2010–2019
Miverina sy mandray
Aprily 2017


Miverina sy mandray

Ny miverina eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny mandray ireo fitahiana mandrakizay izay azo amin’ny alalan’ny fanaovana sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana no tanjona manan-danja indrindra azontsika apetraka.

Ry rahalahy sy ranabavy, andraikitra nomena ahy izao ny miteny ary andraikitrareo ny mihaino. Ny tanjoko dia ny hahavitako izany andraikitro izany mialoha ny tsy hihainoanareo intsony. Hataoko izay tsara indrindra azoko atao.

Nandritra ny taona maro dia nahatsikaritra aho fa ireo izay nahavita be teto amin’ity izao tontolo izao ity dia ireo izay manana fijery lavitra momba ny fiainany, miaraka amin’ny tanjona mifantoka amin’izany fijeriny izany sy drafitra maty paika mikasika ny fomba hahatratrarana ireo tanjona ireo. Ny fahafantarana ny tanjona halehanao sy ny fomba eritreretinao hahatongavana amin’izany dia afaka mitondra lanja sy tanjona ary fahatanterahan-javatra eo amin’ny fiainana.

Misy ireo izay manana fahasarotana amin’ny fanavahana ny tanjona sy ny drafitra raha tsy efa mianatra fa ny tanjona dia zavatra hahatongavana na fiafarana, raha toa ka ny drafitra kosa dia fomba hahatongavana amin’izany. Ohatra, mety hanana tanjona ny hitondra fiara ho amin’ny toerana iray izay tsy mahazatra antsika isika, ary araka ny efa fantatry ny sasany aminareo ry ranabavy malala, dia matetika izahay lehilahy no mieritreritra fa hainay ny fomba hahatongavana any, matetika dia mahatonga anay hiteny hoe: “Fantatro fa efa ao ambadika kely ao izay.” Mitsiky angamba ny vadiko amin’izao. Mazava ilay tanjona, saingy tsy nisy drafitra napetraka mba hahatongavana any amin’ilay toerana tokony haleha.

Ny hoe mametraka drafitra amin’ny ankapobeny dia manana ao an-tsaina dieny ety am-boalohany ilay fiafarana tiana hahatongavana. Ary ny fanaovana drafitra dia ny famolavolana fomba hahatongavana amin’izany fiafarana izany. Ny fanalahidy iray mankany amin’ny fahasambarana dia miankina amin’ny fahatakarana ny hoe inona ny tanjona tena manan-danja, ary avy eo dia mandany ny fotoanantsika sy ny ezaka avy amintsika ary ny fifantohantsika amin’ireo zavatra izay manome fomba iray azo antoka hahatongavana amin’izany.

Andriamanitra Raintsika any An-danitra dia nanome antsika ny ohatra tonga lafatra momba ny fametrahana tanjona sy ny fanaovana drafitra. Ny tanjony dia ny “hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona,”1 ary ny fomba entiny hahatratrarana izany dia ny drafitry ny famonjena.

Tafiditra ao amin’ny drafitry ny Ray malalantsika any An-danitra ny fanomezany antsika fiainana an-tany izay ahafahana mitombo, manao mihoatra izay vitantsika, mianatra ka hahatonga antsika ho tonga tahaka Azy bebe kokoa. Ny fametrahana ny fanahintsika tsy mety maty ao anaty vatana; ny fiainana araka ny fampianarana sy ny didin’ilay Zanany, i Jesoa Kristy Tompo; ary ny fanorenana fianakaviana mandrakizay dia manome fahafahana antsika, amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, hahatratra ilay tanjona tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay an’ Andriamanitra ho an’ireo zanany miaraka Aminy ao amin’ny fanjakany selestialy.

Tafiditra ao amin’ny fametrahana tanjona amim-pahendrena ny fahatakarana fa ny tanjona akaiky dia tsy mahomby raha tsy mitarika amin’ny tanjona lavitra kokoa izay mazava tsara. Mino aho fa fanalahidy iray manan-danja mankany amin’ny fahasambarana ny fianarana manao ny tanjontsika manokana sy manorina ny drafitsika manokana mifanaraka amin’ny drafitra mandrakizain’ny Raintsika any An-danitra. Raha mifantoka amin’io lalana mandrakizay io isika dia tsy azo ihodivirana fa ho mendrika ny hiverina eo anatrehany.

Tsara ny manana tanjona sy drafitra ho an’ny asa aman-draharahantsika, ho an’ny fianarantsika, na dia hatramin’ny kilalao fanaontsika aza. Zava-dehibe ihany koa ny manana tanjona ho an’ny fanambadiantsika, ho an’ny fianakaviantsika, ary ho an’ireo filankevitra misy antsika na antso sahanintsika ato am-piangonana. Marina manokana izany ho an’ireo misiônera. Saingy ny tanjontsika lehibe sy ambony indrindra dia tokony hifanaraka amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Hoy i Jesoa: “Katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.”2

Milaza amintsika ireo matihanina amin’ny fametrahana tanjona fa arakaraka ny maha-tsotra sy mahitsy ny tanjona no hampatanjaka izany bebe kokoa. Rehefa azontsika fintinina amina sary iray mazava tsara na teny fohy iray na roa mahery vaika sy maneho tandindona ny tanjona dia ho lasa miorim-paka ao anatintsika izany tanjona izany ary afaka mitarika ny zavatra rehetra eritreretintsika sy ataontsika. Mino aho fa misy teny roa ao amin’io sahan-kevitra io izay maneho ny tanjon’ Andriamanitra ho antsika sy ny tanjona manan-danja indrindra ho antsika manokana. Izany teny izany dia hoe miverina sy mandray.

Ny miverina eo anatrehany sy ny mandray ireo fitahiana mandrakizay izay azo amin’ny alalan’ny fanaovana sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana no tanjona manan-danja indrindra azontsika apetraka.

Miverina sy mandray isika rehefa manana “[finoana] tsy voahozongozona [an’i Jesoa Kristy Tompo] ary [fianteherana] tanteraka amin’ny” fahamendrehany, “mibosesika handroso amin’ ny fiorenana ao amin’ i Kristy … , amin’ ny [fananana] fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra … , mivoky amin’ ny tenin’ i Kristy ary maharitra hatramin’ ny farany.”3

I Losifera dia tsy nanaiky ny drafitry ny Raintsika izay nanome fahafahana antsika hiverina eo anatrehany sy handray ireo fitahiany. Eny tokoa, nikomy i Losifera ary niezaka nanova ny drafitry ny Raintsika sady naniry ny haka ho azy ny voninahitra sy ny haja ary ny herin’ Andrimanitra. Vokatr’izay dia noroahina tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra izy sy ireo mpanohana azy ary “tonga Satana izy, eny dia ny devoly, ny rain’ ny lainga rehetra, mba hamitaka sy hanajamba ny olona, mba hitarika azy ho babo araka ny sitrapony, dia izay rehetra tsy te hihaino ny feon[’ny Tompo].”4

Noho ireo safidy nataony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia sady tsy afaka miverina no tsy afaka mandray i Satana. Ny hany zavatra sisa azony atao dia ny manohitra ny drafitry ny Ray amin’ny alalan’ny fampiasana izay fitaomana sy fankam-panahy rehetra misy mba hampihemotra antsika sy hahatonga antsika ho ory tahaka azy.5 Ny drafitr’i Satana hanatanteraka ilay tanjony ratsy dia mihatra amin’ny olona, ny taranaka, ny kolontsaina ary ny fiarahamonina rehetra. Mampiasa feo mafy i Satana: feo izay mitady handrakotra ilay feo tony sy malefaky ny Fanahy Masina izay afaka manoro antsika “ny zavatra rehetra” tokony hataontsika mba hiverenana sy handraisana.6

Izany feo izany dia an’ireo izay tsy miraharaha ny fahamarinan’ny filazantsara sy ireo izay mampiasa ny Internet, ny tambazotra ifaneraserana, ny haino aman-jery, ary ny horonantsary mba hanehoana amin’ny fomba manintona ny tsy fahadiovam-pitondrantena, ny herisetra, ny teny ratsy, ny fahalotoana, ary ny hadalana amin’ny fomba izay misarika antsika tsy hijery ireo tanjona sy drafitra ananantsika ho an’ny mandrakizay.

Izany feo izany dia mety hahitana ihany koa ireo olona tsara sitrapo izay jamban’ny filôzôfia lahikan’ny lehilahy sy vehivavy izay mikatsaka ny hanimba ny finoana sy hanova ny fifantohana mandrakizan’ireo izay miezaka ny hiverina eo anantrehan’ Andriamanitra sy handray “izay rehetra ananan’ny [Raintsika].”7

Nianatra aho fa mba hifantohana amin’ny fiverenana sy ny fandraisana ireo fitahiana nampanantenaina, dia mila manontany tena matetika aho hoe: “Manao ahoana aho?”

Ohatra ny karazana manao dinidinika manokana sy mangina amin’ny tenanao izany. Ary raha toa ka hafahafa izany dia eritrereto izao: iza eto an-tany no mahafantatra anao bebe kokoa mihoatra ny fahafantaranao ny tenanao? Ianao no mahafantatra ny eritreritrao, ny asanao mangina, ny fanirianao sy ny nofinofinao, ny tanjonao sy drafitrao. Ary tsy misy afa-tsy ianao no mahafantatra bebe kokoa ny fandrosoanao eo amin’ilay lalana hiverenana sy handraisana.

Ho torolalana ho ahy mandritra io fijerena tena mangina sy manokana io dia tiako ny mamaky sy misaintsaina ireo teny mampandini-tena hita ao amin’ny Almà toko fahadimy, izay ahitana an’i Almà manontany hoe: “Efa naterak’ Andriamanitra araka ny fanahy ve ianareo? Moa va ny endriny efa nisoritra teo amin’ ny tarehinareo? Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?”8 Ny fanontanian’i Almà dia fampahatsiahivana ny zavatra tokony ho tafiditra ao anatin’ny tanjontsika sy drafitsika mba hahafahana miverina symandray.

Tsarovy ilay fanasana nataon’ny Tompo hoe “mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho: dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.”9

Rehefa ampitomboantsika ny finoantsika ny herin’i Jesoa Kristy Tompo hanome fitsaharana ho an’ny fanahintsika amin’ny alalan’ny famelana ny fahotantsika, fanavotana ireo fifandraisana tsy tonga lafatra, fanasitranana ireo fery ara-panahy izay manakana ny fitomboana, ary fankaherezana sy fanomezana fahafahana antsika hikolokolo ireo toetra tahaka ny an’i Kristy, dia hankasitraka lalina kokoa ny halehiben’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo isika.10

Mandritra ireo herinandro manaraka dia mitadiava fotoana hijerena ireo tanjona amin’ny fiainanao sy ireo drafitrao ary alaivo antoka fa mifanaraka amin’ny drafitra lehiben’ny Raintsika any An-danitra ho an’ny fahasambarantsika izany. Raha mila mibebaka sy miova ianao dia eritrereto ny hanao izany dieny izao. Makà fotoana handinihana amim-bavaka ireo zavatra mila amboarina mba hanampy anao hihazona ny “maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra.”11

Tokony ho tazonintsika ho ivon’ny tanjontsika sy ny drafitsika ny fotopampianarana sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha tsy misy Azy, dia tsy afaka ny ho misy ny tanjona mandrakizay, ary azo antoka fa tsy hahomby ny drafitsika hahatratrarana ny tanjontsika mandrakizay.

Sary
Taratasy mirakitra ny “Ilay Kristy Velona”

Ny zavatra iray hafa manampy dia ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ireo Apôstôly,”12 izay naseho tamin’ny Fiangonana tamin’ny 1 janoary 2000. Mametraha tahadika iray amin’ny toerana izay ahafahanao mahita izany, ary makà fotoana hijerena ny filazana tsirairay hita ao amin’io tenivavolombelona nentanim-panahy momba an’i Kristy io izay nataon’ireo vavolombelony manokana izay nanao sonia izany.

Sary
“Ilay Kristy Velona” sy ilay fanambarana momba ny fianakaviana

Amporisihiko ianareo handalina izany miaraka amin’ “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’ Izao Tontolo Izao.” Matetika isika miresaka momba ny fanambarana momba ny fianakaviana, saingy aza adinoina ny mamaky izany ao anatin’ny sahan-kevitry ny hery manavotr’ilay Kristy velona. Raha tsy misy ilay Kristy velona, dia tsy ho tanteraka ireo zavatra sarobidy indrindra andrandraintsika. Araka ny voalaza ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana hoe: “Ny drafitra masin’ny fahasambarana no ahafahan’ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana haharitra mandrakizay any ankoatry ny fasana. Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina misy any amin’ny tempoly masina no ahafahan’ny tsirairay hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra sy ahafahan’ny fianakaviana ho iray mandrakizay.”13

Afaka mitranga izany satria ilay Kristy velona no Mpamonjy sy Mpanavotra nanao sorona ho an’izao tontolo izao.

Mahakasika izany ihany dia azonao atao ihany koa ny mikaroka ireo soratra masina mba hanitarana ny fahatakaranao ireo fahamarinana manokana hita ao amin’ny “Ilay Kristy Velona.”

Ny famakiana amim-bavaka ny “Ilay Kristy Velona” dia mitovy amin’ny famakiana ireo tenivavolombelon’i Matio, Marka, Lioka, Jaona ary ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Hampitombo ny finoanao ny Mpamonjy sy hanampy anao hifantoka Aminy izany rehefa manaraka ny drafitrao mba hanatratrarana ireo tanjonao mandrakizay ianao.

Na dia eo aza ireo fahadisoantsika, ireo fahalementsika, ny fiviliviliana ataontsika, ary ireo fahotantsika, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manome fahafahana antsika hibebaka, ho vonona ny hiverina sy handray ireo fitahiana tsy manan-tsahala nampanantenain’ Andriamanitra, dia ny hiaina mandrakizay miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka ao amin’ny ambaratonga ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy.14

Ankehitriny ary, araka ny efa fantatrareo rehetra dia tsy misy olona afaka miala ny fahafatesana. Noho izany, ny tanjontsika sy ny drafitsika lavitra dia tokony hoe rehefa miverina eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra isika dia handray “izay rehetra” nomaniny ho an’ny tsirairay amintsika.15

Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy misy drafitra lehibe kokoa eto amin’ny fiainana an-tany mihoatra ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ireo Ray aman-dRenintsika any an-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy malalantsika. Tsy antsika irery izany tanjona izany, fa tanjon’ Izy ireo ihany koa izany. Manana fitiavana tonga lafatra ho antsika Izy ireo, mahery lavitra noho ny fahatakarantsika. Miaraka amintsika tanteraka sy feno ary mandrakizay Izy ireo. Isika no asany. Ny voninahitsika dia voninahitr’Izy ireo. Ambonin’ny zavatra hafa rehetra dia tian’Izy ireo ho tonga any an-trano isika, dia ny miverina sy  mandray fahasambarana mandrakizay eo anatrehany.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako isany, afaka herinandro isika dia hankalaza ny alahadin’ny sampankazo, fahatsiarovana ny fidiran’ i Kristy tao Jerosalema tamim-boninahitra. Afaka roa herinandro isika dia hankalaza ny alahadin’ny Paska, fahatsiarovana ny nandresen’ny Mpamonjy ny fahafatesana.

Rehefa mampifantoka ny eritreritsika amin’ny Mpamonjy isika manditra ireo alahady roa miavaka ireo dia aoka isika hahatsiaro Azy sy hanavao ilay fanekempihavanantsika maharitra fa hitandrina ny didiny. Aoka isika handinika lalina ny fiainantsika ka hametraka ny tanjontsika sy hifantoka amin’ny drafintsika mba hifanaraka amin’ny an’ Andriamanitra izay hitarika antsika mankany amin’ilay fahafahantsika sarobidy miverina sy mandray. Izany no vavaka ataoko am-panetrentena amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.