2010–2019
Omano ny lalana
Aprily 2017


Omano ny lalana

Na dia samihafa aza ny andraikitra sy ny fahefana nomena azy ireo, ny Fisoronana Aharôna sy ny Fisoronana Melkizedeka dia miara-miasa ary tsy afa-misaraka ao amin’ny asa famonjena.

Nanomboka niasa tamina vondrona orinasa mpaninjara iray tany Frantsa aho tamin’ny faha-30 taonako. Indray andro dia niantso ahy hankao amin’ny biraony ny lehiben’ilay orinasa, izay olona tsara avy amina finoana hafa. Nanaitra ahy ny fanontaniany: “Reko hoe mpisorona ao amin’ny fiangonana misy anao hono ianao. Marina ve izany?”

Novaliako hoe: “Eny, marina izany. Mihazona ny fisoronana aho.”

Hitako hoe nahaliana azy ilay valinteniko ka nanontany izy avy eo hoe: “Fa nandia seminera fianarana momba ny teôlôjia ve ianao?”

“Mazava ho azy,” hoy aho, “teo anelanalelan’ny faha-14 ka hatramin’ny faha-18 taonako ary saika ho isan’andro aho no nianatra ireo lesona tao amin’ny seminera!” Saika nianjera avy teo amin’ny sezany mihitsy izy.

Tena gaga be aho rehefa nampanantsoiny tao amin’ny biraony indray, afaka herinandro maromaro hotendreny mba ho lasa tale mpitantana ao amin’ny iray amin’ireo orinasa iray vondrona amin’ilay toeram-piasako. Talanjona aho ary nolazaiko ny ahiahiko fa tanora loatra aho ary tsy ampy traikefa amin’ny fihazonana andraikitra lehibe toy izany. Tamin’ny tsiky feno hatsaram-panahy no nilazany hoe: “Mety ho marina izany kanefa, tsy mampaninona. Fantatro ireo fitsipi-piainanao, ary fantatro ny zavatra nianaranao tao amin’ny fiangonana misy anao. Mila anao aho.”

Marina ny eritreriny momba ny zavatra nianarako tato am-piangonana. Nananosarotra ireo taona nifanesy ka tsy haiko raha toa aho ho nahomby raha tsy teo ny traikefa azoko avy tamin’ny fanompoako tao amin’ny Fiangonana nanomboka tamin’ny naha-zatovolahy ahy.

Fitahiana ho ahy ny nahalehibe ahy tao amin’ny sampana kely iray. Koa satria vitsy an’isa izahay dia voantso ireo tanora mba handray anjara mavitrika amin’ny lafiny rehetra ao amin’ilay sampana. Nanana andraikitra maro aho ary tiako ny fahatsapana fa nilaina aho. Isaky ny Alahady aho dia nikarakara sy nanamasina ny fanasan’ny Tompo, nanompo tao amin’ny kôlejin’ny fisoronana nisy ahy, ary nanatanteraka antso maro samihafa. Nandritra ny herinandro aho dia niaraka tamin’ny raiko sy ireo olon-dehibe mpihazona ny fisoronana hafa rehefa nampianatra mpikambana, sy nampionona ireo marary sy ory, ary nanampy ireo sahirana izahay. Toa tsy nisy olona nieritreritra fa tanora loatra aho raha hanompo na raha hitarika mihitsy aza. Amiko dia toa nandeha tsara sy araka ny tokony ho izy avokoa ny zava-drehetra.

Nanampy ahy hanorina ny fijoroako ho vavolombelona sy nampiorim-paka ny fiainako teo amin’ny filazantsara ny fanompoana nataoko nandritra ireo taona naha-zatovo ahy. Lehilahy tsara sy feno hatsaram-panahy izay nanana fanoloran-tena tamin’ny fampiasana ny fisoronan’izy ireo mba hitahiana ny fiainan’ny hafa no nanodidina ahy. Naniry ny ho tahaka azy ireo aho. Noho ny fanompoako niaraka tamin’izy ireo dia nianatra aho, mihoatra lavitra noho ny nieritreretako azy tamin’izany fotoana izany, ny mba ho mpitarika ato amin’ny Fiangonana ary koa eo amin’izao tontolo izao.

Anio alina isika dia manana zatovolahy maro mihazona ny Fisoronana Aharôna izay manatrika na manaraka ity fivoriana ity. Rehefa mandinika ny mpanatrika eto aho dia mahita ny ankamaroanareo mipetraka eo akaikin’ny lehilahy matohy, mety ho ny rainareo, na ny raibenareo, na ny zokilahinareo, na ny mpitarika anareo ao amin’ny fisoronana, izay mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka avokoa. Tia anareo izy ireo ary amin’ny ankapobeny dia ny hiaraka aminareo no nahatongavany eto androany alina.

Ity fivorian’ny mpihazona fisoronana avy amin’ny sokajin-taona samihafa ity dia manome fahatakarana mahatalanjona ny firaisan-kina sy ny firahalahiana misy eo amin’ireo fisoronan’ Andriamanitra anankiroa. Na dia samihafa aza ny andraikitra sy ny fahefana nomena azy ireo, ny Fisoronana Aharôna sy ny Fisoronana Melkizedeka dia miara-miasa ary tsy afa-misaraka ao amin’ny asa famonjena. Miara-miasa izy ireo ary tena mifampila tokoa.

Ny ohatra tsara indrindra maneho ny fifandraisana akaiky misy eo amin’ireo fisoronana roa ireo dia hita eo amin’ny fifandraisan’i Jesoa Kristy sy i Jaona Mpanao Batisa. Afaka ny hieritreritra an’i Jaona Mpanao Batisa ve ny olona iray nefa tsy hieritreritra momba an’i Jesoa? Mety nanao ahoana ny asa nanirahana ny Mpamonjy raha tsy nisy ny asa fanomanana nataon’i Jaona?

Nomena an’i Jaona Mpanao Batisa ny iray tamin’ireo andraikitra be voninahitra indrindra izay mety hisy: “mba hamboatra ny lalan’ny Tompo,”1 hanao batisa Azy amin’ny rano ary hampivonona ny olona mba handray Azy. Io “[lehilahy] marina … sy … masina io,”2 izay notendrena tao amin’ny fisoronana ambany, dia nahafantatra tsara ny halehibe sy ny fetran’ny iraka nampanaovina azy ary ny fahefana nananany.

Vory lanona teo amin’i Jaona ny olona mba handre azy sy mba hataony batisa. Najain’ny olona izy tamin’ny naha-olon’ Andriamanitra azy. Kanefa rehefa niseho i Jesoa dia niaiky tamim-panentrentena ny amin’ny Anankiray izay lehibe kokoa noho izy i Jaona ka nanambara hoe: “Izaho manao batisa anareo amin’ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo, Ilay avy aoriako, ary tsy miendrika ny hamaha ny fehin-kapany aza aho.”3

Etsy an-kilan’izay kosa, i Jesoa Kristy, Ilay Lahitokana avy tamin’ny Ray, izay nihazona ny fisoronana ambony, dia nanaiky tamim-panetrentena ny fahefan’i Jaona. Nilaza toa izao momba azy ny Mpamonjy hoe: “Amin’ireo izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa.”4

Eritrereto kely ny zavatra mety hiseho ao amin’ireo kôlejin’ny fisoronana misy antsika raha toa ka miorina eo ambonin’ny lamina napetrak’i Jesoa sy i Jaona Mpanao Batisa ny fifandraisana misy eo amin’ny mpihazona ireo fisoronana roa ireo. Ry rahalahy zandriko isany ao amin’ny Fisoronana Aharôna, tahaka ny an’i Jaona, ny andraikitrareo dia ny mba “hamboatra ny lalana”5 ho an’ny asa lehiben’ny Fisoronana Melkizedeka. Manao izany amin’ny fomba maro samihafa ianareo. Manatanteraka ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo ianareo. Manampy amin’ny fanomanana olona ho an’ny Tompo ianareo amin’ny alalan’ny fitorianareo ny filazantsara, amin’ny alalan’ny “[famangianareo] ny tranon’ny mpikambana tsirairay,”6 ary amin’ny alalan’ny “[fitandremanareo] ny mpikamban’ny fiangonana.”7 Manome fanampiana ho an’ireo mahantra sy sahirana ianareo amin’ny alalan’ny fanangonanareo ireo valopin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina. Mandray anjara amin’ny fikarakarana ireo trano fivorian’ny Fiangonana sy ireo fananam-piangonana hafa ianareo. Ny andraikitrareo dia manan-danja, tena ilaina, ary masina.

Ry rahalahy olon-dehibe isany, na ray ianareo, na eveka ianareo, na mpanolotsaina ao amin’ny Zatovolahy ianareo, na mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka fotsiny ianareo dia afaka manaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fitodihana amin’ireo rahalahinareo izay mihazona ny fisoronana ambany sy manasa azy ireo mba hiara-hisalahy aminareo. Raha ny marina, ity fanasana ity dia avy amin’ny Tompo mihitsy. Hoy izy hoe: “Noho izany alao hiaraka aminareo ireo izay voatokana ho amin’ny fisoronana ambany, ary iraho eo alohanareo ireo hamotoana sy hanomana ny lalana ary hanatontosa ny raharaha izay tsy arakareo.”8

Rehefa manasa ny zandrinareo lahy “hanomana ny lalana,” ianareo dia manampy azy ireo hahafantatra sy hanaja ny fahefana masina hazonin’izy ireo. Rehefa manao izany ianareo dia manampy azy ireo hanomana ny lalan’izy ireo manokana eo am-piomanan’izy ireo amin’ilay andro handraisan’izy ireo sy hampiasan’izy ireo ny fisoronana ambony.

Mamelà ahy ianareo hizara tantara marina iray momba an’i Alex, mpisorona tanora iray izay tsy be teny loatra, mpandinika, ary maranitsaina. Indray Alahady ny evekan’i Alex dia nahita azy irery tanatin’ny hakiviana lehibe tao amin’ny efitrano fianarana iray. Nohazavain’ity tovolahy ity tamin’ny alahelo lehibe ny maha-sarotra ny fankanesany any am-piangonana tsy miaraka amin’ny rainy, izay tsy mpikambana. Avy eo dia nolazainy tamin-dranomaso fa mety ho tsaratsara kokoa ho azy ny mandao ny Fiangonana.

Tamin’ny fiahiahiana marina momba ity tovolahy ity no nanentanan’ilay eveka avy hatrany ny filankevitry ny paroasy mba hanampy an’i Alex. Tsotra ny drafiny: mba hihazonana an’i Alex ho mavitrika sy hanampiana azy hikolokolo fijoroana ho vavolombelona lalina momba ny filazantsara dia nilain’izy ireo ny “hifaneraseran’i [Alex] amina olona tsara sy ny hanaovany zavatra manan-danja.”

Ireo rahalahy tao amin’ny fisoronana sy ireo mpikamban’ny paroasy manontolo dia niara-nisalahy haingana mba hanampiana an’i Alex ary naneho ny fitiavana sy ny fanohanan’izy ireo. Ny mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo, izay lehilahy votom-pinoana sy feno fitiavana no voafidy ho namany amin’ny fanaovana fampianarana isan-tokantrano. Ireo mpikambana tao amin’ny episkôpa dia niahy azy ary nandray azy ho mpiara-miasa akaiky.

Hoy ilay eveka: “Nomenay andraikitra maro i Alex. Mpandray olona izy nandritra ireo lanonam-panambadiana sy nandritra ireo fotoam-pivavahana fanaovam-beloma farany ny maty, nanampy ahy tamin’ny fanokanana fasana izy, nanao batsia mpikambana vaovao maromaro izy, nanokana zatovolahy ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Aharôna izy, nampianatra lesona ho an’ny tanora izy, nampianatra niaraka tamin’ny misiônera izy, nanokatra ny trano fiangonana nandritra ireo fihaonambe izy, ary niandraikitra ny fanidiana ny trano fiangonana amin’ny alina aorian’ny fihaonambe izy. Nandray anjara tamin’ny hetsika fanompoana izy, niaraka tamiko rehefa namangy ireo mpikambana zokiolona tany amin’ny toerana fikarakarana beantitra izy, nanao lahateny nandritra ny fanasan’ny Tompo izy, nikarakara ny fanasan’ny Tompo ho an’ireo marary any amin’ny hôpitaly na any an-trano izy, ary lasa anisan’ireo olona vitsy izay afaka nianteherako tanteraka amin’ny maha-eveka ahy izy.”

Sary
Alex sy ny evekany

Niova tsikelikely i Alex. Nitombo ny finoany ny Tompo. Nitombo ny fahatokiany ny tenany sy ny herin’ny fisoronana izay nohazoniny. Toy izao no namaranan’ilay eveka azy: “Anisan’ireo fitahiana lehibe indrindra tamiko i Alex tamin’ny fotoana naha-eveka ahy ary ho fitahiana ho ahy foana izy. Tena tombotsoa ho ahy ny niarahako niasa taminy. Tena mino aho fa tsy mbola nisy zatovolahy nandeha tany amin’ny sahan’ny fitoriana filazantsara ka vonona vokatry ny nanompoany tao amin’ny fisoronana noho izy.”9

Ry eveka malalako isany, ianareo dia manana, tafiditra ao anatin’ny fanendrena sy ny fanokanana anareo ho evekan’ny paroasinareo, ny antso masina mba ho filohan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kôlejin’ny mpisorona. Fantatro ny enta-mavesatra zakainareo, kanefa tokony hataonareo ho anisan’ny laharam-pahamehanareo ambony indrindra ny fanefanareo ny adidinareo amin’ireo zatovolahy ireo. Tsy azonareo atao ambanin-javatra na omenareo olon-kafa izany anjara asanareo amin’io andraikitra io izany.

Manasa anareo aho hieritreritra momba ny tsirairay amin’ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna tanora ao amin’ny paroasinareo. Tsy tokony hisy na dia iray amin’izy ireo aza hahatsiaro tena ho adino na tsy ilaina. Misy zatovolahy iray azonareo sy azon’ireo rahalahy mpihazona ny fisoronana hafa ampiana ve? Asao izy hiara-hanompo aminareo. Matetika loatra isika no miezaka mamalifaly ireo zatovolahintsika sy mandray azy ireo ho mpanatrika fotsiny kanefa ny finoan’izy ireo sy ny fitiavan’izy ireo ny filazantsara dia azo kolokoloina indrindra amin’ny alalan’ny filofosan’izy ireo amin’ny fisoronany. Amin’ny alalan’ny fandraisan’izy ireo anjara mavitrika amin’ity asa famonjena ity dia hifandray amin’ny lanitra izy ireo ary hahazo fahalalana ny amin’ny fahafahan’izy ireo ho tonga tahaka an’ Andriamanitra.

Ny Fisoronana Aharôna dia tsy vondrona misy sokajin-taona fotsiny ihany, tsy lamina hisian’ny fampianarana sy hanaovana fiaraha-mientana fotsiny ihany na koa teny iray hoentina ilazana ireo zatovolahin’ny Fiangonana fotsiny ihany. Hery sy fahefana handraisana anjara amin’ny asa lehiben’ny famonjena fanahy izy io, dia ny fanahin’ireo zavotolahy izay mihazona azy sy ny fanahin’ireo olona tompoiny. Ndeha hapetratsika eo amin’ny toerana tokony hisy azy ny Fisoronana Aharôna, toerana tena tsara izany: toerana fanompoana, fiomanana, ary fahombiazana ho an’ny zatovolahy rehetran’ny Fiangonana.

Ry rahalahy malalako isany ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka, manasa anareo aho hanamafy ny rohy manan-danja izay mampiray ireo fisoronan’ Andriamanitra anankiroa. Omeo fahafahana ireo tanora mpihazona ny Fisoronana Aharôna hanomana ny lalana eo anoloanareo. Lazao azy ireo amim-pahasahiana hoe: “Mila anao aho.” Ho anareo tanora mpihazona ny Fisoronana Aharôna isany, mivavaka aho ny mba hahafahanareo mahare, rehefa miara-manompo amin’ny rahalahy zokinareo ianareo, ny feon’ny Tompo milaza aminareo hoe: “Hotahiana ianao fa hanao asa lehibe. Indro, efa nalefa hialoha lalana tahaka an’i Jaona ianao, mba hanamboatra ny lalana eo anoloako.”10 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.