika amin’izany tahotra izany amin’ny alalan’ilay vahaolana handresena ny tahotra izay nomen’ Andriamanitra, dia ny fitiavana madion’i Kristy, fa ny “fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra.”20

Ny fitiavana tonga lafatr’i Kristy dia mandresy ireo fakam-panahy handratra, hanery, hampijaly, na hampahory.

Ny fitiavana tonga lafatr’i Kristy dia mamela antsika handroso amim-panetrentena, amim-pahamendrehana, ary amim-patokiana feno fahasahiana amin’ny maha-mpanara-dia ny Mpamonjy malalantsika antsika. Ny fitiavana tonga lafatr’i Kristy dia manome antsika fahatokisan-tena mba hiatrika ny tahotsika ary hametraka fitokisantsika tanteraka amin’ny hery sy ny fahatsaran’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany.

Andeha isika hanolo ny tahotra ao an-tokantranontsika, ao amin’ireo toeram-piasantsika, ao amin’ny antsontsika ao am-piangonana, ary ao am-pontsika amin’ny fitiavana tonga lafatr’i Kristy. Hosoloin’ny fitiavana tonga lafatr’i Kristy finoana ny tahotra!

Ny fitiavany dia hamela antsika hamantatra sy hatoky ary hanana finoana ny fahatsaran’ny Raintsika any An-danitra, ny drafiny masina, ny filazantsarany, ary ny didiny.21 Ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika dia hahatonga ny fankatoavantsika ny didin’ Andriamanitra ho lasa fitahiana fa tsy enta-mavesatra kosa. Ny fitiavan’i Kristy dia hanampy antsika ho lasa tsara fanahy kokoa, hamela heloka kokoa, hikarakara kokoa, ary hanolo-tena bebe kokoa amin’ny asany.

Rehefa mameno ny fontsika amin’ny fitiavan’i Kristy isika dia hifoha miaraka amin’ny fahavitrihana ara-panahy nohavaozina indray ary handeha amim-pifaliana, sy amim-pahatokisan-tena, ary hifoha sy havitrika ao amin’ny fahazavana sy ny voninahitr’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy malalantsika.

Mijoro ho vavolombelona miaraka amin’ny Apôstôly Jaona aho fa: “Tsy manan-tahotra ny fitiavan’[i Kristy].”22 Ry rahalahy sy ranabavy isany, ry namana malala, mahafantatra tsara anareo Andriamanitra. Tiany tanteraka ianareo. Fantany ny hoavy miandry anareo. Tiany ianareo “tsy [hatahotra], fa [hino] fotsiny ihany”23 ary “hitoetra ao amin’ny fitiava[ny tonga lafatra].”24 Izany no vavaka ataoko sy tsodrano omeko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Ohatra fanta-daza anankiroa amin’izany karazana mpitory izany i George Whitefield sy i Jonathan Edwards.

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:37.

  3. Galatiana 5:22–23.

  4. Indray mandeha dia te hihiditra tao amin’ny tanàna iray an’ny Samaritana ny Mpamonjy, saingy nandà an’i Jesoa ny vahoaka ary tsy nanaiky ny handray Azy tao amin’ny tanànany. Tohina tanteraka tamin’izany ny roa tamin’ireo mpianany ka dia nanontany hoe: “Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy?” Namaly tamin’ity fampitandremana ity i Jesoa: “Tsy fantatrareo hoe avy amin’ny fanahy manao ahoana moa ianareo. Fa ny Zanak’olona tsy tonga handrava ny fiainan’ny zanak’olomelona fa hamonjy azy” (jereo ny Lioka 9:51–56, dikanteny vaovao an’ny King James [1982]).

  5. Jereo ny Mosesy 1:39; jereo koa ny Efesiana 3:19.

  6. Eksodosy 34:6.

  7. Jereo ny Efesiana 3:19.

  8. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41. Marina tokoa fa raha toa Andriamanitra manantena antsika zanany mety maty hifampitondra tahaka izany, dia Izy, izay manana ny toetra tsara rehetra no ho Ilay môdely alain-tahaka amin’izany toetra tsara izany.

  9. Ny Filankevitra talohan’ny fiainana an-tany izay notontosaina tany An-danitra dia tranga iray tena tsara izay maneho ny toetran’ Andriamanitra. Tany no nandrosoan’ny Raintsika any An-danitra tamintsika ny drafiny ho an’ny fivoarantsika mandrakizay. Anisan’ireo singa fototra amin’izany drafitra izany ny fahafahana misafidy sy ny fankatoavana ary ny famonjena amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy. I Losifera kosa anefa dia nandroso fomba fiasa hafa. Nanome antoka izy fa ny rehetra dia hankatò, ary tsy hisy ho very. Ny hany fomba hanatanterahana izany dia amin’ny alalan’ny jadona sy ny fanerena. Saingy tsy ho avelan’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana hitranga izany drafitra izany. Nomeny lanja ny fahafahana misafidin’ireo zanany. Fantany fa tsy maintsy hanao fahadisoana isika eny an-dalana eny raha toa tena hianatra tokoa. Ary izany no antony nanomezany Mpamonjy iray, ary ny sorona mandrakizay nataon’ny Mpamonjy dia afaka manadio antsika amin’ny fahotana ary mamela antsika hiverina indray ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

    Rehefa hitan’ny Raintsika any An-danitra fa betsaka tamin’ireo zanany malala no voasarik’i Losifera, moa ve Izy nanery azy ireo mba hanaraka ny drafiny? Nampatahotra na nandrahona ireo izay nanao izany safidy ratsy dia ratsy izany ve Izy? Tsia. Ilay Andriamanitsika feno fahefana dia tena afaka nanakana izany fikomiana izany. Afaka nanery ny hanarahana ny sitrapony tamin’ireo mpanohitra sy nanao izay nanoavan’izy ireo Azy Izy. Saingy naleony namela ny zanany hisafidy ho an’ny tenan’izy ireo.

  10. 2 Timoty 1:7.

  11. Jereo, ohatra ny, Josoa 1:9; Isaia 41:13; Lioka 12:32; Jaona 16:33; 1 Petera 3:14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36; 50:41; 61:36; 78:18.

  12. Lioka 12:32.

  13. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:11.

  14. Mbola mihatra ny torohevitra nomen’i Mosesy ny vahoaka tamin’ny androny: Aza matahotra hianareo. … Ho hitanareo ny famonjen’ny Tompo, izay hotanterahiny ho anareo anio” (jereo ny Eksodosy 14:13, dikanteny vaovao an’ny King James)

  15. Deoteronomia 31:6.

  16. Eksodosy 14:14, dikanteny vaovao an’ny King James.

  17. Isaia 54:17.

  18. Jaona 4:33.

  19. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24; jereo koa ny 2 Korintiana 2:14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:14.

  20. 1 Jaona 4:18.

  21. Aoka isika hahatsiaro fa ny Mpamonjy dia tsy tonga “ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao” (Jaona 3:17). Raha ny marina, “Izy dia tsy manao na inona na inona afa-tsy izay ho tombontsoan’ izao tontolo izao; satria tia izao tontolo izao Izy ka nomeny na dia ny ainy aza mba hisarihany ny olona rehetra hanatona Azy” (2 Nefia 26:24).

  22. 1 Jaona 4:18; jereo koa ny 1 Jaona 4:16.

  23. Marka 5:36.

  24. Jaona 3:10.