2010–2019
Fanohanana ireo Mpiandraikitra ato amin’ny Fiangonana
Aprily 2017


Fanohanana ireo Mpiandraikitra ato amin’ny Fiangonana

Ry rahalahy sy ranabavy malalako isany, nangataka ahy ny Filoha Monson mba hanolotra anareo izao ireo Manampahefana Ambony sy Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, ary ireo Fiadidian’ny Vondrona Mpanampy maneran-tany an’ny Fiangonana mba hotohanana.

Asaina isika hanohana an’i Thomas Spencer Monson amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy, ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; i Henry Bennion Eyring amin’ny maha-Mpanolotsaina Voalohany azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany; ary i Dieter Friedrich Uchtdorf amin’ny maha-Mpanolotsaina Faharoa azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo izay manohana aoka haneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany.

Asaina isika hanohana an’i Russell M. Nelson ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ireto manaraka ireto ho mpikambana ao anatin’izay Kôlejy izany: I Russell M. Nelson, i Dallin H. Oaks, i M. Russell Ballard, i Robert D. Hales, i Jeffrey R. Holland, i David A. Bednar, i Quentin L. Cook, i D. Todd Christofferson, i Neil L. Andersen, i Ronald A. Rasband, i Gary E. Stevenson, ary i Dale G. Renlund.

Ireo izay manohana, dia aoka haneho izany.

Raha misy manohitra, dia afaka maneho izany.

Asaina isika hanohana ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, aoka haneho izany koa.

Ankasitrahanay feno ny fanompoana nataon’ny Loholona Bruce D. Porter, namana sy mpiara-manompo, izay nodimandry tamin’ny 28 desambra 2016. Maneho ny fitiavanay sy ny fampiononana avy amin’ny fonay ho an’i Susan Porter sy ireo zanany ary zafikeliny izahay. Feno fankasitrahana isika fa niara-nanompo tamin’io lehilahy tsara io.

Aroso amintsika ny hisaorana an’i Taylor G. Godoy sy i John C. Pingree Jr. tamin’ny naha-Fitopololahin’ny Vondrom-paritra azy ireo. Ireo izay te haneho ny fankasitrahany an’ireo rahalahy ireo noho ny fanompoana izay nataony dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hisaorana amin’ny fo feno fankasitrahana an-dRanabavy Linda K. Burton sy i Carole M. Stephens ary i Linda S. Reeves tamin’ny naha-Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany azy ireo. Ataonay torak’izany koa ny fisaorana ireo mpikambana rehetra ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany.

Ireo rehetra izay te hiaraka aminay haneho fankasitrahana an’ireo ranabavy ireo noho ny asa fanompoana sy fanolorantena niavaka nataon’izy ireo dia iangaviana haneho izany.

Aroso amintsika ny hisaorana ny Rahavavy Jean B. Bingham tamin’ny naha-mpanolotsaina voalohany azy tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany azy sy ny Rahavavy Bonnie H. Cordon tamin’ny naha-mpanolotsaina faharoa azy tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany azy.

Ireo izay te haneho fankasitrahana an’ireo ranabavy ireo dia afaka manao izany amin’ny alalan’ny fananganana ny tanana.

Atolotra antsika mba hotohanana ireto manaraka ireto ho Fitopololahy Manampahefana Ambony vaovao: iTaylor G. Godoy, Joni L. Koch, Adilson de Paula Parrella, John C. Pingree Jr., Brian K. Taylor, aryTaniela B. Wakolo.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, aoka haneho torak’izany koa.

Aroso amintsika ny hanohanantsika an’i Jean B. Bingham ho Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany miaraka amin’i Sharon L. Eubank ho mpanolotsaina voalohany ary i Reyna I. Aburto ho mpanolotsaina faharoa.

Aroso amintsika koa ny hanohanantsika an’i Bonnie H. Cordon ho mpanolotsaina voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany ankehitriny ary i Cristina B. Franco mpanolotsaina faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Raha misy manohitra, dia afaka maneho izany.

Atolotra antsika mba hotohanana ireto manaraka ireto ho Fitopololahin’ny Vondrom-paritra: I Luis R. Arbizú, i David A. Benalcázar, i Berne S. Broadbent, i David L. Buckner, i L. Todd Budge, i Luciano Cascardi, i Ting Tsung Chang, i Pablo H. Chavez, i Raymond A. Cutler, i Fernando P. Del Carpio, i José Luiz Del Guerso, i Aleksandr A. Drachyov, i I. Raymond Egbo, i Carlos R. Fusco Jr., i Jorge A. García, i Gary F. Gessel, i Guillermo I. Guardia, i Marcel Guei, i José Hernández, i Karl D. Hirst, i Ren S. Johnson, i Jay B. Jones, i Anthony M. Kaku, i Paul N. Lekias, i John A. McCune, i Tomas S. Merdegia, i Artur J. Miranda, i Elie K. Monga, i Juan C. Pozo, i Anthony Quaisie, i James R. Rasband, i Carlos G. Revillo Jr., i Martin C. Rios, i Johnny F. Ruiz, i K. Roy Tunnicliffe, ary i Moisés Villanueva.

Ireo izay manohana aoka haneho izany.

Izay manohitra dia afaka maneho izany koa.

Asaina isika hanohana ireo Manampahefana Ambony hafa rehetra, sy ireo Fitopololahin’ny Vondrom-paritra ary ireo fiadidian’ny Vondrona Mpanampy izay misy ankehitriny.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy.

Voaray ny hevitrareo. Ireo izay mety nanohitra ny iray tamin’ireo olona natolotra dia tokony hihaona amin’ny filohan’ny tsatòkany.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako isany, misaotra anareo noho ny finoana maharitra sy ny vavaka tsy tapaka ataonareo ho an’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana.

Asaintsika izao ireo Fitopololahy Manampahefana Ambony sy ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany vaovao mba handray ny sezany ety amin’ny polipitra. Milaza foana ny Filoha Monson hoe: “Dia an-tongotra lavitra ity.” Misaotra anareo, ranabavy isany. Misaotra anareo, rahalahy isany. Ho fampahafantarana dia mbola manao asa fitoriana any Argentine miaraka amin’ny vadiny ny Rahavavy Franco amin’izao fotoana izao. Vao notohanana izy, araka ny fantatrareo, ary hanomboka ny asa fanompoany amin’ny fomba ôfisialy rehefa miverina amin’ny volana jolay izy ireo.