2010–2019
Ny herin’ny Bokin’i Môrmôna
Aprily 2017


Ny herin’ny Bokin’i Môrmôna

Miangavy ny tsirairay avy amintsika aho mba handalina sy hisaintsaina amim-bavaka isan’andro ny Bokin’i Môrmôna.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, miarahaba anareo amin-kafanam-po lehibe aho noho izao fihaonantsika indray amin’ny fihaonambe maneran-tany mahafinaritra an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro farany izao. Alohan’ny hanombohako ny hafatro anio dia te hanambara tempoly vaovao miisa dimy aho izay haorina any amin’ireto toerana manaraka ireto: Brasília, Brésil; faritra Grand Manille, Nosy Filipina; Nairobi, Kenya; Pocatello, Idaho, Etazonia; ary Saratoga Springs, Utah, Etazonia.

Amin’ity maraina ity aho dia hiresaka momba ny herin’ny Bokin’ny Môrmôna sy ny tena ilantsika tokoa amin’ny maha-mpikamban’ity Fiangonana ity antsika ny fandalinana sy ny fisaintsainana ary ny fampiharana ny fampianarana ao anatin’izany eo amin’ny fiainantsika. Tsy fe lazaina ombieny ombieny fotsiny ny maha-zava-dehibe ny fananana fijoroana ho vavolombelona mafy orina sy azo antoka momba ny Bokin’i Môrmôna.

Miaina ao anatin’ny fotoana tena sarotra sy feno haratsiana lehibe isika. Inona no hiaro antsika amin’ny fahotana sy ny faharatsiana izay tena miparitaka eto an-tany ankehitriny? Manambara aho fa ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny Filazantsarany dia hitarika antsika amin’ny toerana azo antoka. Raha tsy mamaky isan’andro ny Bokin’i Môrmôna ianao, dia ataovy izany. Raha mamaky izany amim-bavaka ianao miaraka amin’ny faniriana marina hahafantatra ny fahamarinana, dia haneho ny fahamarinan’izany aminao ny Fanahy Masina. Raha marina izany, ary ijoroako ho vavolombelona amin’ny fomba manetriketrika fa izany tokoa, dia mpaminany izay nahita an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany izany i Joseph Smith.

Satria marina ny Bokin’i Môrmôna, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fiangonan’ny Tompo eto an-tany, ary tafaverina amin’ny laoniny ny fisoronana masin’ Andriamanitra ho tombontsoa sy fitahiana ho an’ireo zanany.

Raha toa ka tsy manana fijoroana ho vavolombelona mafy orina momba ireo zavatra ireo ianao dia ataovy izay ilaina atao mba hahazoana izany. Zava-dehibe ho anareo ny fanananareo manokana fijoroana ho vavolombelona amin’izao andro sarotra izao, satria ny fijoroana ho vavolombelona izay ananan’ny hafa dia tsy afaka ny hanampy anareo ho lasa lavitra. Na izany aza, rehefa azo ny fijoroana ho vavolombelona dia mila tazonina ho zava-dehibe sy velona foana izany amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra sy amin’ny alalan’ny vavaka sy fandalinana ny soratra masina isan’andro.

Ry mpiara-manompo amiko ao anatin’ny asan’ny Tompo, miangavy ny tsirairay avy amintsika aho mba handalina sy hisaintsaina amim-bavaka isan’andro ny Bokin’i Môrmôna. Raha manao izany isika, dia ho afaka handre ny feon’ny Fanahy, hanohitra ny fakam-panahy, handresy ny ahiahy sy ny tahotra, ary handray ny fanampian’ny lanitra eo amin’ny fiainantsika. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny foko manontolo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.