2010–2019
Ny Andriamanitra sy ny drafitry ny famonjena
Aprily 2017


Ny Andriamanitra sy ny drafitry ny famonjena

Noho ny fananantsika ny fahamarinana momba Ny Andriamanitra sy ny fifandraisantsika amin’ Izy Ireo dia manana ny sori-dalana tsara indrindra ho an’ny diantsika mandritra ny fiainana an-tany isika.

I.

Ny fanekem-pinoana voalohany antsika dia manambara hoe,“Mino an’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay, isika ary mino an’ i Jesoa Kristy Zanany sy ny Fanahy Masina.” Miombon-kevitra amin’ny Kristianina hafa isika amin’io finoana ny fisian’ny Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina io, saingy ny zavatra inoantsika momba azy ireo dia tsy mitovy amin’izay inoan’ny hafa. Tsy mino ilay antsoin’ny tontolo Kristianina hoe fotopampianaran’ny Trinité Masina isika. Tao anatin’ny Fahitany Voalohany dia nahita olona roa samy hafa i Joseph Smith, olona roa, izay manazava fa ilay finoana nahazo vahana tamin’izany fotoana izany mikasika an’ Andriamanitra sy Ny Andriamanitra dia diso.

Mifanohitra amin’ny finoana fa Andriamanitra dia zava-miafina toa tsy takatry ny saina sy tsy azo fantarina, ny fahamarinana fa ny toetran’ Andriamanitra sy ny fifandraisantsika Aminy dia azo fantarina ary izany no fanalahidin’ny zavatra hafa rehetra ao amin’ny fotopampianarantsika. Ny Baiboly dia mirakitra ilay Vavaka Fanalalanana lehibe nataon’i Jesoa, izay hanambarany fa “izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao” (Jaona 17:3).

Sary
Ny Baiboly Masina

Ny ezaka atao hamantarana an’ Andriamanitra sy ny asany dia nanomboka talohan’ny fiainana an-tany ary tsy hifarana eto. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Mbola hisy fotoana maharitra aorian’ny niampitanao ny voaly izay vao hahavita hianatra … ny fitsipika rehetra an’ny fisandratana ianao.”1 Ny fahalalana azontsika tany amin’ny tontolon’ny fanahy talohan’ny nahaterahana no fototra iaingantsika. Noho izany, araka izay voarakitra ao amin’ny Baiboly, rehefa niezaka nampianatra ireo vahoakan’i Isiraely momba ny toetran’ Andriamanitra sy ny fifandraisany amin’ireo zanany ny mpaminany Isaia dia nanambara hoe:

“Koa ampitovinareo amin’iza moa Andriamanitra? Ary endrik’inona no ampanahafinareo Azy? …

“Tsy fantatrareo va? Tsy efa renareo va? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin’ny fanorenan’ny tany?” (Isaia 40:18, 21).

Fantatsika fa ireo mpikambana telo ao amin’ Ny Andriamanitra dia olona misaraka sy miavaka tsara. Izany dia fantatsika avy amin’ny fampianarana nomen’ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ny Ray dia manana vatana nofo sy taolana azo tsapaina toy ny an’ny olona; ny Zanaka koa; fa ny Fanahy Masina dia tsy manana vatana nofo sy taolana fa vatana Fanahy. Fa raha tsy izany dia tsy afaka mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina” (F&F 130:22).

Mahakasika ny toerana ambony indrindra tanan’ Andriamanitra Ray ao anatin’ Ny Andriamanitra, sy ny anjara asa manokana sahanin’ny Olona tsirairay ao amin’ Ny Andriamanitra, dia nanazava ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

Sary
Ny Mpaminany Joseph Smith

“Izay olona nahita ny lanitra nisokatra dia mahafantatra fa misy olona telo any an-danitra izany mihazona ny fanalahidin’ny hery, ary ny iray amin’ Izy Ireo no mpiahy ny rehetra. …

“… Ireo olona ireo … dia antsoina hoe Andriamanitra voalohany, ilay Mpahary; Andriamanitra faharoa, ilay Mpanavotra; ary Andriamanitra fahatelo, ilay Vavolombelona.

“Raharahan’ny Ray manokana ny miahy amin’ny anjara asa maha-Lehibe na Filoha, i Jesoa amin’ny anjara asa maha-Mpanalalana, ary ny Fanahy Masina amin’ny anjara asa maha-Vavolombelona.”2

II. Ilay drafitra

Takatsika avy amin’ny zavatra nambara mikasika ny drafitry ny famonjena ny fifandraisantsika amin’ireo mpikambana ao amin’ Ny Andriamanitra.

Ireo fanontaniana toy ny hoe “Avy aiza isika?” “Maninona eto isika?” ary “Ho aiza isika?” dia voavaly ao amin’ilay antsoin’ny soratra masina hoe “drafitry ny famonjena,” ilay “drafitra lehiben’ny fahasambarana,” na ilay “drafitry ny fanavotana” (Almà 42:5, 8, 11). Ivon’io drafitra io ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Satria fanahy zanak’ Andriamanitra isika tany amin’ny fisiana iray mialoha ny fiainana an-tany dia naniry isika hahazo ny anjara iray dia ny fiainana mandrakizay izany, kanefa nivoatra araka izay azontsika natao, tsy niaina teto an-tany tao anaty vatana nofo sy taolana. Mba hanomezana izany fahafahana izany dia niahy ny Fahariana ity tontolo ity ny Ray any An-danitra. Toerana izay hanaisorana amintsika ny fahatsiarovana ny zavatra nitranga talohan’ny fahaterahantsika ka hahafahantsika manaporofo ny fahavononantsika hitandrina ny didiny sy haka traikefa ary hivoatra amin’ny alalan’ireo olana hafa eto amin’ny fiainana an-tany. Saingy mandritra izany zavatra iainana eto an-tany izany, ary vokatry ny Fahalavoan’ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia hiaritra fahafatesana ara-panahy isika amin’ny alalan’ny fanesorana antsika tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra intsony, ho voaloton’ny fahotana, ary hiharan’ny fahafatesana ara-batana. Ny drafitry ny Ray dia nanomana mialoha ary nanome fomba handresena ireo sakana rehetra ireo.

III. Ny Andriamanitra

Rehefa fantatsika ary ny tanjon’ny drafitra lehiben’ Andriamanitra dia handeha isika izao hijery ireo anjara asan’ny tsirairay avy amin’ireo mpikambana telo ao amin’ Ny Andriamanitra ireo ao anatin’izany drafitra izany.

Atombotsika amin’ny fampianarana iray avy ao amin’ny Baiboly izany. Rehefa namarana ny taratasiny faharoa ho an’ny Korintiana ny Apôstôly Paoly dia nilaza tamin’ny fomba tsotra izao manaraka izao mba hiresahana momba Ny Andriamanitra izay ahitana ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina izy hoe: “Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan’ Andriamanitra ary ny firaisana amin’ny [na ny fiarahan’ny3] Fanahy Masina” (2 Korintiana 13:14).

Io soratra masina ao amin’ny Baiboly io dia maneho Ny Andriamanitra ary miresaka ny fitiavan’ Andriamanitra tsy miova sy manome risi-po, sy miresaka ilay iraka famonjena sy feno famindram-pon’i Jesoa Kristy, ary miresaka ny fiarahan’ny Fanahy Masina ho namana.

Andriamanitra Ray

Manomboka amin’ny Ray any An-danitra ny zavatra rehetra. Na dia zara raha mahafantatra zavatra kely momba Azy aza isika, ny zavatra fantatsika dia manan-danja amin’ny fahatakarana ny fahambonian-toerany, ny fifandraisantsika Aminy, ary ny andraikiny amin’ny maha-mpiahy Azy ao anatin’ny drafitry ny famonjena, ny Fahariana, ary ireo zavatra hafa rehetra aorian’izay.

Araka ny nosoratan’ny Loholona Bruce R. McConkie mialoha indrindra ny nahafatesany manao hoe: “Raha lazaina amin’ny hevi-teny tena manan-danja sy mahalaza azy dia tsy misy afa-tsy iray ihany ny Andriamanitra marina sy velona. Izy no Ray, ilay Elôhima Tsitoha, ilay Olona Avo indrindra, ilay Mpahary ary Mpanapaka an’izao tontolo izao.”4 Izy no Andriamanitra sy Rain’i Jesoa Kristy, ary Andriamanitra sy Raintsika rehetra koa. Ny Filoha David O. McKay dia nampianatra fa “ny fahamarinana fototra voalohany nohindrahindrain’i Jesoa Kristy dia izao: misy Andriamanitra Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany ao ambadika sy eo ambony ary manerana ny zavatra rehetra.”5

Ny zavatra fantatsika momba ny toetran’ Andriamanitra Ray no zavatra azontsika ianarana be indrindra avy amin’ny asa fanompoana sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana. Araka ny nampianarin’ny Loholona Jeffrey R. Holland dia anisan’ireo tanjona manan-danja indrindra nanaovan’i Jesoa ny asa fanompoany ny hampahafantatra amin’ny olombelona ny hoe “Toy ny ahoana Andriamanitra ilay Raintsika Mandrakizay, … mba hampahafantatra sy hanao izay handraisantsika ho an’ny tenantsika manokana ny tena toetran’ny Rainy, ilay Raintsika any An-danitra.”6 Ny Baiboly dia mirakitra tenivavolombelon’ny apôstôly fa i Jesoa dia “endriky ny [tenan’ny Rainy] indrindra” (Hebreo 1:3), izay tsy manao afa-tsy ny manome fahalalana bebe kokoa momba ny fampianaran’i Jesoa hoe “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (Jaona 14:9).

Andriamanitra Ray no Rain’ny fanahintsika. Zanany isika. Tia antsika Izy ary ho an’ny tombontsoantsika mandrakizay izay rehetra ataony. Izy no mpamorona ny drafitry ny famonjena, ary amin’ny alalan’ny heriny no hanatanterahan’ny drafiny ny tanjony ho an’ny voninahitra mandrakizain’ireo zanany.

Ny Zanaka

Ho an’ny olombelona dia i Jesoa Kristy no mpikambana ao amin’ Ny Andriamanitra izay hita maso be indrindra. Misy fanambarana ara-potopampianarana iray lehibe nataon’ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny 1909 izay manambara Azy ho “ny lahimatoa teo anivon’ny zanakalahin’ Andriamanitra rehetra, ny voalohan-teraka tao amin’ny fanahy, ary ny hany zanaka nateraka tao amin’ny nofo.”7 Ny Zanaka, ilay lehibe indrindra amin’ny rehetra, dia nofinidin’ny Ray hanatanteraka ny drafitry ny Ray, mba hampihatra ny herin’ny Ray hahariana tontolo tsy hita isa (jereo ny Mosesy 1:33) ary mba hamonjy ny zanak’ Andriamanitra amin’ny fahafatesana amin’ny alalan’ny Fitsanganany amin’ny maty sy amin’ny fahotana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany. Io sorona masina io dia antsoina araka izay tena sahaza azy hoe “ny asa lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona.”8

Sary
I Jesoa Kristy Tompo

Tamin’ireo fotoana miavaka sy masina izay nampahafantaran’ Andriamanitra Ray mivantana ny Zanaka, dia hoy Izy hoe: “Ity no Zanako malalako, Izy no henoy” (Marka 9:7; Lioka 9:35; jereo koa ny 3 Nefia 11:7; Joseph Smith—Tantara 1:17). Noho izany dia i Jesoa Kristy, i Jehovah, ny Tompo Andriamanitr’i Isiraely, no miresaka amin’ny mpaminany sy amin’ny alalan’izy ireo.9 Izany no antony nampahafantaran’i Jesoa ny tenany ho ny “Andriamanitry ny tany manontolo” (3 Nefia 11:14) rehefa niseho tamin’ny Nefita Izy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty. Izany no antony niresahan’i Jesoa matetika tamin’ny mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy tamin’ny Olomasin’ny Andro Farany, amin’ny maha-“ny Ray sy ny Zanaka”Azy, izay anarana fiantsoana nohazavaina tamin’ny famelabelarana fotopampianarana nentanim-panahy nataon’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo vao 100 taona lasa izay.10

Ny Fanahy Masina

Ny mpikambana fahatelo ao amin’ Ny Andriamanitra dia ny Fanahy Masina, izay antsoina ihany koa hoe ny Fanahin’ny Tompo ary ny Mpananatra. Izy no mpikambana ao amin’ Ny Andriamanitra izay fitaovana hahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana. Amin’ny maha-olona fanahy Azy (jereo ny F&F 130:22) dia afaka mitoetra ao anatintsika Izy ary manatanteraka ilay anjara asa tena ilaina amin’ny maha-mpampita vaovao Azy eo amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny zanak’ Andriamanitra eto an-tany. Soratra masina maro no mampianatra fa ny iraka nampanaovina Azy dia ny hijoro ho vavolombelona ny amin’ny Ray sy ny Zanaka (jereo ny Jaona 15:26; 3 Nefia 28:11; F&F 42:17). Nampanantena ny Mpamonjy fa ny Mpananatra dia hampianatra antsika ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro ny zavatra rehetra, ary hitari-dalana ho amin’ny fahamarinana rehetra (jereo ny Jaona 14:26; 16:13). Noho izany ny Fanahy Masina dia manampy antsika hanavaka ny marina sy ny sandoka, mitarika antsika ao amin’ireo fanapahan-kevitra lehibe raisintsika, ary manampy antsika ao anatin’ireo olan’ny fiainana an-tany.11 Izy ihany koa no lalana ahafahana manamasina antsika, izany hoe, voadio amin’ny fahotantsika (jereo ny 2 Nefia 31:17; 3 Nefia 27:20; Môrônia 6:4).

IV.

Koa ahoana ary ny hanampian’ny fahatakarana io fotopampianarana nambaran’ Andriamanitra momba Ny Andriamanitra sy ny drafitry ny famonjena io antsika amin’ny olantsika amin’izao fotoana izao?

Noho ny fananantsika ny fahamarinana momba Ny Andriamanitra sy ny fifandraisantsika amin’ Izy Ireo, momba ny tanjon’ny fiainana, ary ny endriky ny hiafarantsika mandrakizay, dia manana ny sori-dalana sy ny antoka tsara indrindra isika amin’ny diantsika mandritra ny fiainana an-tany. Fantatsika izay ivavahantsika sy ny antony ivavahantsika. Fantatsika hoe iza isika ary fantatsika izay azontsika hahatongavana (jereo ny F&F 93:19). Fantatsika hoe iza no mahatonga ny zavatra rehetra ho azo tanterahina, ary fantatsika izay tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny fitahiana tsara indrindra azo amin’ny alalan’ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra. Ahoana no hahalalantsika izany rehetra izany? Fantatsika amin’ny alalan’ny fanambarana nomen’ Andriamanitra ireo mpaminaniny sy nomeny antsika tsirairay avy izany.

Ny fahatratrarana ilay nofaritan’ny Apôstôly Paoly hoe “ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy” (Efesiana 4:13) dia mitaky zavatra betsaka lavitra noho ny fahazoana fahalalana. Tsy ampy akory aza ny faharesentsika lahatra ny amin’ny filazantsara. Tsy maintsy manao asa sy mieritreritra isika mba hahatonga antsika hiova fo amin’ny alalan’izany. Mifanohitra amin’ny an’ireo toeram-pianaran’izao tontolo izao, izay mampianatra antsika hahalala zavatra, ny drafitry ny famonjena sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mampanao fanamby antsika mba ho tonga amin’ny toetra iray izay tokony hahatongavana.

Sary
Filoha ThomasS. Monson

Araka ny nampianarin’ny Filoha Thomas S. Monson antsika tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonantsika farany hoe:

“Ampahany tena manan-danja ao ami[n’ny drafitry ny famonjena] i Jesoa Kristy, Mpamonjintsika. Raha tsy nisy ny sorona fanavotana nataony dia ho very avokoa ny rehetra. Tsy ampy anefa ny mino fotsiny Azy sy ny asa nanirahana Azy. Mila miezaka sy mianatra isika, mikatsaka sy mivavaka, ary mibebaka sy mihatsara. Mila mahafantatra ireo lalàn’ Andriamanitra isika ary miaina izany. Mila mandray ireo ôrdônansin’ny famonjeny isika. Ny fanaovantsika izany ihany no hahazoantsika fahasambarana marina sy mandrakizay. …

“Avy ato am-poko lalina, ary amim-panetrentena tanteraka” hoy ny nambaran’ny Filoha Moson, no “ijoroako ho vavolombelona mikasika ilay fanomezana lehibe dia ny drafitry ny Raintsika ho antsika. Io no lalana tokana tonga lafatra mankany amin’ny fiadanana sy ny fahasambarana na eto na any amin’ny tontolo ho avy.”12

Ampiako ny ahy ny fijoroana ho vavolombelon’ny mpaminany malalantsika, ny filoha Monson. Mijoro ho vavolombelona aho fa isika dia manana Ray any An-danitra izay tia antsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa isika dia manana ny Fanahy Masina izay mitarika antsika. Ary mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kritsy, Mpanavotra antsika aho, izay amin’ny alalany no maha-tontosa ny zava-drehetra, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 268.

  2. Teachings: Joseph Smith, 42.

  3. Izy io dia hevi-teny iombonana ho an’ny teny hoe communion tamin’ny fotoana nisafidianan’ny mpandika tenin’ny Roi Jacques an’io teny io (jereo ny The Oxford Universal Dictionary, ed. faha-3, rev. [1955], 352).

  4. Bruce R. McConkie, A New Witness for the Articles of Faith (1985), 51.

  5. David O. McKay, ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1935, 100.

  6. Jeffrey R. Holland, “The Grandeur of God,” Liahona, nôv. 2003, 70.

  7. Fiadidiana Voalohany, “The Origin of Man,” Ensign, feb. 2002, 26, 29.

  8. Jereo ohatra ny Russell M. Nelson, “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, Mey 2017, 40; “Ilay Kristy Velona: The Testimony of the Apostles,” Liahona, Apr. 2000, 2.

  9. Jereo ny Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, natambatr’i. Bruce R. McConkie (1954), 1:27.

  10. Jereo ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “The Father and the Son,” Ensign, apr. 2002, 13–18.

  11. Jereo ny Robert D. Hales, “Ny Fanahy Masina,” Liahona, mey 2016, 105–7.

  12. Thomas S. Monson, “Ilay lalana tonga lafatra mankany amin’ny fahasambarana,” Liahona, nôv. 2016, 80–81.